< 2 Mpanjaka 16 >

1 Tamin’ ny taona fahafito ambin’ ny folo nanjakan’ i Peka, zanak’ i Remalia, no vao nanjakan’ i Ahaza, zanak’ i Jotama, mpanjakan’ ny Joda.
La dix-septième année de Pékach, fils de Remalia, Achaz, fils de Jotham, roi de Juda, devint roi.
2 Roa-polo taona Ahaza, fony izy vao nanjaka, ary enina ambin’ ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary tsy nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah Andriamaniny tahaka ny nataon’ i Davida rainy izy;
Achaz avait vingt ans à son avènement: et il régna seize ans à Jérusalem. Et il ne fit pas ce qui est droit aux, yeux de l'Éternel, son Dieu, comme David, son père;
3 fa nandeha tamin’ ny lalan’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izy; eny, ny zananilahy aza dia nampamakiny ny afo, araka ny fahavetavetan’ ny jentilisa izay noroahin’ i Jehovah tsy ho eo anoloan’ ny Zanak’ Isiraely.
et il marcha sur les errements des rois d'Israël, et son fils même, il le fit passer [à Moloch] par le feu, selon les rites abominables, des nations que l'Éternel avait chassées, devant les enfants d'Israël.
4 Ary namono zavatra hatao fanatitra izy sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin’ ny fitoerana avo sy teny amin’ ny havoana ary teny ambanin’ ny hazo maitso rehetra.
Et il offrit des victimes et de l'encens sur les tertres et sur les collines, et sous tout arbre vert.
5 Ary tamin’ izany dia niakatra hanafika an’ i Jerosalema Rezina, mpanjakan’ i Syria, sy Peka, zanak’ i Remalia, mpanjakan’ ny Isiraely; ary nanao fahirano an’ i Ahaza izy, nefa tsy naharesy azy.
Alors Retsin, roi de Syrie, et Pékach, fils de Remalia, roi d'Israël, s'avancèrent à l'attaque de Jérusalem, et ils bloquèrent Achaz, mais ils ne purent l'emporter.
6 Tamin’ izany andro izany Rezina, mpanjakan’ i Syria, dia nahalasa an’ i Elota ho isan’ ny fanjakan’ i Syria ka nandroaka ny Jiosy hiala tao; ary ny Syriana nankany Elota ka monina ao mandraka androany.
Dans le même temps, Retsin, roi de Syrie, reconquit Élath à la Syrie, et expulsa les Juifs d'Élath, et les Syriens entrèrent dans Élath, où ils sont demeurés jusqu'à ce jour.
7 Ary Ahaza naniraka olona ho any amin’ i Tiglato-pilesera, mpanjakan’ i Asyria, hanao hoe: Mpanomponao sy zanakao aho; miakara, ka vonjeo aho tsy ho azon’ ny mpanjakan’ i Syria sy ny mpanjakan’ ny Isiraely, izay efa mitsangana hiady amiko.
A ce moment Achaz expédia des messagers à Thiglath-Piléser, roi d'Assyrie, pour lui dire: Je suis ton serviteur et fils: arrive et me sauve des mains du roi de Syrie et de la paume du roi d'Israël qui m'assaillent.
8 Ary nalain’ i Ahaza ny volafotsy sy ny volamena izay hita tao an-tranon’ i Jehovah sy tao amin’ ny rakitry ny tranon’ ny mpanjaka, dia nampanateriny ho fanomezana ho an’ ny mpanjakan’ i Asyria.
Et Achaz prit l'argent et l'or qui se trouvaient au temple de l'Éternel et dans les trésors du palais royal, et envoya au roi d'Assyrie un présent.
9 Dia nanaiky ny teniny ny mpanjakan’ i Asyria ka niakatra hamely an’ i Damaskosy ary nahafaka azy; dia nentiny ho any Kira ny olona nobaboiny, fa Rezina kosa novonoiny.
Et le roi d'Assyrie l'exauça et le roi d'Assyrie, marcha, sur Damas et s'en empara et en déporta les habitants à Kir, et fit mourir Retsin.
10 Ary nandeha Ahaza mpanjaka hitsena an’ i Tiglato-pilesera, mpanjakan’ i Asyria, any Damaskosy; ary nony nahita ny alitara tao Damaskosy izy, dia nampitondra ny mariky ny alitara sy ny sariny araka ny fombany rehetra ho any amin’ i Oria mpisorona.
Puis le roi Achaz s'avança à la rencontre de Thiglath-Piléser, roi d'Assyrie, jusqu'à Damas. Et ayant vu l'autel qui était à Damas, le roi Achaz envoya au prêtre Urie la copie et le dessin de l'autel dans toute sa structure.
11 Ary Oria mpisorona dia nanao alitara: araka ny marika rehetra nampitondrain’ i Ahaza mpanjaka avy tany Damaskosy no nanaovan’ i Oria mpisorona azy mandra-pihavin’ i Ahaza mpanjaka avy tany Damaskosy.
Et le prêtre Urie construisit l'autel; et suivant en tout point ce que le roi Achaz avait envoyé de Damas, le prêtre Urie fit l'autel, pour le retour du roi Achaz de Damas.
12 Ary nony tonga avy tany Damaskosy ny mpanjaka, dia nandeha nizaha azy izy ary nanatona ka nanatitra fanatitra teo amboniny.
Et le roi à son arrivée de Damas vit l'autel, et le roi s'approcha de l'autel et y monta
13 Ary nandoro ny fanatitra dorany sy ny fanatitra hohaniny teo izy ary nanidina ny fanatitra aidiny sady nanopy ny ran’ ny fanati-pihavanany tamin’ ny alitara.
et y fit fumer son holocauste et son offrande et y répandit ses libations, et fit sur l'autel l'aspersion du sang de son sacrifice pacifique.
14 Ary ny alitara varahina kosa, izay teo anatrehan’ i Jehovah, dia nafindrany hiala eo anoloan’ ny trano dia eo anelanelan’ ny alitara vaovao sy ny tranon’ i Jehovah ka nataony teo avaratry ny alitarany.
Quant à l'autel d'airain, qui était devant l'Éternel, il l'ôta de devant la façade du temple entre le [nouvel] autel et le temple de l'Éternel, et le plaça à côté de l'autel au nord.
15 Ary Ahaza mpanjaka nandidy an’ i Oria mpisorona hoe: Eo ambonin’ ny alitara lehibe no andoroy ny fanatitra dorana maraina sy ny fanatitra hohanina hariva sy ny fanatitra dorana mbamin’ ny fanatitra hohanina izay ho an’ ny mpanjaka, ary ny fanatitra dorana mbamin’ ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina izay ho an’ ny vahoaka rehetra ary ny rà rehetra avy amin’ ny fanatitra dorana sy ny fanatitra alatsa-drà hafa dia hatopinao aminy; ary ny amin’ ny alitara varahina dia mbola hataoko fanontanian-javatra
Et le roi Achaz donna ses ordres au prêtre Urie en ces termes: Sur le grand autel fais fumer l'holocauste du matin, et l'offrande du soir et l'holocauste du roi et son offrande et les holocaustes de tout le peuple du pays et leurs offrandes et leurs libations et fais-y aspersion de tout le sang des holocaustes et de tout le sang des victimes;
16 Ary Oria mpisorona dia nanao araka izay rehetra nandidian’ i Ahaza mpanjaka.
quant à l'autel d'airain, je me consulterai: il sera à mon usage. Et le prêtre Urie agit en tous points selon les ordres du roi Achaz.
17 Ary nesorin’ i Ahaza mpanjaka ny kibon ny fitoeran-tavin-drano; ary nesoriny ny tavin-drano, ary ilay tavin-drano lehibe dia nampidininy niala tamin’ ireo omby varahina: izay teo ambaniny ka nataony teo ambony lampivato.
Et le roi Achaz brisa les panneaux des porte-aiguière et en détacha les bassins, il descendit la Mer de dessus les taureaux d'airain qui lui servaient de support et la posa sur un piédestal de pierre.
18 Ary ny Fialofana tamin’ ny Sabata, izay natao teo akaikin’ ny trano, sy ny fidirana ivelany izay an’ ny mpanjaka, dia nafindrany ho ao an-tranon’ i Jehovah noho ny tahony ny mpanjakan’ i Asyria.
Et le portique du Sabbat qu'on avait construit dans le temple et l'avenue extérieure du roi, il les changea dans le temple de l'Éternel, en vue du roi d'Assyrie.
19 Ary ny tantaran’ i Ahaza sisa, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Joda va izany?
Le reste des actes d'Achaz, ses entreprises, est d'ailleurs consigné dans le livre des annales des rois de Juda.
20 Ary Ahaza lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao amin’ ny razany tao an-Tanànan’ i Davida izy; ary Hezekia zanany nanjaka nandimby azy.
Et Achaz reposa avec ses pères et reçut la sépulture avec ses pères dans la ville de David. Et Ezéchias, son fils, devint roi en sa place.

< 2 Mpanjaka 16 >