< Nehemia 10 >

1 Ary ny nanisy tombo-kase dia Nehemia governora, zanak’ i Hakalia, sy Zedekia,
ئەوانەی مۆریان کرد: نەحەمیای پارێزگار کوڕی حەخەلیا. سدقیا،
2 ary Seraia, Azaria, Jeremia,
سەرایا، عەزەریا، یەرمیا،
3 Pasora, Amaria, Malkia,
پەشحور، ئەمەریا، مەلکیا،
4 Hatosy, Sebania, Maloka,
حەتوش، شەڤەنیا، مەلوخ،
5 Harima, Meremota, Obadia,
حاریم، مەرێمۆت، عۆبەدیا،
6 Daniela, Ginetona, Baroka,
دانیال، گینەتۆن، باروخ،
7 Mesolama, Abia, Miamina,
مەشولام، ئەبیا، میامین،
8 Mazia, Bilgay, Semaia; samy mpisorona ireo.
مەعەزیاهو، بیلگەی و شەمەعیا. ئەمانە کاهینەکان بوون.
9 Ary ny Levita kosa dia Jesoa, zanak’ i Azania, Binoy isan’ ny zanak’ i Henadada, ary Kadmiela;
لێڤییەکانیش: یێشوعی کوڕی ئەزەنیا، بەنوی لە نەوەی حێناداد و قەدمیێل و
10 ary ny rahalahin’ ireo dia Sebania, Hodia, Kelita, Pelaia, Hanana,
هاوکارەکانیان: شەڤەنیا، هۆدیا، قەلیتا، پەلایا، حانان،
11 Mika, Rehoba, Hasabia,
میکا، ڕەحۆڤ، حەشەڤیا،
12 Zakora, Serebia, Sebania,
زەکور، شێرێڤیا، شەڤەنیا،
13 Hodia, Bany Benino.
هۆدیا، بانی و بەنینو.
14 Ary ny loholona kosa dia Parosy, Pahata-moaba, Elama, Zato, Bany,
ڕابەرەکانی گەل: پەرعۆش، پەحەت‌مۆئاب، ئیلام، زەتوا، بانی،
15 Bony, Azgada, Bebay,
بوننی، عەزگاد، بێڤەی،
16 Adonia, Bigvay, Adina,
ئەدۆنیا، بیگڤەی، عادین،
17 Atera, Hezekia, Azora,
ئاتێر، حەزقیا، عەزور،
18 Hodia, Hasoma, Bezay,
هۆدیا، حاشوم، بێسای،
19 Harifa, Anatota, Nebay,
حاریف، عەناتۆت، نێڤای،
20 Magpiasy, Mesolama, Hezira,
مەگپیعاش، مەشولام، حێزیر،
21 Mesezabela, Zadoka, Jadoa,
مەشێزەبێل، سادۆق، یەدوەع،
22 Pelatia, Hanana, Anaia,
پەلەتیا، حانان، عەنایا،
23 Hosea, Hanania, Hasoba,
هۆشێیەع، حەنەنیا، حەشوڤ،
24 Halohesy, Pila, Sobeka,
هەڵۆحێش، پیلحا، شۆڤێق،
25 Rehoma, Hasabna, Mahaseia,
ڕەحوم، حەشەڤنا، مەعسێیاهو،
26 Ahia, Hanana, Anana,
ئەخیا، حانان، عانان،
27 Maloka, Harima, Bana.
مەلوخ، حاریم و بەعەنا.
28 Ary ny olona sisa, dia ny mpisorona sy ny Levita sy ny mpiandry varavarana sy ny mpihira sy ny Netinima, ary izay rehetra efa niavaka tamin’ ny tompon-tany hanaraka ny lalàn’ Andriamanitra mbamin’ ny vadin’ ireo sy ny zananilahy ary ny zananivavy, izay rehetra efa nahahaino,
«پاشماوەی گەلیش کە لە کاهین، لێڤی، دەرگاوان، گۆرانیبێژ و خزمەتکارانی پەرستگا پێکهاتوون، هەروەها هەموو ئەوانەی لە پێناو تەوراتی خودا خۆیان لە گڵاوییەکانی گەلانی دراوسێ جیا کردووەتەوە، لەگەڵ ژنەکانیان و هەموو کوڕ و کچەکانیان کە زانین و تێگەیشتنیان هەیە،
29 dia samy nikambana tsara tamin’ ny andriandahy rahalahiny ka niozona sy nianiana hanaraka ny lalan’ Andriamanitra, izay nampilazaina an’ i Mosesy, mpanompon’ Andriamanitra, ary hitandrina sy hankatò ny didy rehetra izay nataon’ i Jehovah Tompontsika mbamin’ ny fitsipika sy ny lalàny;
ئەمانە ئێستا دەچنە پاڵ براکانیان، خانەدانەکانیان، دێنە ناو نەفرەت و سوێندخواردنێک کە بەپێی تەوراتی خودایان بڕۆن، ئەوەی بە دەستی موسای بەندەی خودا پێیداون، هەموو فەرمانەکانی یەزدانی پەروەردگارمان و حوکم و فەرزەکانی بەجێبهێنن و پەیڕەوی بکەن.
30 ary tsy hanome ny zananivavy ho vadin’ ny tompon-tany, na haka ny zananivavy ho vadin’ ny zanakai-lahy;
«هەروەها کچمان نادەینە گەلانی خاکەکە و کچیشیان لێ ناهێنین بۆ کوڕمان.
31 tsy hividy zavatra amin’ ny andro Sabata, na amin’ izay andro masìna, raha misy entana na vary entin’ ny tompon-tany hamidy amin’ ny andro Sabata, ary tsy hamboly zavatra amin’ ny taona fahafito sady hamoy izay trosa rehetra.
«کاتێک گەلانی دراوسێ کەلوپەل و هەر خۆراکێک لە ڕۆژی شەممەدا بهێنن بۆ فرۆشتن، لێیان ناکڕین، نە لە ڕۆژی شەممەدا و نە لە ڕۆژی پیرۆز. هەروەها هەر حەوت ساڵ جارێک زەوییەکانمان بە بەیاری بەجێدەهێڵین و لە قەرزەکانیشمان خۆشدەبین.
32 Ary nanao lalàna ho anay koa izahay handoa ny ampahatelon-tsekely isan-taona hanaovana ny fanompoana momba ny tranon’ Andriamanitsika:
«جێبەجێکردنی ئەو فەرمانە بەسەر خۆماندا دەسەپێنین کە ساڵانە سێ یەکی شاقلێک بخەینە ئەستۆی خۆمان بۆ خزمەتی ماڵی خودامان:
33 dia ho amin’ ny mofo aseho sy ny fanatitra hohanina mandrakariva sy ny fanatitra dorana mandrakariva, ary ho amin’ ny Sabata sy ny voaloham-bolana sy ny fotoam-pivavahana, ary ho amin’ ny zava-masìna sy ny fanatitra noho ny ota hanaovana fanavotana ho an’ ny Isiraely, dia hanaovana ny raharaha rehetra momba ny tranon’ Andriamanitsika.
بۆ نانی تەرخانکراو؛ بۆ پێشکەشکراوی دانەوێڵەی بەردەوام و قوربانی سووتاندنی بەردەوام؛ بۆ پێشکەشکراوەکانی شەممە و سەرەمانگ و جەژنەکان؛ بۆ پێشکەشکراوە پیرۆزەکان؛ بۆ قوربانییەکانی گوناه بۆ کەفارەتی ئیسرائیل و بۆ هەموو خزمەتەکانی ماڵی خودامان.
34 Ary nanao filokana izahay ny amin’ ny hanateran’ ny mpisorona sy ny Levita sy ny olona ny kitay hazo, hitondranay azy ho ao an-tranon’ Andriamanitra araka ny fianakavianay avy amin’ ny fotoan’ andro isan-taona, handoroana eo ambonin’ ny alitaran’ i Jehovah Andriamanitsika araka izay voasoratra ao amin’ ny lalàna,
«هەروەها ئێمەی کاهین لەگەڵ لێڤییەکان و گەل تیروپشکمان کرد کە ساڵانە لە کاتی دیاریکراودا هەر بنەماڵەیەک دار بۆ ماڵی خوداکەمان بهێنێت، بۆ ئەوەی هەروەک لە تەوراتدا نووسراوە لەسەر قوربانگای یەزدانی پەروەردگارمان بسووتێنرێت.
35 ary mba hitondranay ny voaloham-bokatry ny taninay sy ny voaloham-bokatry ny hazo mamoa rehetra ho ao an-tranon’ i Jehovah isan-taona isan-taona;
«هەروەها بۆ هێنانی یەکەمین بەرهەمی خاکەکەمان و یەکەم بەری هەموو درەختێکی میوە ساڵ بە ساڵ بۆ ماڵی یەزدان.
36 ary ny lahimatoanay sy ny voalohan-teraky ny biby fiompinay, araka izay voasoratra ao amin’ ny lalàna, ary ny voalohan-teraky ny ombinay sy ny ondry aman’ osinay dia nekenay hohentina ho an-tranon’ i Jehovah Andriamanitsika, ho an’ ny mpisorona izay manao fanompoam-pivavahana ao an-tranon’ Andriamanitsika;
«لەگەڵ کوڕی نۆبەرە و نۆبەرەی هەموو نێرینەیەکی ئاژەڵەکانمان، هەروەک لە تەوراتدا نووسراوە، لەگەڵ نۆبەرەی مانگا و مەڕەکانمان هەتا بیانهێنین بۆ ماڵی خوداکەمان بۆ ئەو کاهینانەی کە لە ماڵی خوداکەمان خزمەت دەکەن.
37 ary mba hitondranay ho an’ ny mpisorona koa ny voalohan’ ny kobanay voafetafeta sy ny fanatitra asandratray sy ny voaloham-bokatry ny hazo rehetra sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo ho amin’ ny efi-trano ao an-tranon’ Andriamanitsika, ary ny ampahafolon’ ny vokatry ny taninay ho an’ ny Levita; fa ny Levita no mpandray ny fahafolon-karena eny an-tanàna rehetra akaikin’ ny fambolenay.
«هەروەها یەکەمین هەویر و پێشکەشکراوی دانەوێڵەمان و بەروبوومی هەموو دارێک و شەراب و زەیت بۆ کاهینەکان دەهێنن بۆ ناو ژوورەکانی ماڵی خودامان. هەروەها دەیەکی بەروبوومەکانمان بۆ لێڤییەکان دەبێت، چونکە ئەوە لێڤییەکانن کە دەیەک لە هەموو ئەو شارۆچکانە کۆ دەکەنەوە کە ئێمە تێیاندا کار دەکەین.
38 Ary hisy mpisorona anankiray, taranak’ i Arona, hiaraka amin’ ny Levita, raha mandray ny fahafolon-karena izy; ary ny ampahafolon’ ny fahafolon-karena dia ho entin’ ny Levita miakatra ho ao an-tranon’ Andriamanitsika, ho ao amin’ ny efi-trano ao an-trano fitehirizan-drakitra.
کاهینێکی نەوەی هارون لەگەڵ لێڤییەکاندا دەبێت کاتێک لێڤییەکان دەیەک وەردەگرن، لێڤییەکانیش دەیەک لە دەیەکی وەرگیراو دەدەنە گەنجینەی ماڵی خودامان.
39 Fa ho ao amin’ ireo efi-trano ireo no hitondran’ ny Zanak’ Isiraely sy ny Levita ny fanatitra asandratra, dia vary sy ranom-boaloboka ary diloilo, dia ho ao amin’ ilay itoeran’ ny fanaky ny fitoerana masìna sy ny mpisorona izay manao fanompoam-pivavahana sy ny mpiandry varavarana ary ny mpihira; ary tsy hahafoy ny tranon’ Andriamanitsika izahay.
نەوەی ئیسرائیل بە نەوەی لێڤیشەوە، دیاری دانەوێڵە و شەرابی نوێ و زەیت دەهێننە ژوورەکان، قاپوقاچاغەکانی پیرۆزگا و کاهینە خزمەتکار و دەرگاوان و گۆرانیبێژەکانیش لەوێن. «واز لە ماڵی خودای خۆمان ناهێنین.»

< Nehemia 10 >