< Salomos Høisang 2 >
1 «Ein engblom frå Saron er eg, ei lilja frå dalom.»
Izaho dia voninkazo eny an-tanety ihany sy lilia eny an-dohasaha.
2 «Ja, som ei lilja i klunger-holt millom møyar min hugnad er.»
Toy ny lilia eo amin’ ny tsilo, dia toy izany tompokovavy havako eo amin’ ny zazavavy.
3 «Liksom ein apall, i skogen stend er venen min millom sveinar. Eg sitje so ljuvt i skuggen hans, og søt er frukti i munn.
Toy ny hazo poma amin’ ny hazo any an’ ala, dia toy izany ny malalako eo amin’ ny zatovo. Mahafinaritra ahy indrindra ny mipetraka eo ambanin’ ny alokalony, sady mamy ao am-bavako ny voany.
4 Inn i vinhuset hev han meg ført, og hans merke yver meg det er kjærleik.
Nentiny ho ao an-tranon-divay aho, ary ny fanevany eo amboniko dia fitiavana.
5 Å, styrk meg med druvekakor, med eple meg kveik! For eg er sjuk av kjærleik.
Hatanjaho amin’ ampempam-boaloboka aho, ary velombelomy amin’ ny poma aho, fa mararim-pitia.
6 Hans vinstre hand er under mitt hovud, med den høgre femner han meg.
Aoka ny tànany ankavia hanondana ahy, ary aoka ny tànany ankavanana hanohona ahy.
7 Eg hjarteleg bed dykk, Jerusalems døtter, ved gasellor og hindar i skog, at ikkje de vekkje eller eggje kjærleik, fyrr sjølv han so vil!»
Mampianiana anareo amin’ ny gazela na amin’ ny dieravavy any an-tsaha aho, ry zanakavavin’ i Jerosalema: Aza manaitra na mamoha ny fitiavana raha tsy efa sitrapony.
8 «Høyr! Min ven! Sjå der, han kjem! Yver fjelli, sjå, han sprett, yver haugarne han renn.
Injay, ny feon’ ilay malalako! Indro, tamy izy ka miantsambotsambotra eny an-tendrombohitra ary mitsambitimbikina eny amin’ ny havoana.
9 Min ven ei gasella er lik eller som ungan hjort. Sjå der! No han stend attum vår vegg. Gjenom glyttom ser han inn.
Ny malalako dia tahaka ny gazela na ny diera tanora; Indro, mijanona eo ala-tranonay izy, mitsidika eo am-baravarankely, manarangarana eo amin’ ny makarakara.
10 Han tek til min ven å tala til meg: «Du, min hugnad, statt upp, du, mi fagre, kom ut!
Niteny ny malalako ka nanao tamiko hoe: Mitsangàna, ry tompokovavy havako, ry tsara tarehiko, ka andeha ary!
11 For sjå, no er vinteren slutt, regnet hev kvorve burt.
Fa, indro, lasa ny ririnina, ritra tsy misy intsony ny ranonorana;
12 Du ser blomarne sprett utpå voll. D’er det bilet dei vintrei skjer, og turtelduva ho syng i vårt land.
Miposaka eo amin’ ny tany ny voninkazo; Tonga ny taona fanaovam-peo fifaliana, ary re atỳ amin’ ny tanintsika ny feon’ ny domohina.
13 Fiketreet skyt frukt, vintrei stend alt i blom med angande dåm, du, min hugnad, statt upp, du, mi fagre, kom!
Ny aviavy mahamanitra ny voany tanora, mamony ny voaloboka ka mamerovero tsara. Mitsangàna, ry tompokovavy havako, ry tsara tarehiko, ka andeha ary!
14 Du, mi duva, i bergeskard, som i fjellveggen sit, lat ditt andlit meg sjå, lat meg høyra ditt mål, for ditt mål er so ljuvt, og ditt andlit so vænt.»
E, ry voromailalako ao amin’ ny tsefatsefaky ny harambato, dia ao amin’ ny fialokalofana amin’ ny fiakarana mideza, aoka hahita ny endrikao sy handre ny feonao aho; Fa mamy ny feonao, sady mahafinaritra ny endrikao.
15 «Fare av og revarne slå, dei revarne små, som i hagom mun gå, for hagarne no, dei tek til å gro.»
Sambory ny amboahaolo, dia ireo amboahaolo madinika izay manimba ny tanim-boaloboka; Fa efa mamony izao ny voalobotsika.
16 Min ven er min, og eg er hans, han som gjæter millom liljor.»
Ahy ny malalako, ary azy aho, dia ilay miandry ny ondriny eny amin’ ny lilia.
17 «Skrid du, min ven, til dagen vert sval, og skuggarne flyr, ei gasella lik eller ungan hjort uppi skardefjellom.»
Mandra-pangatsiatsiaky ny andro, ka efa hilentika ny masoandro, mitodiha, ry ilay malalako, ary aoka ho tahaka ny gazela na ny diera tanora eny an-tendrombohitra be hantsana ianao.