< 2 Sama’ila 2 >

1 Bayan’yan kwanaki, sai Dawuda ya nemi nufin Ubangiji ya ce, “In haura zuwa ɗaya daga cikin biranen Yahuda?” Ubangiji ya ce, “Haura.” Dawuda ya ce, “Wanne zan tafi?” Ubangiji ya ce, “Je Hebron.”
Ary rehefa afaka izany, Davida dia nanontany tamin’ i Jehovah hoe: Hiakatra ho any amin’ ny tanànan’ ny Joda anankiray va aho? Dia hoy Jehovah taminy: Miakara. Ary hoy Davida: Any aninona no hiakarako? Dia hoy Izy: Any Hebrona.
2 Saboda haka sai Dawuda ya tafi can tare da matansa biyu, Ahinowam daga Yezireyel da Abigiyel gwauruwar Nabal mutumin Karmel.
Dia niakatra nankany Davida mbamin’ ny vadiny roa, dia Ahinoama Jezirelita sy Abigaila, ilay novinadin’ i Nabala Karmelita.
3 Dawuda kuma ya tafi tare da dukan mutanen da suke tare da shi, kowa da iyalinsa, suka zauna a Hebron da garuruwansa.
Ary ny olona izay tao amin’ i Davida mbamin’ ny ankohonan’ ireo dia samy nentiny niakatra koa, ka nonina tao amin’ ny tanàna momba an’ i Hebrona izy ireo.
4 Sa’an nan mutanen Yahuda suka zo Hebron, a can kuwa suka naɗa Dawuda sarkin Yahuda. Sa’ad da aka gaya wa Dawuda cewa mutanen Yabesh Gileyad ne suka binne Shawulu,
Ary dia avy ny lehilahy amin’ ny Joda ka nanosotra an’ i Davida tao mba ho mpanjaka amin’ ny taranak’ i Joda. Ary nisy nanambara tamin’ i Davida hoe: Ny olona any Jabesi-gileada no nandevina an’ i Saoly.
5 sai ya aiki manzanni zuwa Yabesh Gileyad a ce musu, “Ubangiji yă albarkace ku saboda alherin da kuka nuna wa Shawulu ta wurin binne shi.
Ary Davida dia naniraka olona hankany amin’ ny mponina any Jabesi-gileada hanao aminy hoe: Hotahin’ i Jehovah anie ianareo noho ny soa nataonareo tamin’ i Saoly tomponareo tamin’ ny nandevenanareo azy.
6 Bari Ubangiji yă nuna muku ƙaunarsa da amincinsa, ni kuma zan nuna muku irin wannan alherin saboda kun yi haka.
Koa haneho famindram-po sy fahamarinana aminareo anie Jehovah, sady izaho koa efa manao izao soa izao aminareo noho ny nanaovanareo izany zavatra izany.
7 Yanzu fa, sai ku ƙarfafa, ku yi jaruntaka, gama Shawulu sarkinku ya mutu, gidan Yahuda kuwa sun naɗa ni sarki a kansu.”
Ary ankehitriny, aoka hampaherezina anie ny tananareo, ary aoka hatanjaka ianareo; fa maty Saoly tomponareo, ary izaho no nohosoran’ ny firenen’ i Joda ho mpanjakany.
8 Ana cikin haka, Abner ɗan Ner, komandan sojojin Shawulu, ya ɗauki Ish-Boshet ɗan Shawulu ya kawo shi Mahanayim.
Fa Abnera, zanak’ i Nera, komandin’ ny miaramilan’ i Saoly, efa naka an’ Isboseta, zanakalahin’ i Saoly, ka nitondra azy nankany Mahanaima,
9 Ya naɗa shi sarkin Gileyad, da na Ashuri, da na Yezireyel, da a kan Efraim, da Benyamin, da kuma na dukan Isra’ila.
dia nampanjaka azy tamin’ i Gileada sy ny Asorita sy Jezirela sy ny Efraima sy ny Benjamina ary ny Isiraely rehetra.
10 Ish-Boshet ɗan Shawulu yana da shekaru arba’in sa’ad da ya zama sarkin Isra’ila, ya kuma yi sarauta shekara biyu. Amma fa, gidan Yahuda, suka bi Dawuda.
(Ary efa-polo taona no nahaveloman’ Isboseta, zanak’ i Saoly, fony izy vao nanjaka amin’ ny Isiraely, ary roa taona no nanjakany.) Fa ny firenen’ i Joda nomba an’ i Davida.
11 Tsawon lokacin da Dawuda ya yi mulki a Hebron a kan gidan Yahuda, shekara bakwai ne da wata shida.
Ary ny andro nanjakan’ i Davida tao Hebrona tamin’ ny taranak’ i Joda dia fito taona sy enim-bolana.
12 Abner ɗan Ner, tare da mutanen Ish-Boshet ɗan Shawulu, suka bar Mahanayim suka tafi Gibeyon.
Ary Abnera, zanak’ i Nera, sy ny mpanompon’ Isboseta, zanak’ i Saoly, niala tao Mahanaima ka nankany Gibeona.
13 Yowab wanda ake ce mamarsa Zeruhiya tare da waɗansu mutanen Dawuda suka fito suka haɗu da su tafkin Gibeyon, Suka zauna, waɗannan a wannan gefe, waɗancan a wancan gefe.
Ary Joaba, zanak’ i Zeroia, sy ny mpanompon’ i Davida nivoaka ka nihaona tamin’ ireo teo amoron’ ny kamory tao Gibeona; ary samy nipetraka teo amin’ ny lafin’ ny kamory avy izy.
14 Sa’an nan Abner ya ce wa Yowab, “Bari mu bar waɗansu samari su tashi su yi faɗa hannu da hannu a gabanmu.” Yowab ya ce, “To, su tashi.”
Ary hoy Abnera tamin’ i Joaba: Masìna ianao, aoka hitsangana ny zatovo hanao kilalao eto anatrehantsika. Ary hoy Joaba; Aoka ary izy hitsangana.
15 Saboda haka samarin suka tashi aka ƙidaya su, mutum sha biyu wajen Benyamin da Ish-Boshet ɗan Shawulu, sha biyu kuma wajen Dawuda.
Dia nisy nitsangana ka nita, dia roa ambin’ ny folo lahy tamin’ ny Benjamina, izay an’ Isboseta, zanak’ i Saoly, ary roa ambin’ ny folo lahy koa tamin’ ny mpanompon’ i Davida.
16 Sa’an nan kowannensu ya kama abokin gābansa a kā ya soki da wuƙa a jiki, sai duka suka fāɗi a ƙasa. Saboda haka ne ake kiran wannan wuri Helkat Hazzurim a Gibeyon.
Ary izy rehetra samy nifanavika nifampihazon-doha ka nifandefon-tehezana tamin’ ny sabatra, dia niara-nikarapoka; koa izany no nanaovana izany fitoerana ao Gibeona izany hoe Helkata-hazorima.
17 Faɗan ya yi zafi a ranar ƙwarai, mutanen Dawuda suka ci mutanen Abner da na Isra’ila.
Ary mafy ny ady tamin’ izany andro izany; ary dia resy teo anoloan’ ny mpanompon’ i Davida Abnera sy ny lehilahy amin’ ny Isiraely.
18 ’Ya’yan Zeruhiya, maza uku sun kasance a can. Su ne, Yowab, Abishai da Asahel. To, Asahel mai gudu ne kamar barewa.
Ary mba teo koa izy telo lahy zanak’ i Zeroia, dia Joaba sy Abisay ary Asahela; ary Asahela dia haingan-tongotra tahaka ny gazela any an-efitra.
19 Ya fafari Abner, bai juya dama ko hagu ba, yayinda yake fafararsa.
Ary Asahela nanenjika an’ i Abnera, ka ny fandehany nanenjika an’ i Abnera dia tsy nivily akory na tamin’ ny ankavanana na tamin’ ny ankavia.
20 Abner ya waiga, sai ya ce, “Kai ne, Asahel?” Ya ce, “Ni ne.”
Ary Abnera niherika ka nanao hoe: Hianao moa izany, no Asahela? Dia hoy izy: Izaho ity.
21 Sai Abner ya ce masa, “Yi dama ko hagu ka runtumi ɗaya daga cikin samarin, ka ƙwace makamansa.” Amma Asahel bai bar fafararsa ba.
Dia hoy Abnera taminy: Mivilia ianao, na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia, ary zatovo anankiray no sambory, ka baboy ho anao izay eny aminy rehetra. Fa Asahela tsy nety nivily, fa nanenjika azy ihany.
22 Abner ya sāke gargaɗe shi ya ce, “Ka bar fafarata! Yaya zan kashe ka? Yaya zan yin ido biyu da ɗan’uwanka Yowab?”
Ary hoy indray Abnera tamin’ i Asahela: Mivilia ianao, fa aza manenjika ahy; fa hataoko inona moa izay hamely anao hikarapoka amin’ ny tany, ary hataoko ahoana no fijery an’ i Joaba rahalahinao?
23 Amma Asahel ya ƙi yă bar fafararsa; saboda haka Abner ya soki Asahel da māshinsa a ciki; har māshin ya fita ta bayansa. Nan take ya fāɗi, ya mutu. Kowa da ya zo wurin da Asahel ya fāɗi, ya mutu, sai yă tsaya.
Nefa tsy nety nivily ihany izy, ka dia nasian’ i Abnera ny antsedefona ny kibony, ka dia niboroaka teo an-damosiny ny lefona, ary nikarapoka teo izy ka maty niaraka tamin’ izay. Ary izay rehetra tonga teo amin’ ilay nikarapohan’ i Asahela sy nahafatesany dia nijanona.
24 Amma Yowab da Abishai suka fafari Abner, kuma da rana tana fāɗuwa sai suka iso tudun Amma, kusa da Giya, a hanyar zuwa jejin Gibeyon.
Ary Joaba sy Abisay dia nanenjika an’ i Abnera; ka nony tonga teo amin’ ny havoana Ama izy, izay tandrifin’ i Gia amin’ ny lalana mankany amin’ ny efitr’ i Gibeona, dia maty ny masoandro.
25 Sa’an nan mutanen Benyamin suka haɗa kansu suka koyi bayan Abner. Suka zama ƙungiya guda, suka tsaya daram a kan tudu.
Ary ny taranak’ i Benjamina niangona teo amin’ i Abnera ka nifoko ho iray toko ary nijanona teo an-tampon’ ny havoana anankiray.
26 Sai Abner ya kira Yowab ya ce, har abada ne māshi zai yi ta hallakarwa? Ba ka sani cewa ƙarshen zai zama da ɗaci ba. Sai yaushe za ka umarci mutanenka su daina fafaran’yan’uwansu?
Ary Abnera niantso an’ i Joaba hoe: Handany mandrakizay va ny sabatra? Tsy fantatrao va fa hangidy ny hiafaran’ izany? Koa mandra-pahoviana no tsy hampivereninao ny olona tsy hanenjika ny rahalahiny?
27 Yowab ya ce, “Muddin Allah yana a raye, da ba a ce ka yi magana ba, da mutanen za su ci gaba da fafaran’yan’uwansu har gari yă waye.”
Ary hoy Joaba: Raha velona koa Andriamanitra, raha tsy ilay teninao, dia efa lasa nody any naraina avokoa ny olona ka tsy nanenjika ny rahalahiny akory.
28 Sai Yowab ya busa ƙaho, dukan mutane kuwa suka tsaya; suka daina fafaran Isra’ila. Nan take faɗan ya tsaya.
Dia nitsoka ny anjomara Joaba, ka dia nijanona ny olona rehetra, ary tsy nanenjika ny Isiraely intsony na niady taminy intsony izy.
29 Abner da mutanensa suka ratsa kwarin Urdun dukan dare. Sa’an nan suka haye kogin, suka kuwa ci gaba dukan safe har suka zo Mahanayim.
Ary Abnera sy ny olony nandeha mandritra ny alina namaky ny tani-hay, dia nita an’ i Jordana sy namaky an’ i Bitrona rehetra, ka dia tonga tao Mahanaima izy.
30 Da Yowab ya dawo daga fafaran Abner, sai ya tattara dukan mutanensa. Ban da Asahel, sai ya gane an rasa mutum goma sha tara na Dawuda.
Ary rehefa niverina Joaba avy nanenjika an’ i Abnera, dia novoriny ny olona rehetra, ary sivy ambin’ ny folo lahy ihany mbamin’ i Asahela no tsy teo ny mpanompon’ i Davida.
31 Amma mutanen Dawuda sun kashe mutum ɗari uku da sittin daga kabilar Benyamin da suke tare da Abner.
Fa ny mpanompon’ i Davida efa nahafaty enim-polo sy telon-jato lahy tamin’ ny Benjamita sy ny olon’ i Abnera.
32 Suka ɗauki gawar Asahel suka binne a kabarin mahaifinsa a Betlehem. Sa’an nan Yowab da mutanensa suka bi dare har suka iso Hebron da safe.
Ary Asahela dia nentiny ka naleviny tao amin’ ny fasan-drainy, izay tao Betlehema. Ary Joaba sy ny olony nandeha mandritra ny alina, dia tonga tao Hebrona raha vao nazava ratsy ny andro.

< 2 Sama’ila 2 >