< 2 Timoty 2 >

1 Koa ianao, anaka, dia aoka hihahery amin’ ny fahasoavana izay ao amin’ i Kristy Jesosy.
Cwale iwe, banangu, mukozwe mu chishemo cha na mwa Kreste Jesu.
2 Ary izay zavatra efa renao tamiko teo anatrehan’ ny vavolombelona maro dia atolory ny olona mahatoky, izay hahay mampianatra ny sasany kosa.
Mi ni zintu zimwa zuwa kwangu hakatu ke mpaki zingi, muzi tambike ku vantu va sepahala vete va wole ku luta vamwi hape.
3 Miaraha miaritra ny mafy amiko ianao tahaka ny miaramila tsaran’ i Kristy Jesosy.
Munyande muvukavo - vukukutu neme, sina ili isole lyi shiyeme lya Kreste Jesu.
4 Ny miaramila manafika dia tsy mba misy maningo-tena amin’ ny raharahan’ izao fiainana izao, mba hahafaly izay efa nifidy azy ho miaramila.
Kakwina i sole lyi seveza nili suminwe muzintu zovunu vuhalo, kuti a tavise wina he wulu lyakwe.
5 Ary raha misy manezaka amin’ ny filalaovana, dia tsy satrohana satro-boninahitra izy, raha tsy manezaka araka ny lalàna.
Mi hape, haiva zumwi wi zuziliza kuva yo tiya, kazwatikiwa i kuwani yo mushukwe haisi ha yenderera ni milao.
6 Ny mpiasa tany izay misasatra no tokony ho voalohany handray ny vokatra.
Mi itukero yo mulimi yo seveza ahulu kuti atambule inkavelo yakwe ye zimelantu kumatangilo.
7 Diniho izay lazaiko, fa homen’ ny Tompo fahazavan-tsaina ny amin’ ny zavatra rehetra ianao.
Hupule chini wamba, kaho Ireeza kamihe inkutwisiso muzintu zonse.
8 Tsarovy Jesosy Kristy Izay natsangana tamin’ ny maty, dia Ilay avy tamin’ ny taranak’ i Davida, araka ny filazantsarako,
Muhupule Kreste Jesu, kuzwa kwi mbuto ya Davida, yava vuswa kuvamwi va fwire. Ichi chiya che ñusa lye ivangeli yangu.
9 izay iaretako fahoriana hatramin’ ny fatorana aza, hoatra ny mpanao ratsy; nefa ny tenin’ Andriamanitra dia tsy mba voafatotra.
Kecho ni nyanda mane kusika he nako yo kusuminwa sina ni chisinyi. Kono linzwi lya Ireeza kali suminwe.
10 Izany no iaretako ny zavatra rehetra noho ny amin’ ny olom-boafidy, mba hahazoan’ ireny koa famonjena, dia izay ao amin’ i Kristy Jesosy, mbamin’ ny voninahitra mandrakizay. (aiōnios g166)
Yahaho niva nyandi muzintu zonse kwavo vava ku ketetwe, kuti niva wole kuwana impuluso ina mwa Kreste Jesu, ni nkanya iya ku mamanimani. (aiōnios g166)
11 Mahatoky izao teny izao: Fa raha miara-maty aminy isika, dia hiara-belona aminy koa;
Ichi chiwambo chi sepahala: “haiva tuva fwi naye, ka twikale naye hape.
12 raha miaritra isika, dia hiara-manjaka aminy; raha mandà Azy isika, Izy kosa handà antsika;
Haiva tu wonderela, katu vuse naye hape. Haiva ni tu musampula, katu sampule naye.
13 fa na dia tsy matoky Azy aza isika, dia mbola mahatoky ihany Izy, fa tsy mahazo mandà ny tenany.
Haiva katu sepahali, ushala na sepahala, kakuli ka woli ku lisampula iye mwine.
14 Izany zavatra izany no ampahatsiarovy ny olona, ka anaro mafy eo anatrehan’ ny Tompo izy mba tsy hiady teny, satria tsy mahasoa akory izany, fa mamadika ny mpihaino,
Uwondelele kuva hupulisa ke zi zintu. Uva kalimele havusu bwe ireeza kuti kanji va lilwisi ku amana ni ziyambo. Kelyi vaka kakwina chintu chimwi cho vutokwa. Kelyi vaka kwina kusinya sinya kwavo va teka.
15 Mazotoa manolotra ny tenanao amin’ Andriamanitra ho olona voazaha toetra, dia mpiasa tsy mahazo henatra, mizara tsara ny teny fahamarinana.
Pange chi woleka kuti uve zumwi wa zuminwa kwa Ireeza, muveleki u sena cho kuswava, yo luta inako yonse inzwi lye niti.
16 Fa halaviro ny fibedibedena foana; fa mbola handroso amin’ ny haratsiam-panahy ihany izy ireny,
Uzwe kwi ndava zo kuwamba wamba, zimi twala kuku nyazeleza ku mizwisa mwi nzila ina hande.
17 ary ny teniny dia handany tahaka ny aretina mihady; isan ireny Hymeneo sy Fileto,
Ku wamba kwavo kaku yende. Mukati kavo va Hymenaeus nima Philetus.
18 izay nania tamin’ ny marina ka milaza fa efa lasa sahady ny fitsanganan’ ny maty, dia mamadika ny finoan’ ny sasany.
Ava nji vakwame va sena vava zuwa vuniti. Va wamba kuti ku vuka kuvafwire ckiva pangahali kale. Va chinca i ntumelo i vamwi.
19 Kanefa ny fanorenana mafy nataon’ Andriamanitra dia miorina tsara sady manana izao tombo-kase izao: “Ny Tompo mahalala ny azy”, ary koa: “Aoka ny olona rehetra izay manonona ny anaran’ ny Tompo hiala amin’ ny ratsy.”
Ni hakuva bulyo, mutomo u kolete wa Ireeza uzimana. Ina nili swayo: “Simwine wizi avo vali vakwe” mi “yense u sumpa izina lya Simwine uswanela kuzwa ku zintu zi sena hande.”'
20 Fa ao an-trano lehibe, tsy dia fanaka volamena sy volafotsy ihany no ao, fa fanaka hazo sy tany koa, ny sasany homem-boninahitra, ary ny sasany halam-baraka.
Mwi nzuvo i fumite, kakwina fela imponto ze gauda ni silivera. Kwina hape impoto zo kuveza hazi kuni nizo kuvumba he rongo. Zimwi zina musevezi u sepahala, ni zimwi zisa sepahali.
21 Koa raha misy olona manadio ny tenany ho afaka amin’ ireny, dia ho fanaka homem-boninahitra izy, efa nohamasinina ka mahasoa ho an’ ny Tompo, voavoatra ho amin’ ny asa tsara rehetra.
Haiva kwina zumwi yoli joloza kuzi sa sepahali, muntu yo sepahala. Uvikitwe ku mbali, wina musevezi kwa Simwine, mi uvikilwe musevezi mulotu.
22 Fa mandosira ny filan’ ny tanora fanahy; ary miezaha mitady fahamarinana, finoana, fitiavana, fihavanana amin’ izay miantso ny Tompo amin’ ny fo madio.
Uzwe kwi takazo zovu jaha. Tundamine zi chena, intumelo, irato, ni nkozo navo va sumpa kwa Simwine kuzwa kwi nkulo ichena.
23 Fa mandava ny fanontaniana adaladala tsy misy antony, satria fantatrao fa mahatonga ady izany.
Kono mukane vuhole ni mpuzo zi sena hande. Wizi kuti zi zala inkani.
24 Ary tsy mety raha miady ny mpanompon’ ny Tompo, fa ho malemy fanahy amin’ ny olona rehetra, mahay mampianatra, mahalefitra,
Muhikana wa Simwine ka swaneli ku panga inkani. Kono uswanela kuva yo lukite ku vonse, yo wola ku ruta, ni kuwola ku lindila.
25 mananatra ny mpanohitra amin’ ny fahamoram-panahy; fa angamba Andriamanitra hanome azy fibebahana hahalalany tsara ny marina,
Uswanela kuva wa chisemo ku luta vana vasa zumini va mulwisa. Mwendi Ireeza kawole kuvaha kuvaka ke ntuto ye niti.
26 ka hody ny sainy ho afaka amin’ ny fandriky ny devoly, izay nanao azy sambo-belona hanao ny sitrapony.
Kavave vena hande hape niku zwa mutuswa twa dyavulusu, kasamulaho okuva kwata che ntato yakwe.

< 2 Timoty 2 >