< Joba 37 >

1 Eny, izany no mampitepotepo ny foko ka mampiemponempona azy hiala amin’ ny fitoerany.
“Kwa hili moyo wangu unatetemeka, nao unaruka kutoka mahali pake.
2 Mihainoa dia mihainoa ny fikotrokotroky ny feony sy ny rohona izay mivoaka avy amin’ ny vavany.
Sikiliza! Sikiliza ngurumo ya sauti yake, sauti ya ngurumo itokayo kinywani mwake.
3 Mandefa izany ho eny ambanin’ ny lanitra rehetra Izy, ary ny helatra hatramin’ ny faran’ ny tany.
Huuachilia umeme wake wa radi chini ya mbingu yote na kuupeleka hata miisho ya dunia.
4 Manarakaraka izany, dia misy feo mirohondrohona; Mampikotrokotroka ny feon’ ny fahalehibiazany Izy, ka rehefa re ny feony, dia tsy sakanany ny helatra.
Baada ya hayo huja sauti ya ngurumo yake; Mungu hunguruma kwa sauti yake ya fahari. Wakati sauti yake ingurumapo tena, huuachilia umeme wake wa radi.
5 Mahagaga ny fikotrokotrok’ Andriamanitra amin’ ny feony; Manao zava-dehibe tsy takatry ny saintsika Izy.
Sauti ya Mungu hunguruma kwa namna za ajabu; yeye hutenda mambo makuu kupita ufahamu wetu.
6 Fa ny oram-panala baikoiny hoe: Milatsaha eny ambonin’ ny tany ianao; Ary toy izany koa ny ranonorana mivatravatra, eny, dia ny ranonorany mivatravatra mafy.
Huiambia theluji, ‘Anguka juu ya dunia,’ nayo manyunyu ya mvua, ‘Uwe mvua ya nguvu.’
7 Mampiohona ny tanan’ ny olona rehetra Izy, mba samy hahalala izany ny olona rehetra izay nataony;
Ili wanadamu wote aliowaumba wapate kujua kazi zake, yeye humzuilia kila mtu shughuli zake.
8 Ary miditra ao am-piereny koa ny bibidia ka mamitsaka ao an-davany.
Wanyama hujificha; hubakia kwenye mapango yao.
9 Avy any atsimo ny tadio, ary entin’ ny rivotra avy any avaratra ny hatsiaka.
Dhoruba hutoka katika chumba chake, baridi hutoka katika upepo uendao kasi.
10 Ny fofonain’ Andriamanitra mahamisy ranomandry, ka voageja ny rano malalaka.
Pumzi ya Mungu hutoa barafu, eneo kubwa la maji huganda.
11 Ny rahona matevina tambesarany rano, ary ny rahon’ ny helatra dia ampieleziny;
Huyasheheneza mawingu kwa maji, naye husambaza umeme wake wa radi kupitia hayo.
12 Dia mihodinkodina araka ny fitarihany azy ireo hanatanteraka izay rehetra andidiany azy eny ambonin’ ny tany eran’ izao tontolo izao,
Nayo mawingu huzungukazunguka pande zote kwa amri yake, juu ya uso wa dunia yote, kufanya lolote ayaamuruyo.
13 Na alatsany ho famaizana raha tokony ho an’ ny taniny izany na ho famindram-po kosa.
Huleta mawingu ili kuadhibu wanadamu, au kuinyeshea dunia yake na kuonyesha upendo wake.
14 Mihainoa izany, ry Joba; Mijanona, ka mba diniho ny fahagagana ataon’ Andriamanitra.
“Ayubu, sikiliza hili; nyamaza na uyafikiri maajabu ya Mungu.
15 Fantatrao va ny fanamboaran’ Andriamanitra ireny sy ny fampitselatselany ny helatry ny rahony?
Je, unajua jinsi Mungu anavyoyaongoza mawingu, na kufanya umeme wake wa radi utoe mwanga?
16 Fantatrao va ny fihevahevan’ ny rahona matevina, dia ny fahagagana avon’ Ilay tanteraka amin’ ny fahalalana?
Je, wajua jinsi mawingu yanavyokaa yakiwa yametulia, hayo maajabu yake yeye aliye mkamilifu katika maarifa?
17 Hianao izay mahatsiaro ny fitafianao ho mafana, raha migaingaina ny andro azon’ ny rivotra avy any atsimo,
Wewe unayeshindwa na joto katika nguo zako wakati nchi imenyamazishwa kimya bila upepo wa kusini,
18 Moa ianao niara-nanao taminy va, raha namelatra ny habakabaka Izy, izay mitoetra mafy toy ny zavatra manganohano natao an-idina?
je, waweza kuungana naye katika kuzitandaza anga, zilizo ngumu kama kioo cha shaba ya kuyeyushwa?
19 Mba ampianaro anay ary izay holazainay aminy; Fa tsy hitanay izay halahatray noho ny aizina,
“Tuambieni yatupasayo kumwambia; hatuwezi kutayarisha shauri letu kwa sababu ya ujinga wetu.
20 Holazaina aminy va, raha miteny aho? Moa misy olona maniry ho levona tokoa va?
Je, aambiwe kwamba nataka kuongea? Je, yuko mtu ambaye angeomba kumezwa?
21 Tsy hita ankehitriny ny mazava, Izay mamirapiratra any amin’ ny rahona: Nefa raha mandalo ny rivotra, dia mampisava azy ihany izany.
Basi hakuna awezaye kulitazama jua, jinsi linavyongʼaa angani, upepo ukishafagia mawingu.
22 Avy any avaratra no ihavian’ ny mazava mitarehim-bolamena; Ao amin’ Andriamanitra ny voninahitra mahatahotra.
Kutoka kaskazini yeye huja na fahari kuu; Mungu huja katika utukufu wa kutisha.
23 Ny Tsitoha, tsy mahita Azy isika; Izay lehibe amin’ ny hery sy ny fitsarana mbamin’ ny fahamarinana tanteraka dia tsy mba mampahory.
Yeye Mwenyezi hatuwezi kumfikia, naye ametukuzwa katika uweza; katika hukumu zake na haki yake kuu, hataonea.
24 Koa izany no atahoran’ ny olona Azy; Tsy mety mijery izay manao azy ho hendry Izy.
Kwa hiyo, wanadamu mheshimuni, kwa kuwa yeye hamstahi yeyote anayejidhania kuwa ana hekima.”

< Joba 37 >