< Psaumes 137 >
1 Sur les fleuves de Babylone, là nous nous sommes assis, et nous avons pleuré, comme nous nous souvenions de Sion.
Teo amoron’ ny onin’ i Babylona no nipetrahanay, Sady nitomanianay, raha nahatsiaro an’ i Ziona.
2 Aux saules, au milieu d’elle, nous avons suspendu nos instruments.
Teo amin’ ny hazomalahelo teo afovoan’ i Babylona No nanantonanay ny lokanganay.
3 Parce que là ceux qui nous avaient emmenés captifs, nous demandèrent les paroles de nos chants;
Fa teo dia nangataka anay hihira izay namabo anay; Ary izay nampahory anay nangataka anay hanao fifaliana ka nanao hoe: Manaova hiran’ i Ziona eto anatrehanay.
4 Comment chanterons-nous un cantique du Seigneur dans une terre étrangère?
Nefa ho nataontsika ahoana no fihira ny fihiran’ i Jehovah Tany an-tany nivahiniana?
5 Si je t’oublie, Jérusalem, que ma main droite soit livrée à l’oubli.
Raha manadino anao aho, ry Jerosalema ô, Aoka kosa ny tanako ankavanana mba hanadino.
6 Que ma langue s’attache à mon gosier, si je ne me souviens pas de toi,
Raha tsy mahatsiaro anao aho, Aoka ny lelako hiraikitra amin’ ny lanilaniko, Raha tsy Jerosalema no ataoko ambony indrindra amin’ ny fifaliako rehetra.
7 Souvenez-vous, Seigneur, des fils d’Edom au jour de Jérusalem,
Jehovah ô, tsarovy amin’ ny taranak’ i Edoma Ny andron’ i Jerosalema, Dia ireo izay nanao hoe: Ravao, ravao izy Hatramin’ ny fanorenany.
8 Fille malheureuse de Babylone, bienheureux celui qui te rendra la rétribution de ce que tu nous a fait!
Ry Babylona zanakavavy izay efa resy, Sambatra izay mamaly anao Araka izay nataonao taminay.
9 Bienheureux celui qui saisira et brisera tes petits enfants contre la pierre!
Sambatra izay maka ny zanakao madinika ka manjera azy ho torotoro, Amin’ ny harambato.