< 2 Tarihi 34 >

1 Yosiya yana da shekara goma sha takwas sa’ad da ya zama sarki, ya kuma yi mulki a Urushalima shekara talatin da ɗaya.
Valo taona Josia, fony izy vao nanjaka, ary iraika amby telo-polo taona no nanjakany tany Jerosalema.
2 Ya yi abin da yake daidai a gaban Ubangiji ya kuma yi tafiya a hanyoyin kakansa Dawuda, ba tare da juye dama ko hagu ba.
Ary nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah izy ka nandeha tamin’ ny lalan’ i Davida rainy, fa tsy mba nivily na ho amin’ ny ankavanana na ho amin’ ny ankavia.
3 A shekara ta takwas ta mulkinsa, yayinda yake matashi, sai ya fara neman Allah na kakansa Dawuda. A shekara ta goma sha biyunsa ya fara tsabtacce Yahuda da Urushalima daga masujadan kan tudu, ginshiƙan Ashera, sassaƙaƙƙun gumaka da kuma siffofin da aka yi zubi.
Fa tamin’ ny taona fahavalo nanjakany, raha mbola zatovolahy izy, dia niantomboka nitady an’ Andriamanitr’ i Davida rainy; ary tamin’ ny taona faharoa ambin’ ny folo kosa dia niantomboka nanadio an’ i Joda sy Jerosalema izy mba tsy hisy fitoerana avo, na Aseraha, na sarin-javatra voasokitra, na sarin-javatra an-idina intsony.
4 A ƙarƙashin umarninsa aka rurrushe bagadan Ba’al, ya kuma tumɓuke bagadan ƙona turare waɗanda suke a bisansu, ya farfashe ginshiƙan Ashera da kuma sassaƙaƙƙun siffofi. Ya ragargaza waɗannan kucu-kucu, ya barbaɗa su a kan kaburburan waɗanda suka miƙa musu hadayu.
Ary noravan’ ny olona teo anatrehan’ i Josia ny alitaran’ ireo Bala; ary ny tsangan-kazo ho an’ ny masoandro izay teo amboniny dia nokapainy; ary ny Aseraha sy ny sarin-javatra voasokitra mbamin’ ny sarin-javatra an-idina dia novakivakiny sy notorotoroiny ho vovoka ka nafafiny teny amin’ ny fasan’ ireo efa namono zavatra hatao fanatitra ho azy.
5 Ya ƙone ƙasusuwan firistocin gumaka a kan bagaden da a dā suke miƙa hadayunsu, ta haka ya tsabtacce Yahuda da Urushalima.
Ary nandoro ny taolan’ ny mpisorona teo ambonin’ ny alitarany izy, ka dia nanadio an’ i Joda sy Jerosalema.
6 Ya yi haka cikin garuruwan Manasse, Efraim da Simeyon, har zuwa Naftali, da kuma cikin kangwayen kewayensu,
Ary tany amin’ ny tanànan’ ny Manase sy ny Efraima ary ny Simeona hatrany amin’ ny Naftaly, dia tao an-tanànany izay rava,
7 ya farfashe bagadai da ginshiƙan Ashera; ya niƙa gumaka suka zama gari, ya kuma yayyanka dukan bagadan turare kucu-kucu ko’ina a Isra’ila. Sa’an nan ya koma Urushalima.
dia noravany koa ny alitara sy ny Aseraha; ary ny sarin-javatra voasokitra nomongomongoiny ho vovoka; ary ny tsangan-kazo ho an’ ny masoandro eran’ ny tanin’ ny Isiraely rehetra dia nokapainy; ary dia niverina ho any Jerosalema izy.
8 A shekara ta goma sha takwas ta mulkin Yosiya, ya tsarkake ƙasar da haikalin, ya aiki Shafan ɗan Azaliya da Ma’asehiya mai mulkin birni, tare da Yowa ɗan Yowahaz, marubuci, su gyara haikalin Ubangiji Allah.
Ary tamin’ ny taona fahavalo ambin’ ny folo nanjakany, rehefa voadiony ny tany sy ny trano, dia naniraka an’ i Safana, zanak’ i Azalia, sy Mahaseia, komandin’ ny tanàna, ary Joa, zanak’ i Joahaza, mpitadidy ny raharaham-panjakana, izy mba hamboatra ny tranon’ i Jehovah Andriamaniny.
9 Suka tafi wurin Hilkiya babban firist suka ba shi kuɗin da aka kawo cikin haikalin Allah, wanda Lawiyawa masu tsaron ƙofofi sun tattara daga mutanen Manasse, Efraim da dukan raguwar Isra’ila da kuma daga dukan mutanen Yahuda da Benyamin da kuma mazaunan Urushalima.
Ary rehefa tonga teo amin’ i Hilkia mpisoronabe izy, dia natolony ny vola izay nampidirina tao an-tranon’ Andriamanitra, izay efa nangonin’ ny Levita, mpiandry varavarana, tamin’ ny Manase sy ny Efraima sy ny sisa rehetra tamin’ ny Isiraely, ary tamin’ ny Joda sy ny Benjamina rehetra sy ny mponina tany Jerosalema.
10 Sa’an nan suka danƙa su ga mutanen da aka naɗa su lura da aiki a kan haikalin Ubangiji. Waɗannan mutane ne suke biyan ma’aikatan da suka gyara suka kuma mai da haikalin.
Ary natolony ho eo an-tanan’ ny lehiben’ ny mpiasa izay voatendry hitandrina ny amin’ ny tranon’ i Jehovah izany, ary natolotr’ ireo kosa ho an’ ny mpiasa izay niasa tao an-tranon’ i Jehovah hanamboarana sy hanamafiana ny trano;
11 Suka kuma ba da kuɗi ga kafintoci da magina don su sayi sassaƙaƙƙun duwatsu, da katakai don yin tsaiko da tankar ginin da sarakunan Yahuda suka bari yă fāɗi ya zama kango.
dia nomeny ho an’ ny mpandrafitra sy ry mpandatsa-bato hamidy vato voapaika sy hazo hatao sakamandimby sy lampihazo ho amin’ ny trano izay nosimban’ ny mpanjakan’ ny Joda.
12 Mutanen fa suka yi aiki da aminci. Shugabanninsu, su ne Yahat da Obadiya, Lawiyawa zuriyar Merari da Zakariya da Meshullam, zuriyar Kohat. Dukan Lawiyawa waɗanda suke gwanaye a kayan kiɗi,
Ary ny olona dia nanao ny asa araka izay mety hatao; ary ny voatendry hifehy azy dia lahata sy Obadia Levita, avy tamin’ ny taranak’ i Merary, ary Zakaria sy Mesolama, avy tamin’ ny taranaky ny Kehatita, ary ny Levita rehetra izay nahay ny zava-maneno isan-karazany,
13 sun lura da ma’aikata, suka kuma lura da dukan masu aiki daga aiki zuwa aiki. Waɗansu Lawiyawan su ne marubuta, magatakarda da kuma masu tsaron ƙofofi.
dia ireo no tonian’ ny mpitondra entana sady nifehy izay rehetra nanao raharaha tamin’ ny tao-zavatra samy hafa rehetra; ary avy tamin’ ny Levita koa nisy mpanoratra sy mpifehy ary mpiandry varavarana.
14 Yayinda suke fitar da kuɗin da aka kai cikin haikalin Ubangiji, sai Hilkiya firist ya sami Littafin Dokar Ubangiji da aka bayar ta wurin Musa.
Ary raha namoaka ny vola izay nampidirina tao an-tranon’ i Jehovah izy, Hilkia mpisorona dia nahita ny bokin’ ny lalàn’ i Jehovah, ilay nampilazaina an’ i Mosesy.
15 Hilkiya ya ce wa Shafan magatakarda, “Na sami Littafin Doka a cikin haikalin Ubangiji.” Sai ya ba wa Shafan.
Ary niteny Hilkia ka nanao tamin’ i Safana mpanoratra hoe: Ny bokin’ ny lalàna dia hitako tao an-tranon’ i Jehovah. Dia natolotr’ i Hilkia an’ i Safana ny boky.
16 Sa’an nan Shafan ya ɗauki littafin zuwa wurin sarki, ya faɗa masa, “Manyan ma’aikatanka suna yin kome da aka sa su.
Ary Safana nitondra ny boky ho any amin’ ny mpanjaka sady nilaza taminy hoe: Izay rehetra nasaina nataon’ ny mpanomponao dia nataony avokoa.
17 Mun ɗauke kuɗin da an ajiye a haikalin Ubangiji muka ba wa masu aiki da waɗanda suke lura da su.”
Ary narotsany ny vola izay azo tao an-tranon’ i Jehovah ka natolony teo an-tànan’ ny olona voatendry sy teo an-tànan’ ny mpiasa.
18 Sa’an nan Shafan magatakarda ya sanar da sarki ya ce, “Hilkiya firist ya ba ni wani littafi.” Sai Shafan ya karanta daga cikinsa a gaban sarki.
Ary Safana mpanoratra nilaza koa tamin’ ny mpanjaka hoe: Misy boky nomen’ i Hilkia mpisorona ahy. Dia novakin’ i Safana teo anatrehan’ ny mpanjaka ny boky.
19 Da sarki ya ji kalmomin Doka, sai ya yage rigunansa.
Ary rehefa ren’ ny mpanjaka ny tenin’ ny lalàna, dia nandriatra ny fitafiany izy
20 Ya ba da waɗannan umarnai ga Hilkiya, Ahikam ɗan Shafan, Abdon ɗan Mika, Shafan magatakarda da kuma Asahiya mai hidimar sarki.
sady nandidy an’ i Hilkia sy Ahikama, zanak’ i Safana, sy Abdona, zanak’ i Mika, sy Safana mpanoratra ary Asaia, mpanompon’ andriana, ka nanao hoe:
21 Ya ce, “Ku tafi ku nemi nufin Ubangiji saboda ni da kuma saboda raguwa a Isra’ila da Yahuda game da abin da aka rubuta a wannan littafin da aka samu. Fushin Ubangiji mai girma ne da aka zuba a kanmu domin kakanninmu ba su kiyaye maganar Ubangiji ba; ba su aikata bisa ga dukan abin da yake a rubuce a wannan littafi ba.”
Andeha manontany amin’ i Jehovah ho ahy sy izay sisa amin’ ny Isiraely sy ny Joda ny amin’ ny tenin’ io boky vao hita; fa mafy ny fahatezeran’ i Jehovah naidiny amintsika noho ny tsy nitandreman’ ny razantsika ny tenin’ i Jehovah hanao araka izay rehetra voasoratra amin’ io boky io.
22 Hilkiya tare da waɗanda sarki ya aika, suka tafi suka yi magana da annabiya Hulda, wadda take matar Shallum ɗan Tokhat ɗan Hasra, mai tsaron wurin ajiyar riguna. Tana zama a Urushalima, a Yanki na Biyu.
Ary Hilkia sy izay notendren’ ny mpanjaka dia nankany amin’ i Holda mpaminanivavy, vadin’ i Saloma, zanak’ i Tokehata, zanak’ i Hasra, mpitahiry ny fitafiana (fa nitoetra tany Jerosalema tao amin’ ny tanàna ambany ravehivavy) ary niresaka izany taminy izy ireo.
23 Sai ta ce musu, “Ga abin da Ubangiji, Allah na Isra’ila ya ce faɗa wa mutumin da ya aike ku gare ni,
Dia hoy ravehivavy taminy: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Lazao amin’ izay lehilahy naniraka anareo tatỳ amiko hoe:
24 ‘Ga abin da Ubangiji ya ce zai kawo masifa a wannan wuri da mutanensa, dukan la’anar da aka rubuta a cikin littafin da aka karanta a gaban sarkin Yahuda.
Izao no lazain’ i Jehovah: Indro, Izaho hahatonga loza amin’ ity tanàna ity sy amin’ ny mponina eto, dia ny ozona rehetra izay voasoratra ao amin’ ilay boky efa novakina teo anatrehan’ ny mpanjakan’ ny Joda.
25 Domin sun yashe ni suka kuma ƙone turare wa waɗansu alloli, suka tsokane ni in yi fushi ta wurin dukan abin da hannuwansu suka yi, fushina zai zuba a kan wannan wuri, ba kuma za a kwantar da shi ba.’
Satria nahafoy Ahy izy ka nandoro ditin-kazo manitra ho an’ ireny andriamani-kafa sady nampahatezitra Ahy amin’ izay rehetra nataon’ ny tànany, dia haidina amin’ ity tanana ity ny fahatezerako ka tsy hosakanana.
26 Ku faɗa wa sarkin Yahuda, wanda ya aike ku ku nemi nufin Ubangiji, ‘Ga abin da Ubangiji, Allah na Isra’ila yake cewa game da kalmomin da ka ji.
Fa ny amin’ ny mpanjakan’ ny Joda kosa izay naniraka anareo hanontany amin’ i Jehovah, dia ambarao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ny amin’ ny teny izay efa novakinao,
27 Domin zuciyarka mai tuba ce, ka kuma ƙasƙantar da kanka a gaban Allah sa’ad da ka ji abin da ya yi magana a kan wannan wuri da mutanensa, domin kuma ka ƙasƙantar da kanka a gabana, ka yage rigunanka ka kuma yi kuka a gabana, na ji ka, in ji Ubangiji.
satria nino anatra ianao ka nanetry tena teo anatrehan’ Andriamanitra, raha nandre ny teniny ny amin’ ity tanàna ity sy ny mponina eto, eny, satria nanetry tena teo anatrehako ianao ka nandriatra ny fitafianao sady nitomany teo anatrehako, dia Izaho efa nihaino, hoy Jehovah.
28 Yanzu zan tara ka da kakanninka, za a kuma binne ka cikin salama. Idanunka ba za su ga dukan masifar da zan kawo a kan wannan wuri da kuma a kan waɗanda suke zama a nan ba.’” Sai suka kai amsar wa sarki.
Koa, indro, hangoniko any amin’ ny razanao ianao ary hangonina any amin’ ny fasanao amin’ ny fiadanana, ka ny masonao dia tsy mba hahita izay loza rehetra ho entiko mamely ity tanàna ity sy ny mponina eto. Dia nitondra valiny ho any amin’ ny mpanjaka izy ireo.
29 Sai sarki ya kira dukan dattawan Yahuda da Urushalima.
Ary ny mpanjaka naniraka olona ka nampivory ny loholon’ ny Joda sy Jerosalema rehetra.
30 Ya haura zuwa haikalin Ubangiji tare da mutanen Yahuda, mutanen Urushalima, firistoci da Lawiyawa, dukan mutane daga ƙarami zuwa babba. Ya karanta dukan kalmomin Littafin Alkawari wanda aka samu a cikin haikalin Ubangiji a kunnuwansu.
Dia niakatra ho ao an-tranon’ i Jehovah ny mpanjaka sy ny lehilahy rehetra tamin’ ny Joda sy ny mponina tany Jerosalema mbamin’ ny mpisorona sy ny Levita ary ny vahoaka rehetra, na lehibe na kely; dia novakiny teo anatrehany ny teny rehetra teo amin’ ny bokin’ ny fanekena, izay hita tao an-tranon’ i Jehovah.
31 Sai sarkin ya miƙe tsaye a inda yake, ya sabunta alkawari a gaban Ubangiji, don yă bi Ubangiji yă kiyaye umarnansa, ƙa’idodinsa da kuma farillansa da dukan zuciyarsa da kuma dukan ransa, ya kuma yi biyayya da kalmomin alkawarin da aka rubuta a cikin wannan littafi.
Ary ny mpanjaka nitsangana teo amin’ ny fitoeran’ andriana, dia nanao fanekena teo anatrehan’ i Jehovah hanaraka Azy sy hitandrina ny lalàny sy ny teni-vavolombelony ary ny didiny amin’ ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra, hankatò ny tenin’ ny fanekena izay voasoratra ao amin’ izany boky izany,
32 Sa’an nan ya sa kowa a Urushalima da Benyamin ya yi alkawari ga wannan; mutanen Urushalima suka aikata wannan bisa ga alkawarin Allah, Allah na kakanninsu.
sady nampifikiriny tsara koa ny olona rehetra tany Jerosalema sy ny Benjamina. Ary ny mponina tany Jerosalema dia nanao araka ny faneken’ Andriamanitra, dia Andriamanitry ny razany
33 Yosiya ya fitar da dukan gumakan banƙyama daga dukan yankunan Isra’ilawa, ya kuma sa dukan waɗanda suke a Isra’ila su bauta wa Ubangiji Allahnsu. Muddin ransa, ba su fasa bin Ubangiji Allah na kakanninsu ba.
Ary Josia nanaisotra ny fahavetavetana rehetra tamin’ ny tany rehetra izay an’ ny Zanak’ isiraely sady nandidy izay rehetra teo amin’ ny Isiraely hanompo an’ i Jehovah Andriamaniny. Tamin’ ny andro rehetra niainan’ i Josia dia tsy mba niala tamin’ ny fanarahana an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany, ny olona.

< 2 Tarihi 34 >