< Nomery 13 >

1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy, ka nanao hoe:
Y Jehová habló á Moisés, diciendo:
2 Maniraha lehilahy vitsivitsy hisafo ny tany Kanana, izay omeko ho an’ ny Zanak’ Isiraely; dia lehilahy iray avy isam-pirazanany no hirahinareo, ka izay samy lohan’ ny fireneny avy.
Envía tú hombres que reconozcan la tierra de Canaán, la cual yo doy á los hijos de Israel: de cada tribu de sus padres enviaréis un varón, cada uno príncipe entre ellos.
3 Ary Mosesy dia naniraka azy hiala any an-efitra Parana, araka ny didin’ i Jehovah; ary samy lohan’ ny firenen’ ny Zanak’ Isiraely ireo lehilahy rehetra ireo.
Y Moisés los envió desde el desierto de Parán, conforme á la palabra de Jehová: y todos aquellos varones eran príncipes de los hijos de Israel.
4 Ary izao no anarany: Avy tamin’ ny firenen’ i Robena dia Samoa, zanak’ i Zakora;
Los nombres de los cuales son éstos: De la tribu de Rubén, Sammua hijo de Zaccur.
5 avy tamin’ ny firenen’ i Simeona dia Safata, zanak’ i Hory;
De la tribu de Simeón, Saphat hijo de Hurí.
6 avy tamin’ ny firenen’ i Joda dia Kaleba, zanak’ i Jefone;
De la tribu de Judá, Caleb hijo de Jephone.
7 avy tamin’ ny firenen’ Isakara dia Jigala, zanak’ i Josefa;
De la tribu de Issachâr, Igal hijo de Joseph.
8 avy tamin’ ny firenen’ i Efraima dia Hosea, zanak’ i Nona;
De la tribu de Ephraim, Oseas hijo de Nun.
9 avy tamin’ ny firenen’ i Benjamina dia Palty, zanak’ i Rafo;
De la tribu de Benjamín, Palti hijo de Raphu.
10 avy tamin’ ny firenen’ i Zebolona dia Gadiela, zanak’ i Sody;
De la tribu de Zabulón, Gaddiel hijo de Sodi.
11 avy tamin’ ny firenen’ i Josefa, tamin’ ny firenen’ i Manase, dia Gady, zanak’ i Sosy;
De la tribu de José, de la tribu de Manasés, Gaddi hijo de Susi.
12 avy tamin’ ny firenen’ i Dana dia Amiela, zanak’ i Gemaly;
De la tribu de Dan, Ammiel hijo de Gemalli.
13 avy tamin’ ny firenen’ i Asera dia Setora, zanak’ i Mikaela;
De la tribu de Aser, Sethur hijo de Michâel.
14 avy tamin’ ny firenen’ i Naftaly dia Naby, zanak’ i Vofsy;
De la tribu de Nephtalí, Nahabí hijo de Vapsi.
15 avy tamin’ ny firenen’ i Gada dia Geoela, zanak’ i Maky.
De la tribu de Gad, Geuel hijo de Machî.
16 Ireo no anaran’ ny lehilahy izay nirahin’ i Mosesy hisafo ny tany. Ary Hosea, zanak’ i Nona, dia nataon’ i Mosesy hoe Josoa.
Estos son los nombres de los varones que Moisés envió á reconocer la tierra: y á Oseas hijo de Nun, le puso Moisés el nombre de Josué.
17 Ary Mosesy naniraka ireo hisafo ny tany Kanana ka nanao taminy hoe: Miakara atỳ amin’ ny tany atsimo ianareo, ka miakara ho any amin’ ny tany havoana;
Enviólos, pues, Moisés á reconocer la tierra de Canaán, diciéndoles: Subid por aquí, por el mediodía, y subid al monte:
18 dia izahao izay toetry ny tany sy ny olona monina any, na mahery, na osa, na vitsy, na maro;
Y observad la tierra qué tal es; y el pueblo que la habita, si es fuerte ó débil, si poco ó numeroso;
19 ary izay toetry ny tany itoerany, na tsara, na ratsy; ary ny toetry ny tanàna izay itoerany, na ao an-day, na ao an-tanàna mimanda;
Qué tal la tierra habitada, si es buena ó mala; y qué tales son las ciudades habitadas, si de tiendas ó de fortalezas;
20 ary ny toetry ny tany, na lonaka, na màzana, na misy hazo eo, na tsia; ary mahereza ianareo, ka itondray ny vokatry ny tany. Ary ny andro fahizany dia fahamasahan’ ny voaloboka mialin-taona.
Y cuál sea el terreno, si es pingüe ó flaco, si en él hay ó no árboles: y esforzaos, y coged del fruto del país. Y el tiempo era el tiempo de las primeras uvas.
21 Dia niakatra ireo ka nisafo ny tany hatramin’ ny efitra Zina ka hatrany Rehoba, dia ao akaikin’ i Hamata.
Y ellos subieron, y reconocieron la tierra desde el desierto de Zin hasta Rehob, entrando en Emath.
22 Dia niakatra tao amin’ ny tany atsimo izy ka nankany Hebrona; ary teo Ahimana sy Sesay ary Talmay, teraky ny Anakita. (Ary Hebrona dia voaorina fito taona talohan’ i Zoana any Egypta.)
Y subieron por el mediodía, y vinieron hasta Hebrón: y allí estaban Aimán, y Sesai, y Talmai, hijos de Anac. Hebrón fué edificada siete años antes de Zoán, la de Egipto.
23 Dia nankany amin’ ny lohasaha Eskola izy ka nanapaka sampam-boaloboka teo izay nisy sampahony iray ihany, ary nolanjain-droa lahy tamin’ ny hazo izany; ary ny ampongabendanitra sy ny aviavy dia nitondrany koa.
Y llegaron hasta el arroyo de Escol, y de allí cortaron un sarmiento con un racimo de uvas, el cual trajeron dos en un palo, y de las granadas y de los higos.
24 Ary izany tany izany dia nataony hoe Lohasaha Eskola, noho ny sampahom-boaloboka izay notapahin’ ny Zanak’ Isiraely teo.
Y llamóse aquel lugar Nahal-escol, por el racimo que cortaron de allí los hijos de Israel.
25 Ary niverina avy nisafo ny tany ireo, nony afaka efa-polo andro.
Y volvieron de reconocer la tierra al cabo de cuarenta días.
26 Dia nankeo amin’ i Mosesy sy Arona ary ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, tany an-efitra Parana izy, dia tany Kadesy, ka nitondra teny taminy sy ny fiangonana rehetra sady naneho azy ny vokatry ny tany.
Y anduvieron y vinieron á Moisés y á Aarón, y á toda la congregación de los hijos de Israel, en el desierto de Parán, en Cades, y diéronles la respuesta, y á toda la congregación, y les mostraron el fruto de la tierra.
27 Dia nilaza taminy izy ka nanao hoe: Tonga tany amin’ ny tany izay nanirahanao anay izahay, koa tondra-dronono sy tantely tokoa izy; ary itony no vokatra avy tany.
Y le contaron, y dijeron: Nosotros llegamos á la tierra á la cual nos enviaste, la que ciertamente fluye leche y miel; y este es el fruto de ella.
28 Kanefa kosa mahery ny olona izay monina eo amin’ ny tany; ary ny tanàna dia mimanda sady lehibe dia lehibe; ary koa, nahita ny teraky ny Anakita teo izahay.
Mas el pueblo que habita aquella tierra es fuerte, y las ciudades muy grandes y fuertes; y también vimos allí los hijos de Anac.
29 Ny Amalekita no monina eo amin’ ny tany atsimo; ary ny Hetita sy ny Jebosita ary ny Amorita no monina any amin’ ny tany havoana; ary ny Kananita no monina eo amoron’ ny ranomasina sy eo amoron’ i Jordana.
Amalec habita la tierra del mediodía; y el Hetheo, y el Jebuseo, y el Amorrheo, habitan en el monte; y el Cananeo habita junto á la mar, y á la ribera del Jordán.
30 Fa Kaleba dia nampangina ny olona teo anatrehan’ i Mosesy ka nanao hoe: Andeha isika hiakatra mihitsy mba hahazoantsika azy, fa haharesy azy tokoa isika.
Entonces Caleb hizo callar el pueblo delante de Moisés, y dijo: Subamos luego, y poseámosla; que más podremos que ella.
31 Fa hoy kosa ny lehilahy izay niara-niakatra taminy: Tsy mahazo miakatra handresy ny olona isika; fa mahery noho isika izy.
Mas los varones que subieron con él, dijeron: No podremos subir contra aquel pueblo; porque es más fuerte que nosotros.
32 Dia nilaza ratsy ny tany izay nosafoiny tamin’ ny Zanak’ Isiraely izy ka nanao hoe: Ny tany izay nalehanay nosafoina dia tany izay mandevona ny monina eo, ary ny olona rehetra izay hitanay teo dia olona vaventibe;
Y vituperaron entre los hijos de Israel la tierra que habían reconocido, diciendo: La tierra por donde pasamos para reconocerla, es tierra que traga á sus moradores; y todo el pueblo que vimos en medio de ella, son hombres de grande estatura.
33 ary nahita ny Nefilima teo izahay, dia taranaky ny Anakita avy amin’ ny Nefilima; ary teo imasonay dia tahaka ny tsingentana izahay; ary toy izany koa izahay teo imasony.
También vimos allí gigantes, hijos de Anac, [raza] de los gigantes: y éramos nosotros, á nuestro parecer, como langostas; y así les parecíamos á ellos.

< Nomery 13 >