< 1 Mpanjaka 16 >
1 Ary tonga tamin’ i Jeho, zanak’ i Hanany, ny tenin’ i Jehovah ny amin i Basa nanao hoe:
И дође реч Господња Јују, сину Ананијевом за Васу говорећи:
2 Satria nasandratro avy tamin’ ny vovoka ianao ka notendreko ho mpanapaka ny Isiraely oloko; nefa kosa nandeha tamin’ ny lalan’ i Jeroboama ihany ianao ary nampanota ny Isiraely oloko ka nampahatezitra Ahy tamin’ ny fahotany,
Што те подигох из праха и поставих вођом народу свом Израиљу, а ти идеш путем Јеровоамовим и наводиш на грех народ мој Израиља да ме гневи гресима својим,
3 dia, indro, hofongorako Basa sy ny taranany, ary ny taranakao hataoko tahaka ny taranak’ Jeroboama, zanak’ i Nebata.
Ево, ја ћу затрти наслеђе Васино и наслеђе дома његовог, и учинићу с домом твојим као с домом Јеровоама, сина Наватовог.
4 Koa izay tamingan’ i Basa maty ao an-tanàna dia hohanin’ ny alika; ary izay tamingany maty any an-tsaha dia hohanin’ ny voro-manidina.
Ко Васин погине у граду, изјешће га пси, а ко погине у пољу, изјешће га птице небеске.
5 Ary ny tantaran’ i Basa sisa mbamin’ izay nataony ary ny heriny, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely va izany?
А остала дела Васина и шта је чинио, и јунаштво његово, није ли то записано у дневнику царева Израиљевих?
6 Ary Basa lasa nodimandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao Tirza; ary Elaha zanany no nanjaka nandimby azy.
И почину Васа код отаца својих, и би погребен у Терси; а на његово место зацари се Ила, син његов.
7 Ary Jeho mpaminany zanak’ i Hanany, dia nampitondraina ny tenin’ i Jehovah ny amin’ i Basa sy ny taranany, satria nanao ratsy teo imason’ i Jehovah ka nampahatezitra Azy tamin’ ny asan’ ny tanany, ka dia tonga tahaka ny mpianakavin’ i Jeroboama, ary satria namono ireo izy.
И тако преко пророка Јуја, сина Ананијевог дође реч Господња против Васе и дома његовог за све зло што учини пред Господом гневећи Га делима својих руку, те би као дом Јеровоамов, и зато што га поби.
8 Tamin’ ny taona fahenina amby roa-polo nanjakan’ i Asa, mpanjakan’ ny Joda, no vao nanjakan’ i Elaha, zanak’ i Basa, tamin’ ny Isiraely tao Tirza, ary nanjaka roa taona izy.
Двадесет шесте године царовања Асиног над Јудом зацари се Ила, син Васин над Израиљем, и царова две године у Терси.
9 Ary Zimry mpanompony, komandin’ ny antsasaky ny kalesiny, nikomy taminy, raha nisotro ho mamo tao Tirza, tao an-tranon’ i Arza, lehiben’ ny tao an-dapa tao Tirza, izy.
А слуга његов Зимрије, старешина над половином кола, диже буну на Илу, кад пијаше у Терси и опи се у кући Арсе, који управљаше домом његовим у Терси.
10 Dia niditra Zimry ka namely an’ i Elaha ho faty tamin’ ny taona fahafito amby roa-polo nanjakan’ i Asa, mpanjakan’ ny Joda, ary izy no nanjaka nisolo azy.
И дође Зимрије и уби га и погуби га двадесет осме године царовања Асиног над Јудом, и зацари се на његово место.
11 Ary nony vao nanjaka Zimry ka nipetraka tamin’ ny seza fiandrianany, dia namono ny mpianakavin’ i Basa rehetra izy; ka tsy navelany hisy miangana na dia lehilahy iray akory aza, na tamin’ ny havany, na tamin’ ny sakaizany.
А чим се зацари и седе на престо свој, поби сав дом Васин, не остави му ни што уза зид мокри, и родбину његову и пријатеље његове.
12 Toy izany no nandringanan’ i Zimry ny mpianakavin’ i Basa rehetra, araka ny tenin’ i Jehovah izay nampilazainy an’ i Jehovah mpaminany ny amin’ i Basa,
Тако Зимрије затре сав дом Васин по речи Господњој коју рече за Васу преко Јуја пророка,
13 noho ny fahotany rehetra sy ny fahotan’ i Elaha zanany koa, izay nataony sady nampanotany ny Isiraely ka nampahatezitra an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, tamin’ ny zava-poanany.
За све грехе Васине и за грехе Иле, сина његовог, којима грешише и којима на грех наводише Израиља гневећи Господа Бога Израиљевог таштинама својим.
14 Ary ny tantaran’ i Elaha sisa mbamin’ izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely va izany?
А остала дела Илина и све што је чинио, није ли то записано у дневнику царева Израиљевих?
15 Tamin’ ny taona fahafito amby roa-polo nanjakan’ i Asa, mpanjakan’ ny Joda, no nanjakan’ i Zimry hafitoana tao Tirza. Ary ny olona nanao fahirano an’ i Gibetona, izay an’ ny Filistina.
Године двадесет седме царовања Асиног над Јудом зацари се Зимрије, и царова седам дана у Терси; а народ тада стајаше у логору код Гиветона, који беше филистејски.
16 Ary ny olona izay nitoby teo dia nandre hoe: Efa nikomy Zimry sady efa namono ny mpanjaka koa; ary ny Isiraely rehetra tany an-tobiny nampanjaka an’ i Omry, komandin’ ny miaramila, androtrizay ihany ho mpanjakan’ ny Isiraely.
И народ што беше у логору кад чу да је Зимрије дигао буну и цара убио, исти дан сав Израиљ у логору постави царем над Израиљем Амрија војводу.
17 Dia niakatra avy tao Gibetona Omry sy ny Isiraely rehetra niaraka taminy, ka dia nanao fahirano an’ i Tirza.
И Амрије и сав Израиљ с њим отидоше од Гиветона и опколише Терсу.
18 Ary nony hitan’ i Zimry fa afaka ny tanana, dia lasa niditra tao amin’ ny trano avo amin’ ny lapa izy, ary nodorany tamin’ ny afo ny lapa, ka may tao izy, dia maty
А Зимрије кад виде где освојише град, отиде у двор царски, и запали над собом двор царски, те погибе,
19 noho ny fahotana izay nataony tamin’ ny nanaovany izay ratsy eo imason’ i Jehovah, tamin’ ny nandehanany tamin’ ny lalan’ i Jeroboama sy tamin’ ny fahotana izay nataony sady nampanotany ny Isiraely.
За грехе своје којима је грешио чинећи што је зло пред Господом, ходећи путем Јеровоамовим и у греху његовом, којим је грешио наводећи на грех Израиља.
20 Ary ny tantaran’ i Zimry sisa mbamin’ ny fikomiany, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely va izany?
А остала дела Зимријева и буна коју подиже, није ли то записано у дневнику царева Израиљевих?
21 Ary tamin’ izany dia nizara roa ny lehilahy amin’ ny Isiraely: ny antsasany nomba an i Tibny, zanak’ i Ginata, hampanjaka azy; ary ny antsasany kosa nomba an’ i Omry.
Тада се раздели народ Израиљев на двоје: Половина народа приста за Тивнијом, сином Гинатовим да га учини царем, а друга половина приста за Амријем.
22 Fa ny olona izay nomba an’ i Omry naharesy ny olona izay nomba an’ i Tibny, zanak’ i Ginata; ka dia maty Tibny, ary Omry no nanjaka.
Али народ који приста за Амријем би јачи од народа који приста за Тивнијом сином Гонатовим. И умре Тивнија, а царова Амрије.
23 Tamin’ ny taona fahiraika amby telo-polo nanjakan’ i Asa, mpanjakan’ ny Joda, no vao nanjakan’ i Omry; ary nanjaka roa ambin’ ny folo taona tamin’ ny Isiraely izy; tao Tirza no nanjakany enin-taona.
Тридесет прве године царовања Асиног над Јудом поче царовати Амрије над Израиљем, и царова дванаест година; у Терси царова шест година.
24 Ary novidiny talenta volafotsy roa tamin’ i Samera ny havoan’ i Samaria, dia nanao tanàna teo an-tampon’ ny havoana izy, ary nataony hoe Samaria, araka ny anaran’ i Samera, tompon’ ny havoana, ny anaran’ ny tanàna.
И купи гору самаријску од Семера за два таланта сребра, и сагради град на гори, и назва град који сагради Самарија по имену Семера господара од горе.
25 Fa Omry nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah; eny, nanao ratsy mihoatra noho izay rehetra teo alohany izy;
А Амрије чињаше што је зло пред Господом, и горе чињаше од свих који беху пре њега.
26 fa nandeha tamin’ ny lalana rehetra nalehan’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, sy tamin’ ny fahotana izay nampanotany ny Isiraely izy ka nampahatezitra an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, tamin’ ny zava-poanany.
Јер хођаше свим путевима Јеровоама сина Наватовог и у греху његовом, којим је навео на грех Израиља гневећи Господа Бога Израиљевог таштинама својим.
27 Ary ny tantaran’ i Omry sisa mbamin’ izay nataony sy ny heriny izay nasehony, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely va izany?
А остала дела Амријева и све што је чинио, и јунаштва која је чинио, није ли то записано у дневнику царева Израиљевих?
28 Ary Omry lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao Samaria izy; ary Ahaba zanany no nanjaka nandimby azy.
И почину Амрије код отаца својих, и би погребен у Самарији; а на његово се место зацари Ахав син његов.
29 Ary Ahaba, zanak’ i Omry, vao nanjaka tamin’ ny Isiraely tamin’ ny taona fahavalo amby telo-polo nanjakan’ i Asa, mpanjakan’ ny Joda, ary nanjaka tamin’ ny Isiraely tao Samaria roa amby roa-polo Taona izy.
И Ахав, син Амријев, поче царовати над Израиљем тридесет осме године царовања Асиног над Јудом, и царова Ахав син Амријев над Израиљем у Самарији двадесет и две године.
30 Ary Ahaba, zanak’ i Omry, nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah mihoatra noho izay rehetra teo alohany.
И чињаше Ахав, син Амријев, што је зло пред Господом, више од свих који беху пре њега.
31 Fa nataony ho zavatra kely foana ny handeha amin’ ny fahotan’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, ka dia nampakatra an’ i Jezebela, zanakavavin’ i Etibala, mpanjakan’ ny Sidoniana, izy ho vadiny, dia nandeha nanompo an’ i Bala ka niankohoka teo anatrehany.
И мало му беше што хођаше у гресима Јеровоама, сина Наватовог, него се још ожени Језавељом, кћерју Етвала цара сидонског, и отиде, те служаше Валу и клањаше му се.
32 Ary nanao alitara ho an’ i Bala tao amin’ ny tranon’ i Bala izay nataony tao Samaria izy.
И начини олтар Валу у дому Валовом који сазида у Самарији.
33 Ary Ahaba nanao ny Aseraha ka nampahatezitra an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, mihoatra noho ny mpanjakan’ ny Isiraely rehetra izay teo alohany.
И начини Ахав гај, и учини Ахав више од свих царева Израиљевих који беху пре њега, да би разгневио Господа Бога Израиљевог.
34 Tamin’ ny andron’ i Ahaba no nanorenan’ i Hiela Betelita an’ i Jeriko; ny ain’ i Abìrama lahimatoany no sazin’ ny nanorenany ny fanambaniny, ary ny ain’ i Segoba faralahiny no sazin’ ny nananganany ny vavahadiny, araka ny tenin’ i Jehovah izay nampilazainy an’ i Josoa, zanak’ i Nona.
За његовог времена Хил Ветиљанин сазида Јерихон. На Авирону првенцу свом основа га, а на Сегуву мезимцу свом метну му врата по речи Господњој, коју рече преко Исуса сина Навиног.