< Eksodosy 15 >
1 Ary Mosesy sy ny Zanak’ Isiraely dia nihira izao fihirana izao ho an’ i Jehovah ka nanao hoe: Hihira ho an’ i Jehovah aho, fa avo indrindra Izy; ny soavaly sy ny mpitaingina azy efa nariany ao amin’ ny ranomasina.
Kisha Musa na watu wa Israeli wakaimba hii nyimbo kwa Yahweh. Waliimba, “Nitaimba kwa Yahweh, kwa kuwa ameshinda kwa utukufu; farasi na dereva wake amewatupa kwenye bahari.
2 Jehovah no heriko sy fiderako, fa efa famonjena ahy Izy; izao no Andriamanitro, ka hankalaza Azy aho, dia Andriamanitry ny razako, ka hanandratra Azy aho.
Yahweh ni uweza wangu na nyimbo yangu, na amekuwa wokovu wangu. Huyu ni Mungu wangu, na nitamsifu, Mungu wa baba yangu, nitamtukuza.
3 Jehovah dia mpiady mahery, Jehovah no anarany.
Yahweh ni shujaa; Yahweh ni jina lake.
4 Ny kalesin’ i Farao sy ny miaramilany natsipiny ao amin’ ny ranomasina; ary ny kapiteny voafantina nasitrika ao amin’ ny Ranomasina Mena.
Ametupa magari ya farasi ya Farao na jeshi lake kwenye bahari. Maafisa wa Farao hodari walizama kwenye Bahari ya Shamu.
5 Ny lalina nanarona azy: Nilentika tany ambany indrindra tahaka ny vato izy.
Kina kiliwafunika; walienda kwenye kina kama jiwe.
6 Ny tananao ankavanana, Jehovah ô, efa malaza amin’ ny hery; ny tananao ankavanana, Jehovah ô, manorotoro ny fahavalo.
Mkono wako wakulia, Yahweh, una nguvu ya utukufu; mkono wako, Yahweh, umewavunja adui.
7 Amin’ ny halehiben’ ny voninahitrao no andringananao izay nitsangana hanohitra Anao; alefanao ny fahatezeranao mirehitra, izay mandevona azy toy ny mololo.
Kwa utukufu mkubwa umewapindua walio inuka dhidi yako. Umetuma gadhabu; imewateketeza kama karatasi.
8 Ary ny fofonain’ ny vavoronao no nanangonanao ny rano; nivongovongo toy ny antontan-javatra ny rano maria; nandry teo afovoan’ ny ranomasina ny lalina.
Kwa pumzi ya pua yako maji yalijaa; maji yanayo tembea yalisimama wima na kujaa juu; maji yalikuwa manene ndani ya kilindi cha bahari.
9 Hoy ny fahavalo: Hanenjika aho, hahatratra aho, hizara babo aho ka hanao izay sitraky ny foko aminy, hotsoahako ny sabatra, ka hamongotra azy ny tanako.
Adui alisema, 'Nitakimbiza, nitapita, nitagawa nitakacho chukuwa; tamanio langu litatimizwa kwao; nitavuta upanga wangu; mkono wangu utawaharibu wao.'
10 Ny fofonainao no nitsofanao, dia nanarona azy ny ranomasina: nilentika tahaka ny firaka ao amin’ ny rano mahery izy.
Lakini ulipuliza kwa upepo wako, na bahari ikawafunika wao; walizama kama chuma nzito kwenye maji mengi.
11 Jehovah ô, iza moa no tahaka Anao amin’ izay andriamanitra? Iza moa no tahaka Anao, Izay ankalazaina amin’ ny fahamasinana, deraina amin’ ny fahatahorana, Mpanao fahagagana?
Ni nani kama wewe, Yahweh, miongoni mwa miungu? Nani kama wewe, mtakatifu wa utukufu, katika sifa umetukuzwa, anaye fanya miujiza?
12 Nahinjitrao ny tananao ankavanana, dia nitelina ireo ny tany.
Ulinyoosha mkono wako wa kulia, na dunia ikawameza.
13 Tarihinao amin’ ny famindram-ponao ny firenena izay navotanao, ka entinao amin’ ny herinao ho any amin’ ny fonenanao masìna izy.
Katika uaminifu wa agano lako umewaongoza watu ulio waokoa. Katika uweza wako umewaongoza katika sehemu takatifu unayo ishi.
14 Mandre ny firenena ka raiki-tahotra; Hovitra no mahazo ny mponina any Filistia;
Watu watasikia, na watatetemeka; hofu itawakumba wakazi wa Filistia.
15 Toran-kovitra ny loham-pirenen’ i Edoma; azon-korohoro ny lehilahy maherin’ i Moaba; reraka ny fon’ izay rehetra monina any Kanana.
Kisha wazee wa Edomu wataogopa; wanajeshi wa Moabu watetemeka; wakazi wote wa Kanani watayayuka.
16 Mahazo azy ny tahotra sy ny hovitra; Noho ny halehiben’ ny sandrinao dia mangìna tahaka ny vato izy, mandra-pandalon’ ny olonao, Jehovah ô, mandra-pandalon’ny olona izay navotanao.
Mshituko na hofu vitawaangukia. Kwasababu ya nguvu ya mkono wako, watakuwa kimya kama jiwe hadi watu wako watakapo pita, Yahweh - hadi watu ulio waokoa watakapo pita.
17 Dia hampiditra azy Hianao ka hamponina azy ao amin’ ny tendrombohitra lovanao, ao amin’ ny fitoerana nataonao hitoeranao, Jehovah ô, dia ao amin’ ny fitoerana masìna naorin’ ny tananao, Tompo ô.
Utawaleta na kuwapanda kwenye mlima wa urithi wako, sehemu, Yahweh, ulio jenga ya kuishi, sehemu takatifu, Bwana wetu, mikono yako iliyo jenga.
18 Jehovah hanjaka mandrakizay doria.
Yahweh ata tawala milele na milele.”
19 Fa niditra teo amin’ ny ranomasina ny soavalin’ i Farao sy ny kalesiny ary ny mpitaingin-tsoavaliny, ary Jehovah nampikatona ny ranomasina taminy; fa ny Zanak’ Isiraely kosa nandeha tamin’ ny tany maina teo afovoan’ ny ranomasina.
Kwa kuwa farasi wa Farao walienda na magari ya farasi na wapanda farasi kwenye bahari. Yahweh alileta maji ya bahari juu yao. Lakini Waisraeli walienda juu ya nchi kavu katikati ya bahari.
20 Ary Miriama mpaminanivavy, anabavin’ i Arona, dia nitondra ny ampongatapaka teny an-tànany; ary nivoaka nanaraka azy ny vehivavy rehetra nitondra ampongatapaka sady nandihy.
Miriamu nabii wa kike, dada wa Aruni, akanyanyua tari, na wanawake wote wakatoka na matari, wakicheza nae.
21 Ary Miriama namaly ireo lehilahy ireo ka nihira hoe: Mihira ho an’ i Jehovah, fa avo indrindra Izy; ny soavaly sy ny mpitaingina azy nariany ao amin’ ny ranomasina.
Miriamu akawaimbia: “Muimbieni Yahweh, kwa kuwa ameshinda kwa utukufu. Farasi na mpanda farasi amewatupa baharini.
22 Ary Mosesy nitondra ny Isiraely nifindra avy teo amoron’ ny Ranomasina Mena, dia nandroso ho any amin’ ny efitra Sora izy; ary nandeha hateloana tany an-efitra izy fa tsy nahita rano.
Kisha Musa akaongoza Israeli mbele kupita Bahari ya Shamu. Walienda nyikani ya Shuri. Walisafiri kwa siku tatu nyikani pasipo kuona maji yeyote.
23 Dia tonga tao Mara izy, fa tsy nahasotro ny rano tao Mara, satria nangidy izany; koa izany no nanaovany ny anarany hoe Mara
Kisha wakaja Mara, lakini hawakunywa maji ya huko kwasababu yalikuwa machungu. Hivyo wakaita hiyo sehemu Mara.
24 Dia nimonomonona tamin’ i Mosesy ny olona ka nanao hoe: Inona no hosotroinay?
Hivyo watu wakamlalamikia Musa na kusema, “Nini tunaweza kunywa?”
25 Ary dia nitaraina tamin’ i Jehovah izy, ka dia nanehoan’ i Jehovah hazo anankiray, ary rehefa natsipiny tao anatin’ ny rano izany, dia tonga mamy ny rano. Tao no nanomezan’ i Jehovah lalàna sy fitsipika ho azy, ary tao no nizaha ny toetra azy,
Musa akamlilia Yahweh, na kumonyesha mti. Musa akautupa kwenye maji, na maji yakawa matamu kunywa. Ndio pale Yahweh alipowapa sheria kali, na ndio pale alipo wajaribu.
26 ka hoy Izy: Raha hazoto hihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hanao izay mahitsy eo imasony sy hihaino ny lalàny ary hitandrina ny didiny rehetra, dia tsy hisy hataoko aminao ireny aretina rehetra ireny, izay nataoko tamin’ ny Egyptiana; fa Izaho no Jehovah Izay mahasitrana anao.
Alisema, “Kama utasikiliza sauti ya Yahweh Mungu wako kwa umakini, na kufanya yalio sahihi machoni pake, na kama utatega sikio kwa amri zake na kutii sheria zake zote - sitawaekea ninyi magonjwa yale niliyo waekea Wamisri, kwa kuwa mimi ni Yahweh ninaye kuponya.”
27 Ary tonga tao Elima izy; ary tao nisy loharano roa ambin’ ny folo sy hazo rofia fito-polo, dia nitoby teo anilan’ ny rano izy.
Kisha watu wakaja Elimu, palipo kuwa na chemichemi kumi na mbili za maji na miti sabini ya mtende. Walieka kambi hapo pembeni ya maji.