< Daniela 6 >
1 Sitrak’ i Dariosa ny hanendry solo-mpanjaka roa-polo amby zato hanapaka ny fanjakana, izay hanapaka ny fanjakana rehetra.
Ilimpendeza Dario kuchagua juu ya ufalme magavana wa majimbo 120 ambao wangetawala juu ya ufalme wote.
2 Koa tamin’ ireo dia nisy komandy lehibe telo lahy, ary Daniela no anankiray tamin’ ireo, mba hilazan’ ny solo-mpanjaka ny raharaha tsy hahafatiantoka ny mpanjaka.
Juu yao kulikuwa na watawala wakuu watatu, na Daniel alikuwa mmoja wao. Hawa watawala waliwekwa ili waweze kuwasimamia magavana wa majimbo, ili kwamba mfalme asipate hasara.
3 Izany Daniela izany dia nihoatra noho ny komandy lehibe sy ny solo-mpanjaka namany, fa nanam-panahy hendry izy; ary ny mpanjaka nikasa hanandratra azy ho lehibe amin’ ny fanjakana rehetra.
Danieli alipambanuliwa juu ya watawala wakuu na juu ya magavana wa majimbo kwasababu alikuwa na roho isiyo ya kawaida. Mfalme alikuwa akipanga kumweka juu ya ufalme wote.
4 Koa ny komandy lehibe sy ny solo-mpanjaka dia nitady izay hiampangany an’ i Daniela ny amin’ ny fanjakana, nefa tsy nahita izay hiampangany azy na izay tsininy akory ireo, satria marina izy, ka tsy nisy kilema na tsiny hita taminy.
Basi watawala wakuu wengine na magavana wa majimbo walitafuta makosa katika kazi ambazo Danieli alizifanya kwa ufalme, lakini hawakuweza kuona ufisadi au kushindwa katika majukumu yake kwasababu alikuwa mwaminifu. Hakuna kosa au uzembe uliopatikana ndani yake.
5 Dia hoy ireo lehilahy ireo: Tsy ho hitantsika izay hiampangantsika io Daniela io raha tsy ny amin’ ny lalan’ Andriamaniny no misy hitantsika hiampangana azy.
Kisha watu hawa wakasema, “Hatukuweza kupata sababu yoyote ya kumshitaki huyu Danieli isipokuwa tukitafuta kitu fulani dhidi yake kuhusiana na sheria za Mungu wake.'”
6 Dia somaritaka nivory ho any amin’ ny mpanjaka ireo komandy lehibe sy solo-mpanjaka ireo; ary izao no nataony taminy: Ry Dariosa mpanjaka ô, ho velona mandrakizay anie ianao.
Ndipo watawala hawa na magavana walileta mpango mbele ya mfalme. Walimwambia, “Mfalme Dario, uishi milele!
7 Ny komandy lehibe rehetra amin’ ny fanjakana sy ny mpanapaka sy ny solo-mpanjaka sy ny mpanolo-tsaina ary ny governora dia mifanara-kevitra fa tokony hanao lalàna sy didy mafy ianao, ry mpanjaka, ka na zovy na zovy no hanao fangatahana ato anatin’ ny telo-polo andro, na amin’ Andriamanitra na amin’ olona, afa-tsy aminao ihany, ry mpanjaka ô, dia hatsipy ao an-davaky ny liona izy.
Watawala wote wakuu wa ufalme, magavana wa mikoa, na magavana wa majimbo, washauri, na magavana wameshauriana kwa pamoja na kuamua kuwa wewe, mfalme, unapaswa kupitisha amri na kuitekeleza, ili kwamba mtu yeyote anayefanya dua kwa mungu yeyote au mtu kwa siku thelathini, isipokuwa wewe mfalme, mtu huyo lazima atupwe katika tundu la simba.
8 Ankehitriny, ry mpanjaka ô, ataovy mafy ny lalàna, ka asio sonia mba tsy hiova, araka ny lalàn’ ny Mediana sy ny Persiana izay tsy azo ovana.
Sasa mfalme, litoe agizo na utie saini nyaraka ili kwamba isije ikabadilika, kama ilivyoelekezwa katika sheria za Wamedi na Waajemi, hivyo haiweze ikabatilishwa.
9 Ary noho izany dia nasian’ i Dariosa mpanjaka sonia izany lalàna sy didy izany.
Basi, mfalme Dario alitia saini nyaraka kwa kuifanya amri kuwa sheria.
10 Nony fantatr’ i Daniela fa efa voaisy sonia ny didy, dia nankao an-tranony izy; ary ny varavarankelin’ ny tranony ambony nanandrify an’ i Jerosalema dia nivoha. Koa intelo isan’ andro no nandohalika ka nivavaka sy nisaotra teo anatrehan’ Andriamaniny izy, satria fanaony hatramin’ ny taloha izany.
Danieli alipojua kuwa nyaraka imekwisha kusainiwa kuwa sheria, alienda ndani ya nyumba yake (madirisha yake katika chumba cha juu yalikuwa wazi kuelekea Yerusalemu), na alipiga magoti yake, kama alivyokuwa akifanya mara tatu kwa siku, na aliomba na kushukuru mbele ya Mungu wake, kama alivyofanya hapo kabla.
11 Dia somaritaka nivory ireo lehilahy ireo ka nahita an’ i Daniela mangataka sy mifona eo anatrehan’ Andriamaniny.
Kisha watu hawa walikuwa wameunda hila kwa pamoja walimwona Danieli akiomba na kutafuta msaada kutoka kwa Mungu.
12 Dia nanatona izy ka niteny teo anatrehan’ ny mpanjaka noho ny amin’ ilay lalàn’ ny mpanjaka ka nanao hoe: Moa tsy misy lalàna nasianao sonia fa na zovy na zovy no hanao fangatahana, na amin’ Andriamanitra na amin’ olona, ato anatin’ ny telo-polo andro afa-tsy aminao ihany, ry mpanjaka ô, dia hatsipy ao an-davaky ny liona? Ny mpanjaka namaly ka nanao hoe: Marina izany, dia araka ny lalàn’ ny Mediana sy ny Persiana izay tsy azo ovana.
Ndipo walipomwendea mfalme na kuongea naye kuhusiana na amri yake: “Je haukuweka amri kwamba mtu yeyote akayefanya maombi kwa mungu mwingine au kwa binadamu ndani ya siku thelathini zijazo, isipokuwa kwako wewe, mfalme, lazima mtu huyo atupwe katika tundu la simba? Mfalme akajibu, “Jambo hili ni la hakika, kama ilivyoelekezwa katika sheria za Wamedi na Waajemi; ambazo haziwezi zikabatilishwa.”
13 Dia niteny ireo ka nanao teo anatrehan’ ny mpanjaka hoe: Ilay Daniela, isan’ ny babo avy amin’ ny taranak’ i Joda, dia tsy manaiky anao, na ny lalàna izay nasianao sonia, ry mpanjaka ô, fa manao fangatahana intelo isan’ andro izy.
Kisha wakamjibu mfalme, “Mtu yule Daniel, ambaye ni mmoja wa watu wa mateka kutoka Yuda, hakutii wewe, mfalme wala maagizo yako uliyoyasaini. Yeye humwomba Mungu wake mara tatu kwa siku.”
14 Dia tezitra indrindra ny mpanjaka, raha nahare izany teny izany, nefa matiny ihany izy ny hanafaka an’ i Daniela, ka nanao izay tratry ny heviny hamonjy azy mandra-pilentiky ny masoandro.
Mfalme aliposikia haya, alisikitishwa sana, alitumia akili jinsi ya kumwokoa kutoka katika utawala huu. Alisumbuka sana mpaka wakati wa kuzama kwa jua akijaribu kumwokoa Danieli.
15 Dia somaritaka nivory ho any amin’ ny mpanjaka ireo lehilahy ireo ka nanao tamin’ ny mpanjaka hoe: Aoka ho fantatrao, ry mpanjaka, fa izao no lalàn’ ny Mediana sy ny Persiana: Ny lalàna sy ny didy izay efa navoaky ny mpanjaka dia tsy azo ovana.
Kisha watu hawa waliokuwa wamepanga njama walikusanyika kwa pamoja na mfalme, na wakamwambia, “Ujue mfalme kwamba ni sheria ya Wamedi na Waajemi kwamba hakuna amri au sanamu ambayo mfalme anaipitisha yaweza kubadilishwa.”
16 Dia nandidy ny mpanjaka; ary nentina Daniela ka natsipy tao an-davaky ny liona. Dia niteny ny mpanjaka ka nanao tamin’ i Daniela hoe: Andriamanitrao Izay tompoinao mandrakariva anie hamonjy anao.
Ndipo mfalme alitoa agizo, na walimleta ndani Danieli, na kisha wakamtupa katika tundu la simba. Mfalme akamwambia Danieli, “Mungu wako, ambaye unamtumikia daima, na akuokoe.''
17 Ary nisy vato natampina ny vava-lavaka; ary ny mpanjaka nanomboka izany tamin’ ny fanombohan-kaseny sy tamin’ ny fanombohan-kasen’ ny andriandahiny, mba tsy hovana ny teny ny amin’ i Daniela.
Jiwe lililetwa katika mlango wa tundu, na mfalme alilitia muhuri wa pete yake mwenyewe na pamoja na muhuri wa wakuu wake ili kwamba chochote kisiweze kubadilishwa kuhusiana na Danieli.
18 Dia nody tany an-dapany ny mpanjaka ary tsy nitendry hanina mandritra ny alina, sady tsy nisy zava-maneno nampidirina teo anatrehany, ary tsy nahita torimaso izy.
Basi mfalme alienda kwenye ikulu yake na usiku ule alikuwa na mfungo. Hakuna starehe yoyote iliyoletwa mbele yake, nao usingizi ulimkimbia.
19 Dia nifoha maraina koa ny mpanjaka ka nandeha faingana ho any amin’ ny lavaky ny liona.
Kisha katika mapambazuko mfalme aliamka na kwa haraka alienda kwenye tundu la simba.
20 Ary nony tonga teo amin’ ny lavaka izy, dia niantso an’ i Daniela tamin’ ny feo malahelo; eny, niteny ny mpanjaka ka nanao tamin’ i Daniela hoe: Ry Daniela, mpanompon’ Andriamanitra velona ô, moa Andriamanitrao Izay tompoinao mandrakariva mahavonjy anao amin’ ny liona va?
Na alipokaribia kwenye tundu, alimwita Danieli kwa sauti ya huzuni, akimwambia Danieli, “Danieli, mtumishi wa Mungu aliye hai, je Mungu wako ambaye anamtumkia daima ameweza kukuokoa kutoka katika simba?
21 Namaly ny mpanjaka Daniela hoe: Ry mpanjaka, ho velona mandrakizay anie ianao.
Ndipo Danieli akamwambia mfalme, “Mfalme, uishi milele!
22 Andriamanitro efa naniraka ny anjeliny ka nanakombona ny vavan’ ny liona tsy handratra ahy, satria fahamarinana no hitany tamiko; ary teo anatrehanao koa, ry mpanjaka ô, tsy nanao ratsy aho.
Mungu wangu amemtuma mjumbe na amevifunga vinywa vya simba, na hazijaweza kunidhuru. Kwa kuwa sikuwa na hatia yoyote mbele yake na pia mbele yako, ewe mfalme, na sijakufanyia jambo lolote la kukudhuru.”
23 Dia faly indrindra ny mpanjaka, ka nasainy nakarina avy ao an-davaka Daniela. Dia nakarina avy tao an-davaka Daniela, ary tsy hita nisy naratra izy, satria nino an’ Andriamaniny.
Basi mfalme alikuwa na furaha sana. Alitoa agizo kwamba wanatakiwa wamtoe Danieli nje ya tundu. Hivyo Danieli aliondolewa kutoka katika tundu. Hakuna dhara lolote lililoonekana kwake, kwa kuwa alikuwa amemtumainia Mungu wake.
24 Ary ny mpanjaka nandidy, ka nentina ireo lehilahy niampanga an’ i Daniela ireo, dia natsipy tao an-davaky ny liona izy mbamin’ ny vadiny aman-janany, ary ny liona nanan-kery taminy ka nanapatapaka ny taolany, raha tsy mbola nipaka tamin’ ny vodin’ ny lavaka akory aza izy.
Mfalme alitoa agizo, waletwe wale watu waliomshitaki Danieli na kisha akawatupa wao katika tundu la simba - wao, na watoto wao, na wake zao. Kabla hawajafika sakafuni, simba waliwararua na kuvunjavunja mifupa yao vipande vipande.
25 Tamin’ izany Dariosa mpanjaka dia nanoratra ho amin’ ny fokom-pirenena sy ny firenena sy ny samy hafa fiteny rehetra izay monina ambonin’ ny tany rehetra hoe: Hitombo anie ny fiadananareo.
Kisha mfalme Dario aliandika ujumbe kwa watu wote, mataifa na lugha ambazo ziliishi katika dunia yote: “Amani na iongezeke kwenu.
26 Manao lalàna aho mba hangovitan’ ny olona sy hatahorany eo anatrehan’ Andriamanitr’ i Daniela eran’ ny fanjakako rehetra; fa Izy no Andriamanitra velona sady maharitra mandrakizay; ny fanjakany haharitra hatramin’ ny farany.
Ninaagiza kwamba katika utawala wote wa ufalme wangu watu watetemeka na kumcha mbele ya Mungu wa Danieli, kwa kuwa ni Mungu aliye hai na huishi milele, na ufalme wake hauwezi kuharibiwa; utawala wake utakuwepo hadi mwisho.
27 Izy no mamonjy sy manafaka ary manao famantarana sy fahagagana any an-danitra sy etỳ an-tany, ary Izy no namonjy an’ i Daniela ho afaka tamin’ ny herin’ ny liona.
Yeye anatuhifadhi salama na kutuokoa, na anafanya ishara na maajabu mbinguni na duniani; amemhifadhi Danieli salama dhidi ya uwezo wa simba.”
28 Ary izany Daniela izany dia nambinina tamin’ ny nanjakan’ i Dariosa sy tamin’ ny nanjakan’ i Kyrosy Persiana.
Na hivyo basi, Danieli alifanikiwa katika utawala wa Dario na katika utawala wa Koreshi Mwajemi.