< 1 Samoela 11 >

1 Ary Nahasy Amonita niakatra ka nitoby tandrifin’ i Jabesi-gileada; dia hoy ny mponina rehetra tao Jabesy tamin’ i Nahasy: Manaova fanekena aminay, dia hanompo anao izahay.
Ndipo Nahashi Mwamoni akaenda na kupiga kambi kuzunguka Yabeshi Gileadi. Watu wote wa Yabeshi wakamwambia Nahashi, “Fanya mkataba nasi, na tutakutumikia,”
2 Fa hoy Nahasy Amonita: Izao no hanaovako fanekena aminareo: hopotsirina ny masonareo ankavanana rehetra, ka hataoko fandatsana ny Isiraely rehetra izany.
Nahashi Mwamoni akawajibu, “Kwa sharti hili nitafanya mkataba na ninyi, kwamba wote niwang'oe macho ya kulia, na kwa kitendo hiki kilete fedheha katika Israeli yote.”
3 Fa hoy ny loholon’ i Jabesy taminy: Omeo andro hafitoana izahay, mba hanirahanay olona ho any amin’ ny fari-tanin’ ny Isiraely rehetra, ka raha tàhiny tsy misy olona hamonjy anay, dia hivoaka hanatona anao izahay.
Basi wazee wa Yabeshi wakamjibu, “Tuache kwa siku saba, ili tuwatume wajumbe katika nchi yote ya Israeli. Ndiposa, kama hakuna mtu wa kutuokoa, tutasalimu amri kwako.”
4 Dia tonga tany Gibean’ i Saoly ny iraka ka nanambara ny teniny teo anatrehan’ ny vahoaka; dia nanandratra ny feony ny vahoaka rehetra ka nitomany.
Nao wajumbe wakafika Gibea, alipoishi Sauli, na wakawaeleza watu kile kilichotokea. Watu wote wakalia kwa sauti kuu.
5 Ary, indro, Saoly tonga nandroaka ny omby avy tany an-tsaha ka nanao hoe: Inona izato nanjo ny olona, no mitomany izy? Ary nambarany azy ny tenin’ ny mponina tao Jabesy.
Na Sauli alikuwa akiwafuata nyuma maksai kutoka shambani. Sauli akauliza, “Watu wamepatwa na nini hadi wanalia?” Ndipo wakamweleza Sauli kile ambacho watu wa Yabeshi walikisema.
6 Dia nilatsaka tamin’ i Saoly ny Fanahin’ Andriamanitra, ka nirehitra mafy ny fahatezeran’ i Saoly, raha nandre izany teny izany.
Sauli aliposikia kile walichosema, Roho ya Mungu ikamjia kwa nguvu, na akakasirika.
7 Dia naka omby roa izy, ka norasainy ireo, dia nampitondrainy ny iraka ho any amin’ ny fari-tanin’ ny Isiraely rehetra ka nataony hoe: Na iza na iza tsy mivoaka hanaraka an’ i Saoly sy Samoela, dia tahaka ireny no hanaovana ny ombiny. Dia nahazo ny olona ny fahatahorana an’ i Jehovah, ka nivoaka toy ny olona iray ihany izy.
Akashika nira ya maksai, akawakata hao ng'ombe vipande vipande, na akavituma hivyo vipande katika nchi yote ya Israeli kwa kuwatumia wajumbe, Akasema, “Yeyote asiyejitokeza akimfuata Sauli na Samweli, hivi ndivyo ng'ombe wake watakavyofanywa.” Na hofu ya BWANA ikawaingia watu, na wakajitokeza wote kwa pamoja.
8 Ary nandamina azy tany Bezeka izy, dia telo hetsy no isan’ ny Zanak’ Isiraely, ary telo alina no isan’ ny lehilahy amin’ ny Joda.
Alipowahesabu hapo Beseki, watu wa Israeli walikuwa elfu mia tatu, na watu wa Yuda elfu thelathini.
9 Ary hoy izy tamin’ ny iraka izay tonga teo: Izao no holazainareo amin’ ny mponina ao Jabesi-gileada: Rahampitso ilay efa mafampana iny dia hisy famonjena ho anareo. Dia tonga ny iraka ka nanambara izany tamin’ ny mponina tao Jabesy; ka dia faly ireo.
Wakawaambia wale wajumbe waliotumwa, “Mtawaambia watu wa Yabeshi Gileadi, 'Kesho, wakati wa jua kali, Mtaokolewa.”' Basi wale wajumbe wakaenda na kuwaambia watu wa Yabeshi, na watu wakafurahi.
10 Ary hoy ny mponina tao Jabesy: Rahampitso no hivoahanay ho eny aminareo, dia hataonareo aminay izay rehetra sitrakareo.
Ndipo watu wa Yabeshi wakamwambia Nahashi, “Kesho tutasalimu amri kwako, na utaweza kutufanyia chochote unachoona kinakupendeza.”
11 Ary nony maraina, dia nozarain’ i Saoly ho telo toko ny olona, ka tonga teo amin’ ny toby tamin’ ny fiambenana maraina izy ary namely ny Amonita mandra-pahafampanan’ ny andro; koa izay sisa dia niely patrana, ka tsy nisy olona tafaraka na dia hatramin’ ny roa aza.
Siku iliyofuata Sauli akawapanga watu katika vikosi vitatu. Wakafika katikati ya Kambi wakati wa asubuhi, wakawashambulia na kuwashinda Waamoni ilipofika mchana. Waliosalimika nao walitawanyika, kiasi kwamba hata watu wawili hawakuachwa pamoja.
12 Ary hoy ny vahoaka tamin’ i Samoela: Iza moa no nanao hoe: Saoly va no hanjaka aminay? Atolory ireny olona ireny hataonay maty.
Ndipo watu wakamwambia Samweli, “Wako wapi waliosema, 'Hivi kweli Sauli atatutawala?' Walete watu hao, ili tuwauwe.”
13 Fa hoy Saoly: Tsy hisy olona hatao maty anio; fa androany no nanaovan’ i Jehovah famonjena teo amin’ ny Isiraely.
Lakini Sauli akasema, “Hakuna atakayeuwawa siku ya leo, kwa sababu leo BWANA amemuokoa Isreli.”
14 Ary hoy Samoela tamin’ ny vahoaka: Andeha isika hankany Gilgala hanavao ny fanjakana any.
Kisha Samweli akawaambia watu, “Njoni, twendeni Gilgali na tuimarishe ufalme tena huko.”
15 Dia lasa ny vahoaka nankany Gilgala; ary tany Gilgala no nananganany an’ i Saoly ho mpanjaka teo anatrehan’ i Jehovah; ary tany no nanaterany fanati-pihavanana teo anatrehan’ i Jehovah, dia nifaly indrindra teo Saoly mbamin’ ny lehilahy rehetra amin’ ny Isiraely.
Hivyo watu wote wakaenda Gilgali na wakamsimika Sauli kuwa mfalme mbele za BWANA huko Gilgali. Na huko walitoa sadaka za amani mbele za BWANA, na watu wote wa Israeli wakafurahi sana.

< 1 Samoela 11 >