< Josoa 22 >
1 Ary tamin’ izay dia nantsoin’ i Josoa ny Robenita sy ny Gadita sy ny antsasaky ny firenen’ i Manase,
時にヨシュアは、ルベンびと、ガドびと、およびマナセの部族の半ばを呼び集めて、
2 ka hoy izy taminy: Hianareo efa nitandrina izay rehetra nandidian’ i Mosesy mpanompon’ i Jehovah anareo sady efa nihaino ny feoko koa tamin izay rehetra nandidiako anareo;
言った、「あなたがたは主のしもべモーセが命じたことを、ことごとく守り、またわたしの命じたすべての事にも、わたしの言葉に聞きしたがいました。
3 tsy nilaozanareo ny rahalahinareo hatramin’ izany andro maro izany ka mandraka androany fa notandremanareo ny lalàna nasain’ i Jehovah Andriamanitrareo notandremanareo.
今日まで長い年月の間、あなたがたの兄弟たちを捨てず、あなたがたの神、主の命令を、よく守ってきました。
4 Ary ankehitriny dia efa nomen’ i Jehovah Andriamanitrareo fitsaharana ny rahalahinareo, araka izay nolazainy taminy; koa modia ankehitriny, ka mankanesa any amin’ ny lainareo avy, ho any amin’ ny taninareo, izay nomen’ i Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, anareo any an-dafin’ i Jordana.
今はすでに、あなたがたの神、主が、あなたがたの兄弟たちに、先に約束されたとおり、安息を賜わるようになりました。それで、あなたがたは身を返して、主のしもべモーセが、あなたがたに与えたヨルダンの向こう側の所有の地に行き、自分たちの天幕に帰りなさい。
5 Kanefa mitandrema tsara mba hanaraka ny didy sy ny lalàna izay nandidian’ i Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, anareo, hitiavanareo an’ i Jehovah Andriamanitrareo sy handehananareo amin’ ny lalany rehetra sy hitandremanareo ny didiny sy hifikiranareo aminy ary hanompoanareo Azy amin’ ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra.
ただ主のしもべモーセが、あなたがたに命じた戒めと、律法とを慎んで行い、あなたがたの神、主を愛し、そのすべての道に歩み、その命令を守って、主につき従い、心をつくし、精神をつくして、主に仕えなさい」。
6 Dia nitso-drano azy Josoa ka nampody azy; dia lasa nankany amin’ ny lainy avy izy.
そしてヨシュアが彼らを祝福して去らせたので、彼らはその天幕に帰った。
7 Ary ny antsasaky ny firenen’ i Manase efa nomen’ i Mosesy lova tany Basana; fa ny antsasany kosa efa nomen’ i Josoa teo amin’ ny rahalahiny etỳ an-dafy andrefan’ i Jordana. Ary raha nampodin’ i Josoa ho any amin’ ny lainy koa ireo, dia notsofiny rano izy
マナセの部族の半ばには、すでにモーセがバシャンで所有地を与えたが、他の半ばには、ヨシュアがヨルダンのこちら側、西の方で、その兄弟たちのうちに、所有地を与えた。ヨシュアは、彼らをその天幕に送りかえす時、彼らを祝福して、
8 ka nilazany hoe: Modia ho any amin’ ny lainareo avy ianareo, mitondra harena be sy omby aman’ ondry be indrindra sy volafotsy sy volamena sy varahina sy vy ary fitafiana be dia be; ary iombony amin’ ny rahalahinareo ny babo azo tamin’ ny fahavalonareo.
言った、「あなたがたは多くの貨財と、おびただしい数の家畜と、金、銀、青銅、鉄、および多くの衣服を持って天幕に帰り、敵から獲たぶんどり物を兄弟たちに分けなさい」。
9 Dia nody ny taranak’ i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen’ i Manase ka nandao ny Zanak’ Isiraely tao Silo, izay ao amin’ ny tany Kanana, hankany amin’ ny tany Gileada ho any amin’ ny zara-taniny, izay azony araka ny tenin’ i Jehovah nasainy nolazain’ i Mosesy.
こうしてルベンの子孫、ガドの子孫、およびマナセの部族の半ばは、主がモーセによって命じられたように、すでに自分の所有地となっているギレアデの地に行こうと、カナンの地のシロで、イスラエルの人々と別れて帰って行った。
10 Ary raha tonga teo amoron’ i Jordana eo amin’ ny tany Kanana ny taranak’ i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen’ i Manase, dia nanorina alitara teo izy, ary lehibe ny fijery izany alitara izany.
ルベンの子孫、ガドの子孫、およびマナセの部族の半ばが、カナンの地のヨルダンのほとりにきた時、その所で、ヨルダンの岸べに一つの祭壇を築いた。それは大きくて遠くから見える祭壇であった。
11 Ary ny Zanak’ Isiraely nahare hoe: Indreo, ny taranak’ i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen’ i Manase efa nanorina alitara an-tsisin’ ny tany Kanana, eo amoron’ i Jordana, anatin’ ny tanin’ ny Zanak’ Isiraely.
イスラエルの人々は、「ルベンの子孫、ガドの子孫、およびマナセの部族の半ばが、カナンの地の国境、ヨルダンのほとりのイスラエルの人々に属する方で、一つの祭壇を築いた」といううわさを聞いた。
12 Ary nony ren’ ny Zanak’ Isiraely izany, dia niangona tao Silo ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, mba hiakatra hiady aminy.
イスラエルの人々が、それを聞くとひとしく、イスラエルの人々の全会衆はシロに集まって、彼らの所に攻め上ろうとした。
13 Dia naniraka an’ i Finehasa, zanak’ i Eleazara mpisorona, ny Zanak’ Isiraely ho any amin’ ny taranak’ i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen’ i Manase, any amin’ ny tany Gileada,
そしてイスラエルの人々は、祭司エレアザルの子ピネハスをギレアデの地のルベンの子孫、ガドの子孫、およびマナセの半部族の所につかわし、
14 sy loholona folo lahy koa niaraka taminy, dia loholona iray isam-pirenena tamin’ ny Isiraely rehetra: samy lohan’ ny fianakaviany tamin’ ny arivon’ ny Isiraely ireo.
イスラエルの各部族のうちから、父祖の家のつかさ、ひとりずつをあげて、合わせて十人のつかさたちを、彼と共に行かせた。これらはみなイスラエルの氏族のうちで、父祖の家のかしらたる人々であった。
15 Dia tonga tany amin’ ny taranak’ i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen’ i Manase tany amin’ ny tany Gileada ireo ka niteny taminy hoe:
彼らはギレアデの地に行き、ルベンの子孫、ガドの子孫、およびマナセの半部族に語って言った、
16 Izao no lazain’ ny fiangonan’ i Jehovah rehetra: Inona izato fahotana nataonareo amin’ Andriamanitry ny Isiraely, no niala tamin’ ny fanarahana an’ i Jehovah ianareo androany tamin’ ny nanorenanareo alitara ka miodina amin i Jehovah ankehitriny?
「主の全会衆はこう言います、『あなたがたがイスラエルの神にむかって、とがを犯し、今日、ひるがえって主に従うことをやめ、自分のために一つの祭壇を築いて、今日、主にそむこうとするのは何事か。
17 Zavatra kely loatra amintsika va ilay heloka ny amin’ i Peora, izay tsy mbola nahadiovantsika ny tenantsika ho afaka amin’ izany mandraka androany na dia efa nisy aza ilay areti-mandringana tamin’ ny fiangonan’ i Jehovah,
ペオルで犯した罪で、なお足りないとするのか。それがために主の会衆に災が下ったが、われわれは今日もなお、その罪から清められていない。
18 no dia mihodìna miala amin’ ny fanarahana an’ i Jehovah ianareo anio? Raha miodina amin’ i Jehovah ianareo anio, dia ho tezitra amin’ ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, Izy rahampitso.
しかもあなたがたは、今日、ひるがえって主に従うことをやめようとするのか。あなたがたが、きょう、主にそむくならば、あす、主はイスラエルの全会衆にむかって怒られるであろう。
19 Kanefa raha maloto ny taninareo, dia mità ho any amin’ ny tanin’ i Jehovah, izay itoeran’ ny tabernakelin’ i Jehovah, ka any aminay maka fonenana; fa aza miodina amin’ i Jehovah, na miodina aminay, amin’ ny anorenanareo alitara afa-tsy ny alitaran’ i Jehovah Andriamanitsika.
もしあなたがたの所有の地が清くないのであれば、主の幕屋の立っている主の所有の地に渡ってきて、われわれのうちに、所有の地を獲なさい。ただ、われわれの神、主の祭壇のほかに、自分のために祭壇を築いて、主にそむき、またわれわれをそむく者とならせないでください。
20 Tsy nandika ny didy va Akana, zanak’ i Zera, tamin’ ny zavatra voaozona, ka nisy fahatezerana nahatratra ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra? Ary tsy io lehilahy irery io ihany no maty tamin’ izany helony izany.
ゼラの子アカンは、のろわれた物について、とがを犯し、それがためイスラエルの全会衆に、怒りが臨んだではないか。またその罪によって滅びた者は、彼ひとりではなかった』」。
21 Dia namaly ny taranak’ i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen’ i Manase ka nanao tamin’ ny mpifehy arivo tamin’ ny Isiraely hoe:
その時、ルベンの子孫、ガドの子孫、およびマナセの半部族は、イスラエルの氏族のかしらたちに答えて言った、
22 Andriamanitra Andriananahary, dia Jehovah eny Andriamanitra Andriananahary, dia Jehovah, Izy no mahalala, ary ny Isiraely hahalala koa; raha fiodinana na fahadisoana amin’ i Jehovah (aza mba mamonjy anay akory Hianao anio),
「力ある者、神、主。力ある者、神、主。主は知ろしめす。イスラエルもまた知らなければならない。もしそれがそむくことであり、あるいは主に罪を犯すことであるならば、きょう、われわれをゆるさないでください。
23 raha izany no nanorenanay alitara, mba hiala amin’ ny fanarahana an’ i Jehovah, na hanatitra fanatitra dorana, na fanatitra hohanina, na fanati-pihavanana, eo amboniny dia aoka Jehovah no hanadina;
われわれが祭壇を築いたことが、もし主に従うことをやめるためであり、またその上に、燔祭、素祭をささげるためであり、あるいはまたその上に、酬恩祭の犠牲をささげるためであったならば、主みずから、その罪を問いただしてください。
24 fa tahotra tokoa no anton’ ny nanaovanay izao; fa hoy izahay: Rahatrizay dia hanontany ny taranakay ny taranakareo hoe: Moa mifaninona akory ianareo sy Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely?
しかし、われわれは次のことを考えてしたのです。すなわち、のちの日になって、あなたがたの子孫が、われわれの子孫にむかって言うことがあるかも知れません、『あなたがたは、イスラエルの神、主と、なんの関係があるのですか。
25 fa Jordana no nataon’ i Jehovah ho faritra eo anelanelantsika, ry taranak’ i Robena sy Gada, ka tsy manana anjara amin’ i Jehovah ianareo; ka dia hampitsaharan’ ny taranakareo tsy hatahotra an’ i Jehovah ny taranakay,
ルベンの子孫と、ガドの子孫よ、主は、あなたがたと、われわれとの間に、ヨルダンを境とされました。あなたがたは主の民の特権がありません』。こう言って、あなたがたの子孫が、われわれの子孫に、主を拝むことをやめさせるかも知れないので、
26 Dia hoy izahay: Aoka isika hanorina alitara ho antsika, tsy hanaterana fanatitra dorana anefa, na fanatitra hafa alatsa-drà,
われわれは言いました、『さあ、われわれは一つの祭壇を築こう。燔祭のためではなく、また犠牲のためでもなく、
27 fa mba ho vavolombelona ho amintsika sy ny taranatsika mandimby antsika, hanaovanay ny fanompoana an’ i Jehovah eo anatrehany amin’ ny hanaterana fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà ary fanati-pihavanana mba tsy holazain’ ny taranakareo amin’ ny taranakay rahatrizay hoe: Tsy manana anjara amin’ i Jehovah ianareo.
ただあなたがたと、われわれとの間、およびわれわれの後の子孫の間に、証拠とならせて、われわれが、燔祭と犠牲、および酬恩祭をもって、主の前で、主につとめをするためである。こうすれば、のちの日になって、あなたがたの子孫が、われわれの子孫に、「あなたがたは主の民の特権がありません」とは言わないであろう』。
28 Ary hoy izahay: Raha tàhiny lazainy aminay na ny taranakay izany rahatrizay, dia hataonay hoe: Jereo ny endriky ny alitaran’ i Jehovah, izay nataon’ ny razanay, tsy hanaterana fanatitra, dorana anefa na fanatitra hafa alatsa-drà, fa mba ho vavolombelona ho amintsika roa tonta.
またわれわれは言いました、『のちの日に、われわれ、またわれわれの子孫が、もしそのようなことを言われるならば、その時、われわれは言おう、「われわれの先祖が造った主の祭壇の型をごらんなさい。これは燔祭のためではなく、また犠牲のためでもなく、あなたがたと、われわれとの間の証拠である」。
29 Sanatria aminay raha hiodina amin’ i Jehovah ka hiala anio amin’ ny fanarahana an’ i Jehovah hanorina alitara hanaterana fanatitra dorana, na fanatitra hohanina, na fanatitra hafa alatsa-drà, afa-tsy ny alitaran’ i Jehovah Andriamanitsika, izay eo anoloan’ ny tabernakeliny.
主にそむき、ひるがえって今日、主に従うことをやめて、われわれの神、主の幕屋の前にある祭壇のほかに、燔祭、素祭、または犠牲をささげるための祭壇を築くようなことは、決していたしません』」。
30 Ary rehefa ren’ i Finehasa mpisorona sy ny lohan’ ny fiangonana, dia ny mpifehy arivo tamin’ ny Isiraely, izay niaraka taminy, ny teny izay nolazain’ ny taranak’ i Robena sy Gada ary ny taranak’ i Manase, dia sitrany izany.
祭司ピネハス、および会衆のつかさたち、すなわち彼と共に行ったイスラエルの氏族のかしらたちは、ルベンの子孫、ガドの子孫、およびマナセの子孫が語った言葉を聞いて、それを良しとした。
31 Ary hoy Finehasa, zanak’ i Eleazara mpisorona, tamin’ ny taranak’ i Robena sy Gada ary ny taranak’ i Manase: Fantatray anio fa eto amintsika Jehovah, satria tsy nanao izany fahadisoana izany tamin’ i Jehovah ianareo; ary amin’ izany dia efa namonjy ny Zanak’ Isiraely tamin’ ny tànan’ i Jehovah ianareo.
そして祭司エレアザルの子ピネハスは、ルベンの子孫、ガドの子孫、およびマナセの子孫に言った、「今日、われわれは、主がわれわれのうちにいますことを知った。あなたがたが、主にむかって、このとがを犯さなかったからである。あなたがたは今、イスラエルの人々を、主の手から救い出したのです」。
32 Ary Finehasa, zanak’ i Eleazara mpisorona, sy ny loholona dia niverina nandao ny taranak’ i Robena sy Gada tany amin’ ny tany Gileada ka nankany amin’ ny tany Kanana ho any amin’ ny Zanak’ Isiraely ary nitondra valin-teny ho any aminy.
こうして祭司エレアザルの子ピネハスと、つかさたちは、ルベンの子孫、およびガドの子孫に別れて、ギレアデの地からカナンの地に帰り、イスラエルの人々のところに行って復命したので、
33 Ary sitraky ny zanak’ Isiraely izany, dia nisaotra an’ Andriamanitra ny Zanak’ Isiraely ka tsy nihevitra hiakatra hiady aminy intsony handrava ny tany izay nonenan’ ny taranak’ i Robena sy Gada.
イスラエルの人々はそれを良しとした。そしてイスラエルの人々は神をほめたたえ、ルベンの子孫、およびガドの子孫の住んでいる国を滅ぼすために攻め上ろうとは、もはや言わなかった。
34 Dia nasian’ ny taranak’ i Robena sy Gada anarana hoe Edy ilay alitara fa vavolombelona ho amintsika roa tonta io fa Jehovah no Andriamanitra.
ルベンの子孫とガドの子孫は、その祭壇を「あかし」と名づけて言った、「これは、われわれの間にあって、主が神にいますというあかしをするものである」。