< Josoa 2 >

1 Ary Josoa, zanak’ i Nona, dia naniraka mpisafo roa lahy mangingina avy tany Sitima ka niteny taminy hoe: Mandehana, izahao ny tany, indrindra fa Jeriko. Dia niainga izy roa lahy ary niditra tao an-tranon’ ny vehivavy janga anankiray atao hoe Rahaba, ka nandry tao.
Kisha Yoshua mwana wa Nuni aliwatuma watu wawili kwa siri kama wapelelezi kutoka Shitimu. Akisema, “Nendeni mkaiangalie nchi, hasa Yeriko.” Walienda na wakafika katika nyumba ya kahaba ambaye jina lake ni Rahabu, na wakalala hapo.
2 Ary nisy nilaza tamin’ ny mpanjakan’ i Jeriko hoe: Injao, misy olona avy tamin’ ny Zanak’ Isiraely tonga atỳ izao alina izao hisafo ny tany.
Mfalme wa Yeriko aliambiwa, “Tazama watu wa Israeli wamekuja kuipeleleza nchi.”
3 Dia naniraka tao amin’ i Rahaba ny mpanjakan’ i Jeriko ka nanao hoe: Avoahy ireo lehilahy tonga ato an-tranonao ireo; fa hisafo ny tany no nihaviany.
Mfalme akatuma neno kwa Rahabu kusema, “Watoe watu waliokuja kwako ambao wameingia nyumbani mwako, kwa kuwa wamekuja kuipeleleza nchi yote.”
4 Dia nalain-dravehivavy izy roa lahy ka nafeniny ary hoy izy: Tonga tatỳ amiko ihany tokoa ireny lehilahy ireny, nefa tsy fantatro izay nihaviany;
Lakini mwanamke alikuwa amekwisha kuwachukua wale watu wawili na kuwaficha. Na akasema, “Ndiyo, watu walikuja kwangu, lakini sikujua walikotoka.
5 ary rehefa maizina ny andro, ka hohidiana ny vavahady, dia lasa nivoaka izy, ka tsy fantatro indray izay nalehany; enjeho faingana izy, fa ho tratranareo.
Ilipokuwa jioni wakati wa kufungwa kwa lango la mji, waliondoka. Sijui mahali walikoelekea. Mnaweza kuwakamata kama mtawafuata upesi.
6 Kanjo efa nampiakarin-dravehivavy any an-tampon-trano izy ka nafeniny ao amin’ ny tahon-drongony, izay efa nalahany teo amin’ ny tampon-trano.
Lakini yeye aliwapandisha juu darini na kuwaficha kwa mabua ya kitani ambayo alikuwa ameyalaza darini.
7 Ary ireo olona dia nanenjika azy tamin’ ny lalana mankany Jordana hatrany amin’ ny fitàna; ary rehefa lasa nivoaka izay nanenjika azy, dia nohidiana ny vavahady.
Hivyo, watu waliwafuatilia njiani iliyoeleka katika vivuko vya Yordani. Na milango ilifungwa mara tu baada ya wale watu waliofuata kutoka nje.
8 Ary raha mbola tsy natory izy roa lahy, dia niakatra nankao aminy tao an-tampontrano ravehivavy
Wale wanaume walikuwa hajalala usiku, wakati alipowaendea kule darini.
9 ka nanao taminy hoe: Fantatro fa efa nomen’ i Jehovah anareo ny tany, ary efa latsaka aminay ny fahatahorana anareo, sady efa ketraka ny mponina rehetra amin’ ny tany noho ny tahotra anareo.
Akawaambia, “Ninajua kwamba Yahweh amewapa ninyi nchi na kwamba hofu juu yenu imetuingia. Watu wote wanaoishi katika nchi watayeyuka mbele yenu.
10 Fa efa renay ny nanamainan’ i Jehovah ny Ranomasina Mena teo anoloanareo tamin’ ny nivoahanareo avy tany Egypta, sy izay nataonareo tamin’ ny mpanjaka roa tamin’ ny Amorita, izay tany an-dafin’ i Jordana, dia Sihona sy Oga, izay novonoinareo.
Tumesikia jinsi ambavyo Yahweh alivyokausha maji ya Bahari ya Mianzi kwa ajili yenu wakati mkitoka Misri. Na tumesikia mlichokifanya kwa wafalme wawili wa Waamori walioko upande mwingine wa Yordani - Sihoni na Ogu - ambao mmewaangamiza kabisa.
11 Koa nony efa renay izany, dia ketraka ny fonay, ka very hevitra avokoa izahay noho ny aminareo; fa Jehovah Andriamanitrareo, Izy no Andriamanitra any amin’ ny lanitra ambony sy etỳ amin’ ny tany ambany.
Mara tu tuliposikia, mioyo yetu iliyeyuka na hapakuwa na ujasiri wowote uliosalia kwa mtu yeyote - kwa kuwa Yahweh Mungu wenu, ni Mungu aliye juu mbinguni na chini duniani.
12 Koa ankehitriny, masìna ianareo, mba ianiano amin’ i Jehovah aho fa araka ny namindrako fo taminareo no mba hamindranareo fo amin’ ny ankohonan’ ny raiko kosa, ka omeo famantarana mahatoky aho
Sasa basi, tafadhali mniapie kwa Yahweh kwamba kama nilivyokuwa mwema kweu, nanyi pia mtaitendea mema nyumba ya baba yangu. Nipeni ishara ya uhakika
13 fa hovelominareo ny raiko sy ny reniko sy ny anadahiko sy ny rahavaviko ary izay rehetra mety ho azy; dia hamonjy ny ainay tsy ho faty ianareo.
kwamba mtanihifadhi maisha ya baba, mama, kaka, dada zangu na famiie zao, na kwamba mtatuokoa kutoka katika kifo.
14 Dia hoy izy roa lahy taminy: Ny ainay no ho faty hisolo anareo, raha tsy holazainareo izao raharahanay izao; ary raha omen’ i Jehovah anay ny tany, dia hamindra fo sy hanao izay marina aminao izahay.
Wanaume wakamjibu, “maisha yetu kwa ajili ya yenu, hata kifo! Kama hamtasema habari zetu, na Yahweh akisha kutupa nchi hii, tutakuwa wenye huruma na waaminifu kwenu.”
15 Dia nampidina azy tamin’ ny mahazaka avy teo amin’ ny varavarankely izy; fa teo amin’ ny màndan’ ny tanàna ny tranony, ary teo amin’ ny manda no nitoerany.
hivyo aliwashusha chini kwa kupitia dirishani kwa kutumia kamba. Nyumba ambayo alikuwa anaishi ilijengwa katika ukuta wa mji.
16 Dia hoy izy taminy: Mandehana any an-tendrombohitra, fandrao hifanena aminareo ny mpanenjika, ka miere any hateloana mandra-piveriny; ary rehefa afaka izany, dia vao mandehana any amin’ izay halehanareo.
Akawaambia, “Nendeni milimani la sivyo watu waliowafuata watawaona. Jificheni huko kwa siku tatu mpaka watu waliowafuata watakaporudi. Kisha nendeni zenu.”
17 Ary hoy izy roa lahy taminy: Izao no tsy hanananay tsiny ny amin’ izany fianianana nampianianinao anay izany:
Wanaume wakamwambia, “Hatutakuwa tumefungwa na ahadi ulizotufanya tuape mbele zako, kama hautalifanya hili.
18 Indro, rehefa tonga eto amin’ ny tany izahay, dia hafehinao eo amin’ ny varavarankely izay nampidinanao anay io kofehy jaky io; ary ny rainao sy ny reninao sy ny anadahinao mbamin’ ny ankohonan’ ny rainao rehetra dia hovorinao ho ao an-tranonao;
Tutakapokuja katika nchi, ni lazima uifunge kamba hii nyekundu katika dirisha ulilotushushia chini, na utawakusanya katika nyumba baba yako, mama yako, kaka zako na wote wa nyumba ya baba yako.
19 ary izay rehetra mivoaka eo am-baravaran’ ny tranonao ho eny ivelany, dia ho eo an-dohany ihany ny ràny, ary izahay tsy hanan-tsiny; fa izay rehetra mitoetra ao aminao ao an-trano, dia ho eo an-dohanay kosa ny ràny, raha tàhiny misy olona maninona azy akory;
Na yeyote aendaye mtaani nje ya milango ya nyumba yako, damu yao itakuwa juu ya vichwa vyao na hatutakuwa na hatia yoyote. Lakini kama mkono utanyoshwa juu ya mtu yeyote aliye pamoja nawe katika nyumba, damu yake itakuwa juu ya vichwa vyetu.
20 fa raha tàhiny hambarambaranao izao raharahanay izao, dia ho afaka amin’ ny fianianana izay nampianianinao anay izahay.
Na ikiwa utaongea juu ya suala letu, tutakuwa huru dhidi ya kiapo ulichotuapisha.
21 Dia hoy ravehivavy: Eny ary, fa marina izany. Dia nampandehaniny izy roa lahy, ka lasa izy; ary nafehiny teo amin’ ny varavarankely ilay kofehy jaky.
Rahabu akawajibu, “Yote mliyosema nayatimie.” Akawatoa mbali na wakaondoka. Kisha akaifunga kamba nyekundu katika dirisha.
22 Dia nandeha izy roa lahy ka nankany an-tendrombohitra ary nitoetra tany hateloana mandra-piverin’ ny mpanenjika; ary nitady azy tamin’ ny lalana rehetra ny mpanenjika, nefa tsy nahita.
Wakaondoka na kwenda juu milimani na walikaa huko kwa siku tatu hadi pale wale waliowafuatilia waliporudi. Wale waliowafuata walitafuta njiani pote bila kuwaona.
23 Dia niverina izy roa lahy ka nidina avy tany an-tendrombohitra, dia nita ny ony ary nankany amin’ i Josoa, zanak’ i Nona, ka nilaza ny zavatra rehetra izay efa nihatra taminy,
Wale watu wawili walirudi na kuvuka mto na wakafika kwa Yoshua mwana wa Nuni, na walimwambia kila kitu kilichotokea kwao.
24 ka hoy izy tamin’ i Josoa: Efa natolotr’ i Jehovah eo an-tanantsika tokoa ny tany rehetra; ary efa ketraka ny mponina rehetra amin’ ny tany noho ny tahotra antsika.
Nao wakasema kwa Joshua, “kwa kweli Yahweh ametupa nchi hii. Wenyeji wote wa nchi wanayeyuka kwasababu yetu.

< Josoa 2 >