< Joba 8 >
1 Dia namaly Bildada Sohita ka nanao hoe:
Kisha Bildadi Mshuhi akajibu:
2 Mandra-pahoviana no hiteny toy izany ianao, ka ho rivotra mahery ny teny aloaky ny vavanao?
“Hata lini wewe utasema mambo kama haya? Maneno yako ni kama upepo mkuu.
3 Andriamanitra va hamadika ny fitsarana, na ny Tsitoha hamadika ny rariny?
Je, Mungu hupotosha hukumu? Je, Mwenyezi hupotosha kile kilicho haki?
4 Raha nanota taminy ny zanakao, dia efa nampanodiaviny azy ny fahadisoany.
Watoto wako walipomtenda dhambi, aliwapa adhabu ya dhambi yao.
5 Fa raha ianao kosa mandroso mitady an’ Andriamanitra ka mifona amin’ ny Tsitoha.
Lakini ukimtafuta Mungu, nawe ukamsihi Mwenyezi,
6 Ary raha madio sy mahitsy ianao, dia hifoha hamonjy anao tokoa Izy ary hampiadana indray ny fonenan’ ny fahamarinanao,
ikiwa wewe ni safi na mnyofu, hata sasa atainuka mwenyewe kwa niaba yako, na kukurudisha katika mahali pako pa haki.
7 Ka na dia kely aza no niandohanao, dia ho lehibe indrindra no hiafaranao.
Ijapokuwa mwanzo wako ulikuwa mdogo, lakini mwisho wako utakuwa wa mafanikio.
8 Fa masìna ianao, anontanio ange ny ntaolo, ka fantaro ny hevitra hitan’ ny razany
“Ukaulize vizazi vilivyotangulia na uone baba zao walijifunza nini,
9 (Fa vao omaly isika ka tsy mba mahalala, fa aloka ihany ny androntsika etỳ ambonin’ ny tany);
kwa kuwa sisi tumezaliwa jana tu na hatujui lolote, nazo siku zetu duniani ni kama kivuli tu.
10 Tsy ireny va no hampianatra anao ka hilaza aminao ary hamoaka teny avy ao am-pony?
Je, hawatakufundisha na kukueleza? Je, hawataleta maneno kutoka kwenye kufahamu kwao?
11 Haniry va ny zozoro, raha tsy eny amin’ ny fotaka? Hitrebona va ny harefo, raha tsy misy rano?
Je, mafunjo yaweza kumea mahali pasipo na matope? Matete yaweza kustawi bila maji?
12 Mbola maitso izy sady tsy voajinja, kanefa malazo alohan’ ny zava-maitso rehetra.
Wakati bado yanaendelea kukua kabla ya kukatwa, hunyauka haraka kuliko majani mengine.
13 Toy izany no lalan’ izay rehetra manadino an’ Andriamanitra; Ary ho very ny fanantenan’ ny mpihatsaravelatsihy,
Huu ndio mwisho wa watu wote wanaomsahau Mungu; vivyo hivyo matumaini ya wasiomjali Mungu huangamia.
14 Fa ho maito ny fanantenany, eny, ho tranon-kala ny tokiny.
Lile analolitumainia huvunjika upesi; lile analolitegemea ni utando wa buibui.
15 Miankina amin’ ny tranony izy, kanjo tsy maharitra iny; Mihazona azy mafy izy, kanjo tsy mahazaka azy iny.
Huutegemea utando wake, lakini hausimami; huungʼangʼania, lakini haudumu.
16 Mitsimoka tsara tandrifin’ ny masoandro izy, ary ny rantsany misandrahaka eo amin’ ny tanimboliny;
Yeye ni kama mti ulionyeshewa vizuri wakati wa jua, ukieneza machipukizi yake bustanini;
17 Mifelipelika mifaniditra eo amin’ ny korontam-bato ny fakany ary mahazo any anelanelany;
huifunganisha mizizi yake kwenye lundo la mawe, na kutafuta nafasi katikati ya mawe.
18 Kanjo nony fongorany hiala amin’ ny fitoerany izy, dia handà azy izany ka hanao hoe: Tsy mbola nahita anao akory aho.
Unapongʼolewa kutoka mahali pake, ndipo mahali pale huukana na kusema, ‘Mimi kamwe sikukuona.’
19 Indro, izany ihany no fifalian’ ny lalan-kalehany; ary hisy hafa indray mitrebona avy amin’ ny vovoka.
Hakika uhai wake hunyauka, na kutoka udongoni mimea mingine huota.
20 Indro, Andriamanitra tsy hanary ny olona tsy manan-tsiny ary tsy hitantana ny mpanao ratsy;
“Hakika Mungu hamkatai mtu asiye na hatia, wala kuitia nguvu mikono ya mtenda mabaya.
21 Mbola hofenoiny hehy ny vavanao sy hoby ny molotrao.
Bado atakijaza kinywa chako na kicheko, na midomo yako na kelele za shangwe.
22 Izay mankahala anao hitafy henatra; Ary tsy hisy intsony ny lain’ ny ratsy fanahy.
Adui zako watavikwa aibu, nazo hema za waovu hazitakuwepo tena.”