< Jeremia 3 >
1 Fa hoy Izy: Raha misy lehilahy misao-bady, ary efa miala ravehivavy ka vadin’ olon-kafa, moa mahazo miverina aminy indray va ralehilahy? Tsy haloto tokoa va izany tany izany? Fa ianao dia efa nijangajanga tamin-tsakaiza maro, ka moa hahazo miverina amiko va ianao? hoy Jehovah.
Wanaema, 'Mwanamume akimfukuza mke wake, naye akaondoka kwake na kuwa mke wa mwanamume mwingine. Je, anaweza kumrudia tena? Je huyo si najisi kabisa?' Huyo mwanamke ndiyo hii nchi! Mmetenda kama kama Kahaba aliye na wapenzi wengi, na sasa mnapenda kurudi kwangu tena? - asema BWANA wa majeshi.
2 Andrandrao amin’ ny tendrombohitra mangadihady ny masonao, ka jereo. Taiza no tsy nandrian’ olona taminao? Teny an-dalambe no niandrasanao azy toy ny Arabo any an-efitra; Ary ny fijangajanganao sy ny faharatsianao no nandotoanao ny tany,
Inua macho yako uvitazame vielele tasa! Je kuna mahali ambapo hukufanya ukahaba? Pembeni mwa barabara ulikaa ukisubiri wapenzi wako, kama vile Mwarabu jangwani. Uneiharibu nchi kwa ukahaba na uovu wako.
3 Ka dia voasakana ny orana mivatravatra, sady tsy tonga ny fara-orana; Ary ny handrinao dia handrin’ ny vehivavy janga ka tsy manan-kenatra.
Kwa hiyo chemichemi za mvua zilizuiliwa na mvua za vuli hazikunyesha. Lakini uso wako una kiburi, kama uso wa mwanamke kahaba. Unakataa kuona aibu.
4 Moa tsy hitaraina amiko va ianao amin’ izao sisa izao hoe: Ry Raiko ô, Hianao no nahazatra ahy, hatry ny fony aho mbola tanora?
Na sasa hutaniita mimi: 'Baba yangu, hata marafiki zangu wa tangu ujanani! Je, atakuwa na hasira dhidi yangu milele?
5 Ho tezitra mandrakizay va Izy? Hitahiry fahatezerana hatamin’ ny farany va Izy? Indro, efa niteny toy izany ianao, nefa nanao izany ratsy izany ihany ka nahatanteraka izany.
Je, utaendelea kuwa na hasira zako?' Tazama! Umesema kuwa utatenda maovu, na kweli umetenda hivyo. kwa hiyo endelea kufanya hivyo!”
6 Ary hoy Jehovah tamiko tamin’ ny andro nanjakan’ i Josia mpanjaka: Moa efa hitanao va izay nataon’ Isiraely mpiodina? Niakatra ho eny amin’ ny tendrombohitra avo rehetra sy ho eny ambanin’ ny hazo maitso rehetra izy ka nijangajanga teny.
Kisha BWANA akanena nami katika siku za mfalme Yosia, “Je, unaona jinsi Israeli alivyoniasi? Yeye anaenda kwenye kila kilima na katika kila mti wenye majani mabichi, na kule anafanya kama mwanamke kahaba.
7 Ary nataoko fa rehefa nanao izany rehetra izany izy, dia hiverina amiko. Kanjo tsy niverina izy. Ary Joda mpivadika rahavaviny dia nahita izany.
Nikisema, 'Baada ya kuwa amefanya mambo haya yote, atanirudia,' lakini hakurudi. Kisha dada yake Yuda ambaye ni mwasi pia aliona alichokifanya.
8 Ary hitako fa na dia efa nisaorako aza Isiraely mpiodina ka nomeko taratasy fisaorana noho ny fijangajangana, dia tsy nety natahotra Joda mpivadika rahavaviny na dia izany aza, fa nandeha nijangajanga koa izy.
Kwa hiyo nami nikaona kuwa kwa sababu amefanya uzinzi huu wote. Huyo Israeli aliyeasi! Nilimfukuza na kumpatia talaka ya ndoa. Lakini dada yake Yuda mwenye hiana hakuwa na hofu, na yeye akaenda kuafanya kama mwanamke kahaba!
9 Ary tamin’ ny fihorakorahan’ ny fijangajangany no nandotoany ny tany, ary nijangajanga tamin’ ny vato sy ny hazo izy.
Hukusikitika kuwa ameinajisi nchi, kwa hiyo wakatengeneza sanamu za mti na za jiwe.
10 Fa na dia izany rehetra izany aza dia tsy nety niverina tamiko tamin’ ny fony rehetra Joda mpivadika rahavaviny, fa tamin’ ny fihatsaram-belatsihy ihany, hoy Jehovah.
Kisha baada ya haya yote, wala Yuda dada yake muasi hakurudi kwangu na moyo wake wote, bali alikuja na uongo! -asema BWANA wa majeshi,”
11 Ary hoy Jehovah tamiko: Isiraely mpiodina dia hita fa marimarina kokoa noho Joda mpivadika.
Kisha BWANA akanena na mimi, “Israeli muasi amekuwa mwenye haki zaidi kuliko Yuda muasi!
12 Mandehana, ka torio manatrika ny avaratra izao teny izao hoe: Miverena ianao, ry Isiraely mpiodina, hoy Jehovah; Tsy hampanjombona ny tavako aminareo Aho; Fa mamindra fo Aho, hoy Jehovah, ka tsy hitahiry fahatezerana mandrakizay.
Nenda ukaseme maneno haya huko kaskazini. Uwaambie, 'Rudi wewe Israeli uliyeasi! - asema BWANA - sitakuwa na hasira dhidi yako. Kwa kuwa mimi ni mwaminifu - asema BWANA - sitakuwa na hasira milele.
13 Kanefa kosa ekeo ny helokao, fa tamin’ i Jehovah Andriamanitrao no niodinanao, ary nivezivezy nankany amin’ ny hafa ianao. Teny ambanin’ ny hazo maitso rehetra, fa tsy mba nihaino ny feoko ianareo, hoy Jehovah.
Kiri uovu wako, kwa kuwa umefanya dhambi dhidi ya BWANA, Mungu wako; umemshirikisha njia zako mgeni chini ya kila mti wenye majani mabichi! wala hukuisikiliza sauti yangu! - asema BWANA.
14 Miverena, ry zaza mpiodina, hoy Jehovah, fa Izaho ihany no vadinareo; Ary hangalako iray isan-tanàna ianareo Sy roa isam-pokony, ka ho entiko ho any Ziona ianareo;
Rudini, enyi watu waasi! - asema BWANA - kwa kuwa mimi nimekuoa wewe! Nitakurudisha wewe mmoja katika mji, wawili katika ukoo mmoja, na nitawarudisha Sayuni!
15 Dia homeko mpitondra araka ny sitrapoko ianareo. Izay hitondra anareo amin’ ny fahalalana sy ny fahendrena.
Nitawapa wachungaji niwapendao, na watawachunga kwa maarifa na ufahamu.
16 Koa rehefa mitombo sy mihamaro amin’ ny tany ianareo, dia amin’ izany andro izany, hoy Jehovah, no tsy hanaovany intsony hoe: Ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah; Ary tsy hosaintsaininy akory izany, sady tsy hahatsiaro na ho manina izany izy, na hanao fiara intsony.
Ndipo itakapotokea kuwa utaongezeka na kuzaa matunda katika nchi hiyo siku hizo-asema BWANA. Hawataweza kusema kuwa, “Sanduku la agano la BWANA! Jambo hili hawatalikumbuka tena katika mioyo yao, kwa kuwa hawataliwaza tena wala kulijali tena. Usemi huu hawatausema tena.'
17 Amin’ izany andro izany no hanononana an’ i Jerosalema hoe Seza fiandrianan’ i Jehovah; Ary hivory any ny jentilisa rehetra noho ny anaran’ i Jehovah any Jerosalema, ary izy tsy handeha intsony araka ny ditry ny fo ratsiny.
Katiak wakati huo watasema juu ya Yerusalemu, 'Hii ndiyo enzi ya BWANA,' na mataifa mengine yote yatakusanyika Yerusalemu katika jna la BWANA. Hawataishi katika taabu ya uovu wa mioyo yao.
18 Amin’ izany andro izany ny taranak’ i Joda sy ny taranak’ Isiraely dia hiara-mandeha, ka hiara-tonga avy any amin’ ny tany avaratra izy ho any amin’ ny tany nomeko ny razanareo ho lovany.
Katika siku hizo, nyumba ya Yuda itaishi na nyumba ya Israeli. Watarudi pamoja kutoka katika nchi ya kaskazini katika nchi niliyowapa mababu wao kuwa urithi.
19 Ary Izaho efa nanao hoe: He! fa hataoko isan-janako ianao ka homeko tany mahafinaritra, dia lova izay tena endriky ny firenena. Eny, hoy Izaho: Hianao hanao Ahy hoe Raiko, ka tsy hiala amin’ ny fanarahana Ahy.
Lakini mimi, Nilisema, 'Jinsi nipendavyo kukuheshimu kama mwanangu na kukupa nchi ipendezayo, kuwa urithi mzuri kuliko ulio katika taifa lolote!' Nami nikasema, ''mtaniita baba yangu''.'Nami nitasema kwamba hamtageuka na kuacha kunifuata.
20 Kanefa toy ny vehivavy misintaka miala amin’ ny lahy, dia toy izany tokoa no nisintahanareo niala tamiko, ry taranak’ Isiraely, hoy Jehovah.
Lakini kama mwanamke aliyemwasi mume wake, mmenisaliti, enyi nyumba ya Israeli - asema BWANA.”
21 Injay! feo re any an-tendrombohitra mangadihady, dia fitomaniana amam-pitarainan’ ny Zanak’ Isiraely; Fa nivilivily tamin’ ny nalehany izy ary nanadino an’ i Jehovah Andriamaniny.
Sauti ilisikika juu ya nyanda, kilio na kusihi kwa watu wa Israeli! kwa kuwa wamezibadili njia; wamemsahau BWANA, Mungu wao.
22 Miverena ianao, ry zaza mpiodina, fa hositraniko ny fiodinanareo. Indreto, manatona Anao izahay, fa Hianao Jehovah no Andriamanitray.
“Rudini enyi watu mlioasi! Nami nitawaponya na uasi wenu!” “Tazama! tutakuja kwako, kwa kuwa wewe ni BWANA, Mungu wetu!
23 Foana tokoa ny horakoraka any amin’ ny tendrombohitra sy ny havoana; Marina fa ao amin’ i Jehovah Andriamanitray ny famonjena ny Isiraely.
Uongo hutoka kwenye vilima, kutoka kwenye milima mingi. Kwa hakika wokovu wa Israeli unapatikana kwa BWANA, Mungu wetu.
24 Fa lanin’ ilay mampahamenatra hatramin’ ny fahazazanay ny zavatra efa nisasaran’ ny razanay, dia ny ondry aman’ osiny sy ny ombiny, ny zananilahy sy ny zananivavy.
Lakini miungu ya aibu imeramba kazi ambayo mababu zetu waliifanya - makundi yao ya kondoo na ng'ombe, wana wao na binti zao!
25 Aoka handry ao amin’ ny henatray izahay. Ary aoka hanarona anay ny fahafaham-boninahitray, satria tamin’ i Jehovah Andriamanitray no efa nanotanay dia izahay sy ny razanay, hatramin’ ny fahazazanay ka ambaraka androany sady tsy nihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitray izahay.
Na tulale chini kwa aibu. Aibu yetu na itufunike, kwa kuwa tumefanya dhambi dhidi ya BWANA, Mungu wetu! Sisi wenyewe na mababu zetu, kutoka wakati wa ujana wetu hadi leo, hatujaisikiliza sauti ya BWANA, Mungu wetu!”