< Daniela 3 >
1 Nebokadnezara mpanjaka nanao sariolona volamena, enim-polo hakiho ny hahavony, ary enina hakiho ny sakany; dia natsangany teo amin’ ny tany lemaka Dora tamin’ ny fehin’ i Babylona izany.
Mfalme Nebukadneza alitengeneza sanamu ya dhahabu, yenye kimo cha dhiraa sitini, na upana wa dhiraa sita, akaisimamisha kwenye tambarare ya Dura katika jimbo la nchi ya Babeli.
2 Ary Nebokadnezara mpanjaka naniraka nampamory ny solom-panjaka sy ny mpanapaka sy ny governora sy ny andriambaventy sy ny mpitahiry ny volam-panjakana sy ny mpahay lalàna sy ny mpitsara ary ny komandy isan-tokony mba hanamasina ilay sariolona efa natsangan’ i Nebokadnezara mpanjaka.
Kisha mfalme akaita wakuu, wasimamizi, watawala, washauri, watunza hazina, waamuzi, mahakimu na maafisa wengine wote wa jimbo kuja kuizindua sanamu ambayo Mfalme Nebukadneza alikuwa ameisimamisha.
3 Dia nivory hanamasina ny sariolona izay efa natsangan’ i Nebokadnezara mpanjakan’ ny solom-panjaka sy ny mpanapaka sy ny governora sy ny andriambaventy sy ny mpitahiry ny volam-panjakana sy ny mpahay lalàna sy ny mpitsara ary ny komandy isan-tokony, ka dia nitsangana tandrifin’ ny sariolona izay efa natsangan’ i Nebokadnezara ireo.
Basi wakuu, wasimamizi, watawala, washauri, watunza hazina, waamuzi, mahakimu na maafisa wengine wa jimbo walikusanyika ili kuizindua sanamu ile Mfalme Nebukadneza alikuwa ameisimamisha, nao wakasimama mbele ya hiyo sanamu.
4 Ary dia nisy mpikabary niantso mafy hoe: Izao no lazaina aminareo, ry fokom-pirenena, ry firenena sy samy hafa fiteny:
Ndipo mpiga mbiu akatangaza kwa sauti kubwa, “Enyi watu wa kabila zote, mataifa na watu wa kila lugha, hili ndilo mnaloamriwa kulifanya:
5 Rehefa mandre ny fanenon’ ny anjomara sy ny sobaba sy ny lokanga sy ny samboka sy ny valiha sy ny symponia ary ny zava-maneno isan-karazany ianareo, dia miankohofa, ka mivavaha amin’ ny sariolona volamena izay efa natsangan’ i Nebokadnezara mpanjaka,
Mara mtakaposikia sauti ya baragumu, filimbi, marimba, zeze, kinubi, zumari na aina zote za sauti za ala za uimbaji, lazima mwanguke chini na kuabudu sanamu ya dhahabu ambayo Mfalme Nebukadneza ameisimamisha.
6 ary na iza na iza no tsy miankohoka sy tsy mivavaka dia hatsipy miaraka amin’ izay ho ao anatin’ ny lafaoro misy afo mirehitra.
Mtu yeyote ambaye hataanguka chini na kuiabudu sanamu hiyo, atatupwa saa iyo hiyo ndani ya tanuru iwakayo moto.”
7 Koa tamin’ ny fotoana nandrenesan’ ny fokom-pirenena rehetra ny fanenon’ ny anjomara sy ny sobaba sy ny lokanga sy ny samboka sy ny valiha ary ny zava-maneno isan-karazany, dia niankohoka sy nivavaka tamin’ ny sariolona volamena izay efa natsangan’ i Nebokadnezara mpanjaka ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra.
Kwa hiyo, mara waliposikia sauti ya baragumu, filimbi, kinubi, zeze, kinanda na aina zote za ala za uimbaji, watu wa kabila zote, mataifa na watu wa kila lugha wakaanguka chini na kuiabudu ile sanamu ya dhahabu ambayo Mfalme Nebukadneza alikuwa ameisimamisha.
8 Ary tamin’ izay dia nisy Kaldeana sasany nanatona ka niampanga ny Jiosy.
Wakati huo baadhi ya Wakaldayo walijitokeza na kuwashtaki Wayahudi.
9 Dia niteny izy ka nanao tamin’ i Nebokadnezara mpanjaka hoe: Ry mpanjaka ô, ho velona mandrakizay anie ianao.
Wakamwambia Mfalme Nebukadneza, “Ee mfalme, uishi milele!
10 Ry mpanjaka ô, ianao efa nanao lalàna fa ny olona rehetra izay mandre ny fanenon’ ny anjomara sy ny sobaba sy ny lokanga sy ny samboka sy ny valiha sy ny symponia ary ny zava-maneno isan-karazany dia hiankohoka hivavaka amin’ ny sariolona volamena;
Ee mfalme, umetoa amri kwamba kila mmoja atakayesikia sauti ya baragumu, filimbi, kinubi, zeze, kinanda, zumari na aina zote za ala za uimbaji lazima aanguke chini na kuiabudu ile sanamu ya dhahabu,
11 fa izay tsy miankohoka sy tsy mivavaka kosa dia hatsipy ao anatin’ ny lafaoro misy afo mirehitra.
na kwamba yeyote ambaye hataanguka chini na kuiabudu atatupwa saa iyo hiyo ndani ya tanuru iwakayo moto.
12 Koa misy Jiosy izay nataonao ho tonian’ ny raharaha amin’ i Babylona sy ny fehiny, dia Sadraka sy Mesaka ary Abednego; ireo lehilahy ireo tsy mba manaiky ny teninao akory, ry mpanjaka ô: tsy mba manompo ny andriamanitrao izy, na mivavaka amin’ ny sariolona volamena izay efa natsanganao.
Lakini wako baadhi ya Wayahudi ambao umewaweka juu ya mambo ya jimbo la Babeli: yaani, Shadraki, Meshaki na Abednego, ambao hawakujali wewe, ee mfalme. Hawaitumikii miungu yako wala kuiabudu ile sanamu ya dhahabu uliyoisimamisha.”
13 Dia niteny tamin’ ny fahavinirana sy ny fahatezerana Nebokadnezara, ka nasainy nalaina Sadraka sy Mesaka ary Abednego. Dia nentiny teo anatrehan’ ny mpanjaka ireo lehilahy ireo.
Mfalme Nebukadneza, akiwa amekasirika na mwenye ghadhabu kali, akawaita Shadraki, Meshaki na Abednego. Hivyo watu hawa wakaletwa mbele ya mfalme,
14 Dia niteny Nebokadnezara ka nanao taminy hoe: Moa fanahy ninianareo va, ry Sadraka sy Mesaka sy Abednego, no tsy mba anompoanareo ny andriamanitro, na ivavahanareo amin’ ny sariolona volamena izay natsangako?
naye Nebukadneza akawauliza, “Je, ni kweli kwamba ninyi Shadraki, Meshaki na Abednego hamuitumikii miungu yangu wala kuiabudu sanamu ya dhahabu niliyoisimamisha?
15 Ankehitriny raha miomana ianareo amin’ izay handrenesanareo ny fanenon’ ny anjomara sy ny samboka sy ny valiha sy ny symponia sy ny Sobaba sy ny lokanga ary ny zava-maneno isan-karazany ka miankohoka sy mivavaka amin’ ny sariolona izay nataoko, dia tsara izany; fa raha tsy mety mivavaka kosa ianareo, dia hatsipy miaraka amin’ izay ho ao anatin’ ny lafaoro misy afo mirehitra; ary iza moa izany Andriamanitra hahavonjy anareo amin’ ny tanako izany?
Basi wakati mtakaposikia sauti ya baragumu, filimbi, marimba, zeze, kinubi, zumari na aina zote za ala za uimbaji, kama mtakuwa tayari kusujudu na kuiabudu hiyo sanamu niliyoitengeneza, vyema sana. Lakini kama hamtaiabudu, mtatupwa saa iyo hiyo ndani ya tanuru iwakayo moto. Naye ni mungu yupi atakayeweza kuwaokoa ninyi, kutoka mkono wangu?”
16 Dia namaly Sadraka sy Mesaka ary Abednego ka nanao tamin’ ny mpanjaka hoe: Ry Nebokadnezara, tsy misy antony tokony hamalianay anao akory ny amin’ izany zavatra izany.
Shadraki, Meshaki na Abednego wakamjibu mfalme, “Ee Nebukadneza, hatuhitaji kujitetea mbele zako kuhusu jambo hili.
17 Indro, Andriamanitra Izay tompoinay dia mahavonjy anay amin’ ny lafaoro misy afo mirehitra sady hamonjy anay amin’ ny tananao, ry mpanjaka ô.
Ikiwa tutatupwa ndani ya tanuru iwakayo moto, Mungu tunayemtumikia anaweza kutuokoa na moto, naye atatuokoa kutoka mkononi mwako, ee mfalme.
18 Ary na dia tsy izany aza, aoka ho fantatrao, ry mpanjaka ô, fa ny andriamanitrao dia tsy hotompoinay, ary ny sariolona volamena efa natsanganao dia tsy hivavahanay.
Lakini hata ikiwa hatatuokoa, ee mfalme, tunataka ufahamu kwamba, hatutaitumikia miungu yako wala kuiabudu sanamu ya dhahabu uliyoisimamisha.”
19 Dia feno fahatezerana Nebokadnezara, ka niova ny tarehiny tamin’ i Sadraka sy Mesaka ary Abednego, dia nasainy nafanaina ho impito mihoatra noho ny famana azy ny lafaoro.
Ndipo Nebukadneza akawa na ghadhabu kali sana kwa Shadraki, Meshaki na Abednego, nayo nia yake ikabadilika kwao. Akaagiza tanuru ichochewe moto mara saba kuliko kawaida yake
20 Ary izay lehilahy matanjaka indrindra tamin’ ny miaramilany no nasainy namatotra an’ i Sadraka sy Mesaka ary Abednego sy nanipy azy tao anatin’ ny lafaoro nisy afo mirehitra.
na kuwaamuru baadhi ya askari wake wenye nguvu zaidi katika jeshi lake kuwafunga Shadraki, Meshaki na Abednego na kuwatupa ndani ya tanuru iwakayo moto.
21 Dia nafatotra ireo lehilahy ireo, nefa mbola teny aminy ihany ny lobany sy ny akanjony ary ny kapitiny mbamin’ ny fitafiany hafa koa, ka dia natsipy teo anatin’ ny lafaoro nisy afo mirehitra izy;
Hivyo watu hawa, walifungwa na kutupwa ndani ya tanuru iwakayo moto wakiwa wamevaa majoho yao, suruali, vilemba na nguo zao nyingine.
22 ary satria mafy ny tenin’ ny mpanjaka, ka natao mahamay indrindra ny lafaoro, dia matin’ ny lelafo ireny lehilahy izay nanipy an’ i Sadraka sy Mesaka sy Abednego.
Amri ya mfalme ilikuwa ya haraka sana na tanuru ilikuwa na moto mkali kiasi kwamba miali ya moto iliwaua wale askari waliowapeleka Shadraki, Meshaki na Abednego.
23 Ary izy telo lahy ireo, Sadraka sy Mesaka sy Abednego, dia voatsipy am-patorana teo anatin’ ny lafaoro nisy afo mirehitra.
Watu hawa watatu walianguka ndani ya tanuru iwakayo moto wakiwa wamefungwa kwa uthabiti sana.
24 Dia talanjona Nebokadnezara mpanjaka ary nitsangana faingana izy ka niteny tamin’ ny mpanolo-tsainy hoe: Moa tsy telo lahy mifatotra va no natsipintsika tao anatin’ ny afo? Dia namaly ny mpanjaka ireo ka nanao hoe: Marina izany, ry mpanjaka ô.
Ndipo Mfalme Nebukadneza akashangaa, akainuka kwa haraka na kuwauliza washauri wake, “Je, hawakuwa watu watatu ambao tuliwafunga na kuwatupa ndani ya moto?” Washauri wakajibu, “Hakika, ee mfalme.”
25 Ary hoy izy: Ka no indro aho mahita efa-dahy tsy mifatotra, mandehandeha eo anaty afo, nefa tsy maninona tsy maninona akory izy; ary ny fijery ilay fahefatra dia toa zanak’ ireo andriamanitra.
Mfalme akasema, “Tazama! Naona watu wanne wakitembeatembea ndani ya moto, hawajafungwa wala kudhurika, naye mtu yule wa nne anaonekana kama mwana wa miungu.”
26 Dia nanatona ny varavaran’ ny lafaoro nisy afo mirehitra Nebokadnezara ka niantso hoe: Ry Sadraka sy Mesaka sy Abednego, mpanompon’ Andriamanitra Avo Indrindra, mivoaha, ka avia atỳ. Dia nivoaka avy teo anatin’ ny afo Sadraka sy Mesaka ary Abednego.
Ndipo Nebukadneza akaukaribia mdomo wa ile tanuru iwakayo moto na kupaza sauti, “Shadraki, Meshaki na Abednego, watumishi wa Mungu Aliye Juu Sana, tokeni! Njooni hapa!” Ndipo Shadraki, Meshaki na Abednego wakatoka ndani ya moto.
27 Dia nifanatona ny solo-mpanjaka sy ny mpanapaka sy ny governora ary ny mpanolotsain’ ny mpanjaka ka nahita ireo lehilahy ireo, fa tsy nanan-kery hampaninona ny tenany akory ny afo, na nisy singam-bolo nikainkona tamin’ ny lohany, na niova ny lobany, ary tsy nisy fofon’ afo akory taminy.
Nao maliwali, wasimamizi, watawala na washauri wa mfalme wakakusanyika kuwazunguka. Waliona kwamba moto haukudhuru miili yao, wala unywele wa vichwa vyao haukuungua, majoho yao hayakuungua, wala hapakuwepo na harufu ya moto kwenye miili yao.
28 Nebokadnezara niteny ka nanao hoe: Isaorana anie Andriamanitr’ i Sadraka sy Mesaka sy Abednego, Izay naniraka ny anjeliny hamonjy ny mpanompony izay natoky Azy ka nandika ny tenin’ ny mpanjaka ary nanolotra ny tenany tsy hanompo na hivavaka amin’ izay andriamani-kafa, afa-tsy Andriamaniny ihany.
Ndipo Nebukadneza akasema, “Ahimidiwe Mungu wa Shadraki, Meshaki na Abednego, ambaye amemtuma malaika wake na kuwaokoa watumishi wake. Walimtumaini na kukaidi amri ya mfalme, nao wakawa tayari kufa kuliko kutumikia au kuabudu mungu mwingine yeyote isipokuwa Mungu wao.
29 Ka dia manao lalàna aho fa ny fokom-pirenena sy ny firenena sy ny samy hafa fiteny rehetra izay manao teny tsy mety ny amin’ Andriamanitr’ i Sadraka sy Mesaka sy Abednego dia hotetitetehina, ary hatao trano fivoahana ny tranony; fa tsy misy andriamani-kafa mahavonjy tahaka izao.
Kwa hiyo ninaamuru kwamba watu wa taifa lolote au lugha yoyote watakaosema kitu chochote dhidi ya Mungu wa Shadraki, Meshaki na Abednego wakatwe vipande vipande na nyumba zao zifanywe kuwa malundo ya kokoto, kwa maana hakuna mungu mwingine awezaye kuokoa namna hii.”
30 Ary Sadraka sy Mesaka sy Abednego dia nasandratry ny mpanjaka tamin’ i Babylona sy ny fehiny.
Kisha mfalme akawapandisha vyeo Shadraki, Meshaki na Abednego katika jimbo la Babeli.