< Salamo 14 >

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Nataon’ i Davida.
Dijo el insensato en su corazón: No hay Dios: Corrompiéronse, hicieron obras abominables: no hay quien haga bien.
2 Eny an-danitra Jehovah miondrika mijery ny zanak’ olombelona, mba hizaha na misy hendry mitady an’ Andriamanitra.
Jehová miró desde los cielos sobre los hijos de los hombres, por ver si hay algún sabio, que busque a Dios.
3 Samy efa nivily izy rehetra ka tonga vetaveta avokoa; tsy misy manao ny tsara, na dia iray akory aza.
Todos declinaron a una, dañáronse; no hay quien haga bien, no hay ni aun uno.
4 Tsy mahalala va ny mpanao ratsy rehetra, izay mihinana ny oloko toy ny fihinan-kanina, ary Jehovah tsy antsoiny?
Ciertamente ¿no lo conocieron todos los que obran iniquidad, que comen mi pueblo, como si comiesen pan? a Jehová no invocaron.
5 Indreo, matahotra dia matahotra izy, satria Andriamanitra no eo amin’ ny taranaka marina.
Allí temblaron de espanto: porque Dios está con la nación de los justos.
6 Na dia foananareo aza ny fisainan’ ny ory, Jehovah kosa no arony.
El consejo del pobre avergonzasteis por cuanto Jehová es su esperanza.
7 Enga anie ka hivoaka avy ao Ziona ny famonjena ny Isiraely! Raha ampodin’ i Jehovah avy amin’ ny fahababoana ny olony, dia ho faly Jakoba, ary ho ravoravo Isiraely.
¡Quién diese de Sión la salud de Israel, tornando Jehová la cautividad de su pueblo! Gozárse ha Jacob, y alegrarse ha Israel.

< Salamo 14 >