< Salamo 96 >

1 Mihira fihiram-baovao ho an’ i Jehovah; Mihirà ho an’ i Jehovah ry tany rehetra.
Mwimbieni Bwana wimbo mpya; mwimbieni Bwana dunia yote.
2 Mihirà ho an’ i Jehovah, misaora ny anarany; Lazao isan’ andro isan’ andro ny famonjeny mahafaly.
Mwimbieni Bwana, lisifuni jina lake; tangazeni wokovu wake siku baada ya siku.
3 Ambarao any amin’ ny jentilisa ny voninahiny Ary any amin’ ny firenena rehetra ny fahagagana ataony.
Tangazeni utukufu wake katikati ya mataifa, matendo yake ya ajabu miongoni mwa mataifa yote.
4 Fa lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra, Sady mahatahotra, fa ambonin’ ny Andriamanitra rehetra.
Kwa kuwa Bwana ni mkuu mwenye kustahili kusifiwa kuliko wote; yeye ni wa kuogopwa kuliko miungu yote.
5 Fa ny andriamanitry ny firenena dia tsinontsinona; Fa Jehovah no nanao ny lanitra.
Kwa maana miungu yote ya mataifa ni sanamu, lakini Bwana aliziumba mbingu.
6 Famirapiratana sy voninahitra no eo anatrehany; Hery sy fahatsaran-tarehy no ao amin’ ny fitoerany masìna.
Fahari na enzi viko mbele yake; nguvu na utukufu vimo patakatifu pake.
7 Ry firenena, manomeza an’ i Jehovah, Eny, manomeza voninahitra sy hery ho an i Jehovah.
Mpeni Bwana, enyi jamaa za mataifa, mpeni Bwana utukufu na nguvu.
8 Manomeza an’ i Jehovah ny voninahitry ny anarany; Mitondrà fanatitra, ka mankanesa eo an-kianjany.
Mpeni Bwana utukufu unaostahili jina lake; leteni sadaka na mje katika nyua zake.
9 Miankohofa eo anatrehan’ i Jehovah amin’ ny fihaingoana masìna; Mangovita eo anatrehany, ry tany rehetra.
Mwabuduni Bwana katika uzuri wa utakatifu wake; dunia yote na itetemeke mbele zake.
10 Lazao any amin’ ny jentilisa fa Jehovah no Mpanjaka; Ary izao rehetra izao voaorina ka tsy hihetsika; Hitsara ny olona amin’ ny fahamarinana Izy.
Katikati ya mataifa semeni, “Bwana anatawala.” Ulimwengu ameuweka imara, hauwezi kusogezwa; atawahukumu watu kwa uadilifu.
11 Aoka ho faly ny lanitra ary ho ravoravo ny tany; Aoka hirohondrohona ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy.
Mbingu na zishangilie, nchi na ifurahi; bahari na ivume, na vyote vilivyomo ndani yake;
12 Aoka ho faly ny saha sy izay rehetra eo aminy; Dia hihoby amin’ izay ny hazo rehetra any an’ ala
mashamba na yashangilie, pamoja na vyote vilivyomo ndani yake. Kisha miti yote ya msituni itaimba kwa furaha;
13 Eo anatrehan’ i Jehovah, fa avy Izy, Eny, avy hitsara ny tany Izy; Hitsara izao tontolo izao araka ny rariny Izy Ary ny firenena amin’ ny fahamarinany.
itaimba mbele za Bwana kwa maana anakuja, anakuja kuihukumu dunia. Ataihukumu dunia kwa haki, na mataifa katika kweli yake.

< Salamo 96 >