< Ezekiela 17 >
1 Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
Et factum est verbum Domini ad me, dicens:
2 Ry zanak’ olona, manaova fampanonona, ary milazà fanoharana amin’ ny taranak’ Isiraely,
Fili hominis propone aenigma, et narra parabolam ad domum Israel,
3 ka ataovy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Nisy voromahery lehibe nanana elatra lehibe, sady lava ny volon’ elany, ary nisoratsoratra avokoa ny volony rehetra; dia tonga tao Libanona izy ka naka izay avo indrindra amin’ ny rantsan’ ny sedera;
et dices: Haec dicit Dominus Deus: Aquila grandis magnarum alarum, longo membrorum ductu, plena plumis, et varietate, venit ad Libanum, et tulit medullam cedri.
4 ny tendron’ ny tarony dia nolaingosany ka nentiny ho any amin’ ny tany fandrantoana; eny, tao an-tanànan’ ny mpandranto no namboleny azy.
Summitatem frondium eius avulsit: et transportavit eam in Terram Chanaan, in urbe negotiatorum posuit illam.
5 Nangalany koa ny voan-javatra tamin’ ny tany ka namboleny tao amin’ ny tany lonaka; nentiny ho eo amoron’ ny rano be iny ka nataony araka ny fanao amin’ ny hazomalahelo.
Et tulit de semine terrae, et posuit illud in terra pro semine, ut firmaret radicem super aquas multas: in superficie posuit illud.
6 Dia naniry iny ka tonga voaloboka iva misandrahaka, mba hitodihan’ ny rantsany ho eo aminy ary ny fakany ho ao ambaniny; ka dia tonga voaloboka izy ka nandrantsana sy nanaroka.
Cumque germinasset, crevit in vineam latiorem, humili statura, respicientibus ramis eius ad eam: et radices eius sub illa erant. facta est ergo vinea, et fructificavit in palmites, et emisit propagines.
7 Ary nisy voromahery lehibe hafa koa nanana elatra lehibe sady be volo, ary, indro, manina azy izany voaloboka izany ka nampanatona ny fakany hankany aminy sady nampanaroka ny rantsany avy tamin’ ny tany voafaritra nambolena azy mba hankany aminy koa mba holemany.
Et facta est aquila altera grandis magnis alis, multisque plumis: et ecce vinea ista quasi mittens radices suas ad eam, palmites suos extendit ad illam, ut irrigaret eam de areolis germinis sui.
8 Voavoly tao amin’ ny saha tsara teo amoron’ ny rano be izy mba handrantsana sy hamoa ka ho voaloboka tsara indrindra.
In terra bona super aquas multas plantata est: ut faciat frondes, et portet fructum, ut sit in vineam grandem.
9 Ataovinao hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Ho vanona va izy? Tsy hongotana va ny fakany, ary hotazana ny voany, mba halazo izy? Halazo ny raviny rehetra, raha vao mitsimoka, ka na dia ny sandry mahery sy ny vahoaka betsaka aza tsy hahay mampaniry azy avy amin’ ny fakany intsony.
Dic: Haec dicit Dominus Deus: Ergone prosperabitur? nonne radices eius evellet, et fructus eius distringet, et siccabit omnes palmites germinis eius, et arescet: et non in brachio grandi, neque in populo multo, ut evelleret eam radicitus?
10 Koa, indro, na dia voavoly aza izy, moa ho vanona va? Tsy halazo tokoa va izy, raha asian’ ny rivotra avy any atsinanana? Eny, halazo eo amin’ ny tany voafaritra naniriany izy.
Ecce plantata est: ergone prosperabitur? nonne cum tetigerit eam ventus urens siccabitur, et in areis germinis sui arescet?
11 Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
Et factum est verbum Domini ad me, dicens:
12 Lazao amin’ ny taranaka maditra hoe: Tsy fantatrareo va ny hevitr’ ireto zavatra ireto? Lazao aminy hoe: Indro, efa tonga tany Jerosalema ny mpanjakan’ i Babylona ka naka ny mpanjaka sy ny mpanapaka tao, dia nitondra azy ho any aminy any Babylona.
Dic ad domum exasperantem: Nescitis quid ista significent? Dic: Ecce venit rex Babylonis in Ierusalem: et assumet regem, et principes eius, et adducet eos ad semetipsum in Babylonem.
13 Ary naka ny anankiray tamin’ ny taranaky ny mpanjaka izy, dia nanao fanekena taminy ka nampianiana azy, ary ny lehilahy mahery tamin’ ny tany dia nentiny nandeha,
Et tollet de semine regni, ferietque cum eo foedus: et ab eo accipiet iusiurandum. sed et fortes terrae tollet,
14 mba hietry ny fanjakana ka tsy hiarina, mba hotandremana ny fanekeny ka haharitra.
ut sit regnum humile, et non elevetur, sed custodiat pactum eius, et servet illud.
15 Fa niodina taminy izy ka naniraka olona hankany Egypta, mba hanome soavaly sy olona maro azy ireo. Moa hambinina va izy? Ho afa-mandositra va izay manao toy izany? Nivadika ny fanekena izy, ka ho afa-mandositra va?
Qui recedens ab eo misit nuncios ad Aegyptum ut daret sibi equos, et populum multum. Numquid prosperabitur, vel consequetur salutem qui fecit haec? et qui dissolvit pactum, numquid effugiet?
16 Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia any amin’ ny tanin’ ilay mpanjaka nampanjaka azy sady nampianiana azy nefa nohamavoiny ny fianianana, ary nivadihany ny fanekeny eny, any amin’ io, any Babylona, no hahafatesany.
Vivo ego, dicit Dominus Deus: quoniam in loco regis, qui constituit eum regem, cuius fecit irritum iuramentum, et solvit pactum, quod habebat cum eo, in medio Babylonis morietur.
17 Ary amin’ ny hanandratan’ ireo tovon-tany sy ny hanaovany tilikambo handringanana olona maro, dia tsy hanampy azy amin’ ny ady akory Farao, na dia manana miaramila maro sy vahoaka betsaka aza.
Et non in exercitu grandi, neque in populo multo faciet contra eum Pharao praelium: in iactu aggeris, et in extructione vallorum ut interficiat animas multas.
18 Fa efa nanamavo ny fianianana izy tamin’ ny nivadihany ny fanekena, fa he! efa nanolotra ny tànany izy, kanjo nanao izany rehetra izany ihany, dia tsy ho afa-mandositra izy.
Spreverat enim iuramentum ut solveret foedus, et ecce dedit manum suam: et cum omnia haec fecerit, non effugiet.
19 Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Raha velona koa Aho, ny fampianianako izay nohamavoiny ary ny fanekeko izay nivadihany dia hatsingeriko ho eo an-dohany tokoa.
Propterea haec dicit Dominus Deus: Vivo ego, quoniam iuramentum, quod sprevit, et foedus, quod praevaricatus est, ponam in caput eius.
20 Ary ny fandrika haratoko dia hovelariko aminy, ka ho voan’ ny fandriko izy, ary ho entiko any Babylona ka hotsaraiko any noho ny nivadihany tamiko.
Et expandam super eum rete meum, et comprehendetur in sagena mea: et adducam eum in Babylonem, et iudicabo eum ibi in praevaricatione, qua despexit me.
21 Ary ny miaramilany rehetra izay afa-mandositra dia ho lavon’ ny sabatra, ary izay sisa dia haely ho amin’ ny rivotra rehetra, ka dia ho fantatrareo fa Izaho Jehovah no niteny izany.
Et omnes profugi eius cum universo agmine suo, gladio cadent: residui autem in omnem ventum dispergentur: et scietis quia ego Dominus locutus sum.
22 Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Izaho dia haka amin’ ny rantsana avo indrindra amin’ ny sedera avo, ka hamboleko izany; holaingosako ny tendron’ ny laingony milenodenoka, ka hamboleko ao amin’ ny tendrombohitra avo sy milangalanga izany.
Haec dicit Dominus Deus: Et sumam ego de medulla cedri sublimis, et ponam: de vertice ramorum eius tenerum distringam, et plantabo super montem excelsum et eminentem.
23 Ao amin’ ny tendrombohitra avon’ ny Isiraely no hamboleko azy; ary handrantsana sy hamoa izy ka ho tonga sedera tsara indrindra, ary ny vorona samy hafa rehetra hitoetra ao aminy; ao amin’ ny alokaloky ny rantsany no hitoerany.
In monte sublimi Israel plantabo illud, et erumpet in germen, et faciet fructum, et erit in cedrum magnam: et habitabunt sub ea omnes volucres, et universum volatile sub umbra frondium eius nidificabit.
24 Ary ho fantatry ny hazo rehetra any an-tsaha fa Izaho Jehovah no efa nanetry ny hazo avo ka nanandratra ny hazo iva ary nandazo ny hazo maitso ka nampaniry ny hazo maina; Izaho Jehovah no niteny sady nanao izany.
Et scient omnia ligna regionis, quia ego Dominus humiliavi lignum sublime, et exaltavi lignum humile: et siccavi lignum viride, et frondere feci lignum aridum. Ego Dominus locutus sum, et feci.