< Salamo 84 >
1 Ho an’ ny mpiventy hira. Al-hagitith. Salamo nataon’ ny Koraïta. Endrey ny hatsaran’ ny tabernakelinao, Jehovah, Tompon’ ny maro, ô!
Kwa mwimbishaji. Mtindo wa gitithi. Zaburi ya wana wa Kora. Ee Bwana Mwenye Nguvu Zote, makao yako yapendeza kama nini!
2 Manina sady vonton’ alahelo ny kianjan’ i Jehovah ny fanahiko; ny foko sy ny nofoko mihoby an’ Andriamanitra velona.
Nafsi yangu inatamani sana, naam, hata kuona shauku, kwa ajili ya nyua za Bwana; moyo wangu na mwili wangu vinamlilia Mungu Aliye Hai.
3 Eny, ny tsikirity mahita trano, ary ny sidintsidina mahita akany ho azy hametrahany ny zanany. Dia ny alitaranao, Jehovah, Tompon’ ny maro ô, Mpanjakako sy Andriamanitro.
Hata shomoro amejipatia makao, mbayuwayu amejipatia kiota mahali awezapo kuweka makinda yake: mahali karibu na madhabahu yako, Ee Bwana Mwenye Nguvu Zote, Mfalme wangu na Mungu wangu.
4 Sambatra izay mitoetra ao an-tranonao; hidera Anao mandrakariva izy. (Sela)
Heri wale wanaokaa nyumbani mwako, wanaokusifu wewe daima.
5 Sambatra izay olona manan-kery avy aminao; ao am-pony ny lalana;
Heri wale ambao nguvu zao ziko kwako, na njia ziendazo Sayuni zimo mioyoni mwao.
6 Raha mandeha mamaky ny lohasaha Baka izy, Dia ataony misy loharano izany, ary ny loha-orana manarom-pitahiana azy.
Wanapopita katika Bonde la Baka, hulifanya mahali pa chemchemi, pia mvua za vuli hulijaza kwa madimbwi.
7 Miampy hery eny am-pandehanana izy; samy miseho eo anatrehan’ Andriamanitra any Ziona izy rehetra.
Huendelea toka nguvu hadi nguvu, hadi kila mmoja afikapo mbele za Mungu huko Sayuni.
8 Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, henoy ny fivavako; mandrenesa ry Andriamanitr’ i Jakoba ô. (Sela)
Ee Bwana Mungu Mwenye Nguvu Zote, sikia maombi yangu; nisikilize, Ee Mungu wa Yakobo.
9 Andriamanitra, Ampinganay ô, tsinjovy ka jereo ny tavan’ ny voahosotrao.
Ee Mungu, uitazame ngao yetu, mtazame kwa wema mpakwa mafuta wako.
10 Fa ny indray andro eo an-kianjanao dia tsara noho ny arivo; aleoko mipetraka eo amin’ ny tokonam-baravaran’ ny tranon’ Andriamanitra, toy izay mitoetra ao an-dain’ ny ratsy fanahy.
Siku moja katika nyua zako ni bora kuliko siku elfu mahali pengine; afadhali ningekuwa bawabu katika nyumba ya Mungu wangu kuliko kukaa katika mahema ya waovu.
11 Fa Masoandro sy Ampinga Jehovah Andriamanitra; fahasoavana sy voninahitra no homen’ i Jehovah; tsy hiaro zava-tsoa amin’ izay mandeha amin’ ny fahitsiana izy.
Kwa kuwa Bwana ni jua na ngao, Bwana hutoa wema na heshima; hakuna kitu chema anachowanyima wale ambao hawana hatia.
12 Jehovah, Tompon’ ny maro ô, sambatra izay olona matoky Anao.
Ee Bwana Mwenye Nguvu Zote, heri ni mtu yule anayekutumaini wewe.