< Hoera 2 >

1 Whakatangihia te tetere ki Hiona; hei whakaoho ki toku maunga tapu, kia wiri nga tangata katoa o te whenua: kei te haere mai hoki te ra o Ihowa, kua tata;
Tsofy ao Ziona ny anjomara! Ary miantsoa mafy ao an-tendrombohitro masìna! Aoka hangovitra ny mponina rehetra amin’ ny tany; Fa avy ny andron’ i Jehovah, eny, efa antomotra izany,
2 He ra pouri, he ra tukupu, he ra kapua, he pouri kerekere, ano ko te ata kua horapa noa atu i runga i nga maunga; he iwi nui, kaha, kahore ona rite i mua, kahore hoki he pera i nga wa i muri a taea noatia nga tau o nga whakatupuranga maha.
Dia andro maizina sy manjombona, andro mandrahona sy maizim-pito, toy ny fahazavan’ ny maraina miely manerana ny tendrombohitra, dia firenena lehibe sy matanjaka, ka tsy nisy tahaka azy hatrizay hatrizay, sady tsy hisy tahaka azy intsony any aoriany hatramin’ ny taonan’ ny taranaka fara mandimby.
3 I mua i a ratou ko te ahi e kai ana, i muri i a ratou ko te mura e ngiha ana; ko te whenua i mua i a ratou me te mea ko te kari o Erene, a i muri i a ratou he koraha ururua; ae ra, kahore he mea i puta i a ratou.
Eo alohany misy afo mandevona, ary any aoriany misy lelafo mandoro; Tahaka ny saha Edena ny tany eo alohany, fa ny any aoriany kosa dia tahaka ny efitra foana, eny, tsy misy tsy azony.
4 Ko to ratou ahua kei to nga hoiho; ko ta ratou oma rite tonu ki ta te kaieke hoiho.
Mitarehin-tsoavaly ny tarehiny; Ary tahaka ny firiotry ny mpitaingin-tsoavaly ny firiotrany.
5 E peke ana ratou ano ko te haruru o nga hariata i runga i nga tihi o nga maunga, ano ko te haruru o te mura ahi e kai ana i te kakau witi, ki te iwi kaha kua oti te whakararangi mo te whawhai.
Tahaka ny figorodon’ ny kalesy any an-tampon’ ny tendrombohitra no figorodon’ ny fitsambikimbikiny, sy tahaka ny fipororotry ny lelafo eny amin’ ny hain-tanety, ary tahaka ny firenena mahery voalamina hiady.
6 Ka mamae nga iwi i to ratou aroaro: ka koma nga kanohi katoa.
Eo anoloany dia raiki-tahotra indrindra ny firenena; Ny tarehy rehetra mivaloarika;
7 Ko ta ratou oma rite tonu ki ta nga marohirohi; ko ta ratou piki i te taiepa rite tonu ki ta nga tangata whawhai; haere tonu ratou i tona ara, i tona ara, kahore o ratou ara e korara.
Mitsarapaka tahaka ny lehilahy mahery izy ary mananika ny manda tahaka ny mpiady, samy mandroso amin’ izay hitsiny ka tsy vaky laharana;
8 Kahore tetahi e tutetute i tona hoa; ka haere ratou i tona ara, i tona ara; a ka huaki ratou ma roto i nga rakau o te riri, a kahore e tapeka i to ratou ara.
Tsy mifanosika izy, fa samy mandroso amin’ izay hitsiny; Ary na dia miezaka mamaky ny sabatra aza izy, dia tsy voaratra.
9 Ka peke ratou ki runga ki te pa; ka oma ratou i runga i te taiepa; ka piki ratou ki roto ki nga whare; ka tomo ratou i nga matapihi, ano he tahae.
Mifamoivoy eran’ ny tanàna izy, mihazakazaka eny amin’ ny manda izy, mananika ny trano izy, miditra ao am-baravarankely toy ny mpangalatra izy.
10 Ru ana te whenua i to ratou aroaro; wiri ana nga rangi: ko te ra me te marama, pouri tonu, ka mutu ano te titi o nga whetu.
Eo alohany dia mihorohoro ny tany, ary mihozongozona ny lanitra; Ny masoandro sy ny volana tonga maizina, ary ny kintana tsy mamirapiratra.
11 Na ka puaki te reo o Ihowa i te aroaro o tana ope: nui atu hoki tana puni: he kaha hoki ia e mahi nei i tana kupu: he nui nei hoki te ra o Ihowa, he wehi rawa; ko wai e kaha ake ki reira?
Ary Jehovah mahatonga kotroka eo alohan’ ny miaramilany; Fa lehibe indrindra ny tobiny ary mahery izay manatanteraka ny teniny; Fa lehibe sy mahatahotra indrindra ny andron’ i Jehovah, ka iza no mahatanty izany?
12 Otiia inaianei nei ano, e ai ta Ihowa, tahuri koutou ki ahau, o koutou ngakau katoa, i runga ano i te nohopuku, i te tangi, i te aue:
Koa na dia ankehitriny aza, hoy Jehovah, miverena amiko amin’ ny fonareo rehetra ary amin’ ny fifadian-kanina sy ny fitomaniana ary ny fitarainana.
13 Haea hoki o koutou ngakau, haunga o koutou kakahu, a tahuri ki a Ihowa, ki to koutou Atua: he aroha hoki tona, he mahi tohu, he puhoi ki te riri, he nui tona atawhai, a e ripeneta ana ia ki te kino.
Ary ny fonareo no triatriaro, fa aza ny fitafianareo, ary miverena amin’ i Jehovah Andriamanitrareo; Fa mamindra fo sy miantra Izy, mahari-po sady be famindram-po ary manenina ny amin’ ny loza,
14 Ko wai ka tohu, tera pea ka tahuri, ka puta ke ona whakaaro, a ka mahue he manaaki i muri i a ia, ara he whakahere totokore, he ringihanga ma Ihowa, ma to koutou Atua?
Fandrao mba hanenina ihany Izy ka hamela fitahiana ao aoriany, dia fanatitra hohanina sy fanatitra aidina ho an’ i Jehovah Andriamanitrareo.
15 Whakatangihia te tetere ki Hiona, whakatapua he nohopuku, karangatia he hui nui;
Tsofy ao Ziona ny anjomara, ka manamasìna andro fifadian-kanina, miantsoa fivoriana masìna.
16 Whakaminea te iwi, whakatapua te whakaminenga, tawhiua mai nga kaumatua, whakaminea nga tamariki, ratou ko nga mea ngote u: kia puta te tane marena hou i roto i tona ruma, te wahine marena hou i roto i tona whare moenga.
Angony ny vahoaka, manamasìna fiangonana, vorio ny loholona, angòny ny ankizy madinika mbamin’ ny zaza minono; Aoka ny mpampakatra hiala ao an-efi-tranony, ary aoka ny ampakarina hiala ao an-trano fandriany.
17 Kia tangi nga tohunga, nga minita a Ihowa, ki te takiwa o te whakamahau, o te aata, me te ki atu ano, Tohungia, e Ihowa, tau iwi, kaua ano tou kainga tupu e tukua ki te ingoa kino, kia meinga ko nga tauiwi hei rangatira mo ratou: kia korerotia h ei aha i roto i nga iwi, Kei hea to ratou Atua?
Eo anelanelan’ ny lavarangana fidirana sy ny alitara no aoka hitomanian’ ny mpisorona, mpanao fanompoam-pivavahana ho an’ i Jehovah, ka hanao hoe: Iantrao ny olonao, Jehovah, ary aza avela ho latsa ny lovanao, ka hotapahin’ ny jentilisa; Fa nahoana no hataony any amin’ ny firenena hoe: Aiza Izay Andriamaniny?
18 Katahi ka hae a Ihowa ki tona whenua, ka manawapa ki tana iwi.
Ary Jehovah dia saro-piaro ny taniny sady niantra ny olony.
19 A ka whakahoki mai a Ihowa, ka ki mai ki tana iwi, Tenei ahau te tuku atu nei i te witi ki a koutou, i te waina, i te hinu, e makona ai koutou; e kore ano e tuku i a koutou a muri nei hei ingoa kino i roto i nga tauiwi:
Eny, Jehovah namaly ka nanao amin’ ny olony hoe: Indro, hanatitra ny divay sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo ho anareo Aho, ka ho vokin’ izany ianareo; Ary tsy havelako ho latsa any amin’ ny Jentilisa intsony ianareo.
20 Engari ka mea ahau kia matara atu i a koutou te ope o te raki, ka aia atu ano ia e ahau ki te whenua waikore, maroke rawa; ko tona mata, anga tonu ki te moana i te rawhiti, ko tona tuara ki te moana i te uru; a ka puta ake tona piro, ka puta ake ano tona haunga kino, he nui hoki no ana mahi.
Ary ilay avy any avaratra dia hampanalaviriko anareo ka horoahiko ho any amin’ ny tany karankaina sy mariry; Ny loha-lalany ho any amin’ ny ranomasina atsinanana, ary ny vodi-lalany ho any amin’ ny ranomasina andrefana; Ary ny hamaimboany hiakatra, ary ny fofon-dratsiny hisondrotra; Fa efa nanao zava-dehibe izy.
21 Kaua e wehi, e te oneone; whakamanamana, kia koa; no te mea he nunui nga mahi a Ihowa.
Aza matahotra, ry tany fambolena, miravoravoa sy mifalia; Fa manao zava-dehibe Jehovah.
22 Kaua e wehi, e nga kararehe o te parae; ka pihi hoki nga tarutaru o te koraha, ka hua te rakau i ona hua, e tukua mai ano tona kaha e te piki, e te waina.
Aza matahotra, ry biby any an-tsaha, fa mihamaitso ny kijana any an-efitra, mamoa ny hazo, ary vokatra ny aviavy sy ny voaloboka.
23 Na whakamanamana, e nga tama a Hiona, kia koa ki a Ihowa, ki to koutou Atua: ka tika hoki tana homai i to mua ua ki a koutou, a ka meinga e ia te ua, to mua ua, me to muri ua, kia heke iho ma koutou i te marama tuatahi.
Ary ianareo, ry zanak’ i Ziona, miravoravoa sy mifalia amin’ i Jehovah Andriamanitrareo; Fa hanome anareo ny loha-orana onony Izy, dia handatsaka ranonorana mivatravatra ho anareo, eny, ny loha-orana sy ny fara-orana aloha.
24 A ka kapi nga patunga witi i te witi; ko te waina ano me te hinu o nga waka, purena tonu.
Dia ho feno vary ny famoloana, ary hihoatra ny vata fanantazana ny divay sy ny diloilo.
25 A ka whakahokia mai e ahau ki a koutou nga tau i kainga e te mawhitiwhiti, e te tatarakihi, e te moka, e te whangawhanga, e taku ope nui i tukua atu e ahau ki a koutou.
Ary honerako ho anareo ilay taona nohanin’ ny valala, dia ny koraika sy ny sompanga ary ny kijeja, izay miaramilako betsaka nalefako hamely anareo.
26 Ka kai noa atu ano koutou, ka makona, ka whakamoemiti hoki ki te ingoa o Ihowa, o to koutou Atua, mo tana mahi whakamiharo ki a koutou: e kore ano taku iwi e whakama a ake ake.
Ary hihinana ianareo ka ho voky dia hidera ny anaran’ i Jehovah Andriamanitrareo, fa mahagaga ny fitondrany anareo; Ary tsy ho menatra mandrakizay oloko.
27 A ka mohio koutou kei waenga ahau i a Iharaira, ko Ihowa hoki ahau, ko to koutou Atua, kahore atu hoki: e kore ano taku iwi e whakama a ake ake.
Dia ho fantatrareo fa ao afovoan’ Isiraely Aho, ary Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, fa tsy misy hafa; Ary tsy ho menatra mandrakizay ny oloko.
28 Na, tenei ake ka ringihia e ahau toku wairua ki nga kikokiko katoa, a e poropiti a koutou tama, a koutou tamahine, ka moemoea o koutou kaumatua, a ka kitea te kitenga e a koutou taitamariki.
Ary rehefa afaka izany, dia handatsaka ny Fanahiko amin’ ny nofo rehetra Aho; Dia haminany ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo, ny lahiantitrareo hanonofy, ary ny zatovonareo hahita fahitana;
29 I aua ra ano ka ringihia e ahau toku wairua ki nga pononga tane, ki nga pononga wahine.
Ary na dia ny mpanompolahy sy ny mpanompovavy aza dia handatsahako ny Fanahiko amin’ izany andro izany.
30 Ka hoatu ano e ahau he mea whakamiharo i te rangi, i te whenua, he toto, he kapura, he pou paowa.
Ary hanisy fahagagana eny amin’ ny lanitra sy etỳ amin’ ny tany Aho, dia rà sy afo ary setroka mitankosina.
31 Ka rere ke te ra, ka pouri, ka whakatoto te marama, i te mea kiano i puta mai te ra nui, te ra wehi o Ihowa.
Ny masoandro hampodina ho aizina, ary ny volana ho rà, alohan’ ny hahatongavan’ ny andron’ i Jehovah, izay sady lehibe no mahatsiravina.
32 Na, ko te hunga katoa e karanga ana ki te ingoa o Ihowa, ka mawhiti: no te mea hei Maunga Hiona, hei Hiruharama, etahi e mawhiti ana, pera me ta Ihowa i ki ai, a i roto ano i nga morehu etahi e karangatia ana e Ihowa.
Ary na zovy na zovy no hiantso ny anaran’ i Jehovah dia ho afa-mandositra; Fa ao an-tendrombohitra Ziona sy any Jerosalema dia hisy sisa afaka, araka izay efa voalazan’ i Jehovah, ary izay antsoin’ i Jehovah dia ho isan’ izay afa-mandositra.

< Hoera 2 >