< 2 Královská 7 >

1 Řekl pak Elizeus: Slyšte slovo Hospodinovo. Toto praví Hospodin: O tomto času zítra míra mouky bělné bude za lot stříbra, a dvě míry ječmene za lot stříbra v bráně Samařské.
Fa hoy kosa Elisa: Mihainoa ny tenin’ i Jehovah ianareo: Izao no lazain’ i Jehovah: Rahampitso toy izao dia ho sekely iray ny vidin’ ny koba tsara toto eran’ ny famarana, ary ho sekely iray koa ny vidin’ ny vary hordea indroan’ ny famarana ao am-bavahadin’ i Samaria.
2 I odpověděl muži Božímu jeden z knížat, na jehož ruku král zpoléhal, a řekl: Kdyby otevřel Hospodin průduchy nebeské, zdali by to býti mohlo? Kterýž řekl: Aj, uzříš očima svýma, ale nebudeš jísti z toho.
Fa namaly ny lehilahin’ Andriamanitra ilay mpanafika malaza izay nitehenan’ ny mpanjaka tamin’ ny tànany ka nanao hoe: Indro, na dia hanao varavarankely amin’ ny lanitra aza Jehovah, dia hisy izany zavatra izany va? Ary hoy Elisa: Indro, ho hitan’ ny masonao indrindra izany, nefa tsy mba hihinananao.
3 Byli pak u vrat brány čtyři muži malomocní, kteříž řekli jeden druhému: Co tu sedíme, až bychom zemříti musili?
Ary nisy boka efa-dahy teo anoloan’ ny vavahady nifampiresaka hoe: Ahoana no ipetrahantsika foana eto mandra-pahafatintsika?
4 Díme-li: Poďme do města, hlad jest v městě, i zemřeme tam; pakli zde zůstaneme, také zemřeme. Protož nyní poďte, a utecme do vojska Syrských. Budou-li nás živiti, zůstaneme živi; pakli nás zbijí, též zemřeme.
Raha hoy isika: Hankato an-tanàna isika, dia misy mosary ao an-tanàna, ka ho faty ao isika; ary raha hipetraka eto isika, dia ho faty ihany koa. Koa andeha isika hankany amin-ny tobin’ ny Syriana; ka raha mamelona antsika moa izy, dia ho velona isika; fa raha mamono antsika kosa izy, dia ho faty ihany isika.
5 Vstavše tedy v soumrak, aby šli k vojsku Syrských, přišli až k kraji ležení Syrského, a hle, nebylo tu žádného.
Dia niainga izy rehefa takariva hankany amin’ ny tobin’ ny Syriana; ary nony tonga teny an-tsisin’ ny toby izy, indro, tsy nisy olona akory tao.
6 Nebo Pán učinil to, aby slyšelo vojsko Syrské hřmot vozů a zvuk koňů, a tak hluk vojska velikého. I řekli jeden druhému: Hle, ze mzdy najal proti nám král Izraelský krále Hetejské a krále Egyptské, aby připadli na nás.
Fa Jehovah efa nampandre ny miaramilan’ ny Syriana ny fikodiadian-kalesy sy ny fandehan’ ny soavaly, dia ny firodondrodon’ ny miaramila be; ary niresaka hoe izy: Injao, fa ny mpanjakan’ ny Isiraely efa nanamby ny mpanjakan’ ny Hetita sy ny mpanjakan’ ny Egyptiana hiady amintsika.
7 A vstavše, utekli v soumrak a nechali tu stanů svých, a koňů svých i oslů svých, a ležení, tak jakž bylo, a utekli pro zachování života svého.
Dia niainga izy ka riatra nandositra tamin’ iny takariva iny ihany, ary nilaozany fotsiny ny tobiny, dia ny lainy sy ny soavaliny ary ny borikiny, ka lasa nandositra hamonjy ny ainy izy.
8 Když tedy přišli malomocní ti na kraj ležení, všedše do jednoho stanu, jedli a pili, a pobravše v něm stříbro a zlato i roucha, odešli a schovali. Opět navrátivše se, vešli do jiného stanu a pobrali v něm, a odšedše, schovali.
Ary rehefa tonga teny an-tsisin’ ny toby ireo boka ireo, dia niditra tao amin’ ny lay anankiray Izy ka nihinana sy nisotro, dia naka volafotsy sy volamena ary fitafiana, dia nandeha ka nanafina izany; ary nandeha indray izy ka niditra tao amin’ ny lay anankiray koa sady naka avy tao, dia nandeha ka nanafina izany koa.
9 I řekli vespolek: Nedobře děláme. Den tento jest den dobrých novin, a my mlčíme. Budeme-li čekati až do svitání, postihne nás nepravost; protož nyní poďte, vejdouce, oznamme to domu královskému.
Dia nifampilaza hoe izy: Tsy mety izao ataontsika izao; ity andro ity dia andro filazana ny mahafaly, nefa mangìna isika; raha hitoetra eto mandra-pahamarain’ ny andro isika, dia hanan-keloka; fa andeha isika hilaza ao an-tranon’ ny mpanjaka.
10 A přišedše, volali na branné města, a pověděli jim, řkouce: Přišli jsme do ležení Syrského, a aj, nebylo tam žádného, ani hlasu lidského, kromě koní přivázaných a oslů přivázaných, a stanů, jakž prvé byli.
Dia avy izy ka niantso ny mpiambina ny vavahadin-tanàna ary nilaza taminy hoe: Tonga tany an-tobin’ ny Syriana izahay, ary indro fa tsy misy olona ao, na feon’ olona akory aza, fa soavaly mifatotra sy boriky mifatotra, ary ny lay nilaozana fotsiny.
11 I volal ten na jiné branné, a ti ohlásili to po všem domě královském.
Ary niantso ny mpiambina ny vavahady izy, ary ireo kosa nilaza izany tao an-tranon’ ny mpanjaka.
12 Vstav tedy král v noci, řekl služebníkům svým: Povím vám nyní, co jsou nám udělali Syrští. Vědí, že jsme hladovití, protož vyšli z ležení, aby se skryli v poli, řkouce: Když vyjdou z města, zjímáme je živé a vejdeme do města.
Ary ny mpanjaka nifoha raha mbola alina ka niteny tamin’ ny mpanompony hoe: Aoka hambarako aminareo ange izao ataon’ ny Syriana amintsika izao e! Fantany fa mosarena isika, ka dia niala tamin’ ny toby izy mba hanotrika any an-tsaha ka nanao hoe: Raha mivoaka avy any an-tanàna izy dia hataontsika sambo-belona, ary dia hidirantsika ny tanàna.
13 K tomu odpovídaje jeden z služebníků jeho, řekl: Nechť, prosím, vezmou pět koní z těch, kteříž pozůstali v městě. (Hle, oniť jsou jako i všecko množství Izraelské, jenž zůstali v něm, hle, jsou jako všecko množství Izraelské, kteréž již hyne.) Ty pošleme a přezvíme.
Ary ny mpanompony anankiray namaly hoe: Mifona aminao aho, aoka hangalana soavaly dimy amin’ izay sisa ato an-tanàna (indro toy ny hamaroan’ ny Isiraely rehetra izay mitoetra ato ireo; eny, tahaka ny hamaroan’ ny Isiraely rehetra izay efa lany ritra ireo) ka haniraka hizaha izany.
14 A tak vzali dva koně vozní, kteréž poslal král za vojskem Syrským, řka: Jděte a vizte.
Dia nalainy ny soavalin’ ny kalesy roa; ary ny mpanjaka naniraka hanaraka ny miaramilan’ ny Syriana ka nanao hoe: Mandehana, ka izahao.
15 I jeli za nimi až k Jordánu, a aj, po vší té cestě plno bylo šatů a nádob, kteréž metali od sebe Syrští, splašeni jsouce. Tedy navrátivše se poslové, oznámili to králi.
Dia nandeha nanaraka azy hatrany Jordana ireo; ary, indreny, ny lalambe rehetra feno fitafiana sy fanaka izay efa narian’ ny Syriana, raha nandositra tamin’ ny fahatairana izy. Ary ny iraka niverina ka nilaza tamin’ ny mpanjaka.
16 Protož vyšed lid, vzebral ležení Syrské. A byla míra mouky bělné za lot, a dvě míry ječmene za lot vedlé řeči Hospodinovy.
Dia nivoaka ny olona ka namabo ny tobin’ ny Syriana. Koa ny koba tsara toto eran’ ny famarana, dia sekely iray monja no vidiny, ary ny vary hordea indroan’ ny famarana, dia sekely iray ihany koa ny vidiny, araka ny tenin’ i Jehovah.
17 Král pak byl ustanovil to kníže, na jehož ruku zpoléhal, u brány. Kteréhož pošlapal lid v bráně, tak že umřel, vedlé řeči muže Božího, kterouž mluvil, když král k němu byl sešel.
Ary ilay mpanafika malaza izay nitehenan’ ny mpanjaka tamin’ ny tànany dia notendreny hiambina ny vavahady; ary voahitsaka teo am-bavahady izy, ka dia maty araka izay nolazain’ ny lehilahin’ Andriamanitra, dia ilay nolazainy, raha nidina tany aminy ny mpanjaka.
18 A stalo se tak, jakž mluvil muž Boží králi, řka: Dvě míry ječmene budou za lot stříbra, a míra mouky bělné za lot stříbra zítra o tomto času v bráně Samařské.
Koa dia tanteraka ilay teny nolazain’ ny lehilahin’ Andriamanitra tamin’ ny mpanjaka hoe: Raha, maraina toy izao ao am-bavahadin’ i Samaria dia sekely iray monja no ho vidin’ ny vary hordea indroan’ ny famarana, ary ho sekely iray ihany koa ny vidin’ ny koba tsara toto eran’ ny famarana;
19 K čemuž bylo odpovědělo kníže muži Božímu, a řeklo: Kdyby otevřel Hospodin průduchy nebeské, zdali by to podlé řeči této býti mohlo? Jemuž on řekl: Aj, ty uzříš očima svýma, ale z toho jísti nebudeš.
ka izany mpanafika malaza izany no namaly ilay lehilahin’ Andriamanitra hoe: Indro, na dia hanao varavarankely amin’ ny lanitra aza Jehovah, dia hisy izany zavatra izany va? Fa hoy Elisa: Indro, ho hitan’ ny masonao indrindra izany, fa tsy mba hihinananao.
20 A tak se stalo jemu; nebo pošlapal ho lid v bráně, tak že umřel.
Ary dia toy izany no nanjo azy, fa ny olona nanitsaka azy teo am-bavahady, ka dia maty izy.

< 2 Královská 7 >