< Hosea 12 >

1 Efraima homan-drivotra sady manenjika ny rivotra avy any atsinanana, mandritra ny andro dia ataony betsaka ny lainga sy ny fandozana; Manao fanekena amin’ ny Asyriana izy, ary diloilo no entina ho any Egypta.
Efraimu hujilisha upepo na kufuata upepo wa mashariki. Yeye daima huzidisha uongo na unyanyasaji. Wanafanya agano na Ashuru na huchukua mafuta ya Misri.
2 Manana ady amin’ i Joda koa Jehovah ary tsy maintsy mamaly an’ i Jakoba araka ny alehany, ka hatsingeriny aminy ny nataony.
Bwana pia ana mashtaka dhidi ya Yuda na ataadhibu Yakobo kwa yale aliyoyatenda; atamlipa kwa matendo yake.
3 Fony mbola tany am-bohoka dia nihazona ny ombelahin-tongotry ny rahalahiny izy, ary rehefa lehibe izy, dia nitolona tamin’ Andriamanitra;
Katika tumbo Yakobo akamshika ndugu yake kisigino, na katika ubinadamu wake alijitahidi kwa Mungu.
4 Eny, nitolona tamin’ Ilay Anjely izy ka nahery; Nitomany izy sady nifona taminy; Nahita azy tao Betela Izy, ary tao no niresahany tamintsika;
Alishindana na malaika akashinda. Alilia na kuomba kwa neema yake. Alikutana na Mungu huko Betheli; huko Mungu aliongea naye.
5 Jehovah, Andriamanitry ny maro, Jehovah no hahatsiarovana Azy.
Huyu ndiye Bwana, Mungu wa majeshi; “Yahweh” ndilo jina lake.
6 Koa miverena amin’ Andriamanitrao ianao; Tandremo ny famindram-po sy ny rariny. Ary miandrasa an’ Andriamanitrao mandrakariva.
Basi tembea kwa Mungu wako. Shika uaminifu na uhuru wa agano, na umsubiri Mungu wako daima.
7 Kanana eny an-tànany misy mizana miangatra, ny manambaka no tiany.
Wafanyabiashara wana mizani ya uongo mikononi mwao; wanapenda kudanganya.
8 Fa hoy Efraima: Fiharian-karena ihany no efa nataoko, nahazo fananana aho; Ny asako rehetra tsy misy hahatonga fahotana na heloka amiko.
Efraimu akasema, “Kwa hakika mimi ni tajiri sana; Nimepata utajiri kwa nafsi yangu. Katika kazi yangu yote hawataona uovu wowote ndani yangu, chochote ambacho kitakuwa dhambi.”
9 Nefa Izaho no Jehovah Andriamanitrao hatrany amin’ ny tany Egypta; Ary mbola hampiditra anao an-day indray Aho tahaka ny tamin’ ny fotoam-pivavahana.
Mimi ndimi Bwana, Mungu wako, tangu ulipotoka nchi ya Misri. Nitakufanya uishi tena katika hema, kama siku za karamu iliyowekwa.
10 Efa niteny tamin’ ny mpaminany koa Aho, sady Izaho no nahabetsaka ny fahitana, ary ny mpaminany dia nampilazaiko ohatra.
Niliwaambia manabii, na nimewapa maono mengi kwa ajili yenu. Kwa mkono wa manabii nilitoa mifano.
11 Raha tena heloka Gileada, dia ho tonga zava-poana tokoa izy; Tany Gilgala no namonoany omby betsaka ho fanatitra, koa ny alitarany dia ho toy ny korontam-bato eny am-bavasa any an-tsaha.
Ikiwa kuna uovu huko Gileadi, hakika watu hawafai. Gilgali wanachinja ng'ombe; madhabahu zao zitakuwa kama miundo ya jiwe katika miamba ya mashamba.
12 Jakoba nandositra ho any amin’ ny tany Syria, Isiraely nanompo hahazoany vady, eny, ny hahazoany vady no niandrasany ondry aman’ osy.
Yakobo akakimbia mpaka nchi ya Aramu; Israeli alifanya kazi ili kupata mke; naye akachunga kundi la kondoo ili kupata mke.
13 Mpaminany no nentin’ i Jehovah nitondra ny Isiraely nivoaka avy tany Egypta, ary mpaminany koa no nentina niahy azy
Bwana akawaleta Israeli kutoka Misri kwa kutumia nabii, naye akawatunza kwa nabii.
14 Nanao izay nahatezitra indrindra Efraima, ka dia havelan’ ny Tompony ho eo aminy ny ràny, ary hatsingeriny aminy ny vava ratsy nataony.
Efraimu amemkasirisha sana Bwana. Basi Bwana wake ataachia damu yake, naye atamrudishia aibu yake.

< Hosea 12 >