< Isaia 44 >
1 Fa ankehitriny dia mihainoa, ry Jakoba, mpanompoko, sy ry Isiraely, izay nofidiko;
Sasa, sikiliza, Yakobo mtumishi wangu, na Isreli, Niliyekuchagua:
2 Izao no lazain’ i Jehovah Izay nahary anao sy namorona anao hatrany am-bohoka sady mamonjy anao: Aza matahotra, ry Jakoba mpanompoko, Ary ianao, ry Jesorona, izay nofidiko;
Yahwe asema hivi, yeye aliyekufanya na kukuumba wewe katika tumbo na yeye aliye kusadia wewe: Usiogope, Yakobo mtumishi wangu; na wewe Yeshuruni, niliyekuchagua.
3 Fa handatsaka rano amin’ izay mangetaheta Aho, ary riaka ho amin’ izay tany karankaina; Eny, handatsaka ny Fanahiko amin’ ny taranakao Aho, ary ny fitahiako ho amin’ ny terakao;
Maana nitashusha mvua kwenye aridhi yenye kiu, na mikondo ya maji kwenye ardhi kavu; Nitashusha roho yangu kwa watoto wako, na baraka zangu kwa watoto wako.
4 Dia haniry eny amin’ ny ahitra tahaka ny hazomalahelo eny anilan’ ny rano mandeha ireny.
Watakuwa miongoni mwa nyasi, kama mti pembeni ya mkondo wa maji.
5 Ny anankiray hilaza hoe: An’ i Jehovah aho: Ary ny anankiray koa hankalaza ny anarana hoe Jakoba; Ary ny anankiray koa indray hanoratra amin’ ny tànany hoe: An’ i Jehovah, Ary ny anarana hoe Isiraely dia hotononiny amim-panajana.
Mmoja atasema, 'Mimi ni wa Yahwe; na mwingine ataita jina la Yakobo, na mwingine ataandika kwenye mkono wake 'Mimi ni wa Yahwe, na kujiita mwenyewe kwa jina la Israeli.''
6 Izao no lazain’ i Jehovah, Mpanjakan’ ny Isiraely, dia Jehovah, Tompon’ ny maro, Mpanavotra azy: Izaho no voalohany, ary Izaho no farany: Ka tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho.
Yahwe asema hivi—Mfalme wa Israeli na Mkombozi wake, Yahwe wa majeshi: ''Mimi ni mwanzo na ni mwisho; na hakuna mungu ila mimi.
7 Ary iza moa no mba mahantso tahaka Ahy (Aoka hanambara sy handahatra izany amiko izy) hatrizay nampitoerako ny firenena fony fahagola? Ary ny zavatra ho avy sy ny mbola ho tonga, dia aoka hambarany koa izany.
Ni nani aliye kama mimi? Na atangaze na anielezee matukio yaliyotokea tangu nilipoanzisha watu wangu wa kale, na waache watangaze matukio yajayo.
8 Aza matahotra na mangovitra ianareo; Tsy efa nampandre anareo hatramin’ ny fahiny va Aho ka nanambara taminareo? Eny, ianareo no vavolombeloko; Misy Andriamanitra afa-tsy Izaho va? Tsia, tsy misy Vatolampy, tsy hitako izany.
Usiogope wala usifadhaike. Je si mimi niliyekutangazia toka zamani, na nikatangaza? ninyi ni mashaidi wangu: Je kuna Mungu mwingine zaidi yangu? Hakuna Mwamba mwingine zaidi yangu; Ninajua hakuna.''
9 Izay mamorona sarin-javatra voasokitra dia zava-poana avokoa; Ary ny zavatra tiany indrindra dia tsy mahasoa; Ny vavolombelon’ ireny dia tsy mahita na mahalala, mba hahamenatra azy.
Mitindo yote ya sanamu si kitu; vitu wanavyo vifurahia ndani havina maana; mashahidi wake hawawezi kuona au kujua chochote, na watapatwa katika aibu.
10 Iza no namorona andriamanitra, na nanao sarin-javatra an-idina izay tsy mahasoa akory?
Ni nani atengenezae miungu au sanamu zisizo na maana?
11 Indro, ho menatra ny namany rehetra; Fa ny mpiasa dia olona ihany; Aoka hivory izy rehetra ka handroso; Aoka ho raiki-tahotra sy ho menatra avokoa izy.
Tazama, washirika wote watapatwa na aibu; mafundi ni watu tu. waache washikilie msimamao wao kwa pamoja; wataogopa na kuhaibishwa.
12 Ny mpanefy manamboatra fiasana; Miasa amin’ ny arina izy ary manamboatra azy amin’ ny tantanana sy miasa azy amin’ ny sandriny matanjaka; Eny, noana izy, ka ketraka ny heriny; Tsy misotro rano izy ka reraka.
Mhunzi anafanya kazi kwa vyombo vyake, kutengeneza, kufanya kazi kwenye makaa ya mawe. Hurekebisha kwa kutumia nyundo na hufanya kazi kwa mkono wake wenye nguvu. Hupata njaa, na nguvu zake humuishia; Hajanywa maji na huzimia.
13 Ny mpandrafitra manenjana ny kofehy sy manamarika azy amin’ ny fitsipihana; Manamboatra azy amin’ ny vankona izy, dia manamarika azy amin’ ny kompà ary mahavita azy ho tahaka ny endrik’ olona, dia tahaka ny hatsaran-tarehin’ ny olona, Mba hampitoerina ao an-trano.
Seremala hupima mbao kwa kamba na kuiweka alama kwa kitu kikali. Huichonga kwa vyombo vyake na kuweka alama kwa kutumia dira. Huichonga baada ya sanamu ya mtu, kama mtu anyevutia, ili iweze kukaa ndani ya nyumba.
14 Tsy maintsy mijinja ny sedera izy ary maka ny hazo ileksa sy ôka Ary mifidy hazo any an’ ala; Mamboly ny hazo orno izy, ka ampanirin’ ny ranonorana izany;
Huikata chini mierezi, huchagua miti ya miseprasi au miti ya mialoni. Huchukua mti yeye mwenyewe katika msitu. huotesha mvinje na mvua huifanya ikue.
15 Ary dia anaovan’ ny olona kitay izany ka analany hamindroany; Eny, ampirehetiny izany mba hanendasany mofo; Anaovany andriamanitra izany, ka dia ivavahany; Eny, anaovany sarin-javatra voasokitra koa izany, ka dia iankohofany.
Basi mtu hutumia kwa moto na kujipatia joto. Ndio, huwasha moto kuwooka mkate. Halafu hutengeneza miungu ili ausujudie;
16 Ny sasany dorany amin’ ny afo, eny, ny sasany ahandroany hena; Manatsatsika hena izy, ka dia voky; Eny, mamindro izy ka manao hoe: Aha! mafana aho izany! nahita afo aho lahy!
Huchoma sehemu ya kuni kwa moto, na huchoma nyama yake juu yake. hula na kushiba. huota moto na kusema, ''Ah, Nimepata joto, nimeouna moto.''
17 Ary ny sisan’ izany dia amboariny ho andriamanitra, ho sarin-javatra voasokitra, Ary miondrika sy miankohoka eo anatrehany izy ka mivavaka aminy hoe: Vonjeo aho, fa andriamanitro ianao.
Kwa kutumia mbao hutengeneza miungu, sanamu yake; huisujudu na kuhieshimu, huipa sifa na kusema, ''Niokoe mimi, maana wewe ni mungu wangu.''
18 Tsy mahalala na mahafantatra ireny; Fa voatampina ny masony ka tsy mahita, Ary ny fony, ka tsy mahalala.
Hawajui, wala hawaelewi, maana macho yao yamepofuka na hawaoni, na mioyo yao haiwezi kufahamu.
19 Tsy misy mieritreritra ao am-pony, na mba manana fahalalana na saina akory hanao hoe: Ny sasany mantsy nodorako tamin’ ny afo; Eny, efa nanendy mofo tamin’ ny vainafony aho: Efa nanatsatsika hena aho ka nihinana; Koa ny sisa va hataoko fahavetavetana, Hiankohofako eo anatrehan’ izay vatan-kazo?
Hakuna anayefikiria, wala kuelewa na kusema, ''Nimechoma sehemu ya mbao kwenye moto; na pia nimewooka mkate kwa kutumia makaa yake. Nimechoma nyama kwa makaa yake nikala. Sasa Je ninaweza kutengeneza kitu kinachochukiza kwa ajili ya kuabudia kwa sehemu ya mbao iliyobakia? Je ninaweza kusujudia sanamu ya mbao?''
20 Homan-davenona izy; Voafitaka ny fony ka nampivily azy, ka dia tsy mahavonjy ny fanahiny izy na mahalaza hoe: Moa tsy lainga va no eto an-tanako ankavanana?
Ni kama anayejilisha majivu; moyo wke mdanganyifu unampoteza yeye. Huwezi kujiokoa mwenyewe, wala hawezi kusema, ''Hiki kitu katika mkono wangu wa kulia sio mungu wa kweli.''
21 Tsarovy izany, ry Jakoba, dia ianao, ry Isiraely, fa mpanompoko ianao; Noforoniko ianao ka mpanompoko; Tsy hohadinoiko ianao, ry Isiraely ô,
Fikiria kuhusu vitu hivi, Yakobo na Israeli, maana wewe ni mtumishi wangu: Nimekuumba wewe; wewe ni mtumishi wangu:
22 Izaho efa nandevona ny fahadisoanao tahaka ny fandevona ny zavona, ary ny fahotanao tahaka ny rahona; Koa miverena amiko, fa efa nanavotra anao Aho.
Nimeyafuta makosa yako, kama wingu zito, matendo yako mabaya, na wingu, ni kama dhambi zako; maana nimekukomboa wewe.
23 Mihobia, ry lanitra; Fa Jehovah no nanao izany; Manaova feo fifaliana ianareo, ry fitoerana lalina any ambanin’ ny tany; Velomy ny hoby, ry tendrombohitra, ary ianao, ry ala mbamin’ izay hazo rehetra ao; Fa Jehovah efa nanavotra an’ i Jakoba sy mampiseho ny voninahiny eo amin’ Isiraely.
Imba, enyi mbingu, maana Yahwe ameyafanya haya; piga kelele enyi mkaao katika nchi. Pazeni sauti enyi mlima milima, enyi misitu yenye miti ndani yake, ewe mlima, ewe msitu wenye kila aina ya mti ndani yak; Maana Yahwe amemkomboa Yakobo, na nitakuonyesha utukufu wake katika Israeli.
24 Izao no lazain’ i Jehovah, izay nanavotra anao sady namorona anao hatrany am-bohoka: Izaho no Jehovah Izay manao ny zavatra rehetra, Izaho irery no manenjana ny lanitra; Ny tenako ihany no mamelatra ny tany;
Yahwe asema hivi, Mkombozi wako, yeye aliyekuumba wewe kutoka tumboni: ''Mimi ni Yahwe, niliyefanya kila kitu, mimi mwenyewe nizinyooshae mbigu, mimi peke niitngenezae nchi.
25 Izaho mahafoana ny famantarana lazain’ ny mpibedibedy sy mampahavery saina ny mpanao fankatovana ary mampihemotra ny olon-kendry ka mampody ny fahalalany ho fahadalana,
Mimi niliyezikata dalili za waongo na kuwaabisha wanaosoma dalili zake; Mimi niliyezigeuza busara za wenye hekima na kujeuza ushauri wao kuwa ujinga.
26 Ary mahatò ny tenin’ ny mpanompoko sy mahatanteraka ny saina atolotry ny irako, ary manao amin’ i Jerosalema hoe: Honenana ianao, sy amin’ ny tanànan’ ny Joda hoe: Hatsangana ianareo, ka hamboariko izay rava eo,
Mimi, Yahwe, niliyethibitisha maneno ya mtumishi wake na kuutimiza utabiri wa mjumbe wake. Aliyezungumza kuhusu Yerusalemu, 'Atakuwa mwenyeji; na katika mji wa Yuda, 'Watatengeneza tena, na nitapatengeneza palipoharibika;
27 Ary milaza amin’ ny rano lalina hoe: Tankina, Fa hataoko tankina ny oninao,
awezae kusema kwa bahari kubwa, 'Kauka,' na yanakauka mda huo.'
28 Ary milaza an’ i Kyrosy hoe: Izy no mpiandry ondriko, ka izay sitrako rehetra dia hotanterahiny; Ary izy hanao amin’ i Jerosalema hoe: Hatsangana ianao, ary amin’ ny tempoly hoe: Haorina indray ny fanorenanao.
Yahwe ndiye amwambiye Koreshi, 'Ni mchungaji wangu, atafanya kila nilitakalo; atatoa amri kuhusu Yerusalemu, 'Utajengwa kwa upya, 'na kuhusu Hekalu, 'Basi na msingi wake uanzwe kuwekwa.''