< Fitomaniana 5 >

1 Jehovah ô, tsarovy izay nanjo anay; Hevero sy diniho ny latsa mahazo anay.
Tiahio, ry Iehovà, i nifetsak’ ama’ay zay; vazohò vaho oniño ty fisalara’ay!
2 Ny lovanay dia afindra ho an’ ny vahiny ary ny tranonay ho an’ ny hafa firenena.
Natolotse amo ambahinio ty lova’ay, amo rene-taneo o akiba’aio.
3 Efa kamboty izahay ka tsy manan-dray, ny reninay dia toy ny mpitondra-tena.
Bode zahay henaneo, toe bode rae; remavoiñe o rene’aio.
4 Na dia ny loharanonay aza dia andoavanay vola vao azonay isotroana, ary ny kitay hazonay dia vidinay vao azo.
Tsy mete tsy vilie’ay ty rano hinome’ay; kaloeñe o hatae avori’aio.
5 Rambondrambonan’ ny mpanenjika amin’ ny hatokay izahay; Reraka izahay fa tsy manam-pitsaharana.
Ampisoañeñe o hatò’aio; màmake zahay tsy maharendre-pitofàñe.
6 Nanolo-tanana tamin’ ny Egyptiana sy ny Asyriana izahay mba ho voky hanina.
Fa nanolo-pitàñe amy Mitsraime zahay naho amy Asore, hitakara’ay mofo mahàtsake.
7 Nanota ny razanay tsy etỳ intsony izy; Ary izahay no mivesatra ny helony.
Nandilatse o roae’aio; tsy eo ka iereo; zahay avao ty mivave o hakeo’eo.
8 Andevo no manapaka anay; Tsy misy manafaka anay amin’ ny tànany.
Fehe’ o ondevoo, fe tsy eo ty hamotsots’anay am-pità’ iareo.
9 Noho ny sabatra mamely any an-efitra dia manao vy very ny ainay izahay vao mahazo hanina.
Mampamoe’ aiñe ty ahazoa’ay haneñe, amy fibara an-dratraratray.
10 Mahamay toy ny fatana ny hodi-tray noho ny fahamaimaizana avy amin’ ny mosary.
Mahamainte ty holi’ay hoe toñake I kerè matrovokey.
11 Nosavihina ny vehivavy tao Ziona ary ny virijina tao amin’ ny tanànan’ ny Joda.
Vahorañe e Tsione ao o rakemba’aio, naho amo rova’ Iehodào o somondrara’aio.
12 Nahantona tamin’ ny tànany ny lehibe; Ary ny antitra tsy mba nohajaina.
Aradorado am-pità’e o roandriañeo; tsy iasiañe ty lahara’ o androanavio.
13 Ny zatovo nitondra ny fikosoham-bary; Ary ny ankizy madinika nivembena nitondra ny hazo.
Azitse handisañe ty ajalahy naho midaleandaleañe o jolingao te mijiny hatae.
14 Ny loholona tsy misy eo am-bavahady, ary ny zatovo tsy mitendry zava-maneno intsony.
Napo’ o androanavio ty lalam-bey, nado o ajalahio ty bekobeko.
15 Ny hafalian’ ny fonay dia nitsahatra, ary ny dihinay niova ho fitomaniana.
Nijihetse ty hafalean’ arofo’ay; nifotetse ho fandalàñe o tsinja’aio.
16 Efa afaka ny satro-boninahitra tamin’ ny lohanay; Idiran-doza izahay, fa efa nanota!
Po-tsabaka zahay; feh’ohatse fa niota!
17 Ary noho izany dia reraka ny fonay, eny, noho izany dia maizina ny masonay,
Izay ty mahasiloke o tro’aio, izay ty mahalopelope o fihaino’aio;
18 Noho ny amin’ ny tendrombohitra Ziona, izay efa lao sady ikarenjen’ ny amboahaolo.
toe i Vohi-Tsione mangoakoakey; mitingañ’ ao o farasio.
19 Jehovah ô, ianao no mipetraka mandrakizay, eny, ny seza fiandriananao no maharitra hatramin’ ny taranaka fara mandimby.
Fa Ihe ry Iehovà, nainai’e tsy modo ty fifehea’o; pak’amo tariratse fara-mandimbeo ty fiambesa’o.
20 Ahoana no dia anadinoanao anay mandrakizay sy ahafoizanao anay andro lava?
Akore t’ie naforintse’o? Amoea’o andro maro hao zahay?
21 Jehovah ô, ampivereno aminao izahay, mba hiverenanay; Havaozy ho toy ny fahiny ny andronay.
Ampolio ama’o, ry Iehovà, hibodaña’ay; vaò manahake o andro taoloo o andro’aio—
22 Moa dia nandà anay tokoa va Hianao sy tezitra aminay indrindra?
Fa naitoa’o zafezanake, naho loho niviñera’o.

< Fitomaniana 5 >