< I Kronik 21 >
1 Wtedy szatan powstał przeciwko Izraelowi i pobudził Dawida, aby policzył Izraela.
Ary Satana nitsangana hampidi-doza tamin’ ny Isiraely ka nanome saina an’ i Davida hanisa ny Isiraely.
2 Dawid więc powiedział do Joaba i do przełożonych nad ludem: Idźcie, policzcie Izraela od Beer-Szeby aż do Dan i donieście mi o ich liczbie, abym ją poznał.
Dia hoy Davida tamin’ i Joaba sy tamin’ ireo lehiben’ ny vahoaka: Mandehana, isao ny Isiraely hatrany Beri-sheba ka hatrany Dana; ary ento atỳ amiko ny isany mba ho fantatro.
3 Lecz Joab odpowiedział: Niech PAN pomnoży swój lud sto razy tyle, ile go jest. Lecz, mój panie, królu, czy nie są oni wszyscy sługami mego pana? Czemu mój pan żąda tego? Czemu miałoby to być przyczyną grzechu dla Izraela?
Fa hoy Joaba: Jehovah anie hampitombo ny olony ho injato toy izao na firy na firy izy; fa moa tsy mpanompon’ ny tompoko izy rehetra, ry mpanjaka tompoko? Koa inona indray no itadiavan’ ny tompoko izany zavatra izany? Nahoana no dia hampahadiso ny Isiraely?
4 Słowo króla jednak przemogło Joaba. Wyszedł więc Joab, obszedł całego Izraela i wrócił do Jerozolimy.
Nefa tsy azon’ i Joaba nolavina ny tenin’ ny mpanjaka; ka dia niainga izy ka nitety ny Isiraely rehetra; dia tonga tany Jerosalema indray izy.
5 I podał Joab Dawidowi liczbę policzonych. A było wszystkich w Izraelu milion sto tysięcy mężczyzn dobywających miecz, a z Judy – czterysta siedemdziesiąt tysięcy mężczyzn dobywających miecz.
Ary natolotr’ i Joaba an’ i Davida ny isan’ ny olona voalamina, ka nisy iray hetsy sy iray tapitrisa ny lehilahy mahatan-tsabatra teo amin’ ny Isiraely; ary fito alina sy efatra hetsy ny lehilahy mahatan-tsabatra teo amin’ ny Joda.
6 Lecz Lewitów i Beniaminitów nie policzył razem z nimi, gdyż rozkaz króla budził odrazę w Joabie.
Fa ny Levy sy ny Benjamina tsy mba nalaminy, satria fahavetavetana tamin’ i Joaba ny tenin’ ny mpanjaka.
7 Nie podobała się też Bogu ta rzecz, więc ukarał Izraela.
Ary tsy sitrak’ Andriamanitra izany zavatra izany; ka dia namely ny Isiraely Izy.
8 Wtedy Dawid powiedział do Boga: Zgrzeszyłem bardzo, czyniąc tę rzecz. Lecz teraz, proszę, zgładź nieprawość swego sługi, gdyż bardzo głupio postąpiłem.
Ary hoy Davida tamin’ Andriamanitra; Efa nanota indrindra aho tamin’ izao nataoko izao; koa ankehitriny, mifona aminao aho, esory ny heloky ny mpanomponao, fa efa nanao fahadalana lehibe tokoa aho.
9 I PAN powiedział do Gada, widzącego Dawida:
Ary hoy Jehovah tamin’ i Gada mpahitan’ i Davida:
10 Idź i powiedz Dawidowi: Tak mówi PAN: Trzy rzeczy ci przedstawiam, wybierz sobie jedną z nich, abym ci uczynił.
Mandehana, ka lazao amin’ i Davida hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Zavatra telo loha no apetrako eto anoloanao, koa fidio izay iray hataoko aminao.
11 Przyszedł więc Gad do Dawida i powiedział mu: Tak mówi PAN: Wybierz sobie:
Ary Gada nankany amin’ i Davida ka nanao taminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Mifidia:
12 Albo trzy lata głodu, albo trzy miesiące klęsk od twoich wrogów, podczas których miecz twoich wrogów będzie cię ścigał, albo trzy dni miecza PANA i zarazy w ziemi, kiedy Anioł PANA będzie niszczył wszystkie granice Izraela. Teraz więc rozważ, co mam odpowiedzieć temu, który mnie posłał.
Mosary telo taona va? Sa fandringanana eo alohan’ ny fahavalonao telo volana, raha tratry ny sabatry ny fahavalonao ianao? Sa ny sabatr’ i Jehovah, dia areti-mandringana, no hamely ny tany hateloana, ka Ilay Anjelin’ i Jehovah handringana eran’ ny tanin’ ny Isiraely rehetra? Koa hevero tsara izay valiny ho entiko miverina any amin’ Izay naniraka ahy.
13 Dawid odpowiedział Gadowi: Jestem w wielkiej rozterce. Niech wpadnę raczej w ręce PANA, gdyż wielkie jest jego miłosierdzie. Niech nie wpadnę w ręce człowieka.
Ary hoy Davida tamin’ i Gada: Indrisy! poritra loatra aho! nefa aleoko ho azon’ ny tànan’ i Jehovah, fa lehibe ny famindram-pony toy izay ho azon’ izay tànan’ olona.
14 Zesłał więc PAN zarazę na Izraela. I poległo z Izraela siedemdziesiąt tysięcy mężczyzn.
Dia nasian’ i Jehovah areti-mandringana ny Isiraely ka nahafatesana fito alina izy.
15 Posłał też Bóg Anioła do Jerozolimy, aby ją zniszczyć. A gdy ją niszczył, wejrzał PAN i użalił się nad tym nieszczęściem i powiedział do Anioła, który niszczył: Dosyć już, powstrzymaj rękę. A Anioł PANA stał obok klepiska Ornana Jebusyty.
Ary Andriamanitra naniraka Anjely hankany Jerosalema handrava azy; ary raha ilay mbola nandrava iny Izy, dia nijery Jehovah ka nanenina ny amin’ ny loza ka nanao tamin’ Ilay Anjely nandrava hoe: Aoka izay! Atsaharo ny tananao ankehitriny. Ary Ilay Anjelin’ i Jehovah nitsangana teo anilan’ ny famoloan’ i Araona Jebosita.
16 Gdy Dawid podniósł oczy, ujrzał Anioła PANA stojącego między ziemią a niebem, a w jego ręce dobyty miecz wyciągnięty nad Jerozolimą. Wtedy Dawid i starsi, ubrani w wory, upadli na twarze.
Ary Davida nanopy ny masony ka nahita Ilay Anjelin’ i Jehovah nitsangana teo anelanelan’ ny tany sy ny lanitra sady nitana sabatra voatsoaka teny an-tanany, izay natondrony manandrify an’ i Jerosalema. Dia niankohoka Davida sy ny loholon’ ny Isiraely, izay efa samy nitafy lamba fisaonana.
17 I Dawid powiedział do Boga: Czy nie ja rozkazałem policzyć lud? Ja jestem tym, który zgrzeszył i bardzo źle uczynił, ale te owce, co uczyniły? PANIE, mój Boże, błagam, niech się obróci twoja ręka przeciwko mnie, domowi mego ojca. Lecz niech się nie rozprzestrzenia ta plaga przeciwko twemu ludowi.
Ary hoy Davida tamin’ Andriamanitra: Tsy izaho va no nandidy hanisa ny vahoaka? Izaho no nanota sy nanao ratsy tokoa; fa ireo ondry ireo kosa, inona moa no mba nataony? Eny, Jehovah Andriamanitro ô, mifona aminao re aho, aoka ny tananao hamely ahy sy ny mpianakavin’ ny raiko, fa aza ny olonao no asianao amin’ ny areti-mandringana.
18 Wtedy Anioł PANA powiedział do Gada, aby oznajmił Dawidowi, że ma iść i zbudować PANU ołtarz na klepisku Ornana Jebusyty.
Ary Gada nasain’ Ilay Anjelin’ i Jehovah hilaza amin’ i Davida mba hiakatra hanangana alitara ho an’ i Jehovah ao amin’ ny famoloan’ i Araona Jebosita.
19 Dawid więc poszedł według słowa Gada, który mówił w imieniu PANA.
Koa dia niakatra Davida araka ny tenin’ i Gada, izay nolazainy tamin’ ny anaran’ i Jehovah.
20 Wtedy Ornan obrócił się i ujrzał Anioła, a jego czterej synowie, którzy [byli] z nim, ukryli się. A Ornan młócił pszenicę.
Ary Araona niherika ka nahita Ilay Anjely; ary ny zanany efa-dahy izay teo aminy dia niery. Ary Araona nively vary tao tamin’ izay.
21 Gdy Dawid przyszedł do Ornana, ten spojrzał i zobaczył Dawida. Wyszedł więc z klepiska i pokłonił się Dawidowi twarzą do ziemi.
Ary nony tonga teo amin’ i Araona Davida, dia nijery Araona ka nahita an’ i Davida, ary dia niala avy teo amin’ ny famoloana izy ka niankohoka tamin’ ny tany teo anatrehan’ i Davida.
22 I Dawid powiedział do Ornana: Odstąp mi miejsce [tego] klepiska, abym zbudował na nim ołtarz PANU. Oddaj mi je za pełną cenę, aby plaga odstąpiła od ludu.
Ary hoy Davida tamin’ i Araona: Mba omeo ahy amin’ izay tokom-bidiny ity famoloana ity hanorenako alitara ho an’ i Jehovah; omeo ahy izy, mba hitsaharan’ ny areti-mandringana tsy hamely ny vahoaka.
23 Ornan odpowiedział Dawidowi: Weź [je] sobie i niech mój pan, król, uczyni, co uważa za słuszne. Oto oddaję też woły na całopalenia, sprzęty młocarskie na drwa i pszenicę na ofiarę z pokarmów – [to] wszystko daję.
Fa hoy Araona tamin’ i Davida: Ento ary ho anao, ary aoka ny mpanjaka tompoko hanao izay sitrany; indro, omeko koa ny omby ho fanatitra dorana ary ny fivelezam-bary ho kitay ary ny vary tritika ho fanatitra hohanina; foiko avokoa izy rehetra.
24 I król Dawid powiedział do Ornana: Nie, raczej kupię [wszystko] za pełną cenę. Nie wezmę bowiem dla PANA tego, co jest twoje, ani nie będę ofiarował całopaleń, które nic nie kosztują.
Fa hoy Davida mpanjaka tamin’ i Araona: Tsia, fa hovidiko mihitsy araka izay tokom-bidiny; fa tsy haka izay anao ho an’ i Jehovah aho ary tsy hanatitra fanatitra dorana amin’ izay azoko fotsiny.
25 Dał więc Dawid Ornanowi za [to] miejsce sykle złota w wadze sześciuset.
Dia nomen’ i Davida sekely volamena lanjan’ enin-jato Araona ho vidin’ ny tany.
26 I Dawid zbudował tam PANU ołtarz, złożył całopalenia i ofiary pojednawcze i wzywał PANA, a on mu odpowiedział z nieba, [spuszczając] ogień na ołtarz całopalenia.
Ary Davida nanorina alitara teo ho an’ i Jehovah ka nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana; dia niantso an’ i Jehovah izy ka novaliany tamin’ ny afo avy tany an-danitra, izay latsaka teo amin’ ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana.
27 I PAN rozkazał Aniołowi, by schował swój miecz do pochwy.
Ary Jehovah nandidy Ilay Anjely, ka dia nampidiriny tamin’ ny tranony ny sabany.
28 Wtedy Dawid, widząc, że PAN go wysłuchał na klepisku Ornana Jebusyty, składał tam ofiary.
Tamin’ izany andro izany, nony hitan’ i Davida fa novalian’ i Jehovah teo amin’ ny famoloan’ i Araona Jebosita izy, dia namono zavatra hatao fanatitra teo izy.
29 Przybytek PANA bowiem, który Mojżesz zbudował na pustyni, oraz ołtarz całopalenia [były] w tym czasie na wyżynie w Gibeonie.
Fa ny tabernakelin’ i Jehovah izay nataon’ i Mosesy tany an-efitra sy ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana kosa dia teo amin’ ny fitoerana avo tao Gibeona fahizay;
30 Lecz Dawid nie mógł iść do niego, aby radzić się Boga, gdyż bał się miecza Anioła PANA.
nefa Davida tsy nahazo nankeo anoloan’ izany hanontany amin’ Andriamanitra; fa raiki-tahotra izy noho ny sabatr’ Ilay Anjelin’ i Jehovah.