< Ezekiyel 46 >

1 “‘Ga abin da Ubangiji Mai Iko Duka yana cewa a rufe ƙofa ta fili na can cikin da take fuskantar gabas ranaku shida na aiki, amma a ranar Asabbaci da kuma a ranar ganin Sabuwar Wata a buɗe ta.
Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Ny vavahadin’ ny kianja anatiny izay manatrika ny atsinanana dia harindrina mandritra ny henemana fanaovan-draharaha; fa amin’ ny Sabata sy amin’ ny andro voaloham-bolana kosa no hivoha izy.
2 Sarki zai shiga daga waje ta shirayin hanyar shiga yă tsaya a madogarar ƙofa. Firistoci za su miƙa hadayarsa ta ƙonawa da hadayunsa na salama. Zai yi sujada a madogarar ƙofar hanyar shiga sa’an nan ya fita, amma ba za a rufe ƙofar ba sai da yamma.
Dia hiditra avy any ivelany amin’ ny lalana mankamin’ ny lavarangan’ ny vavahady ny mpanjaka ka hijanona eo anilan’ ny tolam-bavahady, ary ny fanatitra dorany sy ny fanati-pihavanany dia haterin’ ny mpisorona, ary ny mpanjaka hiankohoka eo amin’ ny tokonam-bavahady, dia hivoaka izy; ary tsy hirindrina ny vavahady, raha tsy efa hariva ny andro.
3 A Asabbatai da kuma a Sabuwar Wata mutanen ƙasar za su yi sujada a gaban Ubangiji a mashigin wannan hanyar shiga.
Ary ny vahoaka koa hiankohoka eo anatrehan’ i Jehovah eo am-bavahady amin’ ny Sabata sy amin’ ny andro voaloham-bolana.
4 Hadaya ta ƙonawar da sarki ya kawo wa Ubangiji a ranar Asabbaci’yan raguna shida ne da rago guda, dukansu marasa lahani.
Ary ny fanatitra dorana izay haterin’ ny mpanjaka ho an’ i Jehovah amin’ ny andro Sabata dia zanak’ ondry enina tsy misy kilema sy ondrilahy iray tsy misy kilema koa.
5 Hadayar garin da aka bayar tare da ragon efa guda ne, hadayar garin da’yan ragunan yadda ya ga dama, tare da kwalabar mai don kowace efa.
Ary ny fanatitra hohanina fanampin’ ilay ondrilahy iray dia iray efaha, ary ny fanatitra hohanina fanampin’ ireo zanak’ ondry dia araka izay tiany, ary ny diloilo iray hina isan’ efaha.
6 A ranar Sabuwar Wata zai miƙa ɗan bijimi,’yan raguna guda shida da kuma rago guda, dukansu marasa lahani.
ary amin’ ny andro voaloham-bolana dia vantotr’ ombilahy iray tsy misy kilema sy zanak’ ondry enina ary ondrilahy iray; samy tsy hisy kilema ireo.
7 Zai tanada a matsayin hadaya ta gari, efa guda tare da bijimi, efa guda tare da’yan raguna, da kuma’yan raguna yadda ya ga dama, tare da kwalabar mai don kowace efa.
Ary hanatitra fanatitra hohanina izy, dia iray efaha isam-bantotr’ ombilahy sy iray efaha isan-ondrilahy koa; ary ny amin’ ny zanak’ ondry dia araka izay tiany, ary ny diloilo dia iray hina isan’ efaha.
8 Sa’ad da sarki zai shiga, zai shiga ta shirayin hanyar shiga, zai kuma fita ta nan.
Ary raha miditra ny mpanjaka, dia amin’ ny lalana mankamin’ ny lavarangan’ ny vavahady no hidirany ary amin’ ny lalana nalehany ihany koa no hivoahany.
9 “‘Sa’ad da mutanen ƙasar suka zo gaban Ubangiji a ƙayyadaddun bukukkuwa, duk wanda ya shiga ta ƙofar arewa don yă yi sujada sai ya fita ta ƙofar kudu; kuma duk wanda ya shiga ta ƙofar kudu sai ya fita ta ƙofar arewa. Ba wanda zai koma ta ƙofar da ya shiga, amma kowa zai fita a ƙofar ɗaura da wadda ya shiga.
Fa raha ny vahoaka kosa no miditra ho eo anatrehan’ i Jehovah amin’ ny fotoam-pivavahana, dia izay miditra amin’ ny vavahady avaratra hiankohoka dia hivoaka amin’ ny vavahady atsimo kosa; ary izay miditra amin’ ny vavahady atsimo dia hivoaka amin’ ny vavahady avaratra kosa: tsy hiverina amin’ ilay vavahady nidirany izy, fa amin’ izay tandrifiny ihany no hivoahany
10 Sarki zai kasance a cikinsu, zai shiga sa’ad da suke shiga ya kuma fita sa’ad da suka fita.
Ary ny mpanjaka dia hiara-miditra amin’ ireo, ary raha mivoaka ireo, dia hiara-mivoaka aminy.
11 “‘A bukukkuwa da ƙayyadaddun bukukkuwa, hadaya ta gari zai zama efa tare da bijimi, efa da rago, da kuma’yan raguna da ya ga dama, haɗe da kwalabar mai.
Ary amin’ ny andro firavoravoana sy ny fotoam-pivavahana dia iray efaha no ho fanatitra hohanina isam-bantotr’ ombilahy iray, ary iray efaha isan-ondrilahy iray, ary ny amin’ ny zanak’ ondry, dia araka izay tiany, ary ny diloilo dia eran’ ny hina isan-efaha.
12 Sa’ad da sarki ya ba da hadaya ta yardar rai ga Ubangiji, ko hadaya ta ƙonawa ce ko hadayun salama ne, sai a buɗe masa ƙofar da take fuskantar gabas. Zai miƙa hadayarsa ta ƙonawa ko hadayarsa ta salama yadda yakan yi a ranar Asabbaci. Sa’an nan ya fita, bayan kuma ya fita, sai a rufe ƙofar.
Ary raha ny mpanjaka no manatitra fanatitra dorana na fanati-pihavanana ho fanatitra sitrapo ho an’ i Jehovah, dia hovohana ho azy ny vavahady manatrika ny atsinanana, dia hateriny ny fanatitra dorany sy ny fanati-pihavanany, tahaka izay àtaony amin’ ny Sabata; ary rehefa tafavoaka izy, dia harindrina ny vavahady.
13 “‘Kullum za ku tanada ɗan rago bana ɗaya marar lahani don hadaya ta ƙonawa ga Ubangiji; kowace safiya za ku tanada shi.
Ary zanak’ ondry anankiray iray taona tsy misy kilema no haterinao isan’ andro ho fanatitra dorana ho an’ i Jehovah; isa-maraina no hanateranao azy.
14 Tare da shi za ku tanada hadaya ta gari kowace safiya, da ya haɗa da kashi ɗaya bisa shida na efa tare da kashi ɗaya bisa uku na mai ga garin da aka cuɗa. Miƙawar wannan hadaya ta gari ga Ubangiji dawwammamiyar farilla ce.
Ary hanatitra fanatitra hohanina ho fanampiny isa-maraina ianao, dia ampahenin’ ny efaha sy diloilo ampahatelon’ ny hina handemana ny koba tsara toto; fanatitra hohanina ho an’ i Jehovah izany: lalàna tsy miova mandrakizay izany.
15 Saboda haka za a tanada ɗan rago da hadaya ta gari da kuma mai kowace safiya don hadaya ta ƙonawa ta kullum.
Ary toy izany no anatero ny zanak’ ondry sy ny fanatitra hohanina ary ny diloilo isa-maraina ho fanatitra mandrakariva.
16 “‘Ga abin da Ubangiji Mai Iko Duka yana cewa in sarkin ya ba wa ɗaya daga cikin’ya’yansa kyauta daga gādonsa, zai kuwa zama na zuriyar; zai kuwa zama mallakarsu ta wurin gādo.
Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Raha manome zavatra ho an’ ny anankiray amin’ ny zanany ny mpanjaka, dia ho lovan’ ny zanany izany; eny, ho zara-lovany izany.
17 In kuma ya ba wa ɗaya daga cikin bayinsa kyauta daga gadonsa, bawan zai iya riƙe shi sai shekarar’yantarwa; sa’an nan ya mayar wa sarkin. Gādon sarki na’ya’yansa maza ne kaɗai; na su ne.
Fa raha manome zavatra avy amin’ ny lovany ho an’ ny anankiray amin’ ny mpanompony kosa izy, dia ho azy mandra-pahatongan’ ny taona fanafahana ihany izany; dia hiverina ho amin’ ny mpanjaka indray izany ka ho lova ho an’ ny zanany ihany.
18 Kada sarki ya ƙwace gādon mutane, yana korinsu daga mallakarsu. Zai ba wa’ya’yansa maza gādonsu daga cikin mallakarsa, don kada a raba wani daga mutanena da mallakarsa.’”
Ary tsy haka amin’ ny lovan’ ny vahoaka hampiala azy amin’ ny zara-taniny izy; fa homeny lova avy amin’ ny fananany ihany ny zanany, mba tsy hielezan’ ny oloko hiala amin’ ny zara-taniny.
19 Sa’an nan mutumin ya fitar da ni ta ƙofar shiga a gefen ƙofar zuwa tsarkakakkun ɗakuna waɗanda suke fuskantar arewa, waɗanda suke na firistoci, ya kuma nuna mini wani wuri daga can ƙurewar yamma.
Dia nentiny niditra tamin’ ny fidirana eo anilan’ ny vavahady aho ho ao amin’ ireo efi-trano masin’ ny mpisorona, izay manatrika ny avaratra; ary, indro, nisy fitoerana teo amin’ ny faran’ ny andrefana.
20 Ya ce mini, “Wannan shi ne wurin da firistoci za su dafa hadaya don laifi, da hadaya don zunubi, a nan ne kuma za su toya hadaya ta gari, domin kada su kai su a filin da yake waje, su tsarkake mutane.”
Dia hoy izy tamiko: Io no fitoerana fahandroan’ ny mpisorona ny fanati-panonerana sy ny fanatitra noho ny ota sy hanendasany ny fanatitra hohanina, mba tsy hitondrany azy mivoaka lò any amin’ ny kianja ivelany hanamasina ny olona.
21 Sa’an nan ya kawo ni filin da yake waje ya kuma bi da ni kewaye da kusurwoyi huɗunsa, na kuma ga kowace kusurwa na wani fili.
Dia nentiny nivoaka ho any amin’ ny kianja ivelany aho ka nampiteteziny ny zorony efatra amin’ ny kianja; ary, indro, ao amin’ ny isan-joron’ ny kianja dia nisy kianja hafa koa.
22 A kusurwoyi huɗu na filin da yake waje akwai waɗansu filaye a haɗe, tsawonsu kamu arba’in fāɗinsu kuwa kamu talatin; kowane fili a kusurwoyi huɗun nan girmansu ɗaya ne.
Teny amin’ ny zorony efatra amin’ ny kianja dia nisy kianja nofefena, efa-polo hazizo avy ny lavany, ary telo-polo avy ny sakany; mitovy ohatra ireo an-jorony efatra ireo.
23 Kewaye da cikin kowane filin huɗun nan akwai ginin dutse, da murhu da aka gina a kewaye a ƙarƙashin ginin.
Ary nisy rafitra teo anatiny manodidina azy, dia manodidina ireo efatra ireo, izay nisy fahandroana ambanin’ izany rafitra manodidina izany.
24 Sai ya ce mini, “Waɗannan su ne ɗakunan dahuwa inda masu hidima a haikali za su dafa hadayun da jama’a.”
Dia hoy izy tamiko: Ireto no tranon’ ny mpahandro, izay fahandroan’ ny mpanao fanompoam-pivavahana eto an-trano ny fanatitra halatsa-drà aterin’ ny olona.

< Ezekiyel 46 >