< Isaia 30 >

1 Lozan’ ny zaza maditra, izay maka saina, nefa tsy avy amiko, hoy Jehovah, ary manao fanekena, nefa tsy avy amin’ ny Fanahiko, mba hanampy ota amin’ ny ota,
Ole wa watoto waasi, ''Hili ni tamko la Yahwe. ''Wataweka mipango, lakini haitatoka kwangu; wataungana na mataifa mengine, lakini hawakuongozwa na Roho wangu, hivyo wanongeza dhambi baada ya dhambi.
2 Dia izay mandeha hidina any Egypta, nefa tsy nanadina tamin’ ny vavako, handositra ho any amin’ ny fiarovana mafin’ i Farao sy hialokaloka ao amin’ ny alokalok’ i Egypta.
Wanapanga kushuka chini Misri, lakini hawajaniomba niwaelekeze. Wanatafuta ulinzi kutoka kwa Farao kuchukua kimbilio katika kivuli cha Misri.
3 Kanjo ho tonga henatra ho azy ny fiarovana mafin’ i Farao, ary ho fanalam-baraka azy ny fialokalofany ao amin’ ny alokalok’ i Egypta.
Hivyo basi ulinzi wa Farao utakuwa aibu yenu, na kimbilio lenu katika kivuli cha Misri, kitakuwa udhalilishaji wenu,
4 Fa tonga any Zoana ireo lehibeny, ary tonga any Hanesa ny irany.
japo wakuu wako Sayuni, na wajumbe wao wamekuja Hanesi.
5 Izy rehetra dia samy hahazo henatra noho ny amin’ ny firenena tsy mahasoa azy, dia izay tsy mahavonjy na mahasoa, fa tonga henatra sy latsa kosa.
Watahaibika kwa sababu ya watu ambao hawawezi kuwasaidia, wala kuwa na faida, lakini ni aibu, na fedheha.
6 Faminaniana ny amin’ ny behemota any amin’ ny tany atsimo. Any amin’ ny tany mampahory sy mahaporiporitra, izay ihavian’ ny liom-bavy sy ny lion-dahy ary ny menarana sy ny menaran’ afo manidina, no nitondrany ny hareny teny an-damosin’ ny boriky tanora ary ny fananany teo amin’ ny trafon’ ny rameva ho any amin’ ny firenena tsy mahasoa azy.
Tamko kuhusu mnyama wa Negevi: kupitia kwenye mlango wa mateso na hatari, wa simba jike na simba dume, nyoka na nyoka wa moto aneyepaa, wamebeba utajiri wao kwenye mgongo wa punda, na hazina yao katika mabega ya ngamia, kwa watu ambao hawana msaada kwao.
7 Nefa zava-poana sy tsinontsinona ny famonjen’ ny Egyptiana; Koa izany no nanaovako azy hoe: Ilay be rehaka tsy mety manao na inona na inona!
Maana msaada Misri hauna maana; hivyo basi nimemwita Rahabu, aliyekaa bado.
8 Mandehana ankehitriny soraty amin’ ny fàfana eo anatrehany izany, ary soraty amin’ ny taratasy mba haharitra amin’ ny andro any aoriana mandrakizay doria izany.
Sasa nenda, andika hili mbele yao juu ya meza, na uyaandike katika kitabu, iliyaifadhiwe kwa mda mrefu kama ushuhuda.
9 Fa firenena maditra izy, zaza mandainga, dia zaza izay tsy mety mihaino ny lalàn’ i Jehovah,
Maana ni watu waasi, watoto waongo, watoto ambao hawaskilizi maelekezo ya Yahwe.
10 Izay manao amin’ ny mpahita hoe: Aza mahita, ary amin’ ny mpaminany: Aza maminany zavatra marina aminay: Manaova vava malefaka aminay, maminania fitaka,
Wanawambia waonaji, ''msiangalie; na kwa manabii, ''msitabiri yaliyoyakweli kwetu; zungumza maneno ya kujipendeza kwetu, tabiri udanganyifu. Geukeni katika njia,
11 Mialà amin’ ny lalana, mivilia amin’ ny aleha; Atsaharo ny Iray Masin’ ny Isiraely tsy ho eo anoloanay intsony.
ondokeni kwenye njia; maana Mtakatifu wa Israeli amesitisha kuongea mbele ya uso wetu.
12 Koa izao no lazain’ ny Iray Masin’ ny Isiraely: Satria mandà izany teny izany ianareo ary matoky ny fanaovana an-keriny sy ny fiolakolahana ka miankina amin’ izany,
Hivyo basi mtakatifu wa Israeli asema, ''Kwa sababu umekataa maneno haya na kujifunza ukandamizaji na udanganyifu,
13 Dia ho aminareo ity heloka ity, tahaka izay mivava efa mila hianjera sy izay mibohitra amin’ ny manda avo, ka ho tampoka dia tampoka no haharavany.
hivyo dhambi hii itakuwa kwenu kama kitu kilichovunjika tayari kwa kuanguka, kama kitu katika ukuta mrefu ambao anguko lake linakaribia, papo kwa hapo.''
14 Ary hovakivakina izy tahaka ny fahavakivakin’ ny vilanin’ ny mpanefy tanimanga, raha montsamontsaniny ka tsy itondrany roa; Koa rehefa montsamontsana izy, dia tsy hisy vakiny ho azo atao fangalana afo ao am-patana, na ho azo atao fangalan-drano ao an-davaka famorian-drano aza.
Atavunja kama chombo cha mfinyanyanzi kivunjavyo, hivyo basi hakitabaki kitu, hivyo hakuna vipande vyovyote vya kigae kitoshacho kutwaa moto jikoni, kuchota maji kisimani.
15 Fa izao no lazain’ ny Tompo, dia Jehovah, ny Iray Masin’ ny Isiraely: Amin’ ny fiverenana sy ny fitsaharana no hamonjena anareo, amin’ ny fanginana sy ny fahatokiana no hisian’ ny herinareo; Nefa tsy nety ianareo;
Maana Bwana Yahwe, Mtakatifu wa Israeli asema hivi, ''Kwa kurudi na kwa kupumzika mtaokolewa; katika utulivu na imani itakuwa ni nguvu zako, Lakini hamkuwa tayari.
16 Fa hoy kosa ianareo: Tsia, fa handositra mitaingin-tsoavaly izahay; Koa noho izany dia handositra tokoa ianareo; Ary hoy ianareo: Hitaingina ny faingan-tongotra izahay; Ka dia ho faingan-tongotra koa ny manenjika anareo.
Amesema, 'Hapana, maana kukimbia kwa farasi; hivyo tutakimbia; tutakimbia kwa kutumia farasi mwepesi; hivyo basi watakaojingiza watakuwa wepesi.
17 Ny arivo handositra, raha rahonan’ ny anankiray, eny, handositra ianareo, raha rahonan’ ny dimy, Mandra-pahatongan’ ny sisa aminareo ho tahaka ny to-kazo avo any an-tampon’ ny tendrombohitra sy tahaka ny faneva any amin’ ny havoana.
Watu eflu moja watakimbia kwa kumuhofia mtu mmoja; kwa vitisho vya watu watano mtakimbia mpaka mtakuwa kama nguzu ya bendera iliyoko juu ya mlima, au kama bendera kwenye kilima.''
18 Koa Jehovah dia mbola hiandry mandra-pamindrany fo aminareo, ary mbola hitoetra any amin’ ny avo Izy mandra-piantrany anareo, fa Andriamanitry ny fahamarinana Jehovah; Sambatra izay rehetra miandry Azy.
Lakini Bwana anawasubiri ili awape neema yake, Hivyo basi yuko tayari kuwaonyesha huruma. Maana Yahwe na Mungu wa haki; Huwabarikiwe wale wanaomsubiri yeye.
19 Fa ianao, ry firenena mitoetra ao Ziona any Jerosalema, dia tsy hitomany intsony; Fa hamindra fo aminao tokoa Izy, raha reny ny fitarainanao; Eny, raha vao reny izany, dia hamaly anao Izy.
Maana watu wataishi Sayuni, na Yerusalemu na hawatalia tena. Hakika atakuwa neema kwenu kwa sauti ya kilio chenu. Atakaposikia tu, atawajibu ninyi.
20 Ary homen’ ny Tompo mofo fahoriana sy ny rano fahalahelovana ianao; Ary tsy hiery intsony ny mpampianatra anao; Ny masonao hahita ny mpampianatra anao;
Kupitia Yahwe tunapata mkate wa shida na maji ya mateso, hata sasa, mwalimu wako hatajifisha mwenyewe tena, lakini utamuona mwalimu wako kwa macho yako mwenyewe.
21 Fa na mivily ho amin’ ny ankavanana ianao, na mivily ho amin’ ny ankavia, ny sofinao dia handre teny ao ivohonao manao hoe: Ity no lalana, ka andehano.
Masikio yako yatasikia maneno yanayosemwa nyuma, Hii ndio njia, pitia hii, ''utakapogeuka upande wa kulia au utakageuka upande wa kushoto.
22 Ary holotoinao ny takela-bolafotsy voapetaka amin’ ny sampinao voasokitra sy ny takela-bolamena voapetaka amin’ ny sampinao an-idina, ka harianao tahaka ny lamba maloto izany; Mialà amiko! no teny hataonao aminy.
Mtakinajisi kifuniko chenu mlichokiweka juu ya pesa na dhahabu na kukitupa. Mtakitupa mbali kama hedhi kali, '''utawambia wao, ''Ondokeni hapa.''
23 Ary dia hanome ranonorana ho an’ ny voa nafafinao any an-tsaha Izy, sy mofo vokatry ny tany sady tsara no vokatra; Ary amin’ izany andro izany ny ombinao dia hihinana eny amin’ ny tany malalaka;
Naye atatoa mvua kwanye mbegu zenu mtakapopanda kwenye aridhi, na mkate utakuwa kwa wingi kutoka kwenye aridhi na mazao yatazaa kwa wingi. Katika siku hizo ng'ombe zako zitachungwa katika eneo kubwa.
24 Ny omby sy ny boriky tanora, izay miasa ny tany, dia hihinana vilona voaisy sira, izay voatsikerakera amin’ ny sahiratsy sy ny fikororohana.
Ng'ombe na punda, wanaolima kwenye aridhi, watakula chakula cha majira kilicho tawnywa kwa koleo na uma.
25 Ary any amin’ ny tendrombohitra avo rehetra sy ny havoana andrandraina rehetra dia hisy ony sy ranovelona amin’ ny andro lehibe famonoana, dia amin’ ny andro hianjeran’ ny tilikambo.
Juu ya mlima mrefu na juu ya kilima kirefu, kutapitasha vijito na mifereji ya maji, katika siku siku ya machinjio makuu pale minara yote itakapoanguka.
26 Ary ny fahazavan’ ny volana dia ho tahaka ny fahazavan’ ny masoandro, ary ny fahazavan’ ny masoandro dia ho avy fito heny, ka ho tahaka ny fahazavan’ ny hafitoana, Amin’ ny andro hamehezan’ i Jehovah ny fahatorotoroan’ ny olony sy hanasitranany ny fery tamin’ ny namelezana azy.
Mwanga wa mwenzi utakuwa kama mwanga wa jua, na mwanga wa jua utang'aa mara saba, kama mwanga wa siku saba. Yahwe atakapofunga kuvujwa kwa watu wake na kuyaponya majeraha waliyoyapata.
27 Indro, avy any lavitra any ny anaran’ i Jehovah, mirehitra amin’ ny fahatezerany Izy Sady midonaka amin’ ny setroka be; Ny molony dia feno fahatezerana, ary ny lelany dia tahaka ny afo mandevona;
jina la Yahwe limekuja kutoka sehemu ya mbali, Linawaka kwa hasira yake na katika moshi mnene. Midomo yake imejaa hasira, na lugha yake nia kama moto unaoangamiza.
28 Ary ny fofonainy tahaka ny riaka manafotra havozona, hanasivana ny firenena amin’ ny sivana fandevonana, ary hisy lamboridy mampivily eo amin’ ny valanoranon’ ny olona.
Punzi yake ni kama maji yaliyojaa yanayofika mpaka katikati ya shingo, kwa ajili kuchuja mataifa kwa kuhamasisha uharibifu. Pumzi yake ni mzabuni katika taya za watu wanowasababisha kutangatanga mbali.
29 Ary ny hira hataonao dia ho tahaka ny amin’ ny alina fitandremana ny andro firavoravoana, ary ny hafalian’ ny fo dia ho tahaka ny olona mandeha omban’ ny feon-tsodina ho any an-tendrombohitr’ i Jehovah, dia any amin’ ny Vatolampin’ ny Isiraely;
Utakuwa na wimbo kama usiku pale sherehe takatifu itakapofanyika, na moyo wenye furaha, pindi mmoja atakopo kwenda na katika mlima wa Yahwe, katika mwamba wa Israeli.
30 Ary Jehovah hanandratra ny feon’ ny fiandrianany sy hampiseho ny fiantefan’ ny sandriny amin’ ny firehetan’ ny fahatezerana sy ny lelafo mandevona sy ny ranonoram-baratra sy ny orana mifafy ary ny havandra vaventy.
Yahwe atafanya mapambo ya sauti yake inayosikika na atawaonyesha jinsi mkono wake ushukavyo na dhouba ya hasira yake na moto uwakao, pamoja na upepo mkubwa, mvua kubwa, na mvua ya mawe.
31 Fa ny feon’ i Jehovah dia haharaiki-tahotra ny Asyriana; Hasiany amin’ ny tsorakazo ireo.
Maana kwa sauti ya Yahwe, Asiria itanyamazishwa; atahiaribu kwa fimbo.
32 Ary na aiza na aiza no amelezan’ ny tsorakazo voatendry, izay amelin’ i Jehovah azy, dia harahina ampongatapaka sy lokanga izany; Ary amin’ ny ady hamelezany mafy no hiadiany aminy.
Na kila adhabu iliyochaguliwa amechagua fimbo ambayo Yahwe ataiweka juu yao na wakisidikizwa na mziki wa kigoma na kinubi kama wataanzisha vita na kupgana nao.
33 Fa efa voavoatra fahataloha Tofeta; Eny, efa nataony vonona ho an’ ny mpanjaka izany; Efa nataony lalina sady malalaka izy; Ny antontany dia misy afo sy kitay betsaka; Ary ny fofonain’ i Jehovah, izay tahaka ny renirano solifara, no mampirehitra azy.
Maana sehemu ya kuchoma iliandaliwa toka zamani. kweli, imeandaliwa kwa mfalme, na Mungu amelifanya kuwa na kina na upana. Rundo liko tayari kwa moto na kuni za kutosha. Punzi ya Yahwe, ni kama mkondo kiberiti, na utawsha moto.

< Isaia 30 >