< Isaia 8 >

1 Ary hoy Jehovah tamiko: Mangalà fafana lehibe, ka soraty aminy araka ny fanoratry ny olona hoe: “Ho an’ i Mahera-salala-hasi-baza.”
Bwana akaniambia, “Chukua gombo kubwa, uandike juu yake kwa kalamu ya kawaida jina: Maher-Shalal-Hash-Bazi.
2 Ary haka vavolombelona mahatoky Aho, dia Oria mpisorona sy Zakaria, zanakalahin’ i Jeberekia.
Nami nitawaita kuhani Uria, na Zekaria mwana wa Yeberekia kama mashahidi wangu waaminifu.”
3 Ary nankany amin’ ny mpaminanivavy, aho; dia nanan’ anaka izy ka niteraka zazalahy. Ary hoy Jehovah tamiko: Aoka ny anarany hataonao hoe Mahera-salala-hasi-baza.
Kisha nikaenda kwa nabii mke, naye akapata mimba, akazaa mwana. Kisha Bwana akaniambia, “Mwite huyo mtoto Maher-Shalal-Hash-Bazi.
4 Fa raha tsy mbola mahatonona hoe Idada na Ineny io zazalahy io, dia hobaboina eo anatrehan’ ny mpanjakan’ i Asyria ny haren’ i Damaskosy sy ny fananan’ i Samaria.
Kabla mtoto hajaweza kusema ‘Baba yangu’ au ‘Mama yangu,’ utajiri wa Dameski na nyara za Samaria zitachukuliwa na mfalme wa Ashuru.”
5 Ary Jehovah dia mbola niteny tamiko indray hoe:
Bwana akasema nami tena:
6 Satria ity firenena ity mandà ny rano Siloa izay misononoka Ary mifaly amin-dRezina sy ny zanak’ i Remalia,
“Kwa sababu watu hawa wamekataa maji ya Shilo yatiririkayo taratibu wakamfurahia Resini na mwana wa Remalia,
7 Dia, indro, hampiakarin’ ny Tompo hanafotra azy ny rano be sady manonja amin’ ny Ony (Dia ny mpanjakan’ i Asyria sy ny voninahiny rehetra); Ary ny masondranony rehetra ho tondraka, Ary ny morony rehetra hihoarany;
kwa hiyo Bwana yu karibu kuleta dhidi yao mafuriko makubwa ya Mto: yaani mfalme wa Ashuru na fahari yake yote. Yatafurika juu ya mifereji yake yote, yatamwagikia juu ya kingo zake zote,
8 Dia himaona fatratra izy ka hihatra amin’ ny Joda Ary hanafotra sady mbola hisondrotra ihany Mandra-pahatongany havozona; Ary ny fipasany eny an-daniny roa dia hanenika ny taninao, ry Imanoela ô.
na kufika hadi Yuda, yakizunguka kwa kasi juu yake, yakipita katikati na yakifika hadi shingoni. Mabawa yake yaliyokunjuliwa yatafunika upana wa nchi yako, Ee Imanueli!”
9 Misafoaha ihany ianareo, ry firenena ô, nefa mbola ho ringana mihitsy ianareo; Ary mihainoa ihany, ry tany lavitra rehetra, misikìna ihany ianareo, nefa mbola ho ringana mihitsy; Eny, misikìna ihany ianareo, nefa mbola ho ringana mihitsy.
Inueni kilio cha vita, enyi mataifa, na mkavunjwevunjwe! Sikilizeni, enyi nyote nchi za mbali. Jiandaeni kwa vita, nanyi mkavunjwevunjwe! Jiandaeni kwa vita, nanyi mkavunjwevunjwe!
10 Makà saina ihany ianareo, nefa mbola hofoanana izany; Milazà ihany ny teny, nefa tsy ho tanteraka izany tsy akory; Fa aminay Andriamanitra.
Wekeni mikakati yenu, lakini itashindwa; fanyeni mipango yenu, lakini haitafanikiwa, kwa maana Mungu yu pamoja nasi.
11 Fa izao no nolazain’ i Jehovah tamiko, raha nanindry ahy mafy ny tànany, Ka nanariny tsy handeha amin’ ny falehan’ ity firenena ity aho:
Bwana alisema nami mkono wake wenye nguvu ukiwa juu yangu, akinionya nisifuate njia za taifa hili. Akasema:
12 Aza mba lazainareo ho tetika fikomiana izay lazain’ ity firenena ity ho tetika fikomiana; Ary aza matahotra izay atahorany na mangovitra ianareo.
“Usiite fitina kila kitu ambacho watu hawa hukiita fitina, usiogope kile wanachokiogopa, wala usikihofu.
13 Jehovah, Tompon’ ny maro, no hasino; Ary aoka Izy ihany no hatahoranareo, Ary Izy ihany no hangovitanareo.
Bwana Mwenye Nguvu Zote ndiye peke yake ikupasaye kumheshimu kuwa mtakatifu, ndiye peke yake utakayemwogopa, ndiye peke yake utakayemhofu,
14 Dia ho fitoerana masìna ho anareo Izy, Fa ho vato mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka kosa Amin’ ny firenena roa amin’ ny Isiraely, sady ho fandrika sy tonta Amin’ ny mponina any Jerosalema.
naye atakuwa mahali patakatifu; lakini kwa nyumba zote mbili za Israeli atakuwa jiwe lile linalosababisha watu kujikwaa na mwamba wa kuwaangusha. Kwa watu wa Yerusalemu, atakuwa mtego na tanzi.
15 Ary maro ao aminy no ho tafintohina sady ho lavo sy ho ringana Ary ho voafandrika sy ho voasambotra.
Wengi wao watajikwaa; wataanguka na kuvunjika, watategwa na kunaswa.”
16 Fehezo ny teni-vavolombelona, Ary asio tombo-kase ny lalàna eo amin’ ny mpianatro.
Funga ushuhuda na kutia muhuri sheria miongoni mwa wanafunzi wangu.
17 Ary hiandry an’ i Jehovah aho Izay manafina ny tavany amin’ ny taranak’ i Jakoba, Ka hanantena Azy ihany aho.
Nitamngojea Bwana, ambaye ameificha nyumba ya Yakobo uso wake. Nitaliweka tumaini langu kwake.
18 Indreto, izaho sy ireo zaza nomen’ i Jehovah ahy dia famantarana sy fahagagana ao amin’ ny Isiraely Avy amin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Izay monina ao an-tendrombohitra Ziona.
Niko hapa, pamoja na watoto ambao Bwana amenipa. Sisi ni ishara na mfano wake katika Israeli, kutoka kwa Bwana Mwenye Nguvu Zote, anayeishi juu ya Mlima Sayuni.
19 Ary raha lazainy aminareo hoe: Milà saina amin’ ny manao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao sikidy, izay mitsiatsiaka sy miboeriboerika, Moa tsy Andriamaniny va no tokony hilan’ ny olona saina? Fa hila saina amin’ ny maty ho an’ ny velona va izy?
Wakati watu wanapowaambia ninyi kutafuta ushauri kwa waaguzi na wenye kuongea na mizimu, ambao hunongʼona na kunungʼunika, je, watu wasingeuliza kwa Mungu wao? Kwa nini watake shauri kwa wafu kwa ajili ya walio hai?
20 Ho amin’ ny lalàna sy ny teni-vavolombelona ihany! Raha tsy miteny araka izany teny izany izy, Dia olona izay tsy hiposahan’ ny fahazavan’ ny maraina.
Kwa sheria na kwa ushuhuda! Kama hawatasema sawasawa na neno hili, hawana mwanga wa mapambazuko.
21 Dia samy hivezivezy amin’ ny tany izy rehetra sady mahantra no mosarena; Ary rehefa mosarena izy, dia ho sosotra ka hanozona ny mpanjakany sy Andriamaniny, ary dia hiandrandra;
Watazunguka katika nchi yote, wakiwa na dhiki na njaa. Watakapotaabika kwa njaa, watapatwa na hasira kali, nao, wakiwa wanatazama juu, watamlaani mfalme wao na Mungu wao.
22 Ary hijery ny tany izy, ka indro fahoriana sy fahamaizinana ary manjombona mahafadiranovana, Ary horoahina ho any amin’ ny aizim-pito izy.
Kisha wataangalia duniani na kuona tu dhiki na giza, hofu na huzuni tupu, nao watasukumiwa kwenye giza nene kabisa.

< Isaia 8 >