< Hosea 9 >

1 Aza dia fatra-pifaly loatra, toy ny firenena hafa, ry Isiraely; Fa ianao efa nijangajanga niala tamin’ Andriamanitrao sady efa tia tangy teny am-pamoloana rehetra;
noli laetari Israhel noli exultare sicut populi quia fornicatus es a Deo tuo dilexisti mercedem super omnes areas tritici
2 Ny famoloana sy ny fanantazana tsy hahavelona azy, ary hahadiso fanantenana azy ny ranom-boaloboka.
area et torcular non pascet eos et vinum mentietur eis
3 Tsy honina ao amin’ ny tanin’ i Jehovah izy; Fa Efraima hiverina ho any Egypta ary hihinana zava-padina any Asyria.
non habitabunt in terra Domini reversus est Ephraim Aegyptum et in Assyriis pollutum comedit
4 Tsy hanidina divay ho fanatitra ho an’ i Jehovah izy, ary tsy hankasitrahany; Ny zavatra vonoiny hatao fanatitra dia ho toy ny fahan-kanina ho an’ ny mpisaona aminy: Izay rehetra homana izany dia voaloto; Fa ny haniny dia ho an’ ny tenany ihany, fa tsy ho tafiditra ao an-tranon’ i Jehovah.
non libabunt Domino vinum et non placebunt ei sacrificia eorum quasi panis lugentium omnes qui comedunt eum contaminabuntur quia panis eorum animae ipsorum non intrabit in domum Domini
5 Hanao ahoana kosa re ianareo, raha mby amin’ ny fotoam-pivavahana sy amin’ ny andro firavoravoana voatendrin’ i Jehovah?
quid facietis in die sollemni in die festivitatis Domini
6 Fa he! lasa izy noho ny fandringanana; Egypta no hanangona azy, Memfisa no handevina azy; Ny fana-bolafotsiny mahafinaritra dia ho lasan’ ny amiana, tsilo no ho ao an-dainy.
ecce enim profecti sunt a vastitate Aegyptus congregavit eos Memphis sepeliet eos desiderabile argenti eorum urtica hereditabit lappa in tabernaculis eorum
7 Tonga ireo andro famaliana, tonga ireo andro fanodiavana Ho fantatr’ Isiraely fa adala ny mpaminany, ary very saina ny olona tsindriam-panahy noho ny hamaroan’ ny helokao sy ny habetsahan’ ny fanoherana.
venerunt dies visitationis venerunt dies retributionis scitote Israhel stultum prophetam insanum virum spiritalem propter multitudinem iniquitatis tuae et multitudo amentiae
8 Efraima dia mizaha, nefa tsy avy amin’ Andriamanitro; Ny mpaminany dia fandriky ny mpamandri-borona eny amin’ ny alehany rehetra sy fanoherana ao an-tranon’ Andriamaniny.
speculator Ephraim cum Deo meo propheta laqueus ruinae super omnes vias eius insania in domo Dei eius
9 Fatra-panao ratsy toy ny tamin’ ny andro tany Gibea izy; Ka dia hotsarovana ny helony, ary hovaliana ny fahotany.
profunde peccaverunt sicut in diebus Gabaa recordabitur iniquitatis eorum et visitabit peccata eorum
10 Tahaka ny fahitana voaloboka any an-efitra no nahitako ny Isiraely, toy ny fahitana aviavy mialin-taona no nahitako ny razanareo; Nefa ireny dia tonga tany Bala-peora ka nanolo-tena ho amin’ ilay mampahamenatra, ka dia tonga fahavetavetana tahaka an’ ilay tiany ihany izy.
quasi uvas in deserto inveni Israhel quasi prima poma ficulneae in cacumine eius vidi patres eorum ipsi autem intraverunt ad Beelphegor et abalienati sunt in confusione et facti sunt abominabiles sicut ea quae dilexerunt
11 Ny amin’ i Efraima, hihelina toy ny voro-manidina ny voninahiny, ka tsy hisy hiteraka, na hanan’ anaka, na ho torontoronina.
Ephraim quasi avis avolavit gloria eorum a partu et ab utero et a conceptu
12 Na dia misy mitaiza zanaka aza izy, dia hofoanako ihany ireny, ka tsy hisy miangana; Eny, hahita loza koa izy amin’ ny handaozako azy!
quod si et enutrierint filios suos absque liberis eos faciam in hominibus sed et vae eis cum recessero ab eis
13 Efraima, raha araka ny hitako, dia voavoly ao amin’ ny tany mahafinaritra tahaka an’ i Tyro, nefa tsy maintsy mamoaka ny zanany ho amin’ ny mpamono izy.
Ephraim ut vidi Tyrus erat fundata in pulchritudine et Ephraim educit ad interfectorem filios suos
14 Jehovah ô, omeo azy ― inona no homenao azy? Omeo azy ny kibo tsy mahazo zaza sy ny nono ritra.
da eis Domine quid dabis eis da eis vulvam sine liberis et ubera arentia
15 Ao Gilgala ny fahotany rehetra, eny, tao no vao nankahalako azy; Noho ny faharatsian’ ny ataony dia horoahiko hiala ao an-tranoko izy; Tsy ho tia azy intsony Aho, mpiodina avokoa ny mpanapaka azy.
omnes nequitiae eorum in Galgal quia ibi exosos habui eos propter malitiam adinventionum eorum de domo mea eiciam eos non addam ut diligam eos omnes principes eorum recedentes
16 Voaratra Efraima, maina ny fakany, ka tsy hamoa izy; Eny, na dia miteraka aza izy, dia hovonoiko ny zanany mahafinaritra azy.
percussus est Ephraim radix eorum exsiccata est fructum nequaquam facient quod si et genuerint interficiam amantissima uteri eorum
17 Harian’ Andriamanitro izy, satria tsy nihaino Azy; Ka dia ho tonga mpirenireny any amin’ ny jentilisa izy.
abiciet eos Deus meus quia non audierunt eum et erunt vagi in nationibus

< Hosea 9 >