< Matio 2 >

1 Ary rehefa teraka Jesosy tao Betlehema an’ i Jodia, tamin’ ny andron’ i Heroda mpanjaka, indreo, nisy Magy avy tany atsinanana tonga tany Jerosalema ka nanao hoe:
Cum ergo natus esset Iesus in Bethlehem Iuda in diebus Herodis regis, ecce Magi ab oriente venerunt Ierosolymam,
2 Aiza Ilay teraka ho Mpanjakan’ ny Jiosy? fa nahita ny kintany teny atsinanana izahay ka tonga mba hiankohoka eo anatrehany.
dicentes: Ubi est qui natus est rex Iudæorum? vidimus enim stellam eius in oriente, et venimus adorare eum.
3 Ary nony nandre izany Heroda mpanjaka, dia nangorohoro izy mbamin’ i Jerosalema rehetra.
Audiens autem Herodes rex, turbatus est, et omnis Ierosolyma cum illo.
4 Dia namory ny lohan’ ny mpisorona rehetra sy ny mpanora-dalàna tamin’ ny vahoaka izy ka nanontany ary hoe: Aiza mba no hahaterahan’ i Kristy?
Et congregans omnes principes sacerdotum, et Scribas populi, sciscitabatur ab eis ubi Christus nasceretur.
5 Ary hoy ireo taminy: Ao Betlehema an’ i Jodia; fa izao no voasoratry ny mpaminany:
At illi dixerunt: In Bethlehem Iudæ: Sic enim scriptum est per prophetam:
6 Ary ianao, ry Betlehema, tanin’ ny Joda, tsy dia kely indrindra ao amin’ ny andrianan’ ny Joda ianao tsy akory; Fa avy ao aminao no hivoahan’ izay anankiray ho Mpanapaka, Ka Izy no ho Mpiandry ny Isiraely oloko.
Et tu Bethlehem terra Iuda, nequaquam minima es in principibus Iuda: ex te enim exiet dux, qui regat populum meum Israel.
7 Dia nampaka ny Magy mangingina Heroda ka namototra fatratra taminy izay andro nisehoan’ ilay kintana.
Tunc Herodes clam vocatis Magis diligenter didicit ab eis tempus stellæ, quæ apparuit eis:
8 Dia naniraka azy hankany Betlehema izy ka nanao hoe: Andeha, fotory tsara ny amin’ ilay Zazakely; koa rehefa hitanareo Izy, dia ambarao amiko, mba hankanesako any koa hiankohoka eo anatrehany.
et mittens illos in Bethlehem, dixit: Ite, et interrogate diligenter de puero: et cum inveneritis, renunciate mihi, ut et ego veniens adorem eum.
9 Ary rehefa nandre ny tenin’ ny mpanjaka izy ireo, dia lasa; ary, indro, ilay kintana hitany teny atsinanana nialoha azy mandra-pijanony teo ambonin’ izay nitoeran’ ny Zazakely.
Qui cum audissent regem, abierunt. Et ecce stella, quam viderant in oriente, antecedebat eos, usque dum veniens staret supra, ubi erat puer.
10 Ary nony nahita ny kintana izy, dia nifaly indrindra.
Videntes autem stellam gavisi sunt gaudio magno valde.
11 Ary rehefa tafiditra tao an-trano izy, dia nahita ny Zazakely sy Maria reniny ka niankohoka teo anatrehany; ary nony efa nosokafany ny fitehirizan-drakiny, dia nanolotra zavatra ho Azy izy, dia volamena sy zava-manitra ary miora.
Et intrantes domum, invenerunt puerum cum Maria matre eius, et procidentes adoraverunt eum: et apertis thesauris suis obtulerunt ei munera, aurum, thus, et myrrham.
12 Ary rehefa notoroan’ Andriamanitra hevitra tamin’ ny nofy izy tsy hiverina any amin’ i Heroda, dia lalana hafa no nalehany nody ho any amin’ ny fonenany.
Et responso accepto in somnis ne redirent ad Herodem, per aliam viam reversi sunt in regionem suam.
13 Ary nony efa lasa nandeha ireo, indro, nisy anjelin’ ny Tompo niseho tamin’ i Josefa tamin’ ny nofy ka nanan hoe: Mifohaza ianao, ka ento ny Zazakely sy ny reniny, dia mandosira any Egypta, ary mitoera any ambara-pilazako aminao; fa Heroda efa hitady ny Zazakely hovonoiny.
Qui cum recessissent, ecce Angelus Domini apparuit in somnis Ioseph, dicens: Surge, et accipe puerum, et matrem eius, et fuge in Ægyptum, et esto ibi usque dum dicam tibi. Futurum est enim ut Herodes quærat puerum ad perdendum eum.
14 Dia nifoha izy ka nitondra ny Zazakely sy ny reniny, raha mbola alina, dia lasa nankany Egypta;
Qui consurgens accepit puerum, et matrem eius nocte, et secessit in Ægyptum:
15 ary nitoetra tany izy ambara-pahafatin’ i Heroda, mba hahatanteraka izay nampilazain’ i Jehovah ny mpaminany hoe: Nantsoiko hiala tany Egypta ny zanako.
et erat ibi usque ad obitum Herodis: ut adimpleretur quod dictum est a Domino per prophetam dicentem: Ex Ægypto vocavi filium meum.
16 Ary nony efa fantatr’ i Heroda fa voafitaky ny Magy izy, dia tezitra indrindra izy ka naniraka namono ny zazalahy rehetra hatramin’ ny roa taona no ho midìna, izay tao Betlehema sy tamin’ ny manodidina rehetra, araka ny andro izay nofotorany fatratra tamin’ ny Magy.
Tunc Herodes videns quoniam illusus esset a Magis, iratus est valde, et mittens occidit omnes pueros, qui erant in Bethlehem, et in omnibus finibus eius a bimatu et infra secundum tempus, quod exquisierat a Magis.
17 Dia tanteraka izay nampilazaina an’ i Jeremia mpaminany hoe:
Tunc adimpletum est quod dictum est per Ieremiam prophetam dicentem:
18 Nisy feo re tao Rama, dia fidradradradrana sy fitomaniana fatratra; Rahely nitomany ny zanany, Ary tsy azo nampiononina izy, satria lany ritra ireny.
Vox in Rama audita est ploratus, et ululatus multus: Rachel plorans filios suos, et noluit consolari, quia non sunt.
19 Ary rehefa maty Heroda, indro, nisy anjelin’ ny Tompo niseho tamin’ i Josefa tany Egypta tamin’ ny nofy ka nanao hoe:
Defuncto autem Herode, ecce Angelus Domini apparuit in somnis Ioseph in Ægypto,
20 Mifohaza ianao, ka ento ny Zazakely sy ny reniny, dia mankanesa any amin’ ny tanin’ ny Isiraely; fa efa maty izay nitady ny ain’ ny Zazakely.
dicens: Surge, et accipe puerum, et matrem eius, et vade in terram Israel: defuncti sunt enim, qui quærebant animam pueri.
21 Dia nifoha izy ka nitondra ny Zazakely sy ny reniny, dia tonga tany amin’ ny tanin’ ny Isiraely.
Qui consurgens, accepit puerum, et matrem eius, et venit in terram Israel.
22 Fa rehefa reny fa Arkelaosy no nanjaka tany Jodia nandimby an’ i Heroda rainy, dia natahotra hankany izy; ary rehefa notoroan’ Andriamanitra hevitra tamin’ ny nofy izy, dia lasa nankany amin’ ny tany Galilia.
Audiens autem quod Archelaus regnaret in Iudæa pro Herode patre suo, timuit illo ire: et admonitus in somnis, secessit in partes Galilææ.
23 Ary nony tonga tany izy, dia nonina tao amin’ ny tanàna atao hoe Nazareta, mba hahatanteraka izay nampilazaina ny mpaminany hoe: Hatao hoe Nazarena Izy.
Et veniens habitavit in civitate quæ vocatur Nazareth: ut adimpleretur quod dictum est per prophetas: Quoniam Nazaræus vocabitur.

< Matio 2 >