< Ohabolana 30 >

1 Ny teny mavesa-danja nataon’ i Agora, zanak’ i Jake, dia ny teny nataon-dralehilahy tamin’ Itiela, eny, tamin’ Itiela sy Okala:
The words of Agur the son of Jakeh, the oracle. The man says to Ithiel, to Ithiel and Ucal:
2 Izaho dia biby, fa tsy olona, Ary tsy manan-tsain’ olombelona aho.
Surely I am more brutish than any man, and have not the understanding of a man,
3 Tsy nianatra fahendrena aho, Na nahazo ny fahalalana ny Iray Masìna.
and I have not learned wisdom, nor have I the knowledge of the Holy.
4 Iza no efa niakatra tany an-danitra sady nidina indray? Iza no nahangona ny rivotra tao an-tànany? Iza no nahafono ny rano tamin’ ny lambany? Iza no nahamisy ny faran’ ny tany rehetra? Iza no anarany, ary iza no anaran’ ny zanany? Fa toa fantatrao!
Who has ascended up into heaven, and descended? Who has gathered the wind in his fists? Who has bound the waters in his garment? Who has established all the ends of the earth? What is his name, and what is his son's name, if thou know?
5 Ny tenin’ Andriamanitra dia voadio avokoa; Ampinga ho an’ izay mialoka aminy Izy.
Every word of God is tried. He is a shield to those who take refuge in him.
6 Aza manampy ny teniny, fandrao hanariny ianao Ka ho hita fa mpandainga.
Add thou not to his words, lest he reprove thee, and thou be found a liar.
7 Zavatra roa loha no angatahiko aminao; Ka aza lavinao, dieny tsy mbola maty aho:
Two things I have asked of thee, deny me not before I die:
8 Ampanalaviro ahy ny zava-poana sy ny lainga; Aza manome ahy alahelo na harena; Fahano aho amin’ izay anjara-hanina sahaza ho ahy;
Remove far from me falsehood and lies. Give me neither poverty nor riches; feed me with the food that is needful for me,
9 Fandrao, raha voky aho, dia handà Ka hanao hoe: Iza moa Jehovah? Ary andrao, raha tonga malahelo aho, dia hangalatra Ka hanamavo ny anaran’ Andriamanitro.
lest I be full, and deny thee, and say, Who is Jehovah? or lest I be poor, and steal, and use the name of my God profanely.
10 Aza manendrikendrika ny mpanompo amin’ ny tompony, Fandrao hozoniny ianao ka hahazo heloka.
Slander not a servant to his master, lest he curse thee, and thou be held guilty.
11 Misy taranaka izay manozona ny rainy Sady tsy misaotra ny reniny.
There is a generation who curses their father, and does not bless their mother.
12 Misy taranaka manao azy ho madio, Kanjo tsy voasasa ho afaka amin’ ny fahalotoany.
There is a generation who are pure in their own eyes, and yet are not washed from their filthiness.
13 Misy taranaka, endrey ny fiandrandran’ ny masony Sy ny fisondrotry ny hodi-masony!
There is a generation, O how lofty are their eyes, and their eyelids are lifted up.
14 Misy taranaka izay toy ny sabatra ny nifiny, Ary toy ny antsy ny vazany, Hamongotra ny ory tsy ho amin’ ny tany Sy ny malahelo tsy ho amin’ ny olona.
There is a generation whose teeth are swords, and their jaw teeth, knives, to devour the poor from off the earth, and the needy from among men.
15 Ny dinta manan-janakavavy roa, dia ny hoe: Omeo, Omeo. Misy zavatra telo tsy mety voky, Eny, efatra aza no tsy manao hoe: Aoka izay:
The leach has two daughters, crying, Give, give. There are three things that are never satisfied, yea, four that do not say, Enough:
16 Ny fiainan-tsi-hita; sy ny kibo momba, Ny tany izay tsy vonton-drano, Ary ny afo koa no tsy mba manao hoe: Aoka izay. (Sheol h7585)
Sheol, and the barren womb, the earth that is not satisfied with water, and the fire that does not say, Enough. (Sheol h7585)
17 Ny maso izay miandranandrana amin-dray Sady tsy mety manaja reny Dia hotsaingotsaingohin’ ny goaika eny an-dohasahan-driaka Ary hohanin’ ny zana-boromahery.
The eye that mocks at his father, and despises to obey his mother, the ravens of the valley shall pick it out, and the young eagles shall eat it.
18 Misy zavatra telo mahagaga ka tsy takatro, Eny, efatra aza no tsy fantatro:
There are three things which are too wonderful for me, yea, four which I know not:
19 Ny nalehan’ ny voromahery teny amin’ ny habakabaka, Ny nalehan’ ny bibilava teny amin’ ny vatolampy, Ny nalehan’ ny sambo teny amin’ ny ranomasina, Ary ny nalehan’ ny lehilahy tamin’ ny tovovavy.
The way of an eagle in the air, the way of a serpent upon a rock, the way of a ship in the midst of the sea, and the way of a man with a maiden.
20 Tahaka izany koa no fanaon’ ny vehivavy mpijangajanga: Homana izy, dia mamafa ny vavany, Ka dia manao hoe: Tsy nanao ratsy aho.
So is the way of an adulterous woman: She eats, and wipes her mouth, and says, I have done no iniquity.
21 Izao fitondrana telo izao no tsy mampandry ny tany, Eny, zavatra efatra aza no tsy zakany;
For three things the earth trembles, and for four, which it cannot bear:
22 Raha ny andevo no tonga mpanjaka, Raha ny adala no voky hanina,
For a servant when he is king, and a fool when he is filled with food,
23 Raha ny vehivavy lany zara no ampakarina, Ary raha ny ankizivavy no mandova ny tompovaviny.
for a hateful woman when she is married, and a handmaid that is heir to her mistress.
24 Izao zavatra efatra izao dia kely amin’ ny etỳ ambonin’ ny tany, Nefa hendry sady mahay:
There are four things which are little upon the earth, but they are exceedingly wise:
25 Ny vitsika dia firenena tsy matanjaka, Nefa manangona ny haniny amin’ ny fahavaratra izy;
The ants are a people not strong, yet they prepare their food in the summer,
26 Ny biby hyraka dia firenena tsy manan-kery, Nefa manao ny tranony ao amin’ ny harambato izy;
the conies are but a feeble folk, yet they make their houses in the rocks,
27 Ny valala tsy manana mpanjaka, Nefa izy rehetra miainga manao antokony tsara;
the locusts have no king, yet they go forth all of them by bands,
28 Ny antsiantsy dia mandady amin’ ny tànany, Nefa tonga ao an-tranon’ ny mpanjaka izy.
the lizard takes hold with her hands, yet she is in kings' palaces.
29 Misy zavatra telo izay tsara famindra, Eny, efatra aza no tsara fandeha;
There are three things which are stately in their march, yea, four which are stately in going:
30 Dia ny liona, izay mahery indrindra amin’ ny biby Ka tsy mihemotra na amin’ inona na amin’ inona,
The lion, which is mightiest among beasts, and turns not away from any,
31 Ny soavaly voaomana hiady sy ny osilahy Ary ny mpanjaka tsy azo toherina.
the greyhound, also the he-goat, and the king against whom there is no rising up.
32 Raha adala ka nanandra-tena ianao, Na efa nisaina hanao ratsy, Dia tampeno ny tananao ny vavanao.
If thou have done foolishly in lifting up thyself, or if thou have thought evil, lay thy hand upon thy mouth.
33 Ny fanontsankontsanana ny ronono no miteraka rononomandry, Ny fanolanana ny orona no miteraka rà; Ary ny fanetsiketsehana ny fahatezerana no miteraka ady.
For the churning of milk brings forth butter, and the wringing of the nose brings forth blood, so the forcing of wrath brings forth strife.

< Ohabolana 30 >