< Deotoronomia 10 >

1 Tamin’ izany andro izany no nilazan’ Jehovah tamiko hoe: Manamboara vato fisaka roa ho anao tahaka ilay teo, ka miakara ho etỳ amiko etỳ an-tendrombohitra, ary manaova fiara hazo ho anao;
Kwa wakati ule Yahwe alisema kwangu, 'Chonga mbao mbili za mawe kama zile za kwanza, na njoo kwangu huku juu ya mlima, na utengeneze sanduku la mbao.
2 dia hosoratako amin’ ny vato fisaka ilay teny teo amin’ ny vato fisaka nomontsamontsaninao, ka hataonao ao anatin’ ny fiara ireny.
Nitaandika kwenye mbao maneno ambayo yalikuwa kwenye mbao za kwanza ulizozivunja, na utaziweka ndani ya sanduku.
3 Dia nanao fiara tamin’ ny hazo akasia aho ka nanamboatra vato fisaka roa tahaka ny teo, dia niakatra tao an-tendrombohitra aho ka nitondra ny vato fisaka roa teny an-tanako.
Basi nilitengeneza sanduku la mbao za mikaratusi, na nikachonga mbao mbili za mawe kwa zile za kwanza, na nikaenda juu ya mlima, nikiwa na mbao mbili mkononi mwangu.
4 Dia nasiany soratra tahaka ny teo ihany ny vato fisaka, dia ny Didy Folo Izay nolazain’ i Jehovah taminareo tao an-tendrombohitra tao amin’ ny afo tamin’ ny andro nivoriana; dia nomen’ i Jehovah ahy ireny.
Aliandika kwenye mbao, kama maandishi ya kwanza, amri kumi ambazo Yahwe amesema nanyi kwenye mlima kutoka katikati mwa moto katika siku ya kusanyiko; ndipo Yahwe alilinipa mimi.
5 Dia nihodina aho ka nidina niala teo amin’ ny tendrombohitra, ary ny vato fisaka napetrako tao anatin’ ny fiara izay efa nataoko, dia mbola ao ihany ireny, araka izay nandidian’ i Jehovah ahy.
Niligeuka na kushuka chini kutoka mlimani, na kuweka mbao ndani ya sanduku nililokuwa nimetengeneza; hapo zilikaa, kama Yahwe alivyoniamuru.”
6 Ary ny Zanak’ Isiraely nandeha niala tamin’ ny fantsakan’ i Bene-jakana ka nankany Mosera; tao no nahafatesan’ i Arona, ary tao no nandevenana azy; ary Eleazara zanany no tonga mpisorona nandimby azy.
(Watu wa Israeli walisafiri kutoka Beerothi ya Bene Jaakan kwenda Moserathi. Huko Aaroni alikufa, na huko alizikwa; Eleazar, mwana wake, alitumika katika ofisi ya ukuhani kwenye nafasi yake.
7 Ary nony niala tao izy, dia nankany Godgoda; ary nony niala tao Godgoda izy, dia nankany Jotbata, tany be ony.
Kutokea huko walisafiri kwenda Gudgodah, na kutoka Gudgodah kwenda Jotbathah, nchi yenye mikondo ya maji.
8 Tamin’ izany andro izany no nanokana an’ i Jehovah ny firenen’ i Levy hitondra ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah sy hijanona eo anatrehan’ i Jehovah hanao fanompoam-pivavahana aminy sy hitso-drano amin’ ny anarany mandraka androany.
Kwa wakati huo Yahwe alichagua kabila la Lawi kubeba sanduku la agano la Yahwe, kusimama mbele ya Yahwe kumtumikia na kubariki watu kwa jina lake, kama ilivyo leo.
9 Izany no tsy ananan’ ny Levita anjara na lova eo amin’ ny rahalahiny; Jehovah no lovany, araka izay nolazain’ i Jehovah Andriamanitrao taminy.
Kwa hiyo Lawi hawana sehemu wala urithi wa nchi pamoja na ndugu zake; Yahwe ni urithi wao, kama Yahwe Mungu wenu alizungumza naye)
10 Ary izaho nitoetra efa-polo andro sy efa-polo alina tao an-tendrombohitra tahaka ilay teo ihany; ary Jehovah nihaino ahy tamin’ izany andro izany koa ka tsy nety nandringana anao.
“Nilibaki kwenye mlima kama ilivyokuwa mara ya kwanza, siku arobaini na usiku arobaini. Yahwe alinisikiliza wakati huo pia; Yahwe hakutaka kukuangamiza.
11 Dia hoy Jehovah tamiko: Miaingà, mandehana eo alohan’ ny olona, hidirany sy handovany ny tany, izay nianianako tamin’ ny razany homena azy.
Yahwe alisema nami, “Inuka, nenda mbele ya watu uwaongoze katika safari yao; wataingia na kumiliki nchi ambayo niliapa kwa mababu zao kuwapa.'
12 Ary ankehitriny, ry Isiraely ô, inona moa no ilain’ i Jehovah Andriamanitrao aminao, afa-tsy ny hatahotra an’ i Jehovah Andriamanitrao sy ny handeha amin’ ny lalany rehetra ary ny ho tia Azy sy hanompo an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra,
Sasa, Israeli, Yahwe Mungu wenu ataka nini kwenu, isipokuwa hofu ya Yahwe Mungu wenu, kutembea katika njia zake zote, kumpenda yeye, na kumwabudu Yahwe Mungu wenu kwa moyo wenu wote na roho yenu yote.
13 hitandrina ny didin’ i Jehovah sy ny lalàny izay andidiany anao anio, mba hahita soa ianao?
Kuzishika amri za Yahwe, na maagizo ambayo ninawaamuru ninyi leo kwa ajili ya uzuri wenu?
14 Indro, an’ i Jehovah Andriamanitrao ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra ary ny tany mbamin’ izay rehetra eo aminy.
Tazama, kwa Yahwe Mungu wenu mbingu ni zake na mbingu za mbingu, dunia, vyote vilivyomo.
15 Kanefa ny razanao no niraiketan’ ny fitiavan’ i Jehovah, ka nifidy anareo zanany mandimby azy Izy mihoatra noho ny firenena rehetra, tahaka ny amin’ izao anio izao.
Yahwe peke alichukua furaha kwa baba zenu ili kwamba awapende, na aliwachagua ninyi, wazao wao, baada yao, zaidi kuliko ya watu wengine wowote, kama afanyavyo leo.
16 Koa forao ny fonareo, fa aza mafy hatoka intsony ianareo.
Kwa hiyo basi wataili govi la mioyo yao, na msiwe wakaidi tena.
17 Fa Jehovah Andriamanitrareo no Andriamanitra Avo Indrindra sy Tompon’ ny tompo, Andriamanitra lehibe sy mahery ary mahatahotra, Izay tsy mizaha tavan’ olona, na mandray kolikoly;
Kwa kuwa Yahwe Mungu wenu, ni Mungu wa miungu na Bwana wa bwana, Mungu mkuu, mwenye nguvu na wakutisha, ambaye hapendelei yeyote na hapokei rushwa-
18 manome rariny ny kamboty sy ny mpitondratena Izy, sady tia ny vahiny ka manome azy hanina sy fitafiana.
Hutekeleza haki kwa yatima na wajane, na huonesha upendo kwa mgeni kwa kumpa chakula na mavazi.
19 Koa tiava vahiny; fa efa mba vahiny tany amin’ ny tany Egypta ianareo.
Kwa hiyo basi mpende mgeni; kwa kuwa mlikuwa wageni kutoka nchi ya Misri.
20 Jehovah Andriamanitrao no hatahoranao; Izy no hotompoinao, ary Izy no hifikiranao, ary ny anarany no hianiananao.
Mtamche Yahwe Mungu wenu yeye mtamwabudu. Mtashikamana kwake, na kwa jina lake mtaapa.
21 Izy no fidèranao, ary Izy no Andriamanitrao, Izay efa nanao ireo zavatra lehibe sy mahatahotra ireo taminao, izay efa hitan’ ny masonao.
Yeye ni sifa yenu, ni Mungu wenu, ambaye amefanya kwa ajili yenu haya mambo makuu na kutisha, ambayo macho yenu yameyaona.
22 Olona fito-polo ny razanao izay nidina tany Egypta; nefa ankehitriny efa nataon’ i Jehovah Andriamanitrao maro tahaka ny kintana eny amin’ ny lanitra ianao.
Baba zako walienda Misri kama watu sabini; sasa Yahwe Mungu wako amekufanya wewe kuwa wengi kama nyota za mbinguni.

< Deotoronomia 10 >