< 以賽亞書 47 >

1 巴比倫處女!下去,坐在塵土中罷!加色丁貞女!讓位,坐在地上罷!因為你已不再稱為「嬌媚」「柔嫩」了。
Mialà, ka mipetraha amin’ ny vovoka, ry Babylona, zanakavavy virijina! Mipetraha eo amin’ ny tany, fa tsy amin’ ny seza fiandrianana, ry Kaldea zanakavavy! Fa tsy hatao hoe vehivavy malemilemy sy mihantahanta intsony ianao.
2 揭去面紗,拿磨去磨麵罷!捲起長裙,露出大腿去涉河罷!
Alao ny vato fikosoham-bary, ka kosohy ny koba; esory ny fisalobonanao, akaro ny moron-tongotr’ akanjonao; aoka hiseho ny fenao, ka miroboha mita ny ony.
3 你的裸體要暴露,你的羞恥要現出!我要復仇,決不憐惜任何人。
Hiseho ny fitanjahanao, eny, ho hita ny fahamenaranao; hitondra famaliana Aho ka tsy hiantra olona.
4 我們的救主--他的名字是萬軍的上主--說。
Ny anaran’ ny Mpanavotra anay dia Jehovah, Tompon’ ny maro, Iray Masin’ ny Isiraely.
5 加色丁處女!靜靜地坐下:進入黑暗中罷!因為你不再稱為「萬國之后!」
Mipetraha mangingina, ka midìra ao amin’ ny maizina, ry Kaldea zanakavavy! Fa tsy hatao hoe Tompovavin’ ny fanjakana intsony ianao.
6 我曾向我的人民發怒,污辱了我的產業;我將他們交在你手中,可是你對他們沒有表示仁慈,將你的軛重重地壓在老者身上。
Tezitra tamin’ ny oloko Aho; navelako holotoina ny lovako, ka natolotro ho eo an-tananao izy, tsy mba namindranao fo izy, fa na dia ny antitra aza dia nasianao zioga mavesatra dia mavesatra.
7 你說過:「我永久要作王后!」但你心中從沒有考慮過這事,也沒有想過這事的結局。
Ary hoy ianao: Ho tompovavy mandrakizay Aho; ka dia tsy nandatsaka am-po izany zavatra izany ianao, na nitsapa izay hiafarany.
8 你這淫逸安居的人,你心裏想:「只有我而沒有別人!我決不會寡居,也決不會喪子! 」如今你聽這話:
Koa mihainoa, ianao izay mihantahanta sady mipetraka tsy manana ahiahy ka manao anakampo hoe: Izaho no izy, ary tsy misy hafa; tsy hipetraka ho mpitondratena aho, na hahita fahafoanan’ anaka.
9 這兩樣在一天內會突然一起降在你身上;雖然你能行許多巫術,能念極威力的符咒,喪子與守寡仍要完全降到你身上。
Kanjo hanjo anao tampoka amin’ ny indray andro monja ireto zavatra roa ireto, dia ny fahafoanan’ anaka sy ny fananoan-tena; Hotanterahina aminao avokoa izany, na dia maro aza ny fankatovanao, ary na dia be dia be aza ny odinao.
10 你自恃於惡說:「沒有人看見我! 」那是你的聰明和知識迷惑了你,叫你心中妄想:「只有我而沒有別人。」
Fa nitoky tamin’ ny faharatsianao ianao ka nanao hoe: Tsy misy mahita ahy. Ny fahendrenao sy ny fahalalanao dia nampivily anao, ka dia nanao anakampo ianao hoe: Izaho no izy, fa tsy misy afa-tsy izaho.
11 災禍必要臨到你身上,你卻不能禳災;患難要降在你身上,但你不能阻止;你從未料到的滅亡,要突然來到你身上。
Kanjo hanjo anao ny fahoriana, nefa tsy ho fantatrao izay fanafany; Ary hahazo anao ny loza, nefa tsy ho hainao ny fanàlany; eny, hanjo anao tampoka ny fandringanana izay tsy ampoizinao.
12 請你繼續行你自幼即勞碌習行的咒術和那無數的巫術罷!這或許能於你有利,或者能叫人害怕。
Arosoy ary ny odinao sy ny hamaroan’ ny fankatovanao, izay efa nisasaranao hatry ny fony ianao mbola kely; Angamba hahavita izay mahasoa ianao; angamba ho tonga mahatahotra ianao.
13 你也許聽倦了那許多計謀,現在讓那些測天體,觀星辰和每月預告你未來之事的人們前來拯救你罷!
Sasatra noho ny hamaroan’ ny fisainanao ianao; aoka hitsangana ankehitriny ireo mpamantatra ny lanitra sy mpandinika ny kintana ireo hamonjy anao, dia ireo mpanambara isaky ny tsinam-bolana izay zavatra ho tonga aminao.
14 看哪!他們都像枯草,必為火所焚燒;他們連自己也不能由火的威力中救出,因為這不是為取煖的炭火,也不是座前的爐火。
Indro, fa ho tahaka ny vodivary ireo; ho main’ ny afo izy ka tsy hahavonjy ny tenany amin’ ny herin’ ny lelafo akory; tsy misy vainafo hamindroana, na afo hitaninana aza.
15 你那些自幼與之共同勞碌的巫士,為你都是如此;他們各散東西,沒有誰來救你。
Ho toy izany aminao ireo efa nisasaranao ireo, dia ireo nifampivarotra taminao hatry ny fony ianao mbola kely; samy hipariaka mandositra ho any amin’ ny fonenany avy izy, ka tsy hisy hahavonjy anao.

< 以賽亞書 47 >