< Jeremia 35 >
1 Izao no teny tonga tamin’ i Jeremia avy tamin’ i Jehovah tamin’ ny andron’ i Joiakima, zanak’ i Josia, mpanjakan’ ny Joda, nanao hoe:
Neno kutoka kwa Yahwe likamjia Yeremia katika siku za Yehoyakimu mwana wa Yosia mfalme wa Yuda, kusema,
2 Mankanesa any amin’ ny taranak’ i Rekaba, ary mitenena aminy, dia ampidiro ao an-tranon’ i Jehovah, ao amin’ ny efi-trano anankiray, izy, ka omeo divay hosotroiny.
“Nenda kwenye familia ya Warekabi na zungumza nao. Kisha uwalete kwenye nyumba yangu, mle ndani ya moyawapo ya vyumba, na uwape divai wanywe.”
3 Dia nalaiko Jazania, zanak’ i Jeremia, zanak’ i Habazinia, sy ny rahalahiny sy ny zanany rehetra mbamin’ ny taranak’ i Rekaba rehetra,
Hivyo nilimchukua Yaazania mwana wa Yeremia mwana wa Habasinia na ndugu zake, wanawe wote, na familia yote ya Warekabi.
4 ka nampidiriko ho ao amin’ ny tranon’ i Jehovah izy, dia tao amin’ ny efi-tranon’ ny taranak’ i Hanana zanak’ i Jigdalia, lehilahin’ Andriamanitra, izay ao anilan’ ny efi-tranon’ ny mpanapaka, ao ambonin’ ny efi-tranon’ i Mahaseia, zanak’ i Saloma, mpiandry varavarana.
Nikawapeleka wote kwenye nyumba ya Yahwe, katika vyumba vya wana wa Hanani mwana wa Igdalia, mtu wa Mungu. Vyumba hivi vilikuwa karibu na chumba cha viongozi, ambacho kilikuwa juu ya chumba cha Maaseya mwana wa Shalumu, mtunza lango.
5 Ary norosoako kapoaka sy siny feno divay teo anoloan’ ny taranak’ i Rekaba ka nolazaiko taminy hoe: Misotroa divay ianareo.
Kisha nikaleta mabakuli na vikombe vilivyojaa divai mbele ya Warekabi na kusema kwao, 'Kunyeni divai.”
6 Fa hoy kosa ireo: Tsy hisotro divay izahay; fa Jonadaba, zanak’ i Rekaba, razanay efa nafatra anay hoe: Aza mba misotro divay ianareo na ny taranakareo mandrakizay;
Lakini walisema, “hatutakunywa divai yoyote, kwa maana babu yetu, Yonadabu mwana wa Rekabu, alituamuru, Msinywe divai yoyote, ninyi wala uzao wenu, milele.
7 ary aza manao trano ianareo, na mamafy voan-javatra, na manao tanim-boaloboka, na mety hanana izany akory, fa lay no itoeronareo amin’ ny andronareo rehetra, mba ho ela velona ianareo amin’ ny tany izay ivahinianareo.
Pia, msijenge nyumba yoyote, kupanda mbegu zozote, wala kupanda shamba lolote la mizabibu; hivi siyo kwa ajili yenu. Kwa maana lazima muishi katika hema maisha yenu yote, ili kwamba muweze kuishsi siku nyingi katika nchi mnayoishi kama wageni.'
8 Dia nankatoavinay izany tenin’ i Jonadaba, zanak’ i Rekaba, razanay izany tamin’ izay rehetra nanafarany anay, mba tsy hisotro divay amin’ ny andronay rehetra, na izahay na ny vadinay, na ny zanakai-lahy, na ny zanakai-vavy;
Tumeitii sauti ya Yonadabu mwana wa Rekabu, babu yetu, katika yote aliyotuamuru, kutokunywa divai maisha yetu yote, sisi, wake zetu, wana wetu, na binti zetu.
9 ary tsy hanao trano hitoeranay, na hanana tanimboly, na saha, na voan-javatra izahay;
Hatutajenga nyumba kwa ajili ya kuishi ndani, na hatutakuwa na shamba la mizabu, konde, wala mbegu ya kumiliki sisi.
10 fa efa nitoetra an-day izahay araka izay rehetra nanafaran’ i Jonadaba razanay anay.
Tumeishi katika hema na tumetii na kufanya yote aliyotuamuru Yonadabu babu yetu.
11 Fa raha nananika ny tany Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona. Dia hoy izahay: Andeha isika hankany Jerosalema handositra ny miaramilan’ ny Kaldeana sy ny miaramilan’ ny Syriana, ka dia izany no itoerany eto Jerosalema.
Lakini Nebukadreza mfalme wa Babeli alipoivamia nchi, tulisema, 'Njoo, lazima twende Yerusalemu ili tupone na mkono wa Wakaldayo na majeshi ya Waaramu. 'Kwa hiyo tunaishi Yerusalemu.”
12 Dia tonga tamin’ i Jeremia ny tenin’ i Jehovah hoe:
Kisha neno la Yahwe likaja kwa Yeremia, likisema,
13 Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Andeha, lazao amin’ ny Joda sy amin’ ny mponina any Jerosalema hoe: Tsy hino anatra hitandrina ny teniko va ianareo? hoy Jehovah.
“Yahwe wa majeshi, Mungu wa Israeli, anasema hivi, 'Nenda na useme kwa wanaume wa Yuda na wakaaji wa Yeruslemu, 'Hamtapokea maelekezo na kulisikiliza neno langu? —hili ni tangazo la Yahwe.
14 To ny tenin’ i Jonadaba, zanak’ i Rekaba, izay nanafarany ny zanany tsy hisotro divay, fa tsy misotro tokoa izy mandraka androany, fa mahatana ny hafa-drazany, ary Izaho efa niteny taminareo, eny, nifoha maraina koa Aho ka niteny, nefa tsy nihaino ianareo.
Maneno ya Yonadabu mwana wa Rekabu aliyowapa wanawe kama amri. wasinywe divai yoyote, yameheshimiwa hadi leo. Wameitii amri ya babu yao. Lakini mimi, nimekuwa nikifanya matangazo kwenu bila kukoma, lakini hamnisikilizi.
15 Nirahiko taminareo koa ny mpaminany mpanompoko rehetra, eny, nifoha maraina koa Aho ka naniraka azy hanao hoe: Samia miala amin’ ny lalanareo ratsy ianareo ankehitriny, ary ataovy tsara ny ataonareo, ary aza manaraka andriamani-kafa hanompo azy, dia honina amin’ ny tany izay nomeko anareo sy ny razanareo ianareo nefa tsy nanongilana ny sofinareo na nihaino Ahy ianareo.
Niliwatuma kwenu watumishi wangu wote, manabii, nilikuwa nawatuma bila kukom ili waseme, 'Kila mtu auache uovu wake na kutenda matendo mema; asiwepo mtu wa kuifuata miungu mingine tena na kuiabudu. Bdala yake, rudini kwenye nchi niliyowapa ninyi na babu zenu,' bado hamtanisikiliza wala kutega maskio yenu kwangu.
16 Eny, nankatoavin’ ny zanak’ i Jonadaba, zanak’ i Rekaba, ny hafa-drazany, izay nanafarany azy; fa ity firenena ity kosa tsy mba nihaino Ahy.
Kwa maana uzao wa Yonadabu mwana wa Rekabu wamezishika amri za babu yao alizowapa, lakini watu hawa hupuuza kunisikiliza.”
17 Koa izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny maro, Andriamanitry ny Isiraely Indro, hataoko mihatra amin’ ny Joda sy ny mponina rehetra any Jerosalema ny loza rehetra izay nolazaiko hatao aminy, satria efa niteny taminy Aho, fa tsy nihaino izy, ary niantso azy Aho, fa tsy namaly izy.
Kwa hiyo Yahwe, Mungu wa majeshi na Mungu wa Israeli, asema hivi, 'Angalia, Ninaleta juu ya Yuda na juu ya kila mtu anayeishi Yerusalemu, majanga yote niyotamka dhidi yao kwa sababu niliwaambia, lakini hawakusikiliza; niliwaita, lakini hawakuitika.”
18 Ary ny taranak’ i Rekaba dia nilazan’ i Jeremia hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Noho ny nahatananareo ny hafatr’ i Jonadaba razanareo sy ny nitandremanareo ny hafany rehetra ary ny nanaovanareo araka izay rehetra nanafarany anareo,
Yeremia akasema kwa familia ya Warekabi, “Yahwe wa majeshi, Mungu wa Israeli asema hivi: mmezisikiliza amri za Yonadabu babu yenu na kuzishika zote—mmeyatii yote aliyowaamuru kufanya—
19 dia izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Jonadaba, zanak’ i Rekaba, tsy ho diso zanakalahy hitsangana eo anatrehako mandrakizay.
kwa hiyo Yahwe wa majeshi, Mungu wa Israeli, asema hivi, 'Siku zote kutakuwa na mtu kutoka uzao wa Yonadabu mwana wa Rekabu kwa ajili ya kunitumikia.”'