< Nomery 16 >

1 Ary Kora, zanak’ i Jizara, zanak’ i Kehata, zanak’ i Levy, ary Datana sy Abìrama, zanak’ i Eliaba, sy Ona, zanak’ i Peleta, izay samy taranak’ i Robena, dia nandrendri-bahoaka,
Sasa Kora mwana wa Izihari mwana wa Kohathi mwana wa Lawi, pamoja na Dathani na Abiramu mwana wa Eliabu, na Oni mwana wa Peleti, wa uzao wa Reubeni, waliwakusanya wanaume kadhaa.
2 ka nitsangana teo anatrehan’ i Mosesy izy ireo sy ny Zanak’ Isiraely dimam-polo amby roan-jato, izay samy lohan’ ny fiangonana avokoa, dia olona voafidin’ ny fiangonana sady nanan-daza;
Wakamwinukia Musa, pamoja na wanaume fulani kutoka wana wa Israeli, viongozi wa watu wapatao mia mbili na hamsini waliokuwa wakifahamika katika ile jamii.
3 koa niangona hiodina amin’ i Mosesy sy Arona ireo ka nanao taminy hoe: Aoka izay ianareo! fa masìna avokoa ny fiangonana rehetra, sady Jehovah no eo aminy; koa nahoana no dia manandra-tena ho ambonin’ ny fiangonan’ i Jehovah ianareo?
Walikusanyika pamoja kumpinga Musa na Haruni. Wakawaambia, “Ninyi sasa mnatumia mamlaka zaidi ya uwezo wenu! Watu wote wamejitenga, kila mmoja wao, na BWANA yuko pamoja nao. Kwa nini mnajiinua sana juu ya watu wengine wa BWANA?”
4 Ary raha nandre izany Mosesy, dia niankohoka izy
Musa alipoyasikia hayo, akalala kifudifudi.
5 ka niteny tamin’ i Kora sy ny namany rehetra nanao hoe: Rahampitso dia hasehon’ i Jehovah izay Azy sy izay masìna ka hampanakekeny Azy; dia izay fidiny no hampanakekeny Azy.
Akamwambia Kora na wote aliokuwa nao, “Asubuhi BWANA atafanya ijulikane ni nani walio wake na nani aliyetengwa kwa ajili yake. Atamleta huyo mtu karibu na yeye. Yule anayemchagua atamleta karibu naye.
6 Izao no ataovy, ry Kora sy ianareo namany rehetra: Makà fitondran’ afo ho anareo rahampitso.
Fanya hivi, wewe Kora na kundi lako.
7 dia asio afo eo anatiny ka asio ditin-kazo manitra eo aminy eo anatrehan’ i Jehovah; ary ny lehilahy izay fidin’ i Jehovah, dia izy no ho masìna; fa aoka izay ianareo, ry taranak’ i Levy!
Kesho mchukue vyetezo na muweke moto na ubani ndani yake mbele ya BWANA. Yule ambaye BWANA amemchagua, atamtenga kwa BWANA. Sasa imetosha ninyi watu wa uzao wa Lawi,”
8 Dia hoy koa Mosesy tamin’ i Kora: Henoy, ry taranak’ i Levy:
Tena Musa akamwambia Kora, “Sasa unisililize, ninyi watu wa uzao wa Lawi:
9 Moa ataonareo ho zavatra kely va ny nampisarahan’ Andriamanitry ny Isiraely anareo tamin’ ny fiangonan’ ny Isiraely hitondrany anareo ho akaiky Azy, hanaovanareo ny fanompoam-pivavahana momba ny tabernakelin’ i Jehovah sy hitoeranareo eo anatrehan’ ny fiangonana hanompo azy?
Je ni jambo dogo kwenu kwamba Mngu wa mbinguni amewatenga ninyi kutoka watu wa Israeli, ili awalete ninyi karibu na yeye, ili mfanye kazi katika masikani ya BWANA na kusimama mbele ya watu ili muwatumikie?
10 Dia napanakekeny Azy ianao sy ny rahalahinao taranak’ i Levy rehetra miaraka aminao, ary mitady ho mpisorona koa va ianareo?
Amewasogeza karibu, na ndugu zako, wa uzao wa Lawi pamoja nanyi, na sasa mnataka na ukuhani pia!
11 Ary noho izany ianao sy ny namanao rehetra dia tafangona hiodina amin’ i Jehovah; fa Arona moa no inona, no imonomononanareo?
Hiyo ndiyo sababu wewe na kundi lako mmekusanyika pamoja kinyume na BWANA. Kwa nini mnalalamika juu ya Haruni, ambaye anamtii BWANA?”
12 Ary Mosesy naniraka nampaka an’ i Datana sy Abìrama, zanak’ i Eliaba; fa hoy izy roa lahy: Tsy hiakatra izahay.
Kisha Musa akamwita Dathani na Abiramu, wana wa Eliabu, lakini wakasema, “hatutakuja.
13 Moa zavatra kely va ny nitondranao anay niakatra niala tany amin’ izay tany tondra-dronono sy tantely hahafaty anay atỳ an-efitra, no dia manao anao ho lehibenay koa ianao?
Kwani jambo dogo kwamba umetuleta mpaka kwenye nchi inayotiririka maziwa na asali, ili kutuua katika jangwa hili? Sasa unataka kujifanya kuwa mtawala wetu!
14 Ary koa, ianao tsy nitondra anay ho any amin’ izay tany tondra-dronono sy tantely tsinona, na nanome anay saha sy tanim-boaloboka ho fanananay; hopotsirinao va ny mason’ ireto lehilahy ireto? Tsy hiakatra izahay.
Na kwa nyongeza, haujatuingiza kwenye nchi ya kutiririka maziwa na asali, au kutupa urithi wa mashamba na mashamba ya mizabibu. Sasa unataka kutupofusha na ahadi hewa? Hatutakuja kwako.”
15 Dia tezitra indrindra Mosesy ka nanao tamin’ i Jehovah hoe: Aza mijery ny fanatiny akory Hianao; tsy naka na dia boriky iray akory aza taminy aho, ary tsy nanisy ratsy na dia tamin’ ny anankiray aminy akory aza.
Musa alikasirika sana na akamwambia BWANA, “Usisipokee sadaka zao. Sijachukua punda mmoja kutoka kwao, na sijamdhuru hata mmoja wao.”
16 Dia hoy Mosesy tamin’ i Kora: Aoka ianao sy ny namanao rehetra ho tonga eo anatrehan’ i Jehovah rahampitso, dia ianao sy ireo ary Arona.
Kisha Musa akamwambia Kora, “Kesho wewe na kundi lako mtaenda mbele za BWANA-wewe na wao na Haruni.
17 Ary samia maka ny fitondrana fony avy ianareo rehetra, ka asio ditin-kazo manitra eo anatiny, ary samia mitondra ny fitondran’ afony avy ianareo rehetra ho eo anatrehan’ i Jehovah, dia fitondran’ afo dimam-polo amby roan-jato; dia ianao sy Arona samy hitondra ny fitondran’ afony avy.
Kila mmoja wenu atatwaa chetezo na kuweka ubani ndani yake. Ndipo kila mtu atamletea BWANA chetezo chake, vyetezo mia mbili na hamsini. Wewe na Haruni, pia, kila mmoja ataleta chetezo chake.
18 Ary samy naka ny fitondran’ afony avy izy rehetra ka nanisy afo teo anatiny, dia nanisy ditin-kazo manitra teo anatiny; ary nijanona teo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana izy mbamin’ i Mosesy sy Arona.
Kwa hiyo kila mtu alitwaa chetezo chake, akaweka moto ndani yake, akaweka na ubani ndani yake, na kusimama mbele ya lango la hema ya kukutania pamoja na Musa na Haruni.
19 Ary Kora nanangona ny namany rehetra ho eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana hanohitra azy roa lahy; dia niseho tamin’ ny fiangonana rehetra ny voninahitr’ i Jehovah.
Kora naye akawakusanya watu wote waliokuwa kinyume na Musa na Haruni hapo kwenye lango la hema ya kukutania, na kisha utukufu wa BWANA ukaonekana kwa watu wote.
20 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
Ndipo BWANA aliposema na Musa na Haruni:
21 Mihataha amin’ ity fiangonana ity ianareo handringanako azy amin’ ny indray mipi-maso monja.
“Tokeni ninyi kutoka hawa watu ili nipate kuwaangamiza haraka.”
22 Dia niankohoka izy roa lahy ka nanao hoe: Andriamanitra ô, Andriamanitry ny fanahin’ ny nofo rehetra, olona iray no nanota, ka ho tezitra amin’ ny fiangonana rehetra va Hianao?
Musa na Haruni wakalala kifudifudi na kusema, “Mungu, Mungu wa wote wenye mwili, kama mtu akitenda dhambi, ni lazima uwe na hasira na watu wote?”
23 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
BWANA akanena na Musa, akamwambia,
24 Mitenena amin’ ny fiangonana, ka lazao hoe: Mihataha tsy hanodidina ny lain’ i Kora sy Datana ary Abìrama.
“Sema na watu wote, uwaaambie, 'Tokeni kwenye hema ya Kora, Dathani, na Abiramu.'”
25 Dia nitsangana Mosesy ka nankeo amin’ i Datana sy Abìrama; ary nanaraka azy ny loholon’ ny Isiraely.
Kisha Musa akaamuka akaenda kwa Dathani na Kwa Abiramu; viongozi wa Israeli wakamfuata.
26 Dia niteny tamin’ ny fiangonana izy ka nanao hoe: Mialà amin’ ny lain’ ireo olon-dratsy ireo, ka aza mikasika izay azy akory, fandrao haringana koa ianareo noho ny fahotany rehetra.
Akaongea na watu wote akasema, “Sasa jitengeni na hema ya hawa watu waovu na msiguse kitu chochote kilicho chao, vinginevyo mtaangamizwa na dhambi zao.”
27 Dia nihataka ny olona mba tsy ho eo akaikin’ ny lain’ i Kora sy Datana ary Abìrama; ary Datana sy Abìrama nivoaka ka nijanona teo anoloan’ ny varavaran’ ny lainy mbamin’ ny vadiny sy ny zananilahy ary ny zanany madinika.
Kwa hiyo watu wote toka pande zote za hema ya Kora, Dathani na Abiramu wakaondoka. Dathani na Abiramu wakatoka nje wakasimama kwenye lango la hema zao, wakiwa na wake wao, wana, na watoto wao.
28 Dia hoy Mosesy: Izao no hahafantaranareo fa Jehovah no naniraka ahy hanao ireny asa rehetra ireny, fa tsy avy tamin’ ny saiko izany:
Kisha Musa akasema, “Kwa hili sasa mtatambua kuwa BWANA amenituma kufanya kazi hizi zote, kwa kuwa sijazifanya kwa uwezo wangu.
29 Raha maty toy ny fahafatin’ ny olona rehetra ireo olona ireo, na valiana araka ny famaliana ny olona rehetra izy, dia tsy Jehovah no naniraka ahy.
Kama hawa watu watakufa kifo cha kawaida ambacho humpata kila mmoja, basi BWANA hakunituma.
30 Fa raha hanao zavatra vaovao kosa Jehovah, ka hisokatra ny tany ary hitelina azy mbamin’ izay azy rehetra, ka ho latsaka velona any amin’ ny fiainan-tsi-hita’ izy, dia ho fantatrareo fa efa nandà an’ i Jehovah ireo lehilahy ireo. (Sheol h7585)
Lakini kama BWANA aumbaye malango ya ardhi ambayo huwameza kama mdomo mkubwa, pamoja na familia zao, na kama wataingia ndani ya shimo wakiwa hai, ndipo mtakapojua kuwa wamemdharau BWANA,” (Sheol h7585)
31 Ary rehefa tapitra voalazany izany teny rehetra izany, dia nivava ny tany izay teo ambaniny;
Mara ghafla Musa alipomaliza kusema maneno haya, aridhi ya pale walipokuwa ikafunguka.
32 eny, nisokatra ny tany ka nitelina azy sy ny ankohonany mbamin’ ny olona rehetra izay an’ i Kora ary ny fananany rehetra.
Dunia ikafungua makanwa yake na kuwameza, familia zao na watu wote wa Kora, pamoja na mali zao zote.
33 Dia latsaka velona ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita izy mbamin’ izay azy rehetra; ary ny tany dia nikatona taminy, ka fongotra tsy ho amin’ ny fiangonana intsony izy. (Sheol h7585)
Wao na kila mmoja kwenye familia zao wakaingia ndani shimoni wakiwa hai. Dunia ikwafunika, na kwa njia hii wakapotea kutoka miongoni mwa ile jamii. (Sheol h7585)
34 Ary ny Isiraely rehetra izay nanodidina azy dia nandositra noho ny fidradradradrany; fa hoy izy: Andrao hitelina antsika koa ny tany.
Nao Israeli yote waliokuwa karibu nao wakakimbia kwa sababu ya vilio vyao. Walisema kwa mshangao, “Nchi isije kutumeza na sisi!”
35 Ary nisy afo nivoaka avy tamin’ i Jehovah ka nandevona ny lehilahy dimam-polo amby roan-jato izay nanatitra ditin-kazo manitra.
Kisha moto ukashuka toka kwa BWANA na kuwaangamiza wale wanaume 250 waliokuwa wametoa ubani.
36 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Tena BWANA akanena na Musa, akasema,
37 Mitenena amin’ i Eleazara, zanak’ i Arona mpisorona, mba hotsimponiny eo anatin’ ny may ny fitondran’ afo, ary ny afo dia aelezo lavitra; fa masìna ireny;
“Mwambie Eliazari mwana wa Haruni yule kuhani achukue vile vyetezo kutoka ule moto, kwa kuwa vile vyetezo vimetengwa ka ajili yangu. Na aumwage ule moto mbali.
38 ary ny fitondran’ afon’ ireo mpanota nanimba tena ireo dia aoka hatao takelaka manify hapetaka amin’ ny alitara; fa nateriny teo anatrehan’ i Jehovah ireny ka masìna; ary ho famantarana ho an’ ny Zanak’ Isiraely ireny.
Vitwae vile vyetezo vya wale waliopoteza maisha yao kwa sababu ya dhambi zao. Na vifanyike kuwa mbao za kufuliwa ili viwe vifuniko vya madhabahu. Kwa kuwa wale watu walivitoa kwangu, kwa hiyo ni vitakatifu. Vitakuwa ishara ya uwepo wangu kwa wana wa Israeli.”
39 Ary nalain’ i Eleazara mpisorona ny fitondran’ afo varahina, izay efa nanateran’ ireo olona may ireo, ka nofisahiny ho takelaka hapetaka amin’ ny alitara
Naye Eleazari yule kuhani akavichukue vile vyetezo vya shaba ambavyo vilikuwa vimetumiwa na wale watu walioungua, na vikafuliwa kuwa vifuniko vya madhbahu,
40 ho fahatsiarovana ho an’ ny Zanak’ Isiraely mba tsy hisy olon-kafa afa-tsy ny taranak’ i Arona ihany no hahazo manakaiky handoro ditin-kazo manitra eo anatrehan’ i Jehovah; fandrao ho tahaka an’ i Kora sy ny namany izy, dia araka ny tenin’ i Jehovah izay nampitondrainy an’ i Mosesy.
ili kuwa ukumbusho kwa wana wa Israeli, ili kwamba asije akatokea mtu toka nje ya uzao wa Haruni akaja kutoa ubani kwa BWANA, ili wasije kuwa kama Kora na kundi lake— kama vile BWANA alivyoamuru kupitia kinywa cha Musa.
41 Ary nony ampitso dia nimonomonona tamin’ i Mosey sy Arona ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, ka nanao hoe: Hianareo efa nahafaty ny olon’ i Jehovah.
Lakini siku iliyofuata asubuhi watu wa Israeli wakamlalamikia Musa na Haruni. Nao walisema, “Umeua watu wa BWANA.”
42 Ary raha niangona hanome tsiny an’ i Mosesy sy Arona ny fiangonana, dia nijery ny trano-lay fihaonana izy, ka, indro, nanarona azy ny rahona, ary niseho ny voninahitr’ i Jehovah.
Kisha ikatokea, wakati watu walipokuwa wamekusanyika kinyume na Musa na Haruni, wakatazama kuielekea hema ya kukutania, na tazama lile wingu lilikuwa likiifunika. Utukufu wa BWANA ukaonekana,
43 Ary Mosesy sy Arona dia nankeo anoloan’ ny trano-lay fihaonana.
Musa na Haruni wakaja mbele ya hema ya kukutania.
44 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Kisha BWANA akanena na Musa, akamwambia,
45 Mialà amin’ io fiangonana io handringanako azy amin’ ny indray mipi-maso monja. Dia niankohoka izy roa lahy.
“Toka kati ya watu hawa ili niwaangamize haraka.” Musa na Haruni wakalala chini kifudifudi.
46 Ary hoy Mosesy tamin’ i Arona: Alao ny fitondran’ afo, ka asio afo avy eo ambonin’ ny alitara izy, dia asio ditin-kazo manitra, ka ento faingana eo amin’ ny fiangonana, ka manaova fanavotana ho azy; fa efa mivoaka avy tamin’ i Jehovah ny fahatezerana, ary efa miantomboka ny areti-mandringana.
Musa akamwambia Haruni, uchukue chetezo, na utie ndani moto kutoka madhabahuni, tia na uvumba ndani yake, upeleke haraka kwa watu, na ukafanye upatanisho kwao, kwa sababu hasira hii inatoka kwa BWANA. Tauni imeanza.”
47 Dia nalain’ i Arona izany, araka izay nandidian’ i Mosesy, ka nihazakazaka ho eo afovoan’ ny fiangonana izy; ary, indro, efa niantomboka teo amin’ ny olona ny areti-mandringana; ary nandoro ny ditin-kazo manitra teo izy ka nanao fanavotana ho an’ ny olona.
Kwa hiyo Haruni akafanya kama alivyoelekezwa na Musa. Akakimbia kati ya watu. na Tauni ilikuwa imeanza kuenea kati ya watu, kwa hiyo akaweka ndani yake uvumba na akafanya upatanisho wa watu.
48 Dia nijanona teo anelanelan’ ny maty sy ny velona izy, ka dia nitsahatra ny areti-mandringana.
Haruni akasimama kati kati ya zile maiti na watu hai; na kwa njia hii ile tauni ikazuiwa.
49 Ary izay efa matin’ ny areti-mandringana dia fiton-jato amby efatra arivo sy iray alina, afa-tsy izay efa maty noho ny amin’ i Kora.
Idadi ya wale waliokuwa wamekufa kwa tauni walikuwa 14, 000, nje na wale waliokufa kutokana na swala la Kora.
50 Ary Arona niverina ho eo amin’ i Mosesy teo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana; ary ny areti-mandringana dia nitsahatra.
Haruni akarudi kwa Musa kwenye lango la hema ya kukutania, na ile tauni ikakoma.

< Nomery 16 >