< Salamo 116 >
1 Izaho tia an’ i Jehovah, satria efa nandre Ny feon’ ny fifonako Izy.
Kokoako t’Iehovà amy te janji’e ty feoko naho o halalikoo,
2 Satria efa nanongilana ny sofiny tamiko Izy, Dia hiantso aho, raha mbola velona koa.
Amy te nanokilaña’e ravembia, le ho tokaveko Amy ze hene androko.
3 Nihodidina tamiko ny famatoran’ ny fahafatesana, Ary nahazo ahy ny fahorian’ ny fiainan-tsi-hita; Nahita fahoriana sy alahelo aho. (Sheol )
Nivandire’ o talin-kavilasio iraho, nazi’ i tsikeokeokey; nizò fikoretañe naho anahelo. (Sheol )
4 Dia niantso ny anaran’ i Jehovah hoe aho: Jehovah ô, mifona aminao aho, vonjeo ny fanahiko.
Le nikanjieko ty tahina’ Iehovà: Ehe, r’Iehovà, hahao ty fiaiko!
5 Mamindra fo sy marina Jehovah Eny, miantra Andriamanitsika.
Matarike t’Iehovà naho mahity; Eka, mpitretrè t’i Andrianañaharentika.
6 Miaro ny kely saina Jehovah; Reraka aho, dia namonjy ahy Izy.
Arova’ Iehovà o trentrañeo, nizo havoretra iraho fe rinomba’e.
7 Miverena ho amin’ ny fitsaharanao, ry fanahiko, Fa Jehovah efa nanisy soa anao,
Mimpolia mb’am-pitofà’o ao ry fiaiko, fa nampiraorao azo t’Iehovà.
8 Dia namonjy ny fanahiko tamin’ ny fahafatesana Hianao Sy ny masoko tamin’ ny ranomaso Ary ny tongotro tamin’ ny fahatafintohinana.
Fa navotso’o an-kavetrahañe ty fiaiko, tsy ho foy rano o masokoo, tsy hitsikapy o tombokoo,
9 Handeha eo anatrehan’ i Jehovah Eo amin’ ny tanin’ ny velona aho.
t’ie hitsontik’ añatrefa’ Iehovà, an-tanen-kaveloñe ao.
10 Nino aho; hiteny tokoa aho; Mahantra indrindra aho.
Nahatoky avao ndra te nataoko ty hoe: Mafe ty fisotriako.
11 Hoy izaho tamin’ ny fahatairako; Mpandainga ny olona rehetra.
Hoe iraho te nianifañe: Fonga Remborake ondatio.
12 Inona no havaliko an’ i Jehovah Noho ny soa rehetra nataony tamiko?
Akore ty hañavahako am’ Iehovà? ami’ty habein-kasoa’e amako?
13 Handray ny kapoaky ny famonjena aho Ka hiantso ny anaran’ i Jehovah.
Ho zonjoñeko ty fitovim-pandrombahañe vaho hikanjy ty tahina’ Iehovà.
14 Hanefa ny voadiko amin’ i Jehovah aho. Eny, eo anatrehan’ ny olony rehetra.
Havahako o nifantàko am’ Iehovào, añatrefa’ ondati’e iabio.
15 Zava-dehibe eo imason’ i Jehovah Ny fahafatesan’ ny olony masìna.
Sarotse am-pihaino’ Iehovà ty havilasi’ o noro’eo.
16 Indrisy! Jehovah ô, mpanomponao tokoa aho, Eny, mpanomponao sady zanaky ny ankizivavinao; Namaha ny fatorako Hianao.
Ry Iehovà, toe mpitoro’o iraho, fetrek’oro’o, ty anan’ anak’ampata’o; fa nabala’o o rohikoo.
17 Hianao no haterako fanati-pisaorana, Ary ny anaran’ i Jehovah no hantsoiko.
Hengaeko sorom-pañandriañañe, vaho ho kanjieko ty tahina’ Iehovà.
18 Hanefa ny voadiko amin’ i Jehovah aho, Eny, eo anatrehan’ ny olony rehetra,
Hondrohako am’ Iehovà o nifantàkoo, Eka, añatrefa’ ondati’e iabio.
19 Dia eo an-kianjan’ ny tranon’ i Jehovah, Eo afovoanao, ry Jerosalema ô. Haleloia.
An-kiririsan’anjomba’ Iehovà eo, añivo’o ao, ry Ierosalaime. Treño t’Ià!