< 3 Jaona 1 >
1 Izaho loholona mamangy an’ i Galo, ilay malala, izay tiako amin’ ny fahamarinana.
prācīnō 'haṁ satyamatād yasmin prīyē taṁ priyatamaṁ gāyaṁ prati patraṁ likhāmi|
2 Ry malala, mangataka aho mba hambinina sy ho salama amin’ ny zavatra rehetra anie ianao, tahaka izay anambinana ny fanahinao ihany.
hē priya, tavātmā yādr̥k śubhānvitastādr̥k sarvvaviṣayē tava śubhaṁ svāsthyañca bhūyāt|
3 Fa faly indrindra aho, fony nisy rahalahy tonga ka nanambara ny fahamarinanao, dia toy ny andehananao araka ny fahamarinana.
bhrātr̥bhirāgatya tava satyamatasyārthatastvaṁ kīdr̥k satyamatamācarasyētasya sākṣyē dattē mama mahānandō jātaḥ|
4 Tsy manana fifaliana mihoatra noho izao aho, dia ny andrenesako fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako.
mama santānāḥ satyamatamācarantītivārttātō mama ya ānandō jāyatē tatō mahattarō nāsti|
5 Ry malala, manao asa mahatoky ianao na amin’ inona na amin’ inona ataonao amin’ ireo rahalahy ireo, na dia vahiny aza izy,
hē priya, bhrātr̥n prati viśēṣatastān vidēśinō bhr̥tr̥n prati tvayā yadyat kr̥taṁ tat sarvvaṁ viśvāsinō yōgyaṁ|
6 izay nanambara ny fitiavanao teo anatrehan’ ny fiangonana; dia ho soa no ataonao, raha mamoaka azy koa araka izay miendrika hatao noho ny amin’ Andriamanitra ianao;
tē ca samitēḥ sākṣāt tava pramnaḥ pramāṇaṁ dattavantaḥ, aparam īśvarayōgyarūpēṇa tān prasthāpayatā tvayā satkarmma kāriṣyatē|
7 fa noho ny Anarana no niangany, ka tsy naka na inona na inona tamin’ ny jentilisa izy.
yatastē tasya nāmnā yātrāṁ vidhāya bhinnajātīyēbhyaḥ kimapi na gr̥hītavantaḥ|
8 Koa isika dia tokony handray tsara izay toy izany, mba ho mpiara-miasa aminy amin’ ny fahamarinana.
tasmād vayaṁ yat satyamatasya sahāyā bhavēma tadarthamētādr̥śā lōkā asmābhiranugrahītavyāḥ|
9 Nanoratra tamin’ ny fiangonana Ihany aho; nefa Diotrefa, izay te-ho lohany, dia tsy mba mandray anay.
samitiṁ pratyahaṁ patraṁ likhitavān kintu tēṣāṁ madhyē yō diyatriphiḥ pradhānāyatē sō 'smān na gr̥hlāti|
10 Koa amin’ izany, raha tonga aho, dia hotsarovako izay asa ataony, fa mibedibedy foana manaratsy anay izy; ary tsy afa-po amin’ izany ihany, fa ny tenany dia tsy mandray ireo rahalahy ireo, ary izay ta-handray azy dia raràny sy roahiny hiala amin’ ny fiangonana.
atō 'haṁ yadōpasthāsyāmi tadā tēna yadyat kriyatē tat sarvvaṁ taṁ smārayiṣyāmi, yataḥ sa durvvākyairasmān apavadati, tēnāpi tr̥ptiṁ na gatvā svayamapi bhrātr̥n nānugr̥hlāti yē cānugrahītumicchanti tān samititō 'pi bahiṣkarōti|
11 Ry malala, aza ny ratsy no alain-tahaka, fa ny tsara. Izay manao ny tsara no avy amin’ Andriamanitra; fa izay manao ny ratsy tsy mba nahita an’ Andriamanitra.
hē priya, tvayā duṣkarmma nānukriyatāṁ kintu satkarmmaiva| yaḥ satkarmmācārī sa īśvarāt jātaḥ, yō duṣkarmmācārī sa īśvaraṁ na dr̥ṣṭavān|
12 Demetrio dia tsara laza amin’ ny olona rehetra sy amin’ ny fahamarinana koa; ary izahay koa manambara izany, ary fantatrao fa marina ny fanambaranay.
dīmītriyasya pakṣē sarvvaiḥ sākṣyam adāyi viśēṣataḥ satyamatēnāpi, vayamapi tatpakṣē sākṣyaṁ dadmaḥ, asmākañca sākṣyaṁ satyamēvēti yūyaṁ jānītha|
13 Nanana zavatra maro hosoratana aho, nefa tsy tiako hosoratana aminao amin’ ny ranomainty sy ny penina;
tvāṁ prati mayā bahūni lēkhitavyāni kintu masīlēkhanībhyāṁ lēkhituṁ nēcchāmi|
14 fa manantena hahita anao faingana ihany aho, dia hiteny mifanatrika isika. Ho aminao anie ny fiadanana. Ny sakaiza atỳ manao veloma anao. Veloma amin’ ny sakaiza tsirairay araka ny anarany avy.
acirēṇa tvāṁ drakṣyāmīti mama pratyāśāstē tadāvāṁ sammukhībhūya parasparaṁ sambhāṣiṣyāvahē| tava śānti rbhūyāt| asmākaṁ mitrāṇi tvāṁ namaskāraṁ jñāpayanti tvamapyēkaikasya nāma prōcya mitrēbhyō namaskuru| iti|