< Ezekiela 13 >
1 Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
And the word of the Lord came unto me, saying,
2 Ry zanak’ olona, maminania ny hamelezana ny mpaminanin’ ny Isiraely izay maminany, ka lazao amin’ izay maminany araka ny fony hoe: Mihainoa ny tenin’ i Jehovah ianareo.
Son of man, prophesy against the prophets of Israel that prophesy, and say thou unto those that prophesy out of their own heart, Hear ye the word of the Lord:
3 Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Lozan’ ny mpaminany adala, izay manaraka ny fanahiny sy ny zavatra tsy hitany.
Thus hath said the Lord Eternal, Woe unto the scandalous prophets, that follow their own spirit, without having seen any thing!
4 Tahaka ny amboahaolo any an-tanàna haolo ny mpaminaninao, ry Isiraely.
Like foxes among the ruins have been thy prophets, O Israel!
5 Tsy niakatra ho eo amin’ ny banga ianareo, sady tsy nanao manda hiarovana ny taranak’ Isiraely mba hifaharany amin’ ny ady amin’ ny andron’ i Jehovah.
Ye did not go up into the breaches, nor did ye make a fence around the house of Israel to stand in the battle on the day of the Lord.
6 Mahita zava-poana sy faminaniana lainga ireo izay manao hoe: Hoy Jehovah, nefa tsy nirahin’ i Jehovah izy tsinona, hahazoany manantena ny hahatòvan’ ny teny
They saw falsehood and lying divination, they who say, “The Lord saith,” when the Lord had not sent them; and yet they made others hope for the fulfillment of the word.
7 Moa tsy fahitana tsy izy no hitanareo, ary faminaniana lainga no lazainareo, raha hoy ianareo: Jehovah no nilaza izany; kanefa tsy nilaza izany Aho tsinona?
Had ye not seen a false vision, and had ye not said a lying divination? and ye say, “The Lord saith,” when I have not spoken.
8 Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Noho ny nilazanareo anoano foana sy ny nahitanareo lainga, dia, indro, hamely anareo Aho, hoy Jehovah Tompo.
Therefore thus hath said the Lord Eternal, Whereas ye have spoken falsehood, and have seen lies: therefore, behold, I am against you, saith the Lord Eternal.
9 Ary ny tanako no hamely ny mpaminany izay mahita anoano foana sy maminany lainga; tsy ho isan’ ny mpanolo-tsainan’ ny oloko na ho voasoratra amin’ ny bokin’ ny taranak’ Isiraely izy sady tsy hiditra ao amin’ ny tanin’ ny Isiraely; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Tompo.
And my hand shall be against the prophets that see false-hood, and that divine lies; in the secret council of my people shall they not be, and in the register of the house of Israel shall they not be written, and into the land of Israel shall they not come: and ye shall know that I am the Lord Eternal.
10 Noho ny nampiviliany ny oloko tamin’ ny nanaovany hoe: Fiadanana, kanjo tsy nisy fiadanana tsinona; ary raha manao ampiantany ny oloko, dia, indreo, izy no mandalotra azy amin’ ny feta tsy madity,
Because, even because they have seduced my people, saying, “Peace,” when there was no peace: and [my people] build a protecting wall, and lo, they plaster it with unadhesive mortar.
11 koa lazao amin’ izay mandalotra azy amin’ ny feta tsy madity fa hirodana izy; hisy ranonorana mifafy; eny, milatsaha ianareo, ry havandra vaventy; ary mifofofofoa ianareo, ry tafiodrivotra.
Say unto those who plaster it with unadhesive mortar, that it shall fall: there cometh an overflowing rain-shower; and ye, O great hailstones, shall fall; and a storm-wind shall rend it.
12 Indro, raha mirodana ny ampiantany, tsy holazaina aminareo hoe va: Aiza ny lalotra izay nandaloranareo azy?
And, lo, the wall is fallen down; will it not now be said unto you, Where is the plastering wherewith ye have plastered?
13 Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Hampifofofofo ny tafio-drivotra amin’ ny fahatezerako Aho; ary hisy ranonorana mifafy amin’ ny fahatezerako sy havandra vaventy amin’ ny fahavinirako hahafongana azy.
Therefore thus hath said the Lord Eternal, I will even rend it with storm-winds in my fury; and an overflowing rain-shower shall come in my anger, with great hailstones in my fury to destroy it.
14 Dia harodako ny ampiantany izay nolalorinareo tamin’ ny feta tsy madity, ka ho fongotra hatramin’ ny tany izy, ary hiseho ny fanambaniny; eny, hirodana izy, ka haringana ao anatiny ianareo; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
And I will pull down the wall that ye have plastered with unadhesive mortar, and I will cast it down to the ground, so that the foundation thereof shall be laid open; and it shall fall, and ye shall be destroyed in the midst of it: and ye shall know that I am the Lord.
15 Dia hotanterahiko amin’ ny ampiantany sy izay mandalotra azy amin’ ny feta tsy madity ny fahatezerako, ary holazaiko aminareo hoe: Tsy misy intsony ny manda sy izay mpandalotra azy,
Thus will I let out all my wrath upon the wall, and upon those that have plastered it with unadhesive mortar; and I will say unto you, Gone is the wall, and gone are they that plastered it;
16 dia ny mpaminanin’ ny Isiraely izay maminany ny amin’ i Jerosalema sy izay mahita fahitana fiadanana ho azy, kanjo tsy misy fiadanarla tsinona, hoy Jehovah Tompo.
[Namely, ] the prophets of Israel who prophesy concerning Jerusalem, and who see for her a vision of peace, when there is no peace, saith the Lord Eternal.
17 Koa ianao, ry zanak’ olona, handrino mafy ny zanakavavin’ ny firenenao, izay manao faminaniana araka ny fony, ary maminania ny hamelezana azy,
But, thou son of man, set thy face against the daughters of thy people, who prophesy out of their own heart: and prophesy against them,
18 ka ataovy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Lozan’ ny vehivavy rehetra izay manjaitra fono ho ao amin’ ny famavanin’ ny tanana rehetra, ary manao fisaronana antonona amin’ ny loha samy hafa rehetra mba hihaza fanahy! Ny fanahin’ ny oloko dia hazainareo, nefa ny fanahinareo kosa velominareo!
And say, Thus hath said the Lord Eternal, Woe to the women that sew bolsters together for the armpits of all, and make cushions for the head of every stature, to hunt souls! Will ye hunt the souls of my people, that ye may keep your own soul alive?
19 Ary manamavo Ahy ao amin’ ny oloko ianareo noho ny vary hordea eran-tànan-ila sy ny sombi-mofo, mba hahafaty ny fanahy izay tsy tokony ho faty ary hahavelona ny fanahy izay tsy tokony hovelomina, amin’ ny andainganareo amin’ ny oloko izay mihaino ny lainganareo.
And ye profane me among my people for handfuls of barley and for bits of bread, to slay the souls that should not die, and to keep alive the souls that should not live, by your lying to my people that listen to lies!
20 Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, hosimbako ny fononareo, izay entinareo hihaza ny fanahy any, mba hahafahan’ ireny hanidina, eny, hotriariko hiala amin’ ny sandrinareo izy, ka halefako hanidina ny fanahy izay nohazainareo.
Therefore thus hath said the Lord Eternal, Behold, I am against your bolsters, whereon ye hunt the souls that they may flutter [in your net], and I will tear them away from your arms; and I will let the souls go free, even the souls that ye hunt that they may flutter [in your net.]
21 Hotriariko koa ny fisaronanareo, ka hovonjeko ho afaka amin’ ny tananareo ny oloko, dia tsy ho azon’ ny tananareo ho haza intsony izy; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
And I will tear away your cushions, and deliver my people out of your hand, and they shall be no more in your hand to be hunted: and ye shall know that I am the Lord.
22 Satria lainga no entinareo mampalahelo ny fon’ ny marina, izay tsy nampalaheloviko, sady entinareo manatanjaka ny tanan’ ny ratsy fanahy, tsy hialany amin’ ny lalan-dratsiny mba hamelomana azy,
Because ye grieve the heart of the righteous with falsehood, when I have not given him pain; and strengthen the hands of the wicked, so that he should not return from his wicked way, through which he might live.
23 dia tsy hahita anoano foana na hanao faminaniana intsony ianareo; fa hovonjeko ho afaka amin’ ny tananareo ny oloko; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
Therefore shall ye see no more falsehood, and tell no more divinations; and I will deliver my people out of your hand: and ye shall know that I am the Lord.