< 1 Tantara 5 >

1 Ary ny zanakalahin’ i Robena, lahimatoan’ Isiraely (fa izy no lahimatoa; saingy ny nandotoany ny farafaran-drainy no nanomezana ny fizokiany ho an’ ny zanak’ i Josefa, zanak’ Isiraely; nefa tsy voasoratra ho zokiny amin’ ny fitantaram-pirazanana ireo;
Wana wa Rubeni mzaliwa wa kwanza wa Israeli - sasa Rubeni alikuwa mzaliwa wa kwanza wa Israeli, lakini haki yake ya mzaliwa wa kwanza ilipewa kwa wana wa Yusufu mwana wa Israeli kwa sababu Rubeni alinajisi kochi la baba yake. Hivyo hajanakiliwa kama mwana wa kwanza.
2 fa Joda nisandratra noho ny rahalahiny, ary izy no nihavian’ ny mpanapaka; nefa ny fizokiana kosa dia an’ i Josefa ihany),
Yuda alikuwa mwenye nguvu kuliko kaka zake, na kiongozi ata toka kwake. Lakini haki ya mzaliwa wa kwanza ilikuwa ya Yusufu -
3 ny zanakalahin’ i Robena, lahimatoan’ Isiraely, dia Hanoka sy Palo sy Hezrona ary Karmy.
wana wa Rubeni, mzaliwa wa kwanza wa Israeli alikuwa Hanoki, Palu, Hezroni, na Karmi.
4 Ny zanakalahin’ i Joela dia Semaia, ary Goga no zanakalahin’ i Semaia, Sirney no zanakalahin’ i Goga,
Uzao wa Yoeli ulikuwa huu: Mwana wa Yoeli alikuwa Shemaia. Mwana wa Shemaia alikuwa Gogi. Mwana wa Gogi alikuwa Shimei.
5 Mika no zanakalahin’ i simey, Reaia no zanakalahin’ i Mika, Bala no zanakalahin’ i Reaia,
Mwana wa Shimei alikuwa Mika. Mwana wa Mika alikuwa Reaia. Mwana wa Reaia alikuwa Baali.
6 Bera no zanakalahin’ i Bala, izay nobaboin’ i Tiglato-pilesera, mpanjakan’ i Asyria; izy no loham-pirenen’ ny Robenita.
Mwana wa Baali alikuwa Bera, ambaye Tiligathi Pileseri alimpeleka matekani kule Assiria. Bera alikuwa kiongozi katika kabila la Rubeni.
7 Ary ny rahalahiny araka ny fokony avy, raha nisaina ny firazanan’ ny fireneny, dia Jeiela lohany sy Zakaria
Ndugu wa Bera kwa makabila yao ni hawa wafuatao, wameorodheshwa katika nakala za uzao wao: Yeieli wa kwanza, Zekaria, na
8 ary Bela, zanak’ i Azaza, zanak’ i Sema, zanak’ i Joela, izay nonina tao Aroera hatrany Nebo sy Balameona.
Bela mwana wa Azazi mwana wa Shema mwana wa Yoeli. Waliishi Aroeri, kwa umbali wa Nebo na Baali Meoni,
9 Ary nonina tany atsinanana hatrany akaikin’ ny efitra ka hatramin’ ny ony Eofrata izy; fa ny ombiny aman’ ondriny nihamaro teny amin’ ny tany Gileada.
na mwanzo wa mashariki mwa jangwa lenye umbali wa hadi Mto Efarati. Hii ni kwa sababu walikuwa na mifugo mingi katika nchi ya Gileadi.
10 Ary tamin’ ny andron’ i Saoly dia niady tamin’ ny Hagarita izy ka naharesy azy; ary nonina an-day eran’ ny ilany atsinanana rehetra amin’ i Gileada izy.
Katika siku za Sauli, kabila la Rubeni lilishambulia Wahagiri na kuwa shinda. Wakaishi ndani ya hema za Wahagiri katika nchi yote mashariki mwa Gileadi.
11 Ary ny taranak’ i Gada nonina tandrifiny, teny amin’ ny tany Basana hatrany Saleka;
Kabila la Gadi liliishi karibu nao, katika nchi ya Bashani umbali wa Saleka.
12 Joela no lohany, dia Safama no manarakaraka, dia Janay sy Safata tany Basana.
Viongozi wao walikuwa Yoeli, aliyekuwa kichwa wa ukoo, na Shafamu alikuwa kichwa wa ukoo mwingine, na Yanai na Shafati walikuwa wa Bashani.
13 Ary ny rahalahiny araka ny fianakaviany avy dia Mikaela sy Mesolama sy Seba sy Joray sy Jakana sy Zia ary Ebera; fito izy.
Ndugu zao, kwa familia za baba yao, walikuwa Mikaeli, Meshulamu, Sheba, Yorai, Yakani, na Eberi - jumla saba wote.
14 Ireo no zanakalahin’ i Abihaila, zanak’ i Hory, zanak’ i Jaroa, zanak’ i Gileada, zanak’ i Mikaela, zanak’ i Jesisay, zanak’ i Jado, zanak’ i Boza;
Hawa watu walio tajwa hapo juu ni uzao wa Abihaili, na Abihaili alikuwa mwana wa Huri. Huri alikuwa mwana w a Yaroa. Yaroa alikuwa mwana wa Gileadi. Gileadi alikuwa mwana wa Mikaeli. Mikaeli alikuwa mwana wa Yeshishai. Yeshishai alikuwa mwana wa Yado. Yado alikuwa mwana wa Buzi.
15 Ahia, zanak’ i Abdiela, zanak’ i Gony, no lohan’ ny fianakaviany.
Ahi mwana wa Abidieli mwana wa Guni, alikuwa kichwa cha familia ya baba yake.
16 Ary nonina tany Gileada sy tany Basana sy tamin’ ny zana-bohiny ary tamin’ ny tany rehetra an-tsisin’ i Sardna manodidina izy.
Waliishi Gileadi, Bashani, katika miji, na katika nchi zote za malisho ya Sharoni kwa umbali wa mipaka yake.
17 Ireo rehetra ireo dia nisaina araka ny firazanany tamin’ ny andron’ i Jotama, mpanjakan’ ny Joda, sy tamin’ ny andron’ i Jeroboama, mpanjakan’ ny Isiraely.
Hawa wote waliorodheshwa katika nakaka za uzao katika siku za Yothamu mfalme wa Yuda na Yeroboamu mfalme wa Israeli.
18 Ny taranak’ i Robena sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen’ i Manase, izay isan’ ny lehilahy mahery, ka lehilahy mahatana ampinga sy sabatra ary mahahenjana tsipìka sady zatra ny miady, dia enim-polo amby fiton-jato amby efatra arivo sy efatra alina no isan’ ny azo nalefa hanafika.
Warubeni, Wagadi, na nusu ya kabila la Manase walikuwa na wana jeshi elfu arobaini na nne walio fuzu kwa vita, walio beba ngao na upanga, na pinde na mishale.
19 Ary niady tamin’ ny Hagarita sy tamin’ i Jetora sy Nafisy ary Nodaba izy.
Waliwashambulia Wahagri, Yeturi, Nafishi, na Nodabu.
20 Ary nombana hamely ireo izy, ka dia voatolotra teo an-tànany ny Hagarita mbamin’ izay rehetra nomba azy, satria nitaraina tamin’ Andriamanitra teo amin’ ny ady izy, ary nekeny ny fangatahany noho ny fahatokiany Azy.
Walipokea msaada wa Kimungu dhidi yao. Katika hili Wahagri na wote walio kuwa nao walishindwa. Hii ni kwa sababu Waisraeli walipaza sauti katika vita, na yeye akawajibu, kwa sababu waliweka tumaini lao kwake.
21 Ary nobaboiny ny bibiny, dia rameva dimy alina sy ondry aman’ osy dimy alina amby roa hetsy sy boriky roa arivo ary olona iray hetsy;
Walikamata wanya wao, pamoja na ngamia elfu hamsini, kondoo 250, 000, punda elfu mbili, na wanaume 100, 000.
22 fa maro ny faty niampatrampatra, satria avy tamin’ Andriamanitra ny ady. Ary nonina nandimby ireo izy mandra-pahatongan’ ny namaboana azy kosa.
Kwa sababu Mungu aliwapigania, waliua maadui wengi. Waliishi katika nchi yao mpaka mateka.
23 Ary ny taranaky ny antsasaky ny firenen’ i Manase dia nonina tamin’ ny tany; ary nihamaro izy hatrany Basana ka hatrany Bala-hermona sy Senira ary hatramin’ ny tendrombohitra Hermona.
Baadhi ya watu wa kabila la Manase waliishi katika nchi ya Bashani kwa umbali wa Hermoni na Seniri (hiyo ni, Mlima Hermoni).
24 Ary izao no lohan’ ny fianakaviany: Efera sy Jisy sy Eliala sy Azriela sy Jeremia sy Hodavia ary Jadiela; lehilahy mahery ireo ary malaza sady samy lohan’ ny fianakaviany avy.
Hawa walikuwa viongozi wa familia zao: Eferi, Ishi, Elieli, Azrieli, Yeremia, Hodavia, na Yahdieli. Walikuwa wenye nguvu na wanaume wa jasiri, wanaume maharufu, viongozi wa familia zao.
25 Ary nivadika tamin’ Andriamanitry ny razany ireo, fa nijangajanga nanaraka ny andriamanitry ny tompon-tany, izay naringan’ Andriamanitra tsy ho eo anoloany.
Lakini walikuwa sio wa aminifu kwa Mungu wa babu zao. Badala yake, waliabudu miungu ya watu waio nchi, ambao Mungu aliwaangamiza mbele yao.
26 Ary Andriamanitry ny Isiraely namporisika an’ i Pola, mpanjakan’ i Asyria, sy Tiglato-pilesera mpanjakan’ i Asyria, ka dia nobaboin’ ireo ny Robenita sy ny Gadita sy ny antsasaky ny firenen’ i Manase ka nentiny tany Hala sy Habora sy Hara ary tany amoron’ ny ony Gozana ambaraka androany.
Mungu wa Israeli alimchochea Puli mfalme wa Assiria ( ambaye pia uitwa Tiligathi Pileseri, mfalme wa Assiria). Aliwa peleka matekani Warubeni, Wagadi, na nusu ya kabila la Manase. Aliwaleta kwa Hala, Habori, Hara, na kwenye mto wa Gozani, ambapo wapo adi leo.

< 1 Tantara 5 >