< Luke 12 >
1 Ni nton kima, indji dubu gbugbuwu ba rju ye shubi nitu bran mba ba hon ta chan kpamba. Alu kri tre ni guchi ni mri ko ma ndi, “Mla ya yist wu Farisawa, wandi ahi gyuru ndji nitu zren mba
Ary tamin’ izany, raha niangona ny vahoaka betsaka tsy hita isa ka nifanitsaka, Jesosy dia niteny tamin’ ny mpianany aloha ka nanao hoe: Mitandrema ianareo, fandrao azon’ ny masirasiran’ ny Fariseo, dia ny fihatsaram-belatsihy.
2 Ba kpe wa ba kawu wandi ana rju kri ndende ni ra na, ba kpe wa ba kari wandi bana toh na.
Fa tsy misy nafenina izay tsy haseho, na takona izay tsy ho fantatra.
3 Nitu kima, ikpi wa wu tre ni bwu ba wo ni kpan, i wuta tre kpe ni riri ni ton, nimi tra, ba dbu hla ni tu nkan.
Koa na inona na inona teneninareo ao amin’ ny maizina dia ho re eo amin’ ny mazava; ary izay bitsihinareo mangingina ao amin’ ny efi-trano dia hotorina eo amin’ ny tampon-trano.
4 Mi hla ni yiwu, kpukpanmu, na tie sissri bi wa ba wu ikpa megyen, dana he ni kpe wa ba la tie na.
Ary lazaiko aminareo sakaizako hoe: Aza matahotra izay mamono ny tena, nefa nony afaka izany, dia tsy mahay manao mihoatra noho izany.
5 Ama, mi gbron ton mbi nitu wa be klu'u klu wandi anita wu, a he ni gbengble wu ta u yo ni lu shetan. Ee, Mi hla ni yiwu, klu'u. (Geenna )
Fa hasehoko anareo izay hatahoranareo: Matahora Izay manam-pahefana hanary any amin’ ny helo, rehefa novonoiny; eny, hoy Izaho aminareo: Matahora Azy. (Geenna )
6 Bana leni chinche sparo ton nitu wlo bubo tra na? Ni kima me, Irji na kparisu ni iri mba na.
Tsy eranambatry va no vidin’ ny tsintsina dimy? nefa tsy misy hadinoina eo anatrehan’ Andriamanitra ireny na dia iray akory aza.
7 Infutu wu tume me a bla ba pempe. Natie sissri na. Wu he ni ndu zan chinchen sparo gbugbuwu.
Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro ianareo.
8 Mi hla ni yiwu ndji wa a kri nda tre ni tu mu ni shishi ndji, Vren Ndji ngame ni tre ni tuma ni shishi Maleku Irji,
Fa lazaiko aminareo: Na zovy na zovy no manaiky Ahy eo anatrehan’ ny olona, dia heken’ ny Zanak’ olona kosa izy eo anatrehan’ ny anjelin’ Andriamanitra;
9 Anita kama ni me ni shishi ndji, ba kama niwu ni shishi Maleku Irji.
Fa izay mandà Ahy eo anatrehan’ ny olona, dia holavina kosa izy eo anatrehan’ ny anjelin’ Andriamanitra.
10 Ko nha wa a tre lan tre meme nitu Vren Ndji, bakpa wru hle niwu, ama wuta tra valala wu gbron gbrongrji, nitu Ruhu Tsatsra, bana wru hle niwu na.
Fa na zovy na zovy no hanao teny hanohitra ny Zanak’ olona dia hahazo famelan-keloka; fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masìna dia tsy mba hahazo famelan-keloka.
11 Bati ngrji wu ye ni shishi kikle bi mitra Sinagog, bi tie chu baba bi ninkon gbu, na du suron mbi rjoku nitu kpe wandi bi tre wa ani kpauyi chuwo na.
Ary raha mitondra anareo ho ao amin’ ny synagoga sy ny mpanapaka ary ny manam-pahefana izy, dia aza manahy izay havalinareo, na izay holazainareo;
12 Ruhu Tsatsra ni tsro yi ni nton kima, ikpe wa bi tre'a.
fa ny Fanahy Masìna no hampianatra anareo amin’ izany ora izany izay mety holazainareo.
13 Ndji rinimi ikpan ndji ba a tre niwu ndi, Ticha, hla ni vayi mu ni du ga gado mbu ni me.
Ary nisy anankiray teo amin’ ny vahoaka nanao tamin’ i Jesosy hoe: Mpampianatra ô, teneno ny rahalahiko mba hizara lova amiko.
14 Yesu a hla wu ndi Ndji, anha yo me mi ga tre koh du mi ri nimi tre mbi?
Fa hoy Izy taminy: Ralehilahy, iza no nanendry Ahy ho mpitsara na mpizara ao aminareo?
15 A tre ni ba andi, mla toh ni na du son tu do honyi na, nitu mlason ndji ni vrhi ana nitu kri ni gbugbu ikpi wa a he ni wuna.
Ary hoy Izy tamin’ ny olona: Mitandrema, ka miarova tena mba tsy ho azon’ ny fieremana ianareo; fa ny ain’ ny olona tsy miankina amin’ ny habetsahan’ ny zavatra ananany.
16 Nikima, Yesu a tre parabul ni bawu ndi, “Irju ndji wu wo ri nu birhi gbugbuwu.
Dia nanao fanoharana taminy Izy ka nanao hoe: Ny tanin’ ny lehilahy manan-karena anankiray nahavokatra be.
17 A son nda mla ya ni kpama nda tre ndi, 'Mi tie ni he, nitu mina he ni bubu wa mi zi biri wu wru mu na?'
Ary izy nihevitra tao am-pony hoe: Ahoana no hataoko, fa tsy manana fitoerana hamoriako ny vokatro aho?
18 A tre ndi, ngye kpe wa mi ti a yi. Mi zi ba wronmu ni mme bi rigrama, nike mi zi biri wu wrhu mu mba mbru ikpi mu wawu.
Ary hoy izy: Izao no hataoko: handrava ny trano fitehirizako aho ka hanao izay lehibebe kokoa, ary ao no hamoriako ny variko rehetra sy ny fananako.
19 Mi hla ni suron mu, “Suron, wu he ni kpi gbugbuwu wa wu mla zi wu ise gbugbu ni ko shishi. Kuson si rhi ni so, son piyame.'”
Dia hilaza amin’ ny fanahiko hoe aho: Ry fanahy ô, manana fananana be voatahiry ho amin’ ny taona maro ianao; mitsahara, mihinàna, misotroa, mifalia.
20 Ee, Irji hla wu ndi, 'Ruhu ndji, ni chu wu luwa, ba kpa vrhi suron meluwa, i ikpi ba wu mla zi ba, wu don ni nha?'
Fa Andriamanitra kosa nanao taminy hoe: Ry adala, anio alina no halaina aminao ny fanahinao, ka ho an’ iza izay zavatra noharinao?
21 Kima he na bibi ndji bari, ba vu kpi si mla zi ni tu mba, nda k'ma tie bi kpla ni Irji.
Toy izany izay mihary harena ho an’ ny tenany ihany, nefa tsy mba manan-karena ny amin’ Andriamanitra.
22 Yesu a hla ni mri koh ma ndi, Mi hla yiwu, na dame ni tu me na, ikpe wa wuri, ko ni kpame, ikpe wa wu sru.
Ary hoy Jesosy tamin’ ny mpianany: Noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Aza manahy ny amin’ ny ainareo, izay hohaninareo, na ny amin’ ny tenanaren, izay hotafinareo.
23 Vri son a zan biri i kpa zan nklon wu sru.
Fa ny aina mihoatra noho ny hanina, ary ny tena noho ny fitafiana.
24 Ya kikle chinche ravins, bana chu ndana han na. Ba na he ni tra wu zi kpi ko wron na, ama Irji ni nuba irhi-mba. Wu na zan chinche ba ni anfani ni shishi Irji na?
Hevero ny goaika; fa tsy mba mamafy na mijinja ireny; ary tsy manana fitoeran-javatra na trano fitehirizana, nefa Andriamanitra mamelona azy; tsy mihoatra lavitra noho ny vorona va ianareo?
25 Inha nimi-mbi, nitu son rhimre nitu kpe, ani du vi wu vri ma hon zan cubit?
Ary iza moa ao aminareo, na dia manahy aza, no mahay manampy ny andro iainany, na dia kely monja aza?
26 Wuta na toh tie mri kpi toh wayi na, nitu ngye wu du suron me du na kuson si na?
Koa raha ny kely indrindra aza tsy hainareo, nahoana ianareo no manahy ny amin’ ny sisa?
27 Ya mri vunvu bi kpan mbi ni shishi to lilies, ni lu gbron mbu, bana tiya na, bana k'ma ya bubu na, ee, Solomon me ni nzu hon ma ana sru ikpi wu bi toh iri-mba na.
Hevero ny fanirin’ ny voninkazo; tsy mba miasa na mamoly ireny; nefa lazaiko aminareo: Na dia Solomona teo amin’ ny voninahiny rehetra aza tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin’ ireny.
28 Irji nita nu ghiga wu wrhu, wandi luwa ahe, i mble ba kau taga ni lu, ani tie he ndana nu nklon wu sru na? Wu ndji wu kpanyime ni wu fime.
Ary raha ny ahitra izay any an-tsaha anio, nefa hatao ao am-patana rahampitso, no ampitafin’ Andriamanitra toy izany, tsy mainka va ianareo ry kely finoana?
29 Na yo shishi ni kpe wa wu rhi ndi sona, na du suron me hamma ni kukru na.
Koa aza mitady izay hohaninareo na izay hosotroinareo ianareo, ary aza miahanahana.
30 Gbungblu wawu ba yo suron wa ikpi biki, i Timbi toh wu son kpi baki ngame
Fa ny jentilisa amin’ izao tontolo izao dia fatra-pitady izany rehetra izany; fa ny Rainareo mahalala fa tokony ho anareo izany zavatra izany.
31 Wuka yo suron meni iko mulki Irji guchi, i ba vu kpibiyi nha niwu tuma.
Kanefa katsaho ny fanjakany; dia hanampy ho anareo izany zavatra izany.
32 Na tie sissri na, ikran mri nitu Iti-mbu toh a bi ni du nuta ri ko mulki ma.
Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana.
33 Le ni ikpi me ni nu sadaka. Wran ngomble ni kpa-mbi wa ana y'ba na - ikpe ndindi ni shulu wandi ana kle na, i ndji wu y'bi na ye whiewhiere na, i imra na kpa timeme na.
Amidio ny fanananareo, ka manaova fiantrana; manaova kitapom-bola tsy mety ho tonta ho anareo, dia harena any an-danitra tsy mety ho lany, izay tsy azon’ ny mpangalatra, sady tsy misy kalalao manimba.
34 Bubu wa ikpe ndindi me he'a, suron me ni he ngame.
Fa izay itoeran’ ny harenareo, dia ho any koa ny fonareo.
35 Lo kpa mla tie ni rjirji ni nchi, ni du ilu me si kpan,
Aoka hisikina ny valahanareo sy hirehitra ny jironareo;
36 nna ndji biwa basi gben ti-kohmba du k'ma rjini ko gran, anita ye wrunko, baka bwu niwu gbagbla.
ary aoka ianareo ho tahaka ny olona izay miandry ny tompony, raha mody avy amin’ ny fampakaram-bady izy, ka nony tonga sy mandondòna izy, dia vohany miaraka amin’ izay.
37 Lulu he ni tu igran biwa tikomba niye to ba si gben yemma. Njanji, mi hla yiwu, ani mla kpama tie wu tindu nda du ba son nitu tabur, wa a ni lu tindu bawu.
Sambatra ny mpanompo izay ho hitan’ ny tompony miambina, raha avy izy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa hisikina ny tompony, dia hampipetraka azy hihinana, dia ho avy ka hanompo azy.
38 Tikoh anita ye ni nh'ma wu ha ko nh'ma wu tra nda ye toh bi ki ni sisren si gben i lulu ni tu igran baki.
Ary na avy amin’ ny fiambenana faharoa amin’ ny alina izy, na avy amin’ ny fiambenana fahatelo, ka mahita toy izany, dia sambatra ireo mpanompo ireo.
39 Ama bika toh, tikoh nita toh nton wa ndji wu y'bi ni ye'a, ana du rhi ni ko'a na.
Ary fantaro izao, fa raha fantatry ny tompon-trano izay ora hihavian’ ny mpangalatra, dia ho niambina izy ka tsy namela ny tranony hotamina.
40 Son ni sro, wuna toh nton wa vren ndji ni yena.
Dia miomàna koa ianareo; fa ho avy ny Zanak’ olona amin’ izay ora tsy ampoizinareo.
41 Bitrus a tre, “Bachi wusi hla tre yi ni tawu megyen ka ni konha?”
Ary hoy Petera: Tompoko, izahay va no ilazanao izany fanoharana izany, sa ny olona rehetra?
42 Bachi a sa ndi, “A hi nha ndji ndindi wa tikoma ni nu ndu ya mbru igran ma, ani mla ta nuba biri mba ni ntonma?
Ary hoy ny Tompo: Iza moa no mpitandri-draharaha mahatoky sy manan-tsaina, izay hotendren’ ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy anjara hanina amin’ ny fotoana?
43 Lulu he ni tu igran wa tikoh niye toh si ti ndu wa bana nu anita k'ma ye.
Sambatra ny mpanompo Izay ho hitan’ ny tompony fa, indreo, manao toy izany, raha avy izy.
44 Njanji mi hla yiwu, ani yo ni tu ikpi koh ma wau.
Lazaiko aminareo marina fa hotendreny ho mpanapaka ny fananany rehetra izy.
45 Igran a nita tre ni suron ma ndi, “Bachi mu ani ti grji ni ye, nda lu si tsi igran lilon baba mba biwa ba he ni wo ma, nda rhi nda so nda wha,
Fa raha manao anakampo kosa izany mpanompo izany hoe: Maharitra ela ny tompoko vao ho avy, ka dia mikapoka ny ankizilahy sy ny ankizivavy izy sady mihinana sy misotro ka mamo,
46 Bachi igran niye ni ivi wa ana tie mre na mba nton wa ana to na, anic'ba tie tsitsa nda ban yo ni bubu bi ka toti ndindi.
dia ho avy ny tompon’ izany mpanompo izany amin’ ny andro izay tsy ampoiziny sy amin’ ny ora izay tsy fantany, dia hotapahiny roa izy ka homeny anjara any amin’ ny tsy mahatoky.
47 Igran kima, nitu ana toh suron bachima ye, ama dana mla son nda tie kpi wa ani son na, ba tsiwu branbran.
Fa ilay mpanompo izay mahalala ny sitrapon’ ny tompony ihany ka tsy miomana na manao izay sitraky ny fony dia hokapohina be.
48 I waa ana toh na ama nda tie ikpe wa du ba tsiwu a, ba tsiwu ifimeyi. Ndi wa banu ikpi bran bran, ni wo ma, ba kpa branbran. Wandi ba zi kpi gbugbuwu ni woma, ba mye ikpi wa azan kima.
Fa izay tsy nahalala kosa ka nanao izay zavatra tokony hikapohana azy dia hokapohina kely. Fa izay nomena be, dia be no hotadiavina aminy; ary izay nampitehirizina be, dia bebe kokoa no hadinina aminy.
49 Mi ye nitu ye yo lu ni gbungblu mem, i mi son ndi ilu anina nu ye.
Tonga hanipy afo etỳ ambonin’ ny tany Aho, ka manao ahoana ny faniriako mba hirehetan’ izany sahady?
50 Ama mi he ni baptisma wa batie nimu'a, suron mu ni lo nitu du ba kle kima.
Ary manana batisa hanaovana Ahy batisa Aho, ka manao ahoana ny fahoriako ambara-pahatanterahany!
51 Bi ya mi ye nji isi ye ni gbungblu meme? Ana toki na, mi hla yiwu, ahi iga.
Ataonareo va fa tonga hanome fihavanana ambonin’ ny tany Aho? Tsia, hoy Izaho aminareo, fa fampisarahana.
52 Rji ni zizan, hini shishi, ndi ton ba he niko, iga ni ri, ndi tra nitu ndi ha, i iha nitu tra.
Fa hatramin’ izao dia hisy dimy hisara-tsaina ao an-trano iray, ny telo hanohitra ny roa, ary ny roa hanohitra ny telo.
53 Baga ni kpamba, iti mba vren wa ni ihi ma. Ihi wa vren ma mba iwa vren ma, i wa vren ni ihi lonma.
Hisara-tsaina ireo, ka ny ray hanohitra ny zananilahy, ary ny zanakalahy hanohitra ny rainy; ny reny hanohitra ny zananivavy, ary ny zanakavavy hanohitra ny reniny; ny rafozam-bavy hanohitra ny vinantoni-vavy, ary ny vinantovavy hanohitra ny rafozani-vavy.
54 Yesu asia hla ni kpa ndi ba, ngame ndi, “Bita toh kpa lu ni lunde rhi ni yalu, bika gbla tre ndji, tenlu ni ye wa ani he toki.
Ary hoy Jesosy tamin’ ny vahoaka: Raha mahita rahona miposaka any andrefana ianareo, miaraka amin’ izay dia hoy ianareo: Ho avy ny ranonorana; dia tonga izany.
55 Gyungwu nita ni fu ni rji ni kogbo, bi tre ndi, gbaji wu hwuma ni ye, wa ani ye toki.
Ary raha avy any atsimo ny rivotra, dia hoy ianareo: Hafana ny andro; dia tonga izany.
56 Bi gyru tu-mbi, bi to sran, tsro kpa ikpi nimemembani shulu, i ti tie nihe nina toh sran ikpi wa si zren zizan na.
Hianareo mpihatsaravelatsihy, ny tarehin’ ny tany sy ny lanitra dia hainareo fantarina; fa ahoana kosa no tsy ahaizanareo mamantatra izao andro izao?
57 Bi ti he mu nina gatre ni kpame na?
Nahoana ianareo no tsy mahalala mitsara araka ny marina?
58 Wuta hi niwandia no son na, ni shishi ndji wu ga tre, bita rhi he ni nko, bika mla ti ni kpambi, nitu du na njiwu hi lo, ni du ndji wu ga tre kana vu nuwa ani, njiwu hi tro na.
Fa raha miara-mandeha amin’ ny manana ady aminao ianao hanatrika ny mpanapaka, raha mbola any an-dalana dia mazotoa manao izay hahafahanao aminy, fandrao hitondra anao any amin’ ny mpitsara izy, ary ny mpitsara hanolotra anao amin’ ny mpamatotra, ary ny mpamatotra hanao anao ao an-tranomaizina.
59 Mi hla niwu, wuna to wru na, se wu han kubu wa ba han pempyeme
Lazaiko aminao fa tsy ho afaka ao ianao, ambara-pandoanao ny variraiventy farany indrindra.