< Jaona 4 >

1 Koa amin’ izany, rehefa fantatry ny Tompo fa ny Fariseo efa nahare fa Jesosy mahazo mpianatra maro sy manao batisa be noho Jaona
Егда убо разуме Иисус, яко услышаша фарисее, яко Иисус множайшыя ученики творит и крещает, неже Иоанн:
2 (kanefa tsy Jesosy no nanao batisa, fa ny mpianany),
Иисус же Сам не крещаше, но ученицы Его:
3 dia niala tany Jodia Izy ka nankany Galilia indray.
остави Иудею и иде паки в Галилею.
4 Ary tsy maintsy mamaky an’ i Samaria Izy.
Подобаше же Ему проити сквозе Самарию.
5 Dia tonga tao an-tanàna anankiray any Samaria Izy, izay atao hoe Sykara, akaikin’ ny tany izay nomen’ i Jakoba ho an’ i Josefa zanany.
Прииде убо во град Самарийский, глаголемый Сихарь, близ веси, юже даде Иаков Иосифу сыну своему:
6 Ary teo ilay fantsakan’ i Jakoba. Ary satria sasatra Jesosy tamin’ ny nalehany dia nipetraka teo am-pantsakana Izy, rehefa tokony ho tamin’ ny ora fahenina.
бе же ту источник Иаковль. Иисус же утруждся от пути, седяше тако на источнице: бе (же) яко час шестый.
7 Ary nisy vehivavy Samaritana anankiray avy hantsaka rano dia hoy Jesosy taminy: Omeo Aho hosotroiko.
Прииде жена от Самарии почерпати воду. Глагола ей Иисус: даждь Ми пити.
8 (Fa ny mpianany efa lasa nankany an-tanàna hividy hanina)
Ученицы бо Его отшли бяху во град, да брашно купят.
9 Fa hoy ravehivavy Samaritana taminy: Nahoana Hianao no Jiosy ka mangataka amiko hosotroina, nefa aho vehivavy Samaritana? (Fa ny Jiosy tsy manan-draharaha amin’ ny Samaritana.)
Глагола Ему жена Самаряныня: како ты Жидовин сый от мене пити просиши, жены Самаряныни сущей? Не прикасаютбося Жидове Самаряном.
10 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Raha fantatrao ny fanomezan’ Andriamanitra sy Izay miteny aminao hoe: Omeo Aho hosotroiko, dia ianao no ho nangataka taminy, ka nomeny rano velona.
Отвеща Иисус и рече ей: аще бы ведала еси дар Божий, и Кто есть глаголяй ти: даждь Ми пити: ты бы просила у Него, и дал бы ти воду живу.
11 Hoy ravehivavy taminy: Tompoko, tsy manana fanovozana Hianao, sady lalina ny fantsakana; koa avy aiza no ahazoanao izany rano velona izany?
Глагола Ему жена: господи, ни почерпала имаши, и студенец есть глубок: откуду убо имаши воду живу?
12 Hianao va lehibe noho Jakoba razantsika izay nanome anay ity fantsakana ity, sady izy sy ny zanany mbamin’ ny bibiny no nisotro teto?
Еда ты болий еси отца нашего Иакова, иже даде нам студенец сей, и той из него пит и сынове его и скоти его?
13 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izay rehetra misotro ity rano ity dia mbola hangetaheta indray;
Отвеща Иисус и рече ей: всяк пияй от воды сея, вжаждется паки:
14 fa na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay; fa ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay. (aiōn g165, aiōnios g166)
а иже пиет от воды, юже Аз дам ему, не вжаждется во веки: но вода, юже (Аз) дам ему, будет в нем источник воды текущия в живот вечный. (aiōn g165, aiōnios g166)
15 Hoy ravehivavy taminy: Tompoko, omeo izany rano izany aho, mba tsy hangetaheta na hanketo hantsaka intsony.
Глагола к Нему жена: господи, даждь ми сию воду, да ни жажду, ни прихожду семо почерпати.
16 Hoy Jesosy taminy: Andeha ary, antsoy ivadinao, ka mankanesa atỳ.
Глагола ей Иисус: иди, пригласи мужа твоего и прииди семо.
17 Ravehivavy namaly ka nanao taminy hoe: Tsy manam-bady aho. Hoy Jesosy taminy: Marina ihany izay nolazainao hoe: Tsy manam-bady aho;
Отвеща жена и рече (Ему): не имам мужа. Глагола ей Иисус: добре рекла еси, яко мужа не имам:
18 fa efa nanam-bady indimy ianao, sady tsy vadinao ilay itoeranao ankehitriny; marina izany voalazanao izany.
пять бо мужей имела еси, и ныне, егоже имаши, несть ти муж: се воистинну рекла еси.
19 Hoy ravehivavy taminy: Tompoko, hitako fa mpaminany Hianao.
Глагола Ему жена: Господи, вижу, яко пророк еси Ты:
20 Ny razantsika nivavaka teto amin’ ity tendrombohitra ity; fa ianareo kosa milaza fa any Jerosalema no tokony hivavahana.
отцы наши в горе сей поклонишася: и вы глаголете, яко во Иерусалимех есть место, идеже кланятися подобает.
21 Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, minoa Ahy, fa avy ny andro ka tsy amin’ ity tendrombohitra ity, na any Jerosalema aza, no hivavahanareo amin’ ny Ray.
Глагола ей Иисус: жено, веру Ми ими, яко грядет час, егда ни в горе сей, ни во Иерусалимех поклонитеся Отцу:
22 Hianareo mivavaka amin’ izay tsy fantatrareo; izahay kosa mivavaka amin’ izay fantatray, satria avy amin’ ny Jiosy ny famonjena.
вы кланяетеся, егоже не весте: мы кланяемся, егоже вемы, яко спасение от Иудей есть:
23 Fa avy ny andro, sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin’ ny Ray amin’ ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany.
но грядет час, и ныне есть, егда истиннии поклонницы поклонятся Отцу духом и истиною: ибо Отец таковых ищет покланяющихся Ему:
24 Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ ny fanahy sy ny fahamarinana.
дух (есть) Бог: и иже кланяется Ему, духом и истиною достоит кланятися.
25 Hoy ravehivavy taminy: Fantatro fa avy ny Mesia (Ilay atao hoe Kristy); ka rehefa tonga Izy, dia hambarany amintsika ny zavatra rehetra.
Глагола Ему жена: вем, яко Мессиа приидет, глаголемыи Христос: егда Той приидет, возвестит нам вся.
26 Hoy Jesosy taminy: Izaho Izay miresaka aminao no Izy.
Глагола ей Иисус: Аз есмь, глаголяй с тобою.
27 Ary tamin’ izay dia tonga ny mpianany ka gaga, satria vehivavy no niresahany; nefa tsy nisy nanao hoe: Inona no tadiavinao? na: Nahoana no miresaka aminy Hianao?
И тогда приидоша ученицы Его и чудяхуся, яко с женою глаголаше: обаче никтоже рече: чесо ищеши? Или: что глаголеши с нею?
28 Dia nandao ny sininy ravehivavy ary nankany an-tanàna ka nanao tamin’ ny olona hoe:
Остави же водонос свой жена, и иде во град, и глагола человеком:
29 Andeha hizaha izaroa Lehilahy izaroana, Izay nilaza tamiko ny nataoko rehetra; Izao angaha no Kristy?
приидите (и) видите Человека, Иже рече ми вся, елика сотворих: еда Той есть Христос?
30 Dia nivoaka avy tao an-tanàna ny olona ka nankeo amin’ i Jesosy.
Изыдоша же из града и грядяху к Нему.
31 Ary raha tsy mbola tonga izy ireny, ny mpianany dia nangataka taminy ka nanao hoe: Hano, Raby ô.
Между же сим моляху Его ученицы (Его), глаголюще: Равви, яждь.
32 Fa hoy Jesosy taminy: Izaho manan-kanin-kohanina izay tsy fantatrareo.
Он же рече им: Аз брашно имам ясти, егоже вы не весте.
33 Dia niresaka ny mpianatra ka nanao hoe: Nisy olona nitondra zavatra hohaniny va re?
Глаголаху убо ученицы к себе: еда кто принесе Ему ясти?
34 Hoy Jesosy taminy: Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’ izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany.
Глагола им Иисус: Мое брашно есть, да сотворю волю Пославшаго Мя и совершу дело Его.
35 Moa ianareo tsy manao hoe va: Efa-bolana no sisa, dia tonga ny fararano? Indro, lazaiko aminareo: Atopazy ny masonareo, ka jereo ny eny an-tsaha, fa efa masaka sahady hojinjana izy.
Не вы ли глаголете, яко еще четыри месяцы суть, и жатва приидет? Се, глаголю вам: возведите очи ваши и видите нивы, яко плавы суть к жатве уже:
36 Ary izay mijinja dia mandray karama ka mamory vokatra ho amin’ ny fiainana mandrakizay, mba hiara-mifaly ny mpamafy sy ny mpijinja. (aiōnios g166)
и жняй мзду приемлет и собирает плод в живот вечный, да и сеяй вкупе радуется и жняй: (aiōnios g166)
37 Ary amin’ izany dia marina ilay teny hoe: Ny iray mamafy, ary ny iray kosa mijinja,
о сем бо слово есть истинное, яко ин есть сеяй, и ин (есть) жняй:
38 Izaho naniraka anareo hijinja izay tsy nisasaranareo; olon-kafa no nisasatra, fa ianareo kosa no niditra teo amin’ izay nisasarany.
аз послах вы жати, идеже вы не трудистеся: инии трудишася, и вы в труд их внидосте.
39 Ary maro ny Samaritana avy tao amin’ izany tanàna izany no nino an’ i Jesosy noho ny filazan-dravehivavy, izay nanambara hoe: Nolazainy tamiko avokoa izay rehetra nataoko.
От града же того мнози вероваша в Онь от Самарян, за слово жены свидетелствующия, яко рече ми вся, елика сотворих.
40 Ary rehefa nanatona Azy ny Samaritana, dia nangataka Azy hitoetra tao aminy; ka dia nitoetra tao indroa andro Izy.
Егда убо приидоша к Нему Самаряне, моляху Его, дабы пребыл у них: и пребысть ту два дни.
41 Ary maro koa no nino noho ny teniny
И много паче вероваша за слово Его:
42 ka nanao tamin-dravehivavy hoe: Tsy noho ny filazanao ihany no inoanay, fa ny tenanay no mandre, ka fantatray fa Izy tokoa no Mpamonjy izao tontolo izao.
жене же глаголаху, яко не ктому за твою беседу веруем: сами бо слышахом и вемы, яко Сей есть воистинну Спас миру, Христос.
43 Ary rehefa afaka ny indroa andro, dia niala tao Jesosy ka nankany Galilia.
По двою же дню изыде оттуду и иде в Галилею:
44 Fa ny tenan’ i Jesosy no efa nanambara fa tsy misy mpaminany manan-daza eo amin’ ny taniny.
Сам бо Иисус свидетелствова, яко пророк во своем отечествии чести не имать.
45 Koa rehefa tonga tany Galilia Izy, dia nandray Azy ny Galiliana, satria efa hitany izay rehetra nataony tany Jerosalema tamin’ ny andro firavoravoana; fa izy ireo koa mba niakatra tamin’ ny andro firavoravoana.
Егда же прииде в Галилею, прияша Его Галилеане, вся видевше, яже сотвори во Иерусалимех в праздник: и тии бо приидоша в праздник.
46 Ary tonga tany Kana any Galilia indray Jesosy, dia tany amin’ ilay nampodiany ny rano ho divay. Ary nisy tandapa anankiray izay nanana zanakalahy narary tany Kapernaomy.
Прииде же паки Иисус в Кану Галилейскую, идеже претвори воду в вино. И бе некий царев муж, егоже сын боляше в Капернауме.
47 Ary rehefa reny fa Jesosy efa tonga tany Galilia avy tany Jodia, dia nankany aminy izy ka nangataka Azy mba hidina sy hahasitrana ny zanany, satria efa ho faty izy.
Сей слышав, яко Иисус прииде от Иудеи в Галилею, иде к Нему и моляше Его, да снидет и исцелит сына Его: имеяше бо умрети.
48 Dia hoy Jesosy taminy: Raha tsy mahita famantarana sy fahagagana ianareo, dia tsy mba hety hino mihitsy.
Рече убо Иисус к нему: аще знамении и чудес не видите, не имате веровати.
49 Hoy ilay tandapa taminy: Tompoko, midìna re, dieny tsy mbola maty ny zanako.
Глагола к Нему царев муж: Господи, сниди, прежде даже не умрет отроча мое.
50 Hoy Jesosy taminy: Andeha mody; velona ny zanakao. Ary ralehilahy nino ny teny izay nolazain’ i Jesosy taminy, ka dia lasa nody.
Глагола ему Иисус: иди, сын твой жив есть. И верова человек словеси, еже рече ему Иисус, и идяше.
51 Ary nony nidina izy, dia nitsena azy ny mpanompony ka nilaza fa velona ny zanany.
Абие же входящу ему, (се, ) раби его сретоша его и возвестиша (ему), глаголюще, яко сын твой жив есть.
52 Ary izy nanontany azy ny ora izay nanaretany. Dia hoy ireo taminy: Omaly tamin’ ny ora fahafito no nialan’ ny tazo taminy.
Вопрошаше убо от них о часе, в который легчае ему бысть, и реша ему, яко вчера в час седмый остави его огнь.
53 Koa fantatry ny rainy fa tamin’ izay indrindra no ora nanaovan’ i Jesosy taminy hoe: Velona ny zanakao. Dia nino izy mbamin’ ny ankohonany rehetra.
Разуме же отец, яко той бе час, в оньже рече ему Иисус, яко сын твой жив есть: и верова сам и весь дом его.
54 Izany no famantarana faharoa nataon’ i Jesosy, fony Izy tonga tany Galilia avy tany Jodia.
Сие паки второе знамение сотвори Иисус, пришед от Иудеи в Галилею.

< Jaona 4 >