< Joba 41 >

1 Mahasarika ny mamba amin’ ny farango va ianao, na mahafatotra ny lelany amin’ ny mahazaka?
“Ko za ka iya kama dodon ruwa da ƙugiyar kamar kifi ko kuma ka daure harshenta da igiya?
2 Mahisy tady zozoro amin’ ny orony va ianao, na mahaboroaka ny valanoranony amin’ ny fintana?
Za ka iya sa igiya a cikin hancinta ko kuma ka huda muƙamuƙanta da ƙugiya?
3 Hifon-jato amin’ arivo aminao va izy, na hanao teny malefaka aminao?
Za tă ci gaba da roƙonka ka yi mata jinƙai? Ko za tă yi maka magana a hankali?
4 Hanao fanekena aminao va izy? Azonao alaina ho andevonao mandrakizay va izy?
Za tă yi yarjejjeniya da kai don ka ɗauke ta tă zama baiwa gare ka dukan kwanakin ranta?
5 Hilalao azy tahaka ny filalao voron-kely va ianao? Ary hamatotra azy ho an’ ny zazavavy ao aminao va ianao?
Za ka yi wasa da ita kamar yadda za ka yi da tsuntsu? Ko za ka daure ta da tsirkiya domin bayinka mata?
6 Hataon’ ny mpaka hazandrano varotra va izy, ka hotsinjarainy amin’ ny mpandranto?
’Yan kasuwa za su saye ta ko za su raba ta a tsakaninsu?
7 Mahafeno lefom-pohy ny hodiny va ianao, na firombaka amin’ ny lohany?
Ko za ka iya huda fatarta da kibiya ka kuma huda kansa da māsu?
8 Atehefo aminy ange ny tananao; Raha tsaroanao ny ady, dia tsy hanindroa intsony ianao.
In ka ɗora hannunka sau ɗaya a kanta za ka tuna da yaƙin da ba za ka sāke yi ba!
9 Indro, foana ny fihendrena azy; Tsy mahakivy va na dia ny fijery azy aza?
Duk ƙoƙarin kama ta banza ne; ganin ta kawai abin tsoro ne.
10 Tsy misy sahy manao vi-very hanaitra azy; Koa iza kosa no mahajanona eo anatrehako?
Ba wanda ya isa yă tsokane ta. Wane ne kuma ya isa yă yi tsayayya da ni?
11 Iza no nanome Ahy aloha mba hamaliako azy? Ny eny ambanin’ ny lanitra rehetra dia Ahy avokoa.
Wane ne yake bi na bashi da dole in biya? Duk abin da yake ƙarƙashin sama nawa ne.
12 Tsy mbola hangina Aho ny amin’ ny momba ny tenany sy ny heriny ary ny fahatsaran’ ny endriny.
“Ba zan daina magana game da gaɓoɓinta ba ƙarfinta da kuma kyan kamanninta ba.
13 Iza no mahasonga ny fitafiany anoloany? Na iza no sahy hiditra ao amin’ ny nifiny roa sosona?
Wa zai iya tuɓe mata mayafinta? Wa zai iya shiga tsakanin ɓawonta.
14 Iza no mahasokatra ny varavaran’ ny tavany? Mahatsiravina ny nifiny manodidina!
Wa zai iya buɗe ƙofofin bakinta? Haƙoranta ma abin tsoro ne?
15 Reharehany ny faharaoraon’ ny kirany, mihidy avokoa toy ny voapetaka mafy amin’ ny tombo-kase ireo;
An rufe bayanta da jerin garkuwoyi aka manne su sosai.
16 Mikirindro ireo, ka tsy azon’ ny rivotra idirana eo anelanelany.
Suna kurkusa da juna yadda da ƙyar iska take iya wucewa tsakani.
17 Mifanindry lany ireo sady mifaniditra ka tsy azo sarahina,
An haɗa su da juna sun mannu da juna kuma ba za a iya raba su ba.
18 Ny fieviny dia mampamirapiratra fahazavana, ary ny masony dia tahaka ny hodimason’ ny maraina.
Numfashinta yana fitar da wuta; idanunta kamar hasken zuwan safe.
19 Lelafo no mivoaka avy amin’ ny vavany; Kilalaon’ afo no mipariaka avy aminy.
Wuta tana fitowa daga bakinta; tartsatsin wuta suna fitowa,
20 Ny vavorony dia ivoahan’ ny setroka, tahaka ny avy amin’ ny vilany mangotraka, na amin’ ny fahandroana.
Hayaƙi yana fitowa daga hancinta kamar daga tukunya mai tafasa a kan wutar itace.
21 Ny fofonainy mampirehitra arina, ary misy lelafo mivoaka avy amin’ ny vavany.
Numfashinta yana sa garwashi yă kama wuta, harshen wuta yana fita daga bakinta.
22 Ny vozony no itoeran’ ny hery; Ary mibitaka eo alohany ny fampahatahorana.
Akwai ƙarfi a cikin wuyanta; razana tana wucewa a gabanta.
23 Mivalombalona ny hotraka amin’ ny tenany; Mafy ireny ka tsy azo endahana.
Namanta yana da kauri a manne da juna; naman yana da tauri ba ya matsawa.
24 Mafy tahaka ny vato ny fony; Eny, mafy tahaka ny vato fikosoham-bary.
Ƙirjinta yana da ƙarfi kamar dutse, da ƙarfi kamar dutsen niƙa.
25 Raha mitsangana izy, dia raiki-tahotra ny mahery; Eny, toran-kovitra ireo ka tsy mahavoa.
Sa’ad da ta tashi, manya suna tsorata; suna ja da baya.
26 Raha misy mamely azy amin’ ny sabatra dia tsy mahalaitra, na amin’ ny lefom-pohy, na ny firombaka, na ny zana-tsipìka.
Takobi ba ta iya yankanta, kibiya ko māshi ba sa iya huda ta.
27 Ataony toy ny mololo ny vy, ary toy ny hazo momoka ny varahina.
Ƙarfe kamar kara ne a wurinta tagulla kuma kamar ruɓaɓɓen katako ne a wurinta.
28 Tsy mampandositra azy ny zana-tsipìka; Ataony ho toy ny vodivary ny vaton’ antsamotady.
Māsu ba su sa ta tă gudu; jifar majajjawa kamar na ciyawa ne gare ta.
29 Ataony ho toy ny vodivary koa ny langilangy; Ihomehezany ny fanetsehana ny lefona.
Kulki a gare ta kamar ciyawa ne, tana dariyar wucewar māshi.
30 Ny takibany dia tahaka ny tavim-bilany maranitra; Mamelatra fivelezam-bary maranitra eo amin’ ny fotaka izy.
Cikinta yana rufe a ɓawo masu ƙarfi, tana kabtar ƙasa in tana tafiya.
31 Mampandevy ny lalina ho tahaka ny ao am-bilany izy; Manao ny ranomasina ho tahaka ny vilany misy menaka manitra izy.
Tana sa zurfin kogi yă tafasa kamar tukunya, ta kuma sa teku yă zama kamar tukunyar man shafawa.
32 Mampahazava ny lalany eo aoriany izy. Ataon’ ny olona ho toy ny volo fotsy ny lalina.
A bayanta ya bar haske kamar zurfin ruwan da yana kumfa.
33 Tsy misy tahaka azy eny ambonin’ ny tany, izay voaforona tsy hahalala tahotra.
Ba wani abu kamar ta a duniya, halitta marar tsoro.
34 Ny avo rehetra jereny avokoa; Mpanjakan’ ny bibi-dia rehetra izy
Tana rena duk masu girman kai. Ita take mulki kan duk masu girman kai.”

< Joba 41 >