< Hosea 13 >

1 Raha niteny Efraima, dia nampangorohoro, ka nisandratra tao amin’ ny Isiraely izy. Dia nanota ny amin’ i Bala izy ka maty;
Efraimu alipozungumza, kulikuwa na tetemeko. Alijikuza katika Israeli, lakini akawa na hatia kwa sababu ya ibada ya Baali, naye akafa.
2 Ary ankehitriny dia mandroso manota izy, fa ny volafotsiny no anaovany sarin-javatra an-idina ho azy, dia sampy araka ny fahaizany, izay asan’ ny mpiasa avokoa; Ireny dia lazainy hoe: Aoka hanoroka ny ombilahy kely izay olona mamono zavatra hatao fanatitra.
Sasa wanafanya dhambi zaidi na zaidi. Wanatengeneza sanamu za chuma kutoka kwenye fedha zao, sanamu kwa kadiri ya ufanisi wao, zote ni kazi ya mafundi. Watu wanasema juu yao, 'Watu hawa watoao dhabihu na kumbusu ndama.'
3 Koa ho toy ny rahona maraina izy sy ho toy ny ando izay levona, raha mbola maraina ny andro, sy ho toy ny akofa izay paohin’ ny rivotra hiala amin’ ny fa noloana, ary ho toy ny setroka avy amin’ ny varavarana makarakara.
Kwa hiyo watakuwa kama mawingu ya asubuhi, kama umande unaoondoka mapema, kama makapi yanayotokana na upepo kutoka kwenye sakafu, na kama moshi utokao kwenye bomba.
4 Fa Izaho no Jehovah Andriamanitrao hatrany amin’ ny tany Egypta, ary tsy mahalala Andriamanitra afa-tsy Izaho ianao, sady tsy misy mpamonjy afa-tsy Izaho.
Lakini mimi ndimi Bwana, Mungu weko, tangu nchi ya Misri. Hutamjua Mungu mwingine bali mimi; wala zaidi yangu, hakuna mkombozi mwingine.
5 Izaho dia nahalala anao tany an-efitra, dia tany amin’ ny tany mampangetaheta.
Nilikujua jangwani, katika nchi yenye kame.
6 Araka ny ahitra teny aminy no nahavoky azy; Eny, voky izy, ka niavonavona ny fony; Koa izany no nanadinoany Ahy.
Wakati ulipokuwa na malisho, ulishiba; na wakati uliposhiba, moyo wako ukainuliwa. Kwa sababu hiyo umenisahau.
7 Ka dia tonga toy ny liona aminy Aho, toy ny leoparda amoron-dalana no famitsako.
Nitakuwa kama simba; kama chui nitaangalia kando ya njia.
8 Mamely azy toy ny famelin’ ny bera very anaka Aho, ka mandriatra ny sarom-pony, eny, any no andrapahako azy toy ny fandrapaky sy liom-bavy; Ny bibi-dia no hamiravira azy.
Nitawaangamiza kama dubu aliyenyang'anywa watoto wake. Nami nitararua vifua vyao, na huko nitawaangamiza kama simba, kama vile mnyama wa mwitu atakayerarua vipande vipande.
9 Izao no maharingana anao, ry Isiraely ô; Manohitra Ahy Izay famonjena anao ianao.
Nitawaangamiza, Israeli; nani atakayekusaidia?
10 Aiza ary izay mpanjakanao, Mba hamonjy anao ao an-tanànanao rehetra? Ary aiza ireo andriambaventinao, izay nantsoinao hoe: Omeo mpanjaka sy mpanapaka aho?
Mfalme wako yuko wapi, ili akuokoe katika miji yako yote? Wako wapi wakuu, ambao kwao umeniambia hivi, 'Nipe mfalme na wakuu'?
11 Nomeko mpanjaka ianao tamin’ ny fahatezerako, ary nesoriko izy tamin’ ny fahavinirako.
Nimekupa mfalme kwa hasira yangu, nikamchukua kwa ghadhabu yangu.
12 Voafehy ny helok’ i Efraima, voatahiry ny fahotany.
Uovu wa Efraimu umehifadhiwa; hatia yake imehifadhiwa.
13 Fanaintainana tahaka ny vehivavy raha miteraka no mahazo azy; Zazalahy tsy hendry izy, fa raha tonga ny fotoana, dia tsy mba mandroso ho eo amin’ ny fiterahan-jaza izy.
Atakuwa na uchungu wa kujifungua, lakini ni mwana mjinga, kwa maana wakati wa kuzaliwa, hatatoka tumboni.
14 Havotako tsy ho azon’ ny herin’ ny fiainan-tsi-hita izy; Hovonjeko ho afaka amin’ ny fahafatesana Izy; Ry fahafatesana ô, aiza ny aretina fandripahanao? Ry fiainan-tsi-hita ô, aiza ny fandringananao? Afenina tsy ho hitan’ ny masoko ny nenina. (Sheol h7585)
Je, nitawaokoa na mkono wa kaburi? Je, nitawaokoa na kifo? Ewe Mauti yako wapi mapigo yako? Ewe kaburi kuko wapi kuharibu kwako? Huruma itafichwa na macho yangu. (Sheol h7585)
15 Fa Efraima dia hahavokatra eo amin’ ny rahalahy; Nefa ho avy ny rivotra avy any atsinanana, dia ny rivotr’ i Jehovah miakatra avy any an-efitra, ka dia ho ritra ny loharanony, ary ho tankina ny fantsakany; Hobaboina ny rakitra, dia ny fanaka tsara rehetra.
Ingawa Efraimu anafanikiwa kati ya ndugu zake, upepo wa mashariki utakuja; upepo wa Bwana utapiga kutoka jangwani. Kijito cha maji cha Efraimu kitauka, na kisima chake hakitakuwa na maji. Adui yake atapora ghala lake la kila kitu cha thamani.
16 Hovaliana Samaria noho ny helony, Fa niodina tamin’ Andriamaniny izy; Ho lavon-tsabatra izy, ny zanany madinika hotorotoroina, ary izay bevohoka eo aminy hotatahana.
Samaria itakuwa na hatia, kwa sababu amemuasi dhidi ya Mungu wake. Wataanguka kwa upanga; watoto wao wadogo watavunjwa, na wanawake wao wajawazito watatambuliwa wazi.

< Hosea 13 >