< Jeremiah 13 >

1 Thus says YHWH to me, "Go, and buy yourself a linen belt, and put it on your waist, and do not put it in water."
Izao no nolazain’ i Jehovah tamiko: Andeha mividy fehin-kibo rongony ho anao, ka ifehezo ny kibonao, fa aza atao anaty rano.
2 So I bought a belt according to the word of YHWH, and put it on my waist.
Dia nividy fehin-kibo aho araka ny tenin’ i Jehovah ka nifehezako ny kiboko.
3 The word of YHWH came to me the second time, saying,
Ary tonga tamiko fanindroany ny tenin’ i Jehovah hoe:
4 "Take the belt that you have bought, which is on your waist, and arise, go to the Perath, and hide it there in a cleft of the rock."
Ento ny fehin-kibo izay novidinao, dia ilay ifehezanao ny kibonao, ka mitsangana, mankanesa any Eofrata, ary afeno ao an-tsefatsefaky ny harambato izy.
5 So I went, and hid it by the Perath, as YHWH commanded me.
Ka dia nandeha aho, ary nafeniko tao amoron’ i Eofrata izy, araka ny nandidian’ i Jehovah ahy.
6 It happened after many days, that YHWH said to me, "Arise, go to the Perath, and take the belt from there, which I commanded you to hide there."
Ary nony afaka andro maro, dia hoy Jehovah tamiko: Mitsangana, ka mankanesa any Eofrata, ary alao any ny fehin-kibo, dia ilay nasaiko nafeninao tany.
7 Then I went to the Perath, and dug, and took the belt from the place where I had hidden it; and look, the belt was marred, it was profitable for nothing.
Dia nankany Eofrata aho ka nihady, ary nalaiko tao amin’ ny fitoerana nanafenako azy ilay fehin-kibo; kanjo, indro, simba ny fehin-kibo ka tsy azo natao na inona na inona intsony.
8 Then the word of YHWH came to me, saying,
Dia tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah hoe:
9 "Thus says YHWH, 'In this way I will mar the pride of Judah, and the great pride of Jerusalem.
Izao no lazain’ i Jehovah: Tahaka izany no hanimbako ny avonavon’ ny Joda sy ny haben’ ny avonavon’ i Jerosalema.
10 This evil people, who refuse to hear my words, who walk in the stubbornness of their heart, and are gone after other gods to serve them, and to worship them, shall even be as this belt, which is profitable for nothing.
Ity firenena ratsy ity, izay tsy mety mihaino ny teniko, fa mandeha amin’ ny ditry ny fony ka manaraka andriamani-kafa mba hotompoiny sy hiankohofany, dia ho tahaka ity fehin-kibo ity, izay tsy azo atao na inona na inona intsony.
11 For as the belt clings to the waist of a man, so have I caused to cling to me the whole house of Israel and the whole house of Judah,' says YHWH; 'that they might be my people, for a name, for praise, and for glory. But they would not listen.
Fa toy ny firaikitry ny fehin-kibo amin’ ny valahan’ ny olona no nampiraiketako ny taranak’ Isiraely sy ny taranak’ i Joda rehetra tamiko, hoy Jehovah, mba ho olona sy anarana sy fiderana ary voninahitra ho Ahy ireny Kanjo tsy nety nihaino izy.
12 Therefore you shall speak to them this word: 'Thus says YHWH, the God of Israel, "Every jar shall be filled with wine."' And if they shall say to you, 'Do we not certainly know that every jar shall be filled with wine?'
Ary izao teny izao dia lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ny tavoara rehetra dia feno divay; ary izy hanao aminao hoe: Moa tsy efa fantatray ihany va fa feno divay ny tavoara rehetra?
13 Then you shall tell them, 'Thus says YHWH, "Look, I will fill all the inhabitants of this land, even the kings who sit on David's throne, and the priests, and the prophets, and all the inhabitants of Jerusalem, with drunkenness.
Dia holazainao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hataoko leony ny mponina rehetra amin’ ity tany ity, dia ny mpanjaka, izay mipetraka amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida, sy ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny mponina rehetra any Jerosalema.
14 I will dash them one against another, even the fathers and the sons together, says YHWH. I will not pity, nor spare, nor have compassion, that I should not destroy them."'"
Ary hampifamohiko izy, dia ny ray mbamin’ ny zanany, hoy Jehovah; Tsy hiantra Aho, na hitsitsy, na hamindra fo tsy handringana azy.
15 "Hear, and give ear; do not be proud; for YHWH has spoken.
Mandrenesa ka mihainoa, aza miavonavona; Fa Jehovah no miteny.
16 Give glory to YHWH your God, before he causes darkness, and before your feet stumble on the dark mountains, and, while you look for light, he turns it into the shadow of death, and makes it gross darkness.
Manomeza voninahitra an’ i Jehovah Andriamanitrareo, dieny tsy mbola mahatonga ny maizina Izy, ary dieny tsy mbola tafintohina amin’ ny tendrombohitra maizimaizina ny tongotrareo, ka raha miandry ny mazava ianareo, dia hataony tonga ho aloky ny fahafatesana, ka hampodiny ho aizim-pito.
17 But if you will not hear it, my soul shall weep in secret for your pride; and my eye shall weep bitterly, and run down with tears, because YHWH's flock is taken captive."
Fa raha tsy hihaino izany ianareo. Dia hitomany any amin’ ny mangingina ny fanahiko, satria misy fiavonavonana; Eny, ny masoko hamarin-dranomaso hijononoka be, satria voababo ny ondrin’ i Jehovah.
18 "Say to the king and to the queen mother, 'Take a lowly seat, for your glorious crowns have come down from your heads.
Lazao amin’ ny andriamanjaka sy ny reniny hoe: Mitombena amin’ ny tany; Fa ho afaka ny firavaka eo an-dohanareo, dia ny satro-boninahitrareo tsara tarehy.
19 The cities toward the Negev are shut, and there is no one to open them: Judah is carried away into exile, all of it; it is wholly carried away into exile.'"
Voarindrina ny tanàna any amin’ ny tany atsimo, ka tsy misy mamoha; Lasan-ko babo Joda, eny, lasan-ko babo avokoa izy rehetra.
20 "Lift up your eyes, and see those who come from the north: where is the flock that was given you, your beautiful flock?
Atopazy ny masonareo, ka tazano izay avy any avaratra; Aiza ny ondry andiany izay nomena anao, dia ny ondrinao tsara tarehy?
21 What will you say, when he shall set over you as head those whom you have yourself taught to be friends to you? Shall not sorrows take hold of you, as of a woman in travail?
Ahoana re no holazainao, raha tendreny hanapaka anao ireny sakaizanao ireny, fa ianao ihany no nampianatra azy handrafy anao? Tsy hahazo anao va ny fanaintainana toy ny vehivavy raha miteraka?
22 If you say in your heart, 'Why are these things come on me?' for the greatness of your iniquity are your skirts uncovered, and your heels suffer violence.
Ary raha manao anakampo ianao hoe: ahoana no nahatonga izao tamiko? Noho ny haben’ ny helokao no nampiaingana ny moron-tongotr’ akanjonao sy nandratrana ny ombelahin-tongotrao.
23 Can the Ethiopian change his skin, or the leopard his spots? Then may you also do good, who are accustomed to do evil.
Moa mahova ny hodiny va ny Etiopiana, ary ny leoparda va mahova ny sorany? Raha izany, dia mahazo manao tsara koa ianareo izay efa zatra nanao ratsy.
24 'therefore I will scatter them, as the stubble that passes away, by the wind of the wilderness.
Koa dia haeliko izy toy ny vodivary indaosin’ ny rivotra avy any an-efitra.
25 This is your lot, the portion measured to you from me,' says YHWH; 'because you have forgotten me, and trusted in falsehood.
Izany no lokanao, dia anjara voarefy ho anao, hoy Jehovah, Satria nanadino Ahy ianao ka nitoky tamin’ ny lainga.
26 therefore I will also uncover your skirts on your face, and your shame shall appear.
Ary Izaho kosa dia hampiainga ny moron-tongotr’ akanjonao ho eny amin’ ny tavanao, mba hisehoan’ ny henatrao.
27 I have seen your abominations, even your adulteries, and your neighing, the lewdness of your prostitution, on the hills in the field. Woe to you, Jerusalem. You will not be made clean; how long shall it yet be?'"
Ny fijangajanganao sy ny fanenonao, ny fahavetavetan’ ny fijejojejoanao any amin’ ny havoana any an-tsaha, eny, samy efa hitako avokoa ireo fahavetavetanao ireo. Lozanao, ry Jerosalema! Mandra-pahoviana no mbola tsy hetezanao hanadio ny tenanao?

< Jeremiah 13 >