< Psalms 99 >

1 YHWH reigns. Let the peoples tremble. He sits enthroned among the cherubim; the earth shakes.
Jehovah no Mpanjaka aoka hangovitra ny firenena; Mipetraka amin’ ny kerobima Izy, aoka hihorohoro ny tany.
2 YHWH is great in Zion. He is high above all the peoples.
Lehibe any Ziona Jehovah; Ary avo ambonin’ ny firenena rehetra Izy.
3 Let them praise your great and awesome name. He is Holy.
Aoka hidera ny anaranao lehibe sy mahatahotra ireo; Fa masìna Jehovah.
4 The King's strength also loves justice. You do establish equity. You execute justice and righteousness in Jacob.
Ny herin’ ny mpanjaka dia tia rariny; Ampitoerinao ny fahitsiana; Fitsarana sy fahamarinana no ataonao eo amin’ i Jakoba.
5 Exalt YHWH our God. Worship at his footstool. He is Holy.
Manandrata an’ i Jehovah Andriamanitsika ianareo, Ka miankohofa eo amin’ ny fitoeran-tongony; Fa masìna Izy.
6 Moses and Aaron were among his priests, Samuel among those who call on his name; they called on YHWH, and he answered them.
Mosesy sy Arona tamin’ ny mpisorony, Ary Samoela tamin’ izay mpiantso ny anarany, Niantso an’ i Jehovah ireo, ary namaly: azy Izy.
7 He spoke to them in the pillar of cloud. They kept his testimonies, the statute that he gave them.
Niteny taminy tao anatin’ ny andri-rahona Izy; Nitandrina ny teni-vavolombelony izy ireo, Dia ny didy izay efa nomeny azy.
8 You answered them, YHWH our God. You are a God who forgave them, although you took vengeance for their doings.
Jehovah Andriamanitray ô, Hianao no namaly ny nataony; Andriamanitra, Mpamela ny helony, Hianao, Na dia namaly azy noho ny nataony aza.
9 Exalt YHWH, our God. Worship at his holy mountain, for YHWH, our God, is holy.
Asandrato Jehovah Andriamanitsika, Ary miankohofa eo an-tendrombohiny masìna; Fa masìna Jehovah Andriamanitsika.

< Psalms 99 >