< Josoa 23 >

1 Ary rehefa ela, taorian’ ny nanomezan’ i Jehovah fitsaharana ho an’ ny Isiraely ho afaka amin’ ny fahavalony rehetra manodidina, ary Josoa dia efa zoki-olona sady nandroso fahanterana,
Ie andro maro añe, naho fa nampitofà’ Iehovà amo rafelahi’e iaby mañohoke iareoo t’Israele vaho nigain-kantetse t’Ieho­soa, nisilofen-kàanterañe,
2 dia nantsoin’ i Josoa ny Isiraely rehetra, dia ny loholony sy ny lehibeny sy ny mpitsara azy ary ny mpifehy azy, ka hoy izy taminy: Efa zoki-olona aho izao ka mandroso fahanterana,
le fonga kinoi’ Ieho­soa t’Israele naho o talè’eo naho o mpiaolo’eo naho o mpizaka’eo naho o mpifehe’eo le nanoe’e ty hoe: Fa bey iraho, mihaantetse;
3 ary ianareo efa nahita izay rehetra nataon’ i Jehovah Andriamanitrareo tamin’ ireo firenena rehetra ireo teo anoloanareo; fa Jehovah Andriamanitrareo no niady ho anareo.
fa nioni’ areo ze hene nanoe’ Iehovà Andrianañahare’ areo amo kilakila’ ndatio ty ama’ areo; te nialy ho anahareo t’Iehovà Andrianañahare’ areo.
4 Indreo, efa voazarako ho lovan’ ny firenenareo tamin’ ny filokana ireo firenena sisa ireo, hatrany Jordana, mbamin’ ny firenena rehetra izay nofongorako, ka hatramin’ ny Ranomasina Lehibe andrefana.
Ingo fa nizarako lova nahareo ty amo fifokoa’ areoo, o fifeheañe sisao, boak’ am’ Iardeney, mitraok’ amo fifeheañe fa naitoakoo, ampara’ i Riake Jabajaba mb’ am-pitsofora’ i àndroy añey.
5 Ary Jehovah Andriamanitrareo, Izy no handroaka ireny eo anoloanareo, dia hampiala azy eo anoloanareo; ary handova ny taniny ianareo araka izay nolazain’ i Jehovah Andriamanitrareo taminareo.
Iehovà Andria­nañahare’ areo, ie ty handronje iareo añatrefa’ areo mb’eo vaho ho roahe’e tsy ho ampaha­isaha’ areo; le ho fanaña’ areo i tane’ iareoy, amy tsinara’ Iehovà Andrianañahare’ areo ama’ areoy.
6 Dia mahereza tsara ianareo hitandrina sy hanao izay rehetra voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny lalàn’ i Mosesy, mba tsy hivilianareo hiala aminy na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia,
Aa le mihafatra­ra hahavontititse ami’ty fañorihañe ze hene misokitse amy boke Hà’ i Mosèy ao, tsy hitsileañe ndra mb’ am-pitàn-kavana ndra havia;
7 mba tsy hankanesanareo any amin’ ireo firenena sisa eo aminareo ireo; ny anaran’ ny andriamaniny dia aoka tsy hotononinareo na hampianiananareo akory, ary aza manompo azy na miankohoka eo anatrehany;
tsy hitraofa’ areo o kilakila’ ndatio, o sisa ama’ areoo; naho tsy ho toñoneñe ty añaran’ ndrahare’ iareoo, ko ampifantàñe, ko itoroñañe, vaho ko iambaneañe;
8 fa Jehovah Andriamanitrareo ihany no ifikiro, araka ny nataonareo mandraka androany.
fe tambozoro t’Iehovà Andrianañahare’ areo, manahake ty nanoe’ areo ampara’ henaneo,
9 Fa nandroaka firenena lehibe sy mahery teo anoloanareo Jehovah; ary dia tsy nisy olona nahajanona teo anoloanareo mandraka androany.
ie fa nandroake fifeheañe ra’elahy naho maozatse añatrefa’ areo t’Iehovà; le inahareo, toe leo ondaty raike tsy nitroatse ama’ areo ampara’ henane.
10 Ny lehilahy iray aminareo manenjika ny arivo; fa Jehovah Andriamanitrareo, Izy no miady ho anareo, araka izay nolazainy taminareo.
Mañoridañe arivo t’indaty raik’ ama’ areo, kanao Iehovà Andrianañahare’ areo ty mialy ho anahareo, ty amy nitsara’ey.
11 Dia tandremo tsara ny fanahinareo mba ho tia an’ i Jehovah Andriamanitrareo.
Aa le mitaoa am-pilozohañe ty hikoko Iehovà Andrianañahare’ areo.
12 Fa raha mihemotra ianareo ka miray aminareo ireo firenena sisa eo aminareo ireo ary mifanambady aminy ka miditra ao aminy, ary izy kosa ao aminareo,
F’ie hibalintoa, hipitek’ amo sisa’ o fifeheañeo, o honka’e ama’ areoo, hañenga valy, himoaha’ areo, vaho iereo ama’ areo,
13 dia ho fantatrareo tokoa fa tsy handroaka ireo firenena ireo eo anoloanareo intsony Jehovah Andriamanitrareo; fa ho fandrika sy tonta aminareo ireo, ary ho fanindronana amin’ ny tehezanareo, sy ho tsilo eo amin’ ny masonareo, mandra-pahalany ritranareo tsy ho eo amin’ ity tany soa nomen’ i Jehovah Andriamanitrareo anareo ity.
le maharendreha an-katò te tsy ho roahe’ Iehovà Andria­nañahare’ areo am-pahaisaha’ areo ka o fifeheañe retiañeo; f’ie ho fandrike naho koboñe ama’ areo, naho fifiake an-deme’ areo, vaho fatik’ am-pihaino’ areo, ampara’ t’ie mihomak’ amy tane soa natolo’ Iehovà Andrianañahare’ areoy.
14 Ary, indro, efa handeha ho amin’ ny lalana falehan’ ny tany rehetra aho izao; ary fantatrareo ao amin’ ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra fa tsy misy latsaka na dia zavatra iray akory aza ny zava-tsoa rehetra izay nilazan’ i Jehovah Andriamanitrareo anareo; efa tanteraka taminareo avokoa izy rehetra: tsy nisy latsaka izy na dia zavatra iray akory aza.
Hehe, te mb’ amy fañaveloa’ ty tane bey toy iraho henaneo; le fohi’ areo an-kaliforam-pañova naho an-kaampon’ arofo te tsy eo ty nilesa amo hene saon­tsy soa tsinara’ Iehovà Andria­nañahare’ areo ty ama’ areoo; songa nitendreke, tsy ama’e ty nipoke.
15 Ary tahaka ny efa nanatanterahana taminareo ny zava-tsoa rehetra, izay nolazain’ i Jehovah Andriamanitrareo taminareo, no hanatanterahan’ i Jehovah aminareo kosa ny loza rehetra mandra-paharingany anareo tsy ho eo amin’ ity tany soa nomen’ i Jehovah Andriamanitrareo anareo ity.
Ho tondroke te, manahake te sindre nitendrek’ ama’ areo o entan-tsoa tsi­nara’ Iehovà Andrianañahare’ areo ama’ areoo, le songa hampifetsahe’ Iehovà ama’ areo ka o nahatahata’eo ampara’ te rinotsa’e an-tane soa natolo’ Iehovà Andrianañahare’ areo atoy.
16 Amin’ izay hivadihanareo ny faneken’ i Jehovah Andriamanitrareo, izay nandidiany anareo, sy handehananareo hanompo ireo andriamani-kafa ary hiankohofanareo eo anatrehany, dia hirehitra aminareo ny fahatezeran’ i Jehovah, ary ho lany ringana faingana ianareo tsy ho eo amin’ ny tany soa nomeny anareo.
Ie andilara’ areo i fañina’ Iehovà Andria­nañahare’ areo linili’ey naho miveve hitoroñe ndrahare ila’e vaho hita­laho ama’e le hisolebotse ama’ areo ty haviñera’ Iehovà vaho hivetrake aniany an-tane soa natolo’e anahareo atoy.

< Josoa 23 >