< Mpitsara 18 >

1 Ary tamin’ izany andro izany dia tsy nisy mpanjaka teo amin’ ny Isiraely; ary tamin’ izany andro izany kosa ny firenen’ i Dana nitady lova mba honenany, satria na dia hatramin’ izany andro izany aza dia tsy mbola nahazo lova ho azy teo amin’ ny firenen’ Isiraely izy.
Siku hizo hapakuwa na mfalme huko Israeli. Kabila la Wadani lilikuwa linatafuta makazi ya kuishi, kwa maana mpaka siku hiyo hawakupokea urithi wowote kutoka miongoni mwa makabila ya Israeli.
2 Ary ny taranak’ i Dana naniraka dimy lahy nofantenany avy amin’ ny fokony rehetra, dia lehilahy mahery, avy tany Zora sy Estaola, mba hisafo ny tany sy hizaha ny toetrany; ary hoy izy taminy: Mandehana izahao ny toetry ny tany. Ary tonga tany amin’ ny tany havoan’ i Efraima tao an-tranon’ i Mika izy, dia nandry tao.
Watu wa Dani walituma watu watano kutoka kwa idadi yote ya kabila lao, wanaume wenye ujasiri kutoka Sora na kutoka Eshtaoi, ili kukagua ardhi kwa miguu, na kuiangalia. Wakawaambia, “Nendeni mkaangalie nchi.' Wakafika nchi ya mlima wa Efraimu, kwa nyumba ya Mika wakalala huko.
3 Rehefa mby teo akaikin’ ny tranon’ i Mika izy, dia fantany ny feon’ ilay Levita zatovo; dia nivily teo izy ka nanao taminy hoe: Iza no nitondra anao tatỳ? ary maninona atỳ ianao? ary inona no anananao atỳ?
Walipokuwa karibu na nyumba ya Mika, walitambua maneno ya Mlawi. Basi wakamsimama na kumwuliza, “Nani alikuleta hapa? Unafanya nini hapa? Kwa nini uko hapa?”
4 Dia hoy kosa izy taminy: Izany ka izany no nataon’ i Mika tamiko, ary efa nanamby ahy izy, ka efa mpisorony aho izao.
Akawaambia, “Hivi ndivyo Mika amefanya kwa ajili yangu Yeye aliniajiri mimi kuwa kahani wake.”
5 Dia hoy izy ireo taminy: Masìna ianao, manontania amin’ Andriamanitra mba ho fantatray na hambinina amin’ ny lalana alehanay izahay, na tsia.
Wakamwambia, “Tafadhali tafuta ushauri kwa Mungu, ili tuweze kujua kama safari tunayoendea itafanikiwa.”
6 Dia hoy ilay mpisorona taminy: Mandehana soa aman-tsara; fa eo anatrehan’ i Jehovah izao lalana alehanareo izao.
Kuhani huyo akawaambia, “Nenda kwa amani. Bwana atakuongoza katika njia unayoiendea.”
7 Dia nandeha izy dimy lahy ka tonga tany Laisy, ary hitany ny olona tao, fa nonina tsy nanana ahiahy tahaka ny fanaon’ ny Sidoniana izy, dia nandry fahizay ka tsy nanana ahiahy, sady tsy nisy mpanapaka hampahory azy teo amin’ ny tany na amin’ inona na amin’ inona; ary lavitra ny Sidoniana izy sady tsy nanan-draharaha tamin’ olona akory.
Kisha wale watu watano wakaondoka na wakafika Laishia, na waliona watu waliokuwa pale waliishi salama- vivyo hivyo Wasidoni waliishi bila kusumbuliwa na kwa usalama. Hapakuwa na mtu aliyewashinda katika nchi hiyo, au aliyewasumbua kwa namna yoyote. Waliishi mbali na Wasidoni, na hawakuwa na ushirikiano na mtu yeyote.
8 Dia nandeha ho any amin’ ny rahalahiny any Zora sy Estaola ireo; ary hoy ny rahalahiny taminy: Naninona moa ianareo?
Walirudi kwa kabila lao huko Zora na Eshtaol. Ndugu zao waliwauliza, 'Mna habari gani?'
9 Dia hoy izy: Mitsangàna, ka aoka isika hiakatra hamely azy; fa efa nahita ny tany izahay, fa, indro, tsara indrindra izany; moa mbola mijanonjanona ihany va ianareo? aza malain-kandeha hiditra handova ny tany.
Wakasema, “Njoo! Hebu tuwashambulie! Tumeona ardhi na ni nzuri sana. Je hamfanyi kitu? Msiwe wavivu kushambulia na kuchukua ardhi.
10 Raha mandeha ianareo, dia ho tonga any amin’ ny olona tsy manana ahiahy sy any amin’ ny tany malalaka; fa efa natolotr’ Andriamanitra ho eo an-tananareo izany; dia tany tapi-javatra irina atỳ ambonin’ ny tany.
Mnapoenda, mtakuta watu wanaofikiri wapo salama, na nchi ni pana! Mungu amewapa ninyi-mahali ambako hapajapungukiwa kitu chochote duniani. '
11 Dia nisy niainga avy tamin’ ny fokon’ i Dana, avy tany Zora sy Estaola, dia enin-jato lahy efa voaomana tamin’ ny fiadiany.
Watu mia sita wa kabila la Dani, wenye silaha za vita, waliondoka kutoka Sora na Eshtaoli.
12 Ary niakatra ireo ka nitoby tany Kiriata-jearima any Joda (izany no nanaovana ny anaran’ izany tany izany hoe mandraka androany Mahane-dana; indro, eo andrefan’ i Kiriata-jearima izany).
Wakasafiri, wakapanga Kiriath-yearimu, huko Yuda. Ndio maana watu walipaita mahali pale Mahane Dani hata leo; ni magharibi ya Kiriath yearimu.
13 Dia niala tao izy ka nandroso nantany amin’ ny tany havoan’ i Efraima, dia tonga tao an-tranon’ i Mika.
Wakaondoka huko na kwenda nchi ya mlima wa Efraimu, wakafika nyumbani kwa Mika.
14 Ary niteny izy dimy lahy, izay nandeha hisafo ny tany Laisy, ka nanao tamin’ ny rahalahiny hoe: Fantatrareo va fa ato amin’ ireto trano ireto misy efoda sy terafima ary sarin-javatra voasokitra sy sarin-javatra an-idina? koa hevero izay hataonareo.
Kisha watu watano waliokuwa wamekwenda kutazama nchi ya Laisha waliwaambia jamaa zao, “Je, mnajua kwamba katika nyumba hizi kuna efodi, miungu ya kaya, sanamu zilizochongwa, na sanamu za chuma? Amua sasa utakachofanya.”
15 Dia nivily tao izy ka tonga tao an-tranon’ ilay Levita zatovo, dia tao an-tranon’ i Mika, ka niarahaba azy.
Basi wakarudi huko, wakafika nyumbani mwa Mlawi, nyumbani mwa Mika; wakamsalimu.
16 Ary ny enin-jato lahy efa voaomana tamin’ ny fiadiany, izay avy tamin’ ny taranak’ i Dana, dia nijanona teo anoloan’ ny vavahady.
Wana Daniani mia sita, wenye silaha za vita, walisimama kwenye maingilio ya lango.
17 Ary niakatra izy dimy lahy, izay nandeha hisafo ny tany, dia niditra ka naka ny sarin-javatra voasokitra sy ny efoda sy ny terafima ary ny sarin-javatra an-idina; ary ny mpisorona mbamin’ ny enin-jato lahy efa voaomana tamin’ ny fiadiany nijanona teo anoloan’ ny vavahady.
Wale watu watano waliokuwa wamekwenda kutembelea nchi walikwenda huko na wakachukua sanamu zilizochongwa, efodi, na miungu ya nyumba, na sanamu ya chuma, wakati kuhani alipokuwa amesimama kwenye maingilio ya lango na wanaume mia sita wenye silaha za vita.
18 Dia niditra tao an-tranon’ i Mika ireo ka naka ny sarin-javatra voasokitra sy ny efoda sy ny terafima ary ny sarin-javatra an-idina. Ary hoy ny mpisorona taminy: Maninona ianareo?
Walipokuwa wakiingia nyumbani kwa Mika na kuchukua sanamu zilizochongwa, efodi, miungu ya nyumba, na sanamu za chuma, kuhani akasema, “mnafanya nini?”
19 Dia hoy ireo taminy: Mangìna ianao, tampeno ny tananao ny vavanao, ka andeha hiaraka aminay, dia ho rainay sy mpisoronay ianao; moa tsara ho anao va ny ho mpisorona ho an’ ny olona iray trano noho ny ho mpisorona amin’ ny firenena iray sy ny foko iray amin’ ny Isiraely?
Wakamwambia, “Tulia! Weka mkono wako kwenye kinywa chako na uje nasi, na uwe kwetu baba na kuhani. Je, ni bora kuwa wewe kuhani kwa ajili ya nyumba ya mtu mmoja, au kuhani kwa kabila na jamaa katika Israeli?”
20 Dia faly ny fon’ ilay mpisorona, ka nalainy ny efoda sy ny terafima ary ny sarin-javatra voasokitra, ary nandeha voahodidin’ ny olona izy.
Moyo wa kuhani ulifurahi. Akachukua efodi, miungu ya nyumba, na sanamu ya kuchongwa, akaenda pamoja na hao watu.
21 Dia nihodina izy ireo ka lasa nandeha; ary ny zaza amim-behivavy sy ny omby aman’ ondry mbamin’ ny entany tsara dia nataony teo alohany.
Basi wakageuka wakaenda. Wameweka watoto wadogo mbele yao wenyewe, pamoja na ng'ombe na mali zao.
22 Ary rehefa lasa lavitra ny tranon’ i Mika izy, dia nivory ny lehilahy nifanolo-bodirindrina tamin’ i Mika ka nahatratra ny taranak’ i Dana.
Walipokuwa umbali mzuri kutoka kwa nyumba ya Mika, watu waliokuwa ndani ya nyumba iliyo karibu na nyumba ya Mika waliitwa, nao wakawafikia Wadani.
23 Dia niantso ny taranak’ i Dana izy. Ary niherika ireo ka nanao tamin’ i Mika hoe: Haninona ianao, no nanangona olona maro toy izao?
Waliwapigia kelele Wadani, nao wakageuka, wakamwambia Mika, “Kwa nini mmekuja pamoja?
24 Ary hoy Izy: Ny andriamanitro izay nataoko sy ny mpisorona koa dia nalainareo, ka lasa ianareo; koa inona intsony no mba ho ahy? Ary ahoana no anaovanareo amiko hoe: Haninona ianao?
Akasema, “ninyi mmeiba miungu niliyoifanya, mmemchukua kuhani wangu, na mnaondoka. Je, nina nini tena? Unawezaje kuniuliza, 'Ni nini kinachokusumbua?'”
25 Dia hoy ny taranak’ i Dana taminy: Aoka tsy ho re eto aminay intsony ny feonao, fandrao hisy olo-masiaka hamely anareo, ka dia hanao izay hahafaty ny tenanao sy ny ankohonanao ianao.
'Watu wa Dani wakamwambia,” Usiruhusu tusikie chochote unachosema, au baadhi ya watu wenye hasira sana watawapiga, wewe na familia yako mtauawa.”
26 Dia nandeha tamin’ ny nalehany ny taranak’ i Dana; ary rehefa hitan’ i Mika fa ireo dia nahery noho izy, dia niverina izy ka nody tany an-tranony.
Ndipo watu wa Dani wakaenda zao. Mika alipoona kwamba walikuwa na nguvu sana juu yake, akageuka na kurudi nyumbani kwake.
27 Ary izy ireo naka izay zavatra efa nataon’ i Mika sy ny mpisorona izay tao aminy, dia nankany Laisy ho any amin’ ny olona mandry fahizay ka tsy manana ahiahy, dia namely azy tamin’ ny lelan-tsabatra ireo; ary ny tanàna nodorany tamin’ ny afo.
Watu wa Dani walichukua kile alichokifanya Mika, pamoja na kuhani wake, na wakafika Laisha, kwa watu waliokuwa hawasumbuliwi na wenye usalama na salama wakawaua kwa upanga na kuuchoma mji huo.
28 Ary tsy nisy namonjy, satria lavitra an’ i Sidona izany, ary tsy nanan-draharaha tamin’ olona akory izy, sady teo amin’ ny lohasaha izay any Beti-rehoba izany. Dia nanorina ny tanàna izy ireo ka nonina tao.
Hapakuwa na mtu wa kuwaokoa kwa sababu palikuwa na umbali mrefu kutoka Sidoni, na hawakuwa na uhusiano na mtu yeyote. Palikuwa katika bonde lililo karibu na Beth Rehobu. Wadani wakaujenga mji na kuishi huko.
29 Ary ny anaran’ ny tanàna nataony hoe Dana, araka ny anaran’ i Dana rainy, izay naterak’ Isiraely; kanefa Laisy no anaran’ ny tanàna taloha.
Wakauita jina lake Dani, jina la baba zao Dani, ambaye alikuwa mmoja wa wana wa Israeli. Lakini jina la mji hapo mwanzo ulikuwa Laisha.
30 Dia natsangan’ ny taranak’ i Dana ilay sarin-javatra voasokitra; ary Jonatana, zanak’ i Gersoma, zanak’ i Mosesy, sy ny zanany, no mpisorona ho an’ ny firenen’ i Dana hatramin’ ny andro namaboana ny tany.
Watu wa Dani walijenga sanamu za kuchonga wenyewe. Naye Yonathani, mwana wa Gershomu, mwana wa Musa, yeye na wanawe walikuwa makuhani wa kabila la Wadani mpaka siku ya uhamisho wa nchi.
31 Ary nampitoeriny ho azy ilay sarin-javatra voasokitra nataon’ i Mika mandritra ny andro rehetra niorenan’ ny tranon’ Andriamanitra tao Silo.
Basi wakaiabudu sanamu ya kuchonga ya Mika aliyoifanya wakati wa nyumba ya Mungu huko Shilo.

< Mpitsara 18 >